T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 8

1 [Ny nahafahan'ny Isiraely an'i Ay sy Betela] Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan'i Ay mbamin'ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.

2 Dia tahaka ny nataonao tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin'i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.

3 Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin'ny alina.

4 Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon'ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra.

5 Ary izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay.

6 Dia hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa izy hanao hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.

7 Ary dia hiroatra avy ao amin'ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanàna; fa atolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.

8 Ary rehefa afakareo ny tanàna, dia dory amin'ny afo; araka ny didin'i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho.

9 Dia nampandehanin'i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan'i Ay, teo anelanelan'i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin'ny vahoaka ihany tamin'izany alina izany.

10 Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan'ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon'ny Isiraely.

11 Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin'i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr'i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan'izy sy Ay.

12 Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan'i Betela sy Ay, andrefan'ny tanàna.

13 Ary rehefa voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tanàna sy ny otrika teo andrefan'ny tanàna, dia nandeha nankeo amin'ny lohasaha Josoa tamin'izany alina izany.

14 Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin'ny Isiraely, teo amin'ny tany* nifamotoanany tandrifin'ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna. [Na: fotoana]

15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin'ny lalana mankany an-efitra.

16 Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanàna; ary nanenjika an'i Josoa izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tanàna.

17 Ary tsy nisy lehilahy sisa, na tao Ay na tao Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely; ary nilaozany mbola nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy.

18 Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Atondroy an'i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron'i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tànany.

19 Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin'ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tànany; dia niditra tao an-tanàna izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin'ny afo.

20 Ary niherika ny mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory , na ho etỳ, na ho erỳ; fa ny Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa.

21 Fa rehefa hitan'i Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon'ny otrika ny tanàna, ka niakatra ny setroky ny tanàna, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay.

22 Ary ireo tao an-tanàna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan'ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran'ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.

23 Ary ny mpanjakan'i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin'i Josoa.

24 Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin'ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin'ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra.

25 Ary izay rehetra maty tamin'izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray alina, dia ny mponina rehetra tao Ay.

26 Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin'ny lefona mandra-pandringana* ny mponina rehetra tao Ay.[Heb. herema]

27 Nefa ny biby fiompy mbamin'ny fananana rehetra tao amin'izany tanàna izany dia nalain'ny Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin'i Jehovah izay nandidiany an'i Josoa.

28 Ary Ay dia nodoran'i Josoa ka nofoanany ho tanànaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy.

29 Ary ny mpanjakan'i Ay nahantony tamin'ny hazo mandra-paharivan'ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.

30 [Ny nanoratan'i Josoa ny dikan'ny lalàna tamin'ny vato, sy ny namakiana ny fitahiana sy ny fanozonana teo an-tendrombohitra Gerizima sy Ebala] Ary tamin'izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,

31 araka izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah, ny Zanak'Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana.

32 Dia nosoratany teo amin'ny vato ny dikan'ny lalàn'i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely.

33 Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin'ny fiara, teo anatrehan'ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely.

34 Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin'ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàna.

35 Tsy nisy teny tamin'izay rehetra nandidian'i Mosesy, izay tsy novakin'i Josoa teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin'ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.

 

8:1 Yahweh said to Joshua, “Don’t be afraid, neither be dismayed. Take all the people of war with you, and arise, go up to Ai. Behold, I have given into your hand the king of Ai, with his people, his city, and his land. 8:2 You shall do to Ai and her king as you did to Jericho and her king, except its spoil and its livestock, you shall take for a plunder for yourselves. Set an ambush for the city behind it.”

8:3 So Joshua arose, and all the people of war, to go up to Ai. Joshua chose thirty thousand men, the mighty men of valor, and sent them out by night. 8:4 He commanded them, saying, “Behold, you shall lie in ambush against the city, behind the city. Don’t go very far from the city, but all of you be ready. 8:5 I, and all the people who are with me, will approach to the city. It shall happen, when they come out against us, as at the first, that we will flee before them. 8:6 They will come out after us, until we have drawn them away from the city; for they will say, ‘They flee before us, like the first time.’ So we will flee before them, 8:7 and you shall rise up from the ambush, and take possession of the city; for Yahweh your God will deliver it into your hand. 8:8 It shall be, when you have seized on the city, that you shall set the city on fire. You shall do this according to the word of Yahweh. Behold, I have commanded you.”

8:9 Joshua sent them out; and they went to set up the ambush, and stayed between Bethel and Ai, on the west side of Ai; but Joshua stayed among the people that night. 8:10 Joshua rose up early in the morning, mustered the people, and went up, he and the elders of Israel, before the people to Ai. 8:11 All the people, even the men of war who were with him, went up, and drew near, and came before the city, and encamped on the north side of Ai. Now there was a valley between him and Ai. 8:12 He took about five thousand men, and set them in ambush between Bethel and Ai, on the west side of the city. 8:13 So they set the people, even all the army who was on the north of the city, and their ambush on the west of the city; and Joshua went that night into the midst of the valley. 8:14 It happened, when the king of Ai saw it, that they hurried and rose up early, and the men of the city went out against Israel to battle, he and all his people, at the time appointed, before the Arabah; but he didn’t know that there was an ambush against him behind the city. 8:15 Joshua and all Israel made as if they were beaten before them, and fled by the way of the wilderness. 8:16 All the people who were in the city were called together to pursue after them. They pursued Joshua, and were drawn away from the city. 8:17 There was not a man left in Ai or Beth El who didn’t go out after Israel. They left the city open, and pursued Israel.

