| Chapitre 1 1 Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Joela, zanak'i Petoela. 2 [Filazana ny loza nanjo, ary fitarainana sy anatra noho izany] Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin'ny tany! Moa mba efa nisy tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny razanareo, va izao? 3 Lazao amin'ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin'ny zanany kosa, ary ny zanak'ireo kosa indray amin'ny taranaka mandimby azy. 4 Izay sisan'ny kijeja* dia nohanin'ny koraika; Ary izay sisan'ny koraika dia nohanin'ny valalavao*: Ary izay sisan'ny valalavao dia nohanin'ny sompanga***. [*Heb. mpikiky][**Heb. mpilelaka] [***Heb. mpandany] 5 Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany. 6 Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan'ny liom-bavy. 7 Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany. 8 Midradradradrà toy ny virijina misikindamba fisaonana* noho ny amin'ny vadin'ny fahatanorany.[Heb. lamba malailay] 9 Efa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah. 10 Mariry ny saha, misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena* ny diloilo.[Heb. Malazo] 11 Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpamboatra tanim-boaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; Fa majifa ny vokatry ny saha; 12 Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo koa ny ampongaben-danitra sy ny rofia* ary ny poma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; Eny, malazo ny fifalian'ny zanak'olombelona. [palma] 13 Misikina sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin'ny alitara; Andeha mandry amin'ny lamba fisaonana* mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.[Heb. lamba malailay] 14 Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin'i Jehovah. 15 Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny. 16 Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon'Andriamanitsika? 17 Matimaso ao ambanin'ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary. 18 Indrisy, ny fitoreon'ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian'ny ondry aman'osy aza dia mijaly noho ny heloka. 19 Jehovah ô, Hianao no itarainako, fa efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha. 20 Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra. | | Chapitre 1 1:1 The Word of Yahweh that came to Joel, the son of Pethuel. 1:2 Hear this, you elders, And listen, all you inhabitants of the land. Has this ever happened in your days, or in the days of your fathers? 1:3 Tell your children about it, and have your children tell their children, and their children, another generation. 1:4 What the swarming locust has left, the great locust has eaten. What the great locust has left, the grasshopper has eaten. What the grasshopper has left, the caterpillar has eaten. 1:5 Wake up, you drunkards, and weep! Wail, all you drinkers of wine, because of the sweet wine; for it is cut off from your mouth. 1:6 For a nation has come up on my land, strong, and without number. His teeth are the teeth of a lion, and he has the fangs of a lioness. 1:7 He has laid my vine waste, and stripped my fig tree. He has stripped its bark, and thrown it away. Its branches are made white. 1:8 Mourn like a virgin dressed in sackcloth for the husband of her youth! 1:9 The meal offering and the drink offering are cut off from Yahweh’s house. The priests, Yahweh’s ministers, mourn. 1:10 The field is laid waste. The land mourns, for the grain is destroyed, The new wine has dried up, and the oil languishes. 1:11 Be confounded, you farmers! Wail, you vineyard keepers; for the wheat and for the barley; for the harvest of the field has perished. 1:12 The vine has dried up, and the fig tree withered; the pomegranate tree, the palm tree also, and the apple tree, even all of the trees of the field are withered; for joy has withered away from the sons of men. 1:13 Put on sackcloth and mourn, you priests! Wail, you ministers of the altar. Come, lie all night in sackcloth, you ministers of my God, for the meal offering and the drink offering are withheld from your God’s house. 1:14 Sanctify a fast. Call a solemn assembly. Gather the elders, and all the inhabitants of the land, to the house of Yahweh, your God, and cry to Yahweh. 1:15 Alas for the day! For the day of Yahweh is at hand, and it will come as destruction from the Almighty. 1:16 Isn’t the food cut off before our eyes; joy and gladness from the house of our God? 1:17 The seeds rot under their clods. The granaries are laid desolate. The barns are broken down, for the grain has withered. 1:18 How the animals groan! The herds of livestock are perplexed, because they have no pasture. Yes, the flocks of sheep are made desolate. 1:19 Yahweh, I cry to you, For the fire has devoured the pastures of the wilderness, and the flame has burned all the trees of the field. 1:20 Yes, the animals of the field pant to you, for the water brooks have dried up, And the fire has devoured the pastures of the wilderness. | | Chapitre 1 1 La parole de l'Éternel qui fut adressée à Joël, fils de Pethuel. 2 Écoutez ceci, vieillards! Prêtez l'oreille, vous tous, habitants du pays! Rien de pareil est-il arrivé de votre temps, Ou du temps de vos pères? 3 Racontez-le à vos enfants, Et que vos enfants le racontent à leurs enfants, Et leurs enfants à la génération qui suivra! 4 Ce qu'a laissé le gazam, la sauterelle l'a dévoré; Ce qu'a laissé la sauterelle, le jélek l'a dévoré; Ce qu'a laissé le jélek, le hasil l'a dévoré. 5 Réveillez-vous, ivrognes, et pleurez! Vous tous, buveurs de vin, gémissez, Parce que le moût vous est enlevé de la bouche! 6 Car un peuple est venu fondre sur mon pays, Puissant et innombrable. Il a les dents d'un lion, Les mâchoires d'une lionne. 7 Il a dévasté ma vigne; Il a mis en morceaux mon figuier, Il l'a dépouillé, abattu; Les rameaux de la vigne ont blanchi. 8 Lamente-toi, comme la vierge qui se revêt d'un sac Pour pleurer l'ami de sa jeunesse! 9 Offrandes et libations disparaissent de la maison de l'Éternel; Les sacrificateurs, serviteurs de l'Éternel, sont dans le deuil. 10 Les champs sont ravagés, La terre est attristée; Car les blés sont détruits, Le moût est tari, l'huile est desséchée. 11 Les laboureurs sont consternés, les vignerons gémissent, A cause du froment et de l'orge, Parce que la moisson des champs est perdue. 12 La vigne est confuse, Le figuier languissant; Le grenadier, le palmier, le pommier, Tous les arbres des champs sont flétris... La joie a cessé parmi les fils de l'homme! 13 Sacrificateurs, ceignez-vous et pleurez! Lamentez-vous, serviteurs de l'autel! Venez, passez la nuit revêtus de sacs, Serviteurs de mon Dieu! Car offrandes et libations ont disparu de la maison de votre Dieu. 14 Publiez un jeûne, une convocation solennelle! Assemblez les vieillards, tous les habitants du pays, Dans la maison de l'Éternel, votre Dieu, Et criez à l'Éternel! 15 Ah! quel jour! Car le jour de l'Éternel est proche: Il vient comme un ravage du Tout-Puissant. 16 La nourriture n'est-elle pas enlevée sous nos yeux? La joie et l'allégresse n'ont-elles pas disparu de la maison de notre Dieu? 17 Les semences ont séché sous les mottes; Les greniers sont vides, Les magasins sont en ruines, Car il n'y a point de blé. 18 Comme les bêtes gémissent! Les troupeaux de boeufs sont consternés, Parce qu'ils sont sans pâturage; Et même les troupeaux de brebis sont en souffrance. 19 C'est vers toi que je crie, ô Éternel! Car le feu a dévoré les plaines du désert, Et la flamme a brûlé tous les arbres des champs. 20 Les bêtes des champs crient aussi vers toi; Car les torrents sont à sec, Et le feu a dévoré les plaines du désert. | |