| Chapitre 11 1 [Ny nandresena ny mpanjaka rehetra any Kanana Avaratra, sy ny nahazoan'ny Isiraely ny tany Kanana rehetra] Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i Aksafa, 2 ary ireo mpanjaka tany amin'ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay* atsimon'i Kinerota sy tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka** ary tany amin'ny havoan'i Dora andrefana, [*Heb. Arabà][**Heb. Sefela] 3 dia tamin'ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin'ny tany havoana, ary tamin'ny Hivita tany am-bodin'i Hermona, tany amin'ny tany Mizpa. 4 Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra. 5 Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin'ny Isiraely ka nitoby teo anilan'ny rano Meroma. 6 Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin'ny afo ny kalesiny. 7 Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron'ny rano Meroma, dia namely azy. 8 Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan'ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-maima ary hatramin'ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza. 9 Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian'i Jehovah azy: ny soavalin'ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin'ny afo. 10 Ary tamin'izany dia niverina Josoa ka nahafaka an'i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin'ny sabatra, satria Hazora no lohan'ireny fanjakana rehetra ireny fahiny. 11 Ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany* avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin'ny afo.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28] 12 Ary ny tanàna rehetra izay an'ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon'i Josoa ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ka naringany*, araka izay efa nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28] 13 Fa ny tanàna rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran'ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran'i Josoa. 14 Ary ny fananana rehetra tao amin'ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain'ny Zanak'Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin'ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. 15 Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy mpanompony no nandidian'i Mosesy an'i Josoa; ka dia izany no nataon'i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 16 Dia lasan'i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka*, na ny tani-hay** na ny tany havoan'ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa, [*Heb. Sefela][**Heb. Arabà] 17 hatramin'ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seira, ka hatrany Bala-gada eo amin'ny lohasahan'i Libanona am-bodin'ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty. 18 Ela no niadian'i Josoa tamin'ireny mpanjaka rehetra ireny. 19 Tsy nisy tanàna izay nanao fihavanana tamin'ny Zanak'Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin'ny ady avokoa izy rehetra. 20 Fa avy tamin'i Jehovah no nanamafian'ireo ny fony hiady amin'ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona*, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.[Heb. herema] 21 Dia nandeha tamin'izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin'ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin'ny tany havoan'i Joda rehetra, ary tany amin'ny tany havoan'Isiraely rehetra: naringan*'i Josoa avokoa izy sy ny tanànany. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28] 22 Tsy nisy sisa tany amin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa. 23 Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
| | Chapitre 11 11:1 It happened, when Jabin king of Hazor heard of it, that he sent to Jobab king of Madon, to the king of Shimron, to the king of Achshaph, 11:2 and to the kings who were on the north, in the hill country, in the Arabah south of Chinneroth, in the lowland, and in the heights of Dor on the west, 11:3 to the Canaanite on the east and on the west, and the Amorite, and the Hittite, and the Perizzite, and the Jebusite in the hill country, and the Hivite under Hermon in the land of Mizpah. 11:4 They went out, they and all their armies with them, many people, even as the sand that is on the seashore in multitude, with very many horses and chariots. 11:5 All these kings met together; and they came and encamped together at the waters of Merom, to fight with Israel. 11:6 Yahweh said to Joshua, “Don’t be afraid because of them; for tomorrow at this time, I will deliver them up all slain before Israel. You shall hamstring their horses and burn their chariots with fire.” 11:7 So Joshua came, and all the people of war with him, against them by the waters of Merom suddenly, and fell on them. 11:8 Yahweh delivered them into the hand of Israel, and they struck them, and chased them to great Sidon, and to Misrephoth Maim, and to the valley of Mizpeh eastward. They struck them until they left them none remaining. 11:9 Joshua did to them as Yahweh told him. He hamstrung their horses and burnt their chariots with fire. 11:10 Joshua turned back at that time, and took Hazor, and struck its king with the sword: for Hazor used to be the head of all those kingdoms. 11:11 They struck all the souls who were in it with the edge of the sword, utterly destroying them. There was no one left who breathed. He burnt Hazor with fire. 11:12 Joshua captured all the cities of those kings, with their kings, and he struck them with the edge of the sword, and utterly destroyed them; as Moses the servant of Yahweh commanded. 11:13 But as for the cities that stood on their mounds, Israel burned none of them, except Hazor only. Joshua burned that. 11:14 The children of Israel took all the spoil of these cities, with the livestock, as spoils for themselves; but every man they struck with the edge of the sword, until they had destroyed them. They didn’t leave any who breathed. 11:15 As Yahweh commanded Moses his servant, so Moses commanded Joshua. Joshua did so. He left nothing undone of all that Yahweh commanded Moses. 11:16 So Joshua captured all that land, the hill country, all the South, all the land of Goshen, the lowland, the Arabah, the hill country of Israel, and the lowland of the same; 11:17 from Mount Halak, that goes up to Seir, even to Baal Gad in the valley of Lebanon under Mount Hermon. He took all their kings, struck them, and put them to death. 11:18 Joshua made war a long time with all those kings. 11:19 There was not a city that made peace with the children of Israel, except the Hivites, the inhabitants of Gibeon. They took all in battle. 11:20 For it was of Yahweh to harden their hearts, to come against Israel in battle, that he might utterly destroy them, that they might have no favor, but that he might destroy them, as Yahweh commanded Moses. 11:21 Joshua came at that time, and cut off the Anakim from the hill country, from Hebron, from Debir, from Anab, and from all the hill country of Judah, and from all the hill country of Israel: Joshua utterly destroyed them with their cities. 11:22 There were none of the Anakim left in the land of the children of Israel. Only in Gaza, in Gath, and in Ashdod, did some remain. 11:23 So Joshua took the whole land, according to all that Yahweh spoke to Moses; and Joshua gave it for an inheritance to Israel according to their divisions by their tribes. The land had rest from war.
