T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 38

1 [Ny teny navalin'i Jehovah an'i Joba] Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe:

2 Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?

3 Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:

4 Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.

5 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?

6 Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,

7 Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra?

8 Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,

9 Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,

10 Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana

11 Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?

12 Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro,

13 Mba horaisiny ny sisin'ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?

14 Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra* ny tarehiny, [Heb. fitafiana]

15 Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.

16 Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina?

17 Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana?

18 Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.

19 Aiza ary no lalana ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina?

20 Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.

21 Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin'izay, ary maro ny isan'ny andronao!

22 Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,

23 Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?

24 Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin'ny tany?

25 Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana,

26 Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina,

27 Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?

28 Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando?

29 Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy?

30 Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina.

31 Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?

32 Mahavoaka ny Mazarota* amin'ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va ianao? [Anaran-kintana; ny Zôdiaka(?)]

33 Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va ianao?

34 Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?

35 Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?

36 Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana*? [Na: Iza no nanisy fahalalana ao am-pon'ny olona? Ary iza no nanome fahalalana ho ao an-tsaina?]

37 Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon*'ny lanitra, [Heb. siny hoditra]

38 Hitambaran'ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?

39 Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora,

40 Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy ary manotrika ao amin'ny kirihitrala?

41 Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?

Chapitre 38

38:1 Then Yahweh answered Job out of the whirlwind,

38:2 “Who is this who darkens counsel
by words without knowledge?
38:3 Brace yourself like a man,
for I will question you, then you answer me!
38:4 “Where were you when I laid the foundations of the earth?
Declare, if you have understanding.
38:5 Who determined its measures, if you know?
Or who stretched the line on it?
38:6 Whereupon were its foundations fastened?
Or who laid its cornerstone,
38:7 when the morning stars sang together,
and all the sons of God shouted for joy?
38:8 “Or who shut up the sea with doors,
when it broke forth from the womb,
38:9 when I made clouds its garment,
and wrapped it in thick darkness,
38:10 marked out for it my bound,
set bars and doors,
38:11 and said, ‘Here you may come, but no further.
Here your proud waves shall be stayed?’
38:12 “Have you commanded the morning in your days,
and caused the dawn to know its place;
38:13 that it might take hold of the ends of the earth,
and shake the wicked out of it?
38:14 It is changed as clay under the seal,
and stands forth as a garment.
38:15 From the wicked, their light is withheld.
The high arm is broken.
38:16 “Have you entered into the springs of the sea?
Or have you walked in the recesses of the deep?
38:17 Have the gates of death been revealed to you?
Or have you seen the gates of the shadow of death?
38:18 Have you comprehended the earth in its breadth?
Declare, if you know it all.
38:19 “What is the way to the dwelling of light?
As for darkness, where is its place,
38:20 that you should take it to its bound,
that you should discern the paths to its house?
38:21 Surely you know, for you were born then,
and the number of your days is great!
38:22 Have you entered the treasuries of the snow,
or have you seen the treasures of the hail,
38:23 which I have reserved against the time of trouble,
against the day of battle and war?
38:24 By what way is the lightning distributed,
or the east wind scattered on the earth?
38:25 Who has cut a channel for the flood water,
or the path for the thunderstorm;
38:26 To cause it to rain on a land where no man is;
on the wilderness, in which there is no man;
38:27 to satisfy the waste and desolate ground,
to cause the tender grass to spring forth?
38:28 Does the rain have a father?
Or who fathers the drops of dew?
38:29 Out of whose womb came the ice?
The gray frost of the sky, who has given birth to it?
38:30 The waters become hard like stone,
when the surface of the deep is frozen.
38:31 “Can you bind the cluster of the Pleiades,
or loosen the cords of Orion?
38:32 Can you lead forth the constellations in their season?
Or can you guide the Bear with her cubs?
38:33 Do you know the laws of the heavens?
Can you establish its dominion over the earth?
38:34 “Can you lift up your voice to the clouds,
That abundance of waters may cover you?
38:35 Can you send forth lightnings, that they may go?
Do they report to you, ‘Here we are?’
38:36 Who has put wisdom in the inward parts?
Or who has given understanding to the mind?
38:37 Who can number the clouds by wisdom?
Or who can pour out the bottles of the sky,
38:38 when the dust runs into a mass,
and the clods of earth stick together?
38:39 “Can you hunt the prey for the lioness,
or satisfy the appetite of the young lions,
38:40 when they crouch in their dens,
and lie in wait in the thicket?
38:41 Who provides for the raven his prey,
when his young ones cry to God,
and wander for lack of food?

