| Chapitre 4 1 [Ny nimonomononan'i Jona, sy ny nananaran'Andriamanitra azy] Fa tsy sitrak'i Jona indrindra izany, ka nirehitra ny fahatezerany. 2 Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin'ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza. 3 Koa mifona aminao aho ankehitriny, Jehovah ô, esory ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona. 4 Fa hoy Jehovah: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao? 5 Dia nivoaka ny tanàna Jona* ka nipetraka teo atsinanan-tanàna; ary nanao trano rantsan-kazo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin'ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaran'ny tanàna.[Na: ary Jona efa nivoaka ny tanàna] 6 Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an'i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an'i Jona indrindra ny tanantanamanga. 7 Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra, ka namely ilay tanantanamanga iny, dia nalazo io. 8 Ary nony niposaka ny masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary dia namely ny lohan'i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona. 9 Fa hoy Andriamanitra tamin'i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin'ny tanantanamanga izao ? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza. 10 Dia hoy Jehovah: Hianao malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa; 11 ka moa Izaho tsy mba halahelo an'i Ninive, ilay tanàna lehibe va. izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa? | | Chapitre 4 4:1 But it displeased Jonah exceedingly, and he was angry. 4:2 He prayed to Yahweh, and said, “Please, Yahweh, wasn’t this what I said when I was still in my own country? Therefore I hurried to flee to Tarshish, for I knew that you are a gracious God, and merciful, slow to anger, and abundant in loving kindness, and you relent of doing harm. 4:3 Therefore now, Yahweh, take, I beg you, my life from me; for it is better for me to die than to live.” 4:4 Yahweh said, “Is it right for you to be angry?” 4:5 Then Jonah went out of the city, and sat on the east side of the city, and there made himself a booth, and sat under it in the shade, until he might see what would become of the city. 4:6 Yahweh God prepared a vine, and made it to come up over Jonah, that it might be a shade over his head, to deliver him from his discomfort. So Jonah was exceedingly glad because of the vine. 4:7 But God prepared a worm at dawn the next day, and it chewed on the vine, so that it withered. 4:8 It happened, when the sun arose, that God prepared a sultry east wind; and the sun beat on Jonah’s head, so that he fainted, and requested for himself that he might die, and said, “It is better for me to die than to live.” 4:9 God said to Jonah, “Is it right for you to be angry about the vine?” He said, “I am right to be angry, even to death.” 4:10 Yahweh said, “You have been concerned for the vine, for which you have not labored, neither made it grow; which came up in a night, and perished in a night. 4:11 Shouldn’t I be concerned for Nineveh, that great city, in which are more than one hundred twenty thousand persons who can’t discern between their right hand and their left hand; and also much livestock?”
| | Chapitre 4 1 Cela déplut fort à Jonas, et il fut irrité. 2 Il implora l'Éternel, et il dit: Ah! Éternel, n'est-ce pas ce que je disais quand j'étais encore dans mon pays? C'est ce que je voulais prévenir en fuyant à Tarsis. Car je savais que tu es un Dieu compatissant et miséricordieux, lent à la colère et riche en bonté, et qui te repens du mal. 3 Maintenant, Éternel, prends-moi donc la vie, car la mort m'est préférable à la vie. 4 L'Éternel répondit: Fais-tu bien de t'irriter? 5 Et Jonas sortit de la ville, et s'assit à l'orient de la ville, Là il se fit une cabane, et s'y tint à l'ombre, jusqu'à ce qu'il vît ce qui arriverait dans la ville. 6 L'Éternel Dieu fit croître un ricin, qui s'éleva au-dessus de Jonas, pour donner de l'ombre sur sa tête et pour lui ôter son irritation. Jonas éprouva une grande joie à cause de ce ricin. 7 Mais le lendemain, à l'aurore, Dieu fit venir un ver qui piqua le ricin, et le ricin sécha. 8 Au lever du soleil, Dieu fit souffler un vent chaud d'orient, et le soleil frappa la tête de Jonas, au point qu'il tomba en défaillance. Il demanda la mort, et dit: La mort m'est préférable à la vie. 9 Dieu dit à Jonas: Fais-tu bien de t'irriter à cause du ricin? Il répondit: Je fais bien de m'irriter jusqu'à la mort. 10 Et l'Éternel dit: Tu as pitié du ricin qui ne t'a coûté aucune peine et que tu n'as pas fait croître, qui est né dans une nuit et qui a péri dans une nuit. 11 Et moi, je n'aurais pas pitié de Ninive, la grande ville, dans laquelle se trouvent plus de cent vingt mille hommes qui ne savent pas distinguer leur droite de leur gauche, et des animaux en grand nombre! | |