T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Ny namonjena an'i Jona, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony] Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina.

2 Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona

3 ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita* no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.[Heb. Shoela]

4 Fa efa natsipinao tao amin'ny lalina aho, Dia tao amin'ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.

5 Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.

6 Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.

7 Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.

8 Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina.

9 Izay mivavaka amin'ny sampy* Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy** [*Heb. zava-poana mandainga][**Heb. ny famindram-pony]

10 Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena.

11 Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.

 

Chapitre 2

2:1 Then Jonah prayed to Yahweh, his God, out of the fish’s belly. 2:2 He said,

“I called because of my affliction to Yahweh.
He answered me.
Out of the belly of Sheol I cried.
You heard my voice.
2:3 For you threw me into the depths,
in the heart of the seas.
The flood was all around me.
All your waves and your billows passed over me.
2:4 I said, ‘I have been banished from your sight;
yet I will look again toward your holy temple.’
2:5 The waters surrounded me,
even to the soul.
The deep was around me.
The weeds were wrapped around my head.
2:6 I went down to the bottoms of the mountains.
The earth barred me in forever:
yet have you brought up my life from the pit, Yahweh my God.
2:7 “When my soul fainted within me, I remembered Yahweh.
My prayer came in to you, into your holy temple.
2:8 Those who regard lying vanities forsake their own mercy.
2:9 But I will sacrifice to you with the voice of thanksgiving.
I will pay that which I have vowed.
Salvation belongs to Yahweh.”
2:10 Yahweh spoke to the fish, and it vomited out Jonah on the dry land.

 

Chapitre 2
1 (2:2) Jonas, dans le ventre du poisson, pria l'Éternel, son Dieu. 2 (2:3) Il dit: Dans ma détresse, j'ai invoqué l'Éternel, Et il m'a exaucé; Du sein du séjour des morts j'ai crié, Et tu as entendu ma voix. 3 (2:4) Tu m'as jeté dans l'abîme, dans le coeur de la mer, Et les courants d'eau m'ont environné; Toutes tes vagues et tous tes flots ont passé sur moi. 4 (2:5) Je disais: Je suis chassé loin de ton regard! Mais je verrai encore ton saint temple. 5 (2:6) Les eaux m'ont couvert jusqu'à m'ôter la vie, L'abîme m'a enveloppé, Les roseaux ont entouré ma tête. 6 (2:7) Je suis descendu jusqu'aux racines des montagnes, Les barres de la terre m'enfermaient pour toujours; Mais tu m'as fait remonter vivant de la fosse, Éternel, mon Dieu! 7 (2:8) Quand mon âme était abattue au dedans de moi, Je me suis souvenu de l'Éternel, Et ma prière est parvenue jusqu'à toi, Dans ton saint temple. 8 (2:9) Ceux qui s'attachent à de vaines idoles Éloignent d'eux la miséricorde. 9 (2:10) Pour moi, je t'offrirai des sacrifices avec un cri d'actions de grâces, J'accomplirai les voeux que j'ai faits: Le salut vient de l'Éternel. 10 (2:11) L'Éternel parla au poisson, et le poisson vomit Jonas sur la terre.