| Chapitre 3 1 Fa, indro, amin'ireo andro ireo sy amin'izany fotoana izany, raha hampodiko ny Joda sy Jerosalema avy amin'ny fahababoany, 2 Dia hangoniko ny jentilisa rehetra ka ho entiko midina ao amin'ny Lohasahan'i Josafata*, ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin'ny Isiraely, oloko sy lovako, izay naeliny tany amin'ny jentilisa; Ary nozarazarainy ny taniko,[Josafata = Jehovah no mitsara] 3 Sady nanaovany loka ny oloko, dia zazalahy no nataony takalon'ny vehivavy janga, ary zazavavy no namidiny divay ka nosotroiny. 4 Ary ianareo koa, ry Tyro sy Sidona, sy ry tany Filistia rehetra, moa mampaninona Ahy akory ianareo? Hamaly Ahy va ianareo, sa hanahoana Ahy? Faingana dia faingana no hanatsingerenako ny nataonareo ho eo an-dohanareo, 5 Noho ny natanareo ny volafotsiko sy ny volamenako, sy ny nitondranareo ny zava-tsoako mahafinaritra ho ao amin'ny tempolinareo; 6 Ary ny zanak'i Joda sy ny zanak'i Jerosalema dia namidinareo tamin'ny zanaky ny Grika, hamindranareo azy hanalavitra ny taniny. 7 Indro, hofohaziko izy hiala ny amin'ny tany Izay nahaverezany noho ny nahalafosanareo azy, ary hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny nataonareo, 8 Ka hamidiko ho lasan'ny zanak'i Joda kosa ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ary hamidiny amin'ny Sabeana kosa ireny, dia ho an'izay firenena lavitra; Fa Jehovah no efa niteny. 9 Antsoy any amin'ny jentilisa izany, miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery, aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra; 10 Tefeo ho sabatra ny fangadinareo, ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka; Aoka izay kelikely aina hihiaka hoe: Mahery aho! 11 Avia faingana, ianareo jentilisa rehetra avy eny manodidina eny, dia ento midina ao ny maherinao, Jehovah ô. 12 Hifoha ny jentilisa ka hiakatra ho ao amin'ny Lohasahan'i Josafata; Fa ao no hipetrahako hitsara ny jentilisa rehetra avy eny manodidina eny. 13 Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra; Avia ianareo, ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany. 14 He izany vahoaka mireondreona ao amin'ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah ao amin'ny lohasaha fitsarana. 15 Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra, 16 Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa Jehovah no fialofan'ny olony sy fiarovana mafy ho an'ny Zanak'Isiraely. 17 Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina; Dia ho masina Jerosalema, ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony. 18 Amin'izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driak'i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon'i Jehovah ka handena ny lohasahan-driak'i Sitima. 19 Egypta kosa ho tonga tany lao, ary Edoma ho efitra foana, noho ny fampahoriana ny taranak'i Joda, dia ny nandatsahany rà marina teo amin'ny taniny. 20 Fa Joda honenana mandrakizay, ary Jerosalema hatramin'ny taranaka fara mandimby. 21 Ary hamaly ny rà marina izay tsy mbola novaliako Aho; Fa Jehovah monina ao Ziona.
| | Chapitre 3 3:1 “For, behold, in those days, and in that time, when I restore the fortunes of Judah and Jerusalem, 3:2 I will gather all nations, and will bring them down into the valley of Jehoshaphat; and I will execute judgment on them there for my people, and for my heritage, Israel, whom they have scattered among the nations. They have divided my land, 3:3 and have cast lots for my people, and have given a boy for a prostitute, and sold a girl for wine, that they may drink. 3:4 “Yes, and what are you to me, Tyre, and Sidon, and all the regions of Philistia? Will you repay me? And if you repay me, I will swiftly and speedily return your repayment on your own head. 3:5 Because you have taken my silver and my gold, and have carried my finest treasures into your temples, 3:6 and have sold the children of Judah and the children of Jerusalem to the sons of the Greeks, that you may remove them far from their border. 3:7 Behold, I will stir them up out of the place where you have sold them, and will return your repayment on your own head; 3:8 and I will sell your sons and your daughters into the hands of the children of Judah, and they will sell them to the men of Sheba, to a faraway nation, for Yahweh has spoken it.” 3:9 Proclaim this among the nations: “Prepare for war! Stir up the mighty men. Let all the warriors draw near. Let them come up. 3:10 Beat your plowshares into swords, and your pruning hooks into spears. Let the weak say, ‘I am strong.’ 3:11 Hurry and come, all you surrounding nations, and gather yourselves together.” Cause your mighty ones to come down there, Yahweh. 3:12 “Let the nations arouse themselves, and come up to the valley of Jehoshaphat; for there will I sit to judge all the surrounding nations. 3:13 Put in the sickle; for the harvest is ripe. Come, tread, for the winepress is full, the vats overflow, for their wickedness is great.” 3:14 Multitudes, multitudes in the valley of decision! For the day of Yahweh is near, in the valley of decision. 3:15 The sun and the moon are darkened, and the stars withdraw their shining. 3:16 Yahweh will roar from Zion, and thunder from Jerusalem; and the heavens and the earth will shake; but Yahweh will be a refuge to his people, and a stronghold to the children of Israel. 3:17 “So you will know that I am Yahweh, your God, dwelling in Zion, my holy mountain. Then Jerusalem will be holy, and no strangers will pass through her any more. 3:18 It will happen in that day, that the mountains will drop down sweet wine, the hills will flow with milk, all the brooks of Judah will flow with waters, and a fountain will come forth from the house of Yahweh, and will water the valley of Shittim. 3:19 Egypt will be a desolation, and Edom will be a desolate wilderness, for the violence done to the children of Judah, because they have shed innocent blood in their land. 3:20 But Judah will be inhabited forever, and Jerusalem from generation to generation. 3:21 I will cleanse their blood, that I have not cleansed: for Yahweh dwells in Zion.”