8:18 Yahweh said to Joshua, “Stretch out the javelin that is in your hand toward Ai, for I will give it into your hand.”

Joshua stretched out the javelin that was in his hand toward the city. 8:19 The ambush arose quickly out of their place, and they ran as soon as he had stretched out his hand, and entered into the city, and took it. They hurried and set the city on fire. 8:20 When the men of Ai looked behind them, they saw, and behold, the smoke of the city ascended up to heaven, and they had no power to flee this way or that way. The people who fled to the wilderness turned back on the pursuers. 8:21 When Joshua and all Israel saw that the ambush had taken the city, and that the smoke of the city ascended, then they turned again, and killed the men of Ai. 8:22 The others came out of the city against them, so they were in the midst of Israel, some on this side, and some on that side. They struck them, so that they let none of them remain or escape. 8:23 They captured the king of Ai alive, and brought him to Joshua.

8:24 It happened, when Israel had made an end of killing all the inhabitants of Ai in the field, in the wilderness in which they pursued them, and they had all fallen by the edge of the sword, until they were consumed, that all Israel returned to Ai, and struck it with the edge of the sword. 8:25 All that fell that day, both of men and women, were twelve thousand, even all the men of Ai. 8:26 For Joshua didn’t draw back his hand, with which he stretched out the javelin, until he had utterly destroyed all the inhabitants of Ai. 8:27 Only the livestock and the spoil of that city Israel took for prey to themselves, according to the word of Yahweh which he commanded Joshua. 8:28 So Joshua burnt Ai, and made it a heap forever, even a desolation, to this day. 8:29 He hanged the king of Ai on a tree until the evening, and at the sundown Joshua commanded, and they took his body down from the tree, and threw it at the entrance of the gate of the city, and raised a great heap of stones on it that remains to this day.

8:30 Then Joshua built an altar to Yahweh, the God of Israel, in Mount Ebal, 8:31 as Moses the servant of Yahweh commanded the children of Israel, as it is written in the book of the law of Moses, an altar of uncut stones, on which no man had lifted up any iron. They offered burnt offerings on it to Yahweh, and sacrificed peace offerings. 8:32 He wrote there on the stones a copy of the law of Moses, which he wrote in the presence of the children of Israel. 8:33 All Israel, and their elders and officers, and their judges, stood on this side of the ark and on that side before the priests the Levites, who carried the ark of Yahweh’s covenant, the foreigner as well as the native; half of them in front of Mount Gerizim, and half of them in front of Mount Ebal, as Moses the servant of Yahweh had commanded at the first, that they should bless the people of Israel. 8:34 Afterward he read all the words of the law, the blessing and the curse, according to all that is written in the book of the law. 8:35 There was not a word of all that Moses commanded, which Joshua didn’t read before all the assembly of Israel, with the women, the little ones, and the foreigners who were among them.

 

