| Chapitre 19 1 Ary ny loka faharoa dia azon'i Simeona, dia ny firenena taranak'i Simeona isam-pokony; ary ny lovany dia tao anatin'ny lovan'ny taranak'i Joda. 2 Ary izao no azony ho lovany: Beri-sheba, na Seba, sy Molada 3 sy Hazara-soala sy Bala sy Azema 4 sy Eltolada sy Betola sy Horma 5 sy Ziklaga sy Beti-markabota sy Hazara-sosa 6 sy Beti-lebaota ary Sarohena: tanàna telo ambin'ny folo sy ny zana-bohiny; 7 sy Aina sy Rimona sy Etera sy Asana: tanàna efatra sy ny zana-bohiny; 8 ary ny zana-bohitra rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-bera sy Rama amin'ny tany atsimo. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Simeona araka ny fotony. 9 Avy tamin'ny anjaran'ny taranak'i Joda no nahazoan'ny taranak'i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran'ny taranak'i Joda, ka izany no nahazoan'ny taranak'i Simeona anjara tao anatin'ny azy. 10 Ary ny loka fahatelo dia azon'ny taranak'i Zebolona isam-pokony; ary ny faritanin'ny lovany dia hatrany Sarida, 11 dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an'i Dabeseta ka nihatra tamin'ny lohasahan-driaka tandrifin'i Jokneama, 12 dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin'ny fari-tanin'i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia, 13 dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an'i Nea, 14 dia niolaka eo avaratr'iny ka nahazo an'i Hanatona, dia nihatra tamin'ny lohasaha Jifta-ela. 15 Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny. 16 Izany no lovan'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny. 17 Ary ny loka fahefatra dia azon'Isakara, dia ny taranak'Isakara isam-pokony. 18 Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema 19 sy Hafraima sy Siona sy Anaharata 20 sy Rabita sy Kisiona sy Abeza 21 sy Rameta sy Enganima sy Enhada ary Beti-pazeza. 22 Ary ny fari-taniny dia nahazo an'i Tabara sy Sahazoma sy Beti-semesy, ka dia nihatra tany Jordana: tanàna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny. 23 Izany no lovan'ny firenena taranak'Isakara araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny. 24 Ary ny loka fahadimy dia azon'ny firenena taranak'i Asera isam-pokony. 25 Ary ny fari-taniny dia Helkata sy Haly sy Batena sy Aksafa 26 sy Alameleka sy Amada sy Misala, dia nihatra any Karmela eo andrefana sy Sihora-libnata, 27 dia nitodika niantsinanana ho any Beti-dagona ka nihatra any Zebolona sy ny lohasaha Jifta-ela any avaratra sy Bet-emeka sy Neiela, ka dia nihatra any Kabola eo ankavia 28 ary Ebrona sy Rehoba sy Hamona sy Kana ka hatrany Sidona lehibe, 29 dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina teo akaikin'ny tany Akziba 30 ary Oma sy Afeka ary Rehoba: tanàna roa amby roa-polo sy ny zana-bohiny. 31 Izany no lovan'ny firenena taranak'i Asera araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny. 32 Ary ny loka fahenina dia an'ny taranak'i Naftaly isam-pokony. 33 Ary ny fari-taniny dia hatrany Halefa ka hatramin'ny hazo terebinta ao Zananima sy hatrany Adami-hanekeba sy Jabniela ka hatrany Lakoma, ka dia nihatra an'i Jordana, 34 dia nitodika niankandrefana hatrany Aznota-tabara, dia nandroso hatrany Hokoka ary nihatra an'i Zebolona eo atsimo sy Asera eo andrefana ary Joda amoron'i Jordana eo atsinanana. 35 Ary ny tanàna mimanda dia Zidima Zera sy Hamata sy Rakata sy Kinereta 36 sy Adama sy Rama sy Hazora 37 sy Kadesy sy Edrehy sy En-hazora 38 sy Irona sy Migda ela sy Horema sy Bet-anata ary Beti-semesy: tanàna sivy ambin'ny folo sy ny zana-bohiny. 39 Izany no lovan'ny firenena taranak'i Naftaly araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny. 40 Ary ny loka fahafito dia an'ny firenena taranak'i Dana isam-pokony. 