| | Chapitre 11 1 Jabin, roi de Hatsor, ayant appris ces choses, envoya des messagers à Jobab, roi de Madon, au roi de Schimron, au roi d'Acschaph, 2 aux rois qui étaient au nord dans la montagne, dans la plaine au midi de Kinnéreth, dans la vallée, et sur les hauteurs de Dor à l'occident, 3 aux Cananéens de l'orient et de l'occident, aux Amoréens, aux Héthiens, aux Phéréziens, aux Jébusiens dans la montagne, et aux Héviens au pied de l'Hermon dans le pays de Mitspa. 4 Ils sortirent, eux et toutes leurs armées avec eux, formant un peuple innombrable comme le sable qui est sur le bord de la mer, et ayant des chevaux et des chars en très grande quantité. 5 Tous ces rois fixèrent un lieu de réunion, et vinrent camper ensemble près des eaux de Mérom, pour combattre contre Israël. 6 L'Éternel dit à Josué: Ne les crains point, car demain, à ce moment-ci, je les livrerai tous frappés devant Israël. Tu couperas les jarrets à leurs chevaux, et tu brûleras au feu leurs chars. 7 Josué, avec tous ses gens de guerre, arriva subitement sur eux près des eaux de Mérom, et ils se précipitèrent au milieu d'eux. 8 L'Éternel les livra entre les mains d'Israël; ils les battirent et les poursuivirent jusqu'à Sidon la grande, jusqu'à Misrephoth-Maïm, et jusqu'à la vallée de Mitspa vers l'orient; ils les battirent, sans en laisser échapper aucun. 9 Josué les traita comme l'Éternel lui avait dit; il coupa les jarrets à leurs chevaux, et il brûla leurs chars au feu. 10 A son retour, et dans le même temps, Josué prit Hatsor, et frappa son roi avec l'épée: Hatsor était autrefois la principale ville de tous ces royaumes. 11 On frappa du tranchant de l'épée et l'on dévoua par interdit tous ceux qui s'y trouvaient, il ne resta rien de ce qui respirait, et l'on mit le feu à Hatsor. 12 Josué prit aussi toutes les villes de ces rois et tous leurs rois, et il les frappa du tranchant de l'épée, et il les dévoua par interdit, comme l'avait ordonné Moïse, serviteur de l'Éternel. 13 Mais Israël ne brûla aucune des villes situées sur des collines, à l'exception seulement de Hatsor, qui fut brûlée par Josué. 14 Les enfants d'Israël gardèrent pour eux tout le butin de ces villes et le bétail; mais ils frappèrent du tranchant de l'épée tous les hommes, jusqu'à ce qu'ils les eussent détruits, sans rien laisser de ce qui respirait. 15 Josué exécuta les ordres de l'Éternel à Moïse, son serviteur, et de Moïse à Josué; il ne négligea rien de tout ce que l'Éternel avait ordonné à Moïse. 16 C'est ainsi que Josué s'empara de tout ce pays, de la montagne, de tout le midi, de tout le pays de Gosen, de la vallée, de la plaine, de la montagne d'Israël et de ses vallées, 17 depuis la montagne nue qui s'élève vers Séir jusqu'à Baal-Gad, dans la vallée du Liban, au pied de la montagne d'Hermon. Il prit tous leurs rois, les frappa et les fit mourir. 18 La guerre que soutint Josué contre tous ces rois fut de longue durée. 19 Il n'y eut aucune ville qui fît la paix avec les enfants d'Israël, excepté Gabaon, habitée par les Héviens; ils les prirent toutes en combattant. 20 Car l'Éternel permit que ces peuples s'obstinassent à faire la guerre contre Israël, afin qu'Israël les dévouât par interdit, sans qu'il y eût pour eux de miséricorde, et qu'il les détruisît, comme l'Éternel l'avait ordonné à Moïse. 21 Dans le même temps, Josué se mit en marche, et il extermina les Anakim de la montagne d'Hébron, de Debir, d'Anab, de toute la montagne de Juda et de toute la montagne d'Israël; Josué les dévoua par interdit, avec leurs villes. 22 Il ne resta point d'Anakim dans le pays des enfants d'Israël; il n'en resta qu'à Gaza, à Gath et à Asdod. 23 Josué s'empara donc de tout le pays, selon tout ce que l'Éternel avait dit à Moïse. Et Josué le donna en héritage à Israël, à chacun sa portion, d'après leurs tribus. Puis, le pays fut en repos et sans guerre. | |