T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 21

1 [Ny tanànan'ny mpisorona sy ny Levita] Ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita dia nanatona an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely

2 ka niteny taminy tao Silo tao amin'ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an'i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an'ny biby fiompinay.

3 Dia avy tamin'ny lovany no nanomezan'ny Zanak'Isiraely ny Levita izao tanàna izao sy ny tany manodidina azy avy araka ny didin'i Jehovah.

4 Dia nahazo loka ny fokon'ny Kehatita; ary ny loka azon'ny taranak'i Arona mpisorona isan'ny Levita dia tanàna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Joda sy ny firenen'i Simeona ary ny firenen'i Benjamina.

5 Ary ny loka azon'ny taranak'i Kehata sisa dia tanàna folo, avy tamin'ny fokon'ny firenen'i Efraima sy ny firenen'i Dana ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.

6 Ary ny loka azon'ny taranak'i Gersona dia tanàna telo ambin'ny folo, avy tamin'ny fokon'ny firenen'Isakara sy ny firenen'i Asera sy ny firenen'i Naftaly ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase any Basana.

7 Ary ny loka azon'ny taranak'i Merary isam-pokony dia tanàna roa ambin'ny folo, avy tamin'ny firenen'i Robena sy ny firenen'i Gada ary ny firenen'i Zebolona.

8 Dia nomen'ny Zanak'Isiraely ny Levita tamin'ny filokana ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay nasain'i Jehovah nandidian'i Mosesy.

9 Dia nomeny avy tamin'ny firenena taranak'i Joda sy ny firenena taranak'i Simeona ireto tanàna hotononina ireto,

10 izay azon'ny taranak'i Arona, isam-pokon'ny taranak'i Kehata. amin'ny taranak'i Levy; fa azy ny loka voalohany.

11 Dia nomeny azy ny tanànan'i Arba*, rain'i Anàka (Hebrona izany), any amin'ny tany havoan'i Joda, mbamin'ny tany manodidina azy. [Kiriat-arba; izahao XV. 54]

12 Fa ny saha momba ny tanàna sy ny zana-bohiny dia nomeny ho lovan'i Kaleba, zanak'i Jefone.

13 Dia nomeny ny taranak'i Arona mpisorona Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Libna sy ny tany manodidina azy

14 ary Jatira sy ny tany manodidina azy ary Estemoa sy ny tany manodidina azy,

15 ary Holona sy ny tany manodidina azy ary Debira sy ny tany manodidina azy,

16 ary Aina sy ny tany manodidina azy ary Jota sy ny tany manodidina azy ary Beti-semesy sy ny tany manodidina azy: tanàna sivy avy tamin'ireo firenena roa ireo;

17 ary avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Gibeona sy ny tany manodidina azy ary Geba sy ny tany manodidina azy

18 ary Anatota sy ny tany manodidina azy ary Almona sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra.

19 Ny tanàna rehetra an'ny mpisorona, taranak'i Arona, dia telo ambin'ny folo ary ny tany manodidina azy avy.

20 Ary ny amin'ny taranak'i Rehata, dia ny Levita sisa tamin'ny taranak'i Kehata, ny tanàna azony tamin'ny filokana dia avy tamin'ny firenen'i Efraima.

21 Dia nomeny azy Sekema sy ny tany manodidina azy any amin'ny tany havoan'i Efraima, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Gazera sy ny tany manodidina azy

22 ary Kibzaima sy ny tany manodidina azy ary Beti-horona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;

23 ary avy tamin'ny firenen'i Dana dia Elteke sy ny tany manodidina azy ary Gibetona sy ny tany manodidina azy.

24 ary Aialona sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany manodidina azy: tanàna efatra;

25 ary avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Tanaka sy ny tany manodidina azy ary Gata-rimona sy ny tany tany manodidina azy: tanàna roa.

26 Ny tanàna rehetra azon'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa dia folo ary ny tany manodidina azy avy.

27 Ary izao no azon'ny taranak'i Gersona isan'ny fokon'ny Levita; avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Bestera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna roa;

28 ary avy tamin'ny firenen'Isakara dia Kisiona sy ny tany manodidina azy ary Daberata sy ny tany manodidina azy,

29 ary Jarmota sy ny tany manodidina azy ary Enganima sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;

30 ary avy tamin'ny firenen'i Asera dia Misala sy ny tany manodidina azy ary Abdona sy ny tany manodidina azy

31 ary Helkata sy ny tany manodidina azy ary Rehoba sy ny ràny manodidina azy, dia tanàna efatra;

32 ary avy tamin'ny firenen'i Naftaly dia Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Hamota dora sy ny tany manodidina azy ary Kanana sy ny tany manodidina azy. dia tanàna telo.

33 Ny tanàna rehetra an'ny Gersonita isam-potony dia telo ambin'ny folo ary ny tany manodidina azy avy.

34 Ary izao no azon'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay Levita sisa: avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Jokneama sy ny tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina azy,

35 ary Dimna sy ny tany manodidina azy ary Nahalola sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;

36 ary avy tamin'ny firenen'i Robena dia Bezera sy ny tany manodidina azy ary Jahaza sy ny tany manodidina azy,

37 ary Kedemota sy ny tany manodidina azy ary Mefata sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra;

38 ary avy tamin'ny firenen'i Gada dia Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fandosirana ho an'izay nahafaty olona, ary Mahanaima sy ny tany manodidina azy

39 ary Hesbona sy ny tany manodidina azy ary Jazera sy ny tany manodidina azy, dia tanàna efatra izy rehetra.

40 Ny tanàna rehetra an'ny taranak'i Merary araka ny fokony, izay sisa tamin'ny fokon'ny Levita, dia tanàna roa ambin'ny folo no loka azony.

41 Ny tanàna rehetra an'ny Levita teo anatin'ny lovan'ny Zanak'Isiraely dia valo amby efa-polo sy ny tany manodidina azy avy.

42 Ireo tanàna ireo samy manana ny taniny manodidina azy avy; tahaka izany avokoa ireo tanàna rehetra ireo.

43 [Ny nahatanterahana ny teny rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely] Dia nomen'i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo,

44 Dia nomen'i Jehovah fitsaharana amin'ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin'ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin'ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr'i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra.

45 Tsy nisy latsata na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehovah tamin'ny taranak'Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.

 

20:1 Yahweh spoke to Joshua, saying, 20:2 “Speak to the children of Israel, saying, ‘Assign the cities of refuge, of which I spoke to you by Moses, 20:3 that the manslayer who kills any person accidentally or unintentionally may flee there. They shall be to you for a refuge from the avenger of blood. 20:4 He shall flee to one of those cities, and shall stand at the entrance of the gate of the city, and declare his cause in the ears of the elders of that city. They shall take him into the city with them, and give him a place, that he may live among them. 20:5 If the avenger of blood pursue after him, then they shall not deliver up the manslayer into his hand; because he struck his neighbor unintentionally, and didn’t hate him before. 20:6 He shall dwell in that city until he stands before the congregation for judgment, until the death of the high priest that shall be in those days. Then the manslayer shall return, and come to his own city, and to his own house, to the city he fled from.’”

20:7 They set apart Kedesh in Galilee in the hill country of Naphtali, Shechem in the hill country of Ephraim, and Kiriath Arba (the same is Hebron) in the hill country of Judah. 20:8 Beyond the Jordan at Jericho eastward, they assigned Bezer in the wilderness in the plain out of the tribe of Reuben, Ramoth in Gilead out of the tribe of Gad, and Golan in Bashan out of the tribe of Manasseh. 20:9 These were the appointed cities for all the children of Israel, and for the alien who lives among them, that whoever kills any person unintentionally might flee there, and not die by the hand of the avenger of blood, until he stands before the congregation.

Chapitre 20

1 L'Éternel parla à Josué, et dit: 2 Parle aux enfants d'Israël, et dis: Établissez-vous, comme je vous l'ai ordonné par Moïse, des villes de refuge, 3 où pourra s'enfuir le meurtrier qui aura tué quelqu'un involontairement, sans intention; elles vous serviront de refuge contre le vengeur du sang. 4 Le meurtrier s'enfuira vers l'une de ces villes, s'arrêtera à l'entrée de la porte de la ville, et exposera son cas aux anciens de cette ville; ils le recueilleront auprès d'eux dans la ville, et lui donneront une demeure, afin qu'il habite avec eux. 5 Si le vengeur du sang le poursuit, ils ne livreront point le meurtrier entre ses mains; car c'est sans le vouloir qu'il a tué son prochain, et sans avoir été auparavant son ennemi. 6 Il restera dans cette ville jusqu'à ce qu'il ait comparu devant l'assemblée pour être jugé, jusqu'à la mort du souverain sacrificateur alors en fonctions. A cette époque, le meurtrier s'en retournera et rentrera dans sa ville et dans sa maison, dans la ville d'où il s'était enfui. 7 Ils consacrèrent Kédesch, en Galilée, dans la montagne de Nephthali; Sichem, dans la montagne d'Éphraïm; et Kirjath-Arba, qui est Hébron, dans la montagne de Juda. 8 Et de l'autre côté du Jourdain, à l'orient de Jéricho, ils choisirent Betser, dans le désert, dans la plaine, dans la tribu de Ruben; Ramoth, en Galaad, dans la tribu de Gad; et Golan, en Basan, dans la tribu de Manassé. 9 Telles furent les villes désignées pour tous les enfants d'Israël et pour l'étranger en séjour au milieu d'eux, afin que celui qui aurait tué quelqu'un involontairement pût s'y réfugier, et qu'il ne mourût pas de la main du vengeur du sang avant d'avoir comparu devant l'assemblée.