41 Ary ny fari-tanin'ny lovany dia Zora sy Estaola sy Ira-semesy 42 sy Salabima sy Aialona sy Jitla 43 sy Elona sy Timna sy Ekrona 44 sy Elteke sy Gibetona sy Baleta 45 sy Jehoda sy Bene-beraka sy Gat-rimona 46 sy Me-jarkona sy Rakona ary ny tany tandrifin'i Jopa. 47 Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak'i Dana, dia niady tamin'i Lesema ka nahafaka azy ary namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran'i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran'i Dana rainy. 48 Izany no lovan'ny firenena taranak'i Dana araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny. 49 Dia vitany ny nizarana ny tany holovany araka ny fari-taniny, ka dia nomen'ny Zanak'Isiraely lova teo aminy koa Josoa, zanak'i Nona. 50 Araka ny tenin'i Jehovah dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia Timnata-sera any amin'ny tany havoan'i Efraima: dia nanamboatra ny tanàna izy ka nitoetra tao. 51 Ireo no lova izay nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely tao Silo teo anatrehan'i Jehovah, dia teo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana, araka ny filokana. Dia vitany avokoa ny nizarany ny tany.
| | Chapitre 19 19:1 The second lot came out for Simeon, even for the tribe of the children of Simeon according to their families. Their inheritance was in the midst of the inheritance of the children of Judah. 19:2 They had for their inheritance Beersheba (or Sheba), Moladah, 19:3 Hazar Shual, Balah, Ezem, 19:4 Eltolad, Bethul, Hormah, 19:5 Ziklag, Beth Marcaboth, Hazar Susah, 19:6 Beth Lebaoth, and Sharuhen; thirteen cities with their villages; 19:7 Ain, Rimmon, Ether, and Ashan; four cities with their villages; 19:8 and all the villages that were around these cities to Baalath Beer, Ramah of the South. This is the inheritance of the tribe of the children of Simeon according to their families. 19:9 Out of the part of the children of Judah was the inheritance of the children of Simeon; for the portion of the children of Judah was too much for them. Therefore the children of Simeon had inheritance in the midst of their inheritance. 19:10 The third lot came up for the children of Zebulun according to their families. The border of their inheritance was to Sarid. 19:11 Their border went up westward, even to Maralah, and reached to Dabbesheth. It reached to the brook that is before Jokneam. 19:12 It turned from Sarid eastward toward the sunrise to the border of Chisloth Tabor. It went out to Daberath, and went up to Japhia. 19:13 From there it passed along eastward to Gath Hepher, to Ethkazin; and it went out at Rimmon which stretches to Neah. 19:14 The border turned around it on the north to Hannathon; and it ended at the valley of Iphtah El; 19:15 Kattath, Nahalal, Shimron, Idalah, and Bethlehem: twelve cities with their villages. 19:16 This is the inheritance of the children of Zebulun according to their families, these cities with their villages. 19:17 The fourth lot came out for Issachar, even for the children of Issachar according to their families. 19:18 Their border was to Jezreel, Chesulloth, Shunem, 19:19 Hapharaim, Shion, Anaharath, 19:20 Rabbith, Kishion, Ebez, 19:21 Remeth, Engannim, En Haddah, and Beth Pazzez. 19:22 The border reached to Tabor, Shahazumah, and Beth Shemesh. Their border ended at the Jordan: sixteen cities with their villages. 19:23 This is the inheritance of the tribe of the children of Issachar according to their families, the cities with their villages. 19:24 The fifth lot came out for the tribe of the children of Asher according to their families. 19:25 Their border was Helkath, Hali, Beten, Achshaph, 19:26 Allammelech, Amad, Mishal. It reached to Carmel westward, and to Shihorlibnath. 19:27 It turned toward the sunrise to Beth Dagon, and reached to Zebulun, and to the valley of Iphtah El northward to Beth Emek and Neiel. It went out to Cabul on the left hand, 19:28 and Ebron, Rehob, Hammon, and Kanah, even to great Sidon. 