T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 40

1 [Ny naneken'i Joba ny fahadisoan-keviny, sy ny navalin'i Jehovah azy] Ary Jehovah mbola namaly an'i Joba nanao hoe:

2 Hiady amin'ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an'Andriamanitra no hamaly!

3 Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:

4 Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.

5 Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.

6 Dia namaly an'i Joba teo amin'ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:

7 Misikina tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:

8 Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?

9 Manan-tsandry tahaka ny an'Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?

10 Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;

11 Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.

12 Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin'ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.

13 Asitriho ao amin'ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin'ny fiafenana ny tavany.

14 Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.

15 He! jereo ange ny behemota*, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany**: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.[*hipopotamosy][**Na: ho eo aminao]

16 Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany.

17 Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny

18 Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.

19 Voalohany amin'ny asan*'Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.[Heb. lalan']

 20 Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan'ny bibi-dia rehetra;

21 Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.

22 Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy

23 Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin'ny vavany aza.

24 Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?

25 Mahasarika ny mamba* amin'ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin'ny mahazaka?[Heb. leviatana]

26 Mahisy tady zozoro amin'ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin'ny fintana?

27 Hifon-jato amin'arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?

28 Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?

29 Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an'ny zazavavy ao aminao va ianao?

30 Hataon'ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin'ny mpandranto?

31 Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin'ny lohany?

32 Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.

 

Chapitre 40

40:1 Moreover Yahweh answered Job,

40:2 “Shall he who argues contend with the Almighty?
He who argues with God, let him answer it.”

40:3 Then Job answered Yahweh,

40:4 “Behold, I am of small account. What shall I answer you?
I lay my hand on my mouth.
40:5 I have spoken once, and I will not answer;
Yes, twice, but I will proceed no further.”

40:6 Then Yahweh answered Job out of the whirlwind,

40:7 “Now brace yourself like a man.
I will question you, and you will answer me.
40:8 Will you even annul my judgment?
Will you condemn me, that you may be justified?
40:9 Or do you have an arm like God?
Can you thunder with a voice like him?
40:10 “Now deck yourself with excellency and dignity.
Array yourself with honor and majesty.
40:11 Pour out the fury of your anger.
Look at everyone who is proud, and bring him low.
40:12 Look at everyone who is proud, and humble him.
Crush the wicked in their place.
40:13 Hide them in the dust together.
Bind their faces in the hidden place.
40:14 Then I will also admit to you
that your own right hand can save you.
40:15 “See now, behemoth, which I made as well as you.
He eats grass as an ox.
40:16 Look now, his strength is in his thighs.
His force is in the muscles of his belly.
40:17 He moves his tail like a cedar.
The sinews of his thighs are knit together.
40:18 His bones are like tubes of brass.
His limbs are like bars of iron.
40:19 He is the chief of the ways of God.
He who made him gives him his sword.
40:20 Surely the mountains produce food for him,
where all the animals of the field play.
40:21 He lies under the lotus trees,
in the covert of the reed, and the marsh.
40:22 The lotuses cover him with their shade.
The willows of the brook surround him.
40:23 Behold, if a river overflows, he doesn’t tremble.
He is confident, though the Jordan swells even to his mouth.
40:24 Shall any take him when he is on the watch,
or pierce through his nose with a snare?

 

Chapitre 40
1 (39:34) L'Éternel, s'adressant à Job, dit: 2 (39:35) Celui qui dispute contre le Tout-Puissant est-il convaincu? Celui qui conteste avec Dieu a-t-il une réplique à faire? 3 (39:36) Job répondit à l'Éternel et dit: 4 (39:37) Voici, je suis trop peu de chose; que te répliquerais-je? Je mets la main sur ma bouche. 5 (39:38) J'ai parlé une fois, je ne répondrai plus; Deux fois, je n'ajouterai rien. 6 (40:1) L'Éternel répondit à Job du milieu de la tempête et dit: 7 (40:2) Ceins tes reins comme un vaillant homme; Je t'interrogerai, et tu m'instruiras. 8 (40:3) Anéantiras-tu jusqu'à ma justice? Me condamneras-tu pour te donner droit? 9 (40:4) As-tu un bras comme celui de Dieu, Une voix tonnante comme la sienne? 10 (40:5) Orne-toi de magnificence et de grandeur, Revêts-toi de splendeur et de gloire! 11 (40:6) Répands les flots de ta colère, Et d'un regard abaisse les hautains! 12 (40:7) D'un regard humilie les hautains, Écrase sur place les méchants, 13 (40:8) Cache-les tous ensemble dans la poussière, Enferme leur front dans les ténèbres! 14 (40:9) Alors je rends hommage A la puissance de ta droite. 15 (40:10) Voici l'hippopotame, à qui j'ai donné la vie comme à toi! Il mange de l'herbe comme le boeuf. 16 (40:11) Le voici! Sa force est dans ses reins, Et sa vigueur dans les muscles de son ventre; 17 (40:12) Il plie sa queue aussi ferme qu'un cèdre; Les nerfs de ses cuisses sont entrelacés; 18 (40:13) Ses os sont des tubes d'airain, Ses membres sont comme des barres de fer. 19 (40:14) Il est la première des oeuvres de Dieu; Celui qui l'a fait l'a pourvu d'un glaive. 20 (40:15) Il trouve sa pâture dans les montagnes, Où se jouent toutes les bêtes des champs. 21 (40:16) Il se couche sous les lotus, Au milieu des roseaux et des marécages; 22 (40:17) Les lotus le couvrent de leur ombre, Les saules du torrent l'environnent. 23 (40:18) Que le fleuve vienne à déborder, il ne s'enfuit pas: Que le Jourdain se précipite dans sa gueule, il reste calme. 24 (40:19) Est-ce à force ouverte qu'on pourra le saisir? Est-ce au moyen de filets qu'on lui percera le nez?