T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Filazana ny loza hanjo, sy fiantsoana ny olona hibebaka] Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin'ny tany; Fa avy ny andron'i Jehovah, eny, efa antomotra izany,

2 Dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan'ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka, ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aoriany hatramin'ny taonan'ny taranaka fara mandimby.

 

3 Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.

4 Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny; Ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.

5 Tahaka ny figorodon'ny kalesy any an-tampon'ny tendrombohitra no figorodon'ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin'ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.

6 Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; Ny tarehy rehetra mivaloarika*; [Na: tera-mena]

7 Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin'izay hitsiny ka tsy vaky laharana;

8 Tsy mifanosika izy, fa samy mandroso amin'izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra*. [Na: voasakana]

9 Mifamoivoy eran'ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin'ny manda izy, mananika ny trano izy, miditra ao am-baravarankely toy ny mpangalatra izy.

10 Eo alohany dia mihorohoro ny tany, ary mihozongozona ny lanitra; Ny masoandro sy ny volana tonga maizina, ary ny kintana tsy mamirapiratra.

11 Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan'ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron'i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?

12 Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.

13 Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza,

14 Fandrao mba* hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo. [Heb. Iza no mahalala na]

15 Tsofy ao Ziona ny anjomara, ka manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina.

16 Angony ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin'ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.

17 Eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin'ny jentilisa*; Fa nahoana no hataony any amin'ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny? [Na: Hanaovan'ny jentilisa azy ho ambentinteny]

18 [Ny hitsaharan'ny loza, sy ny hihavian'ny fitahiana] Ary Jehovah dia saro-piaro ny taniny sady niantra ny olony.

19 Eny, Jehovah namaly ka nanao amin'ny olony hoe: Indro, hanatitra ny divay sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho anareo Aho, ka ho vokin'izany ianareo; Ary tsy havelako ho latsa any amin'ny Jentilisa intsony ianareo.

20 Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin'ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny vodi-lalany ho any amin'ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.

21 Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah.

22 Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.

23 Ary ianareo, ry zanak'i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy*, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha. [Na: Homeny mpampianatra ny fahamarinana ianareo]

24 Dia ho feno vary ny famoloana, ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.

25 Ary honerako ho anareo ilay taona nohanin'ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.

26 Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny anaran'i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitondrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay oloko.

27 Dia ho fantatrareo fa ao afovoan'Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.

 

2:1 Blow the trumpet in Zion,
and sound an alarm in my holy mountain!
Let all the inhabitants of the land tremble,
for the day of Yahweh comes,
for it is close at hand:
2:2 A day of darkness and gloominess,
a day of clouds and thick darkness.
As the dawn spreading on the mountains,
a great and strong people;
there has never been the like,
neither will there be any more after them,
even to the years of many generations.
2:3 A fire devours before them,
and behind them, a flame burns.
The land is as the garden of Eden before them,
and behind them, a desolate wilderness.
Yes, and no one has escaped them.
2:4 Their appearance is as the appearance of horses,
and as horsemen, so do they run.
2:5 Like the noise of chariots on the tops of the mountains do they leap,
like the noise of a flame of fire that devours the stubble,
as a strong people set in battle array.
2:6 At their presence the peoples are in anguish.
All faces have grown pale.
2:7 They run like mighty men.
They climb the wall like warriors.
They each march in his line, and they don’t swerve off course.
2:8 Neither does one jostle another;
they march everyone in his path,
and they burst through the defenses,
and don’t break ranks.
2:9 They rush on the city.
They run on the wall.
They climb up into the houses.
They enter in at the windows like thieves.
2:10 The earth quakes before them.
The heavens tremble.
The sun and the moon are darkened,
and the stars withdraw their shining.
2:11 Yahweh thunders his voice before his army;
for his forces are very great;
for he is strong who obeys his command;
for the day of Yahweh is great and very awesome,
and who can endure it?
2:12 “Yet even now,” says Yahweh, “turn to me with all your heart,
and with fasting, and with weeping, and with mourning.”
2:13 Tear your heart, and not your garments,
and turn to Yahweh, your God;
for he is gracious and merciful,
slow to anger, and abundant in loving kindness,
and relents from sending calamity.
2:14 Who knows? He may turn and relent,
and leave a blessing behind him,
even a meal offering and a drink offering to Yahweh, your God.
2:15 Blow the trumpet in Zion!
Sanctify a fast.
Call a solemn assembly.
2:16 Gather the people.
Sanctify the assembly.
Assemble the elders.
Gather the children, and those who nurse from breasts.
Let the bridegroom go forth from his room,
and the bride out of her room.
2:17 Let the priests, the ministers of Yahweh, weep between the porch and the altar,
and let them say, “Spare your people, Yahweh,
and don’t give your heritage to reproach,
that the nations should rule over them.
Why should they say among the peoples,
‘Where is their God?’”
2:18 Then Yahweh was jealous for his land,
And had pity on his people.
2:19 Yahweh answered his people,
“Behold, I will send you grain, new wine, and oil,
and you will be satisfied with them;
and I will no more make you a reproach among the nations.
2:20 But I will remove the northern army far away from you,
and will drive it into a barren and desolate land,
its front into the eastern sea,
and its back into the western sea;
and its stench will come up,
and its bad smell will rise.”
Surely he has done great things.
2:21 Land, don’t be afraid.
Be glad and rejoice, for Yahweh has done great things.
2:22 Don’t be afraid, you animals of the field;
for the pastures of the wilderness spring up,
for the tree bears its fruit.
The fig tree and the vine yield their strength.
2:23 “Be glad then, you children of Zion,
and rejoice in Yahweh, your God;
for he gives you the former rain in just measure,
and he causes the rain to come down for you,
the former rain and the latter rain,
as before.
2:24 The threshing floors will be full of wheat,
and the vats will overflow with new wine and oil.
2:25 I will restore to you the years that the swarming locust has eaten,
the great locust, the grasshopper, and the caterpillar,
my great army, which I sent among you.
2:26 You will have plenty to eat, and be satisfied,
and will praise the name of Yahweh, your God,
who has dealt wondrously with you;
and my people will never again be disappointed.
2:27 You will know that I am in the midst of Israel,
and that I am Yahweh, your God, and there is no one else;
and my people will never again be disappointed.
2:28 “It will happen afterward, that I will pour out my Spirit on all flesh;
and your sons and your daughters will prophesy.
Your old men will dream dreams.
Your young men will see visions.
2:29 And also on the servants and on the handmaids in those days,
I will pour out my Spirit.
2:30 I will show wonders in the heavens and in the earth:
blood, fire, and pillars of smoke.
2:31 The sun will be turned into darkness,
and the moon into blood,
before the great and terrible day of Yahweh comes.
2:32 It will happen that whoever will call on the name of Yahweh shall be saved;
for in Mount Zion and in Jerusalem there will be those who escape,
as Yahweh has said,
and among the remnant, those whom Yahweh calls.