19:29 The border turned to Ramah, to the fortified city of Tyre; and the border turned to Hosah. It ended at the sea by the region of Achzib; 19:30 Ummah also, and Aphek, and Rehob: twenty-two cities with their villages. 19:31 This is the inheritance of the tribe of the children of Asher according to their families, these cities with their villages. 19:32 The sixth lot came out for the children of Naphtali, even for the children of Naphtali according to their families. 19:33 Their border was from Heleph, from the oak in Zaanannim, Adaminekeb, and Jabneel, to Lakkum. It ended at the Jordan. 19:34 The border turned westward to Aznoth Tabor, and went out from there to Hukkok. It reached to Zebulun on the south, and reached to Asher on the west, and to Judah at the Jordan toward the sunrise. 19:35 The fortified cities were Ziddim, Zer, Hammath, Rakkath, Chinnereth, 19:36 Adamah, Ramah, Hazor, 19:37 Kedesh, Edrei, En Hazor, 19:38 Iron, Migdal El, Horem, Beth Anath, and Beth Shemesh; nineteen cities with their villages. 19:39 This is the inheritance of the tribe of the children of Naphtali according to their families, the cities with their villages. 19:40 The seventh lot came out for the tribe of the children of Dan according to their families. 19:41 The border of their inheritance was Zorah, Eshtaol, Irshemesh, 19:42 Shaalabbin, Aijalon, Ithlah, 19:43 Elon, Timnah, Ekron, 19:44 Eltekeh, Gibbethon, Baalath, 19:45 Jehud, Bene Berak, Gath Rimmon, 19:46 Me Jarkon, and Rakkon, with the border over against Joppa. 19:47 The border of the children of Dan went out beyond them; for the children of Dan went up and fought against Leshem, and took it, and struck it with the edge of the sword, and possessed it, and lived therein, and called Leshem, Dan, after the name of Dan their father. 19:48 This is the inheritance of the tribe of the children of Dan according to their families, these cities with their villages. 19:49 So they made an end of distributing the land for inheritance by its borders. The children of Israel gave an inheritance to Joshua the son of Nun in their midst. 19:50 According to the commandment of Yahweh, they gave him the city which he asked, even Timnathserah in the hill country of Ephraim; and he built the city, and lived there. 19:51 These are the inheritances, which Eleazar the priest, Joshua the son of Nun, and the heads of the fathers’ houses of the tribes of the children of Israel, distributed for inheritance by lot in Shiloh before Yahweh, at the door of the Tent of Meeting. So they made an end of dividing the land.
| | Chapitre 19 1 La seconde part échut par le sort à Siméon, à la tribu des fils de Siméon, selon leurs familles. Leur héritage était au milieu de l'héritage des fils de Juda. 2 Ils eurent dans leur héritage: Beer-Schéba, Schéba, Molada, 3 Hatsar-Schual, Bala, Atsem, 4 Eltholad, Bethul, Horma, 5 Tsiklag, Beth-Marcaboth, Hatsar-Susa, 6 Beth-Lebaoth et Scharuchen, treize villes, et leurs villages; 7 Aïn, Rimmon, Éther, et Aschan, quatre villes, et leurs villages; 8 et tous les villages aux environs de ces villes, jusqu'à Baalath-Beer, qui est Ramath du midi. Tel fut l'héritage de la tribu des fils de Siméon, selon leurs familles. 9 L'héritage des fils de Siméon fut pris sur la portion des fils de Juda; car la portion des fils de Juda était trop grande pour eux, et c'est au milieu de leur héritage que les fils de Siméon reçurent le leur. 10 La troisième part échut par le sort aux fils de Zabulon, selon leurs familles. (19:11) La limite de leur héritage s'étendait jusqu'à Sarid. 11 Elle montait à l'occident vers Mareala, et touchait à Dabbéscheth, puis au torrent qui coule devant Jokneam. 12 De Sarid elle tournait à l'orient, vers le soleil levant, jusqu'à la frontière de Kisloth-Thabor, continuait à Dabrath, et montait à Japhia. 