T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 7

1 Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona etỳ ambonin'ny tany? Ary tsy tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny?

2 Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman'ny asany,

3 Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.

4 Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina*, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.[Heb. hariva]

5 Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.

6 Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.

7 Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.

8 Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.

9 Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita* tsy mba hiakatra intsony;[Heb. Sheola]

10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.

11 Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko.

12 Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?

13 Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.

14 Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;

15 Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako* izato;[Heb. taolako]

16 Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.

17 Inona moa ny zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,

18 Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?

19 Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?

20 Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?

21 Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.

 

Chapitre 7
7:1 “Isn’t a man forced to labor on earth?
Aren’t his days like the days of a hired hand?
7:2 As a servant who earnestly desires the shadow,
as a hireling who looks for his wages,
7:3 so am I made to possess months of misery,
wearisome nights are appointed to me.
7:4 When I lie down, I say,
‘When shall I arise, and the night be gone?’
I toss and turn until the dawning of the day.
7:5 My flesh is clothed with worms and clods of dust.
My skin closes up, and breaks out afresh.
7:6 My days are swifter than a weaver’s shuttle,
and are spent without hope.
7:7 Oh remember that my life is a breath.
My eye shall no more see good.
7:8 The eye of him who sees me shall see me no more.
Your eyes shall be on me, but I shall not be.
7:9 As the cloud is consumed and vanishes away,
so he who goes down to Sheol shall come up no more.
7:10 He shall return no more to his house,
neither shall his place know him any more.
7:11 “Therefore I will not keep silent.
I will speak in the anguish of my spirit.
I will complain in the bitterness of my soul.
7:12 Am I a sea, or a sea monster,
that you put a guard over me?
7:13 When I say, ‘My bed shall comfort me.
My couch shall ease my complaint;’
7:14 then you scare me with dreams,
and terrify me through visions:
7:15 so that my soul chooses strangling,
death rather than my bones.
7:16 I loathe my life.
I don’t want to live forever.
Leave me alone, for my days are but a breath.
7:17 What is man, that you should magnify him,
that you should set your mind on him,
7:18 that you should visit him every morning,
and test him every moment?
7:19 How long will you not look away from me,
nor leave me alone until I swallow down my spittle?
7:20 If I have sinned, what do I do to you, you watcher of men?
Why have you set me as a mark for you,
so that I am a burden to myself?
7:21 Why do you not pardon my disobedience, and take away my iniquity?
For now shall I lie down in the dust.
You will seek me diligently, but I shall not be.”

 

Chapitre 7
1 Le sort de l'homme sur la terre est celui d'un soldat, Et ses jours sont ceux d'un mercenaire. 2 Comme l'esclave soupire après l'ombre, Comme l'ouvrier attend son salaire, 3 Ainsi j'ai pour partage des mois de douleur, J'ai pour mon lot des nuits de souffrance. 4 Je me couche, et je dis: Quand me lèverai-je? quand finira la nuit? Et je suis rassasié d'agitations jusqu'au point du jour. 5 Mon corps se couvre de vers et d'une croûte terreuse, Ma peau se crevasse et se dissout. 6 Mes jours sont plus rapides que la navette du tisserand, Ils s'évanouissent: plus d'espérance! 7 Souviens-toi que ma vie est un souffle! Mes yeux ne reverront pas le bonheur. 8 L'oeil qui me regarde ne me regardera plus; Ton oeil me cherchera, et je ne serai plus. 9 Comme la nuée se dissipe et s'en va, Celui qui descend au séjour des morts ne remontera pas; 10 Il ne reviendra plus dans sa maison, Et le lieu qu'il habitait ne le connaîtra plus. 11 C'est pourquoi je ne retiendrai point ma bouche, Je parlerai dans l'angoisse de mon coeur, Je me plaindrai dans l'amertume de mon âme. 12 Suis-je une mer, ou un monstre marin, Pour que tu établisses des gardes autour de moi? 13 Quand je dis: Mon lit me soulagera, Ma couche calmera mes douleurs, 14 C'est alors que tu m'effraies par des songes, Que tu m'épouvantes par des visions. 15 Ah! je voudrais être étranglé! Je voudrais la mort plutôt que ces os! 16 Je les méprise!... je ne vivrai pas toujours... Laisse-moi, car ma vie n'est qu'un souffle. 17 Qu'est-ce que l'homme, pour que tu en fasses tant de cas, Pour que tu daignes prendre garde à lui, 18 Pour que tu le visites tous les matins, Pour que tu l'éprouves à tous les instants? 19 Quand cesseras-tu d'avoir le regard sur moi? Quand me laisseras-tu le temps d'avaler ma salive? 20 Si j'ai péché, qu'ai-je pu te faire, gardien des hommes? Pourquoi me mettre en butte à tes traits? Pourquoi me rendre à charge à moi-même? 21 Que ne pardonnes-tu mon péché, Et que n'oublies-tu mon iniquité? Car je vais me coucher dans la poussière; Tu me chercheras, et je ne serai plus.