| | Chapitre 3 1 Car voici, en ces jours, en ce temps-là, Quand je ramènerai les captifs de Juda et de Jérusalem, 2 Je rassemblerai toutes les nations, Et je les ferai descendre dans la vallée de Josaphat; Là, j'entrerai en jugement avec elles, Au sujet de mon peuple, d'Israël, mon héritage, Qu'elles ont dispersé parmi les nations, Et au sujet de mon pays qu'elles se sont partagé. 3 Ils ont tiré mon peuple au sort; Ils ont donné le jeune garçon pour une prostituée, Ils ont vendu la jeune fille pour du vin, et ils ont bu. 4 Que me voulez-vous, Tyr et Sidon, Et vous tous, districts des Philistins? Voulez-vous tirer vengeance de moi? Si vous voulez vous venger, Je ferai bien vite retomber votre vengeance sur vos têtes. 5 Vous avez pris mon argent mon or; Et ce que j'avais de plus précieux et de plus beau, Vous l'avez emporté dans vos temples. 6 Vous avez vendu les enfants de Juda et de Jérusalem aux enfants de Javan, Afin de les éloigner de leur territoire. 7 Voici, je les ferai revenir du lieu où vous les avez vendus, Et je ferai retomber votre vengeance sur vos têtes. 8 Je vendrai vos fils et vos filles aux enfants de Juda, Et ils les vendront aux Sabéens, nation lointaine; Car l'Éternel a parlé. 9 Publiez ces choses parmi les nations! Préparez la guerre! Réveillez les héros! Qu'ils s'approchent, qu'ils montent, Tous les hommes de guerre! 10 De vos hoyaux forgez des épées, Et de vos serpes des lances! Que le faible dise: Je suis fort! 11 Hâtez-vous et venez, vous toutes, nations d'alentour, Et rassemblez-vous! Là, ô Éternel, fais descendre tes héros! 12 Que les nations se réveillent, et qu'elles montent Vers la vallée de Josaphat! Car là je siégerai pour juger toutes les nations d'alentour. 13 Saisissez la faucille, Car la moisson est mûre! Venez, foulez, Car le pressoir est plein, Les cuves regorgent! Car grande est leur méchanceté, 14 C'est une multitude, une multitude, Dans la vallée du jugement; Car le jour de l'Éternel est proche, Dans la vallée du jugement. 15 Le soleil et la lune s'obscurcissent, Et les étoiles retirent leur éclat. 16 De Sion l'Éternel rugit, De Jérusalem il fait entendre sa voix; Les cieux et la terre sont ébranlés. Mais l'Éternel est un refuge pour son peuple, Un abri pour les enfants d'Israël. 17 Et vous saurez que je suis l'Éternel, votre Dieu, Résidant à Sion, ma sainte montagne. Jérusalem sera sainte, Et les étrangers n'y passeront plus. 18 En ce temps-là, le moût ruissellera des montagnes, Le lait coulera des collines, Et il y aura de l'eau dans tous les torrents de Juda; Une source sortira aussi de la maison de l'Éternel, Et arrosera la vallée de Sittim. 19 L'Égypte sera dévastée, Édom sera réduit en désert, A cause des violences contre les enfants de Juda, Dont ils ont répandu le sang innocent dans leur pays. 20 Mais Juda sera toujours habité, Et Jérusalem, de génération en génération. 21 Je vengerai leur sang que je n'ai point encore vengé, Et L'Éternel résidera dans Sion.
| |