13 De là elle passait à l'orient par Guittha-Hépher, par Ittha-Katsin, continuait à Rimmon, et se prolongeait jusqu'à Néa. 14 Elle tournait ensuite du côté du nord vers Hannathon, et aboutissait à la vallée de Jiphthach-El. 15 De plus, Katthath, Nahalal, Schimron, Jideala, Bethléhem. Douze villes, et leurs villages. 16 Tel fut l'héritage des fils de Zabulon, selon leurs familles, ces villes-là et leurs villages. 17 La quatrième part échut par le sort à Issacar, aux fils d'Issacar, selon leurs familles. 18 Leur limite passait par Jizreel, Kesulloth, Sunem, 19 Hapharaïm, Schion, Anacharath, 20 Rabbith, Kischjon, Abets, 21 Rémeth, En-Gannim, En-Hadda, et Beth-Patsets; 22 elle touchait à Thabor, à Schachatsima, à Beth-Schémesch, et aboutissait au Jourdain. Seize villes, et leurs villages. 23 Tel fut l'héritage de la tribu des fils d'Issacar, selon leurs familles, ces villes-là et leurs villages. 24 La cinquième part échut par le sort à la tribu des fils d'Aser, selon leurs familles. 25 Leur limite passait par Helkath, Hali, Béthen, Acschaph, 26 Allammélec, Amead et Mischeal; elle touchait, vers l'occident, au Carmel et au Schichor-Libnath; 27 puis elle tournait du côté de l'orient à Beth-Dagon, atteignait Zabulon et la vallée de Jiphthach-El au nord de Beth-Émek et de Neïel, et se prolongeait vers Cabul, à gauche, 28 et vers Ébron, Rehob, Hammon et Kana, jusqu'à Sidon la grande. 29 Elle tournait ensuite vers Rama jusqu'à la ville forte de Tyr, et vers Hosa, pour aboutir à la mer, par la contrée d'Aczib. 30 De plus, Umma, Aphek et Rehob. Vingt-deux villes, et leurs villages. 31 Tel fut l'héritage de la tribu des fils d'Aser, selon leurs familles, ces villes-là et leurs villages. 32 La sixième part échut par le sort aux fils de Nephthali, selon leurs familles. 33 Leur limite s'étendait depuis Héleph, depuis Allon, par Tsaanannim, Adami-Nékeb et Jabneel, jusqu'à Lakkum, et elle aboutissait au Jourdain. 34 Elle tournait vers l'occident à Aznoth-Thabor, et de là continuait à Hukkok; elle touchait à Zabulon du côté du midi, à Aser du côté de l'occident, et à Juda; le Jourdain était du côté de l'orient. 35 Les villes fortes étaient: Tsiddim, Tser, Hammath, Rakkath, Kinnéreth, 36 Adama, Rama, Hatsor, 37 Kédesch, Édréï, En-Hatsor, 38 Jireon, Migdal-El, Horem, Beth-Anath et Beth-Schémesch. Dix-neuf villes, et leurs villages. 39 Tel fut l'héritage de la tribu des fils de Nephthali, selon leurs familles, ces villes-là et leurs villages. 40 La septième part échut par le sort à la tribu des fils de Dan, selon leurs familles. 41 La limite de leur héritage comprenait Tsorea, Eschthaol, Ir-Schémesch, 42 Schaalabbin, Ajalon, Jithla, 43 Élon, Thimnatha, Ékron, 44 Eltheké, Guibbethon, Baalath, 45 Jehud, Bené-Berak, Gath-Rimmon, 46 Mé-Jarkon et Rakkon, avec le territoire vis-à-vis de Japho. 47 Le territoire des fils de Dan s'étendait hors de chez eux. Les fils de Dan montèrent et combattirent contre Léschem; ils s'en emparèrent et la frappèrent du tranchant de l'épée; ils en prirent possession, s'y établirent, et l'appelèrent Dan, du nom de Dan, leur père. 48 Tel fut l'héritage de la tribu des fils de Dan, selon leurs familles, ces villes-là et leurs villages. 49 Lorsqu'ils eurent achevé de faire le partage du pays, d'après ses limites, les enfants d'Israël donnèrent à Josué, fils de Nun, une possession au milieu d'eux. 50 Selon l'ordre de l'Éternel, ils lui donnèrent la ville qu'il demanda, Thimnath-Sérach, dans la montagne d'Éphraïm. Il rebâtit la ville, et y fit sa demeure. 51 Tels sont les héritages que le sacrificateur Éléazar, Josué, fils de Nun, et les chefs de famille des tribus des enfants d'Israël, distribuèrent par le sort devant l'Éternel à Silo, à l'entrée de la tente d'assignation. Ils achevèrent ainsi le partage du pays. | |