Chapitre 8
1 L'Éternel dit à Josué: Ne crains point, et ne t'effraie point! Prends avec toi tous les gens de guerre, lève-toi, monte contre Aï. Vois, je livre entre tes mains le roi d'Aï et son peuple, sa ville et son pays. 2 Tu traiteras Aï et son roi comme tu as traité Jéricho et son roi; seulement vous garderez pour vous le butin et le bétail. Place une embuscade derrière la ville. 3 Josué se leva avec tous les gens de guerre, pour monter contre Aï. Il choisit trente mille vaillants hommes, qu'il fit partir de nuit, 4 et auxquels il donna cet ordre: Écoutez, vous vous mettrez en embuscade derrière la ville; ne vous éloignez pas beaucoup de la ville, et soyez tous prêts. 5 Mais moi et tout le peuple qui est avec moi, nous nous approcherons de la ville. Et quand ils sortiront à notre rencontre, comme la première fois, nous prendrons la fuite devant eux. 6 Ils nous poursuivront jusqu'à ce que nous les ayons attirés loin de la ville, car ils diront: Ils fuient devant nous, comme la première fois! Et nous fuirons devant eux. 7 Vous sortirez alors de l'embuscade, et vous vous emparerez de la ville, et l'Éternel, votre Dieu, la livrera entre vos mains. 8 Quand vous aurez pris la ville, vous y mettrez le feu, vous agirez comme l'Éternel l'a dit: c'est l'ordre que je vous donne. 9 Josué les fit partir, et ils allèrent se placer en embuscade entre Béthel et Aï, à l'occident d'Aï. Mais Josué passa cette nuit-là au milieu du peuple. 10 Josué se leva de bon matin, passa le peuple en revue, et marcha contre Aï, à la tête du peuple, lui et les anciens d'Israël. 11 Tous les gens de guerre qui étaient avec lui montèrent et s'approchèrent; lorsqu'ils furent arrivés en face de la ville, ils campèrent au nord d'Aï, dont ils étaient séparés par la vallée. 12 Josué prit environ cinq mille hommes, et les mit en embuscade entre Béthel et Aï, à l'occident de la ville. 13 Après que tout le camp eut pris position au nord de la ville, et l'embuscade à l'occident de la ville, Josué s'avança cette nuit-là au milieu de la vallée. 14 Lorsque le roi d'Aï vit cela, les gens d'Aï se levèrent en hâte de bon matin, et sortirent à la rencontre d'Israël, pour le combattre. Le roi se dirigea, avec tout son peuple, vers un lieu fixé, du côté de la plaine, et il ne savait pas qu'il y avait derrière la ville une embuscade contre lui. 15 Josué et tout Israël feignirent d'être battus devant eux, et ils s'enfuirent par le chemin du désert. 16 Alors tout le peuple qui était dans la ville s'assembla pour se mettre à leur poursuite. Ils poursuivirent Josué, et ils furent attirés loin de la ville. 17 Il n'y eut dans Aï et dans Béthel pas un homme qui ne sortît contre Israël. Ils laissèrent la ville ouverte, et poursuivirent Israël. 18 L'Éternel dit à Josué: Étends vers Aï le javelot que tu as à la main, car je vais la livrer en ton pouvoir. Et Josué étendit vers la ville le javelot qu'il avait à la main. 19 Aussitôt qu'il eut étendu sa main, les hommes en embuscade sortirent précipitamment du lieu où ils étaient; ils pénétrèrent dans la ville, la prirent, et se hâtèrent d'y mettre le feu. 20 Les gens d'Aï, ayant regardé derrière eux, virent la fumée de la ville monter vers le ciel, et ils ne purent se sauver d'aucun côté. Le peuple qui fuyait vers le désert se retourna contre ceux qui le poursuivaient; 21 car Josué et tout Israël, voyant la ville prise par les hommes de l'embuscade, et la fumée de la ville qui montait, se retournèrent et battirent les gens d'Aï. 22 Les autres sortirent de la ville à leur rencontre, et les gens d'Aï furent enveloppés par Israël de toutes parts. Israël les battit, sans leur laisser un survivant ni un fuyard; 23 ils prirent vivant le roi d'Aï, et l'amenèrent à Josué. 24 Lorsqu'Israël eut achevé de tuer tous les habitants d'Aï dans la campagne, dans le désert, où ils l'avaient poursuivi, et que tous furent entièrement passés au fil de l'épée, tout Israël revint vers Aï et la frappa du tranchant de l'épée. 25 Il y eut au total douze mille personnes tuées ce jour-là, hommes et femmes, tous gens d'Aï. 26 Josué ne retira point sa main qu'il tenait étendue avec le javelot, jusqu'à ce que tous les habitants eussent été dévoués par interdit. 27 Seulement Israël garda pour lui le bétail et le butin de cette ville, selon l'ordre que l'Éternel avait prescrit à Josué. 28 Josué brûla Aï, et en fit à jamais un monceau de ruines, qui subsiste encore aujourd'hui. 29 Il fit pendre à un bois le roi d'Aï, et l'y laissa jusqu'au soir. Au coucher du soleil, Josué ordonna qu'on descendît son cadavre du bois; on le jeta à l'entrée de la porte de la ville, et l'on éleva sur lui un grand monceau de pierres, qui subsiste encore aujourd'hui. 30 Alors Josué bâtit un autel à l'Éternel, le Dieu d'Israël, sur le mont Ébal, 31 comme Moïse, serviteur de l'Éternel, l'avait ordonné aux enfants d'Israël, et comme il est écrit dans le livre de la loi de Moïse: c'était un autel de pierres brutes, sur lesquelles on ne porta point le fer. Ils offrirent sur cet autel des holocaustes à l'Éternel, et ils présentèrent des sacrifices d'actions de grâces. 32 Et là Josué écrivit sur les pierres une copie de la loi que Moïse avait écrite devant les enfants d'Israël. 33 Tout Israël, ses anciens, ses officiers et ses juges, se tenaient des deux côtés de l'arche, devant les sacrificateurs, les Lévites, qui portaient l'arche de l'alliance de l'Éternel; les étrangers comme les enfants d'Israël étaient là, moitié du côté du mont Garizim, moitié du côté du mont Ébal, selon l'ordre qu'avait précédemment donné Moïse, serviteur de l'Éternel, de bénir le peuple d'Israël. 34 Josué lut ensuite toutes les paroles de la loi, les bénédictions et les malédictions, suivant ce qui est écrit dans le livre de la loi. 35 Il n'y eut rien de tout ce que Moïse avait prescrit, que Josué ne lût en présence de toute l'assemblée d'Israël, des femmes et des enfants, et des étrangers qui marchaient au milieu d'eux.