Chapitre 2
1 Sonnez de la trompette en Sion! Faites-la retentir sur ma montagne sainte! Que tous les habitants du pays tremblent! Car le jour de l'Éternel vient, car il est proche, 2 Jour de ténèbres et d'obscurité, Jour de nuées et de brouillards, Il vient comme l'aurore se répand sur les montagnes. Voici un peuple nombreux et puissant, Tel qu'il n'y en a jamais eu, Et qu'il n'y en aura jamais dans la suite des âges. 3 Devant lui est un feu dévorant, Et derrière lui une flamme brûlante; Le pays était auparavant comme un jardin d'Éden, Et depuis, c'est un désert affreux: Rien ne lui échappe. 4 A les voir, on dirait des chevaux, Et ils courent comme des cavaliers. 5 A les entendre, on dirait un bruit de chars Sur le sommet des montagnes où ils bondissent, On dirait un pétillement de la flamme du feu, Quand elle consume le chaume. C'est comme une armée puissante Qui se prépare au combat. 6 Devant eux les peuples tremblent, Tous les visages pâlissent. 7 Ils s'élancent comme des guerriers, Ils escaladent les murs comme des gens de guerre; Chacun va son chemin, Sans s'écarter de sa route. 8 Ils ne se pressent point les uns les autres, Chacun garde son rang; Ils se précipitent au travers des traits Sans arrêter leur marche. 9 Ils se répandent dans la ville, Courent sur les murailles, Montent sur les maisons, Entrent par les fenêtres comme un voleur. 10 Devant eux la terre tremble, Les cieux sont ébranlés, Le soleil et la lune s'obscurcissent, Et les étoiles retirent leur éclat. 11 L'Éternel fait entendre sa voix devant son armée; Car son camp est immense, Et l'exécuteur de sa parole est puissant; Car le jour de l'Éternel est grand, il est terrible: Qui pourra le soutenir? 12 Maintenant encore, dit l'Éternel, Revenez à moi de tout votre coeur, Avec des jeûnes, avec des pleurs et des lamentations! 13 Déchirez vos coeurs et non vos vêtements, Et revenez à l'Éternel, votre Dieu; Car il est compatissant et miséricordieux, Lent à la colère et riche en bonté, Et il se repent des maux qu'il envoie. 14 Qui sait s'il ne reviendra pas et ne se repentira pas, Et s'il ne laissera pas après lui la bénédiction, Des offrandes et des libations pour l'Éternel, votre Dieu? 15 Sonnez de la trompette en Sion! Publiez un jeûne, une convocation solennelle! 16 Assemblez le peuple, formez une sainte réunion! Assemblez les vieillards, Assemblez les enfants, Même les nourrissons à la mamelle! Que l'époux sorte de sa demeure, Et l'épouse de sa chambre! 17 Qu'entre le portique et l'autel Pleurent les sacrificateurs, Serviteurs de l'Éternel, Et qu'ils disent: Éternel, épargne ton peuple! Ne livre pas ton héritage à l'opprobre, Aux railleries des nations! Pourquoi dirait-on parmi les peuples: Où est leur Dieu? 18 L'Éternel est ému de jalousie pour son pays, Et il épargne son peuple. 19 L'Éternel répond, il dit à son peuple: Voici, je vous enverrai du blé, Du moût et de l'huile, Et vous en serez rassasiés; Et je ne vous livrerai plus à l'opprobre parmi les nations. 20 J'éloignerai de vous l'ennemi du nord, Je le chasserai vers une terre aride et déserte, Son avant-garde dans la mer orientale, Son arrière-garde dans la mer occidentale; Et son infection se répandra, Sa puanteur s'élèvera dans les airs, Parce qu'il a fait de grandes choses. 21 Terre, ne crains pas, Sois dans l'allégresse et réjouis-toi, Car l'Éternel fait de grandes choses! 22 Bêtes des champs, ne craignez pas, Car les plaines du désert reverdiront, Car les arbres porteront leurs fruits, Le figuier et la vigne donneront leurs richesses. 23 Et vous, enfants de Sion, soyez dans l'allégresse et réjouissez-vous En l'Éternel, votre Dieu, Car il vous donnera la pluie en son temps, Il vous enverra la pluie de la première et de l'arrière-saison, Comme autrefois. 24 Les aires se rempliront de blé, Et les cuves regorgeront de moût et d'huile. 25 Je vous remplacerai les années Qu'ont dévorées la sauterelle, Le jélek, le hasil et le gazam, Ma grande armée que j'avais envoyée contre vous. 26 Vous mangerez et vous vous rassasierez, Et vous célébrerez le nom de l'Éternel, votre Dieu, Qui aura fait pour vous des prodiges; Et mon peuple ne sera plus jamais dans la confusion. 27 Et vous saurez que je suis au milieu d'Israël, Que je suis l'Éternel, votre Dieu, et qu'il n'y en a point d'autre, Et mon peuple ne sera plus jamais dans la confusion. 28 Après cela, je répandrai mon esprit sur toute chair; Vos fils et vos filles prophétiseront, Vos vieillards auront des songes, Et vos jeunes gens des visions. 29 Même sur les serviteurs et sur les servantes, Dans ces jours-là, je répandrai mon esprit. 30 Je ferai paraître des prodiges dans les cieux et sur la terre, Du sang, du feu, et des colonnes de fumée; 31 Le soleil se changera en ténèbres, Et la lune en sang, Avant l'arrivée du jour de l'Éternel, De ce jour grand et terrible. 32 Alors quiconque invoquera le nom de l'Éternel sera sauvé; Le salut sera sur la montagne de Sion et à Jérusalem, Comme a dit l'Éternel, Et parmi les réchappés que l'Éternel appellera.A