 

Chapitre 38
1 L'Éternel répondit à Job du milieu de la tempête et dit: 2 Qui est celui qui obscurcit mes desseins Par des discours sans intelligence? 3 Ceins tes reins comme un vaillant homme; Je t'interrogerai, et tu m'instruiras. 4 Où étais-tu quand je fondais la terre? Dis-le, si tu as de l'intelligence. 5 Qui en a fixé les dimensions, le sais-tu? Ou qui a étendu sur elle le cordeau? 6 Sur quoi ses bases sont-elles appuyées? Ou qui en a posé la pierre angulaire, 7 Alors que les étoiles du matin éclataient en chants d'allégresse, Et que tous les fils de Dieu poussaient des cris de joie? 8 Qui a fermé la mer avec des portes, Quand elle s'élança du sein maternel; 9 Quand je fis de la nuée son vêtement, Et de l'obscurité ses langes; 10 Quand je lui imposai ma loi, Et que je lui mis des barrières et des portes; 11 Quand je dis: Tu viendras jusqu'ici, tu n'iras pas au delà; Ici s'arrêtera l'orgueil de tes flots? 12 Depuis que tu existes, as-tu commandé au matin? As-tu montré sa place à l'aurore, 13 Pour qu'elle saisisse les extrémités de la terre, Et que les méchants en soient secoués; 14 Pour que la terre se transforme comme l'argile qui reçoit une empreinte, Et qu'elle soit parée comme d'un vêtement; 15 Pour que les méchants soient privés de leur lumière, Et que le bras qui se lève soit brisé? 16 As-tu pénétré jusqu'aux sources de la mer? T'es-tu promené dans les profondeurs de l'abîme? 17 Les portes de la mort t'ont-elles été ouvertes? As-tu vu les portes de l'ombre de la mort? 18 As-tu embrassé du regard l'étendue de la terre? Parle, si tu sais toutes ces choses. 19 Où est le chemin qui conduit au séjour de la lumière? Et les ténèbres, où ont-elles leur demeure? 20 Peux-tu les saisir à leur limite, Et connaître les sentiers de leur habitation? 21 Tu le sais, car alors tu étais né, Et le nombre de tes jours est grand! 22 Es-tu parvenu jusqu'aux amas de neige? As-tu vu les dépôts de grêle, 23 Que je tiens en réserve pour les temps de détresse, Pour les jours de guerre et de bataille? 24 Par quel chemin la lumière se divise-t-elle, Et le vent d'orient se répand-il sur la terre? 25 Qui a ouvert un passage à la pluie, Et tracé la route de l'éclair et du tonnerre, 26 Pour que la pluie tombe sur une terre sans habitants, Sur un désert où il n'y a point d'hommes; 27 Pour qu'elle abreuve les lieux solitaires et arides, Et qu'elle fasse germer et sortir l'herbe? 28 La pluie a-t-elle un père? Qui fait naître les gouttes de la rosée? 29 Du sein de qui sort la glace, Et qui enfante le frimas du ciel, 30 Pour que les eaux se cachent comme une pierre, Et que la surface de l'abîme soit enchaînée? 31 Noues-tu les liens des Pléiades, Ou détaches-tu les cordages de l'Orion? 32 Fais-tu paraître en leur temps les signes du zodiaque, Et conduis-tu la Grande Ourse avec ses petits? 33 Connais-tu les lois du ciel? Règles-tu son pouvoir sur la terre? 34 Élèves-tu la voix jusqu'aux nuées, Pour appeler à toi des torrents d'eaux? 35 Lances-tu les éclairs? Partent-ils? Te disent-ils: Nous voici? 36 Qui a mis la sagesse dans le coeur, Ou qui a donné l'intelligence à l'esprit? 37 Qui peut avec sagesse compter les nuages, Et verser les outres des cieux, 38 Pour que la poussière se mette à ruisseler, Et que les mottes de terre se collent ensemble? 39 (39:1) Chasses-tu la proie pour la lionne, Et apaises-tu la faim des lionceaux, 40 (39:2) Quand ils sont couchés dans leur tanière, Quand ils sont en embuscade dans leur repaire? 41 (39:3) Qui prépare au corbeau sa pâture, Quand ses petits crient vers Dieu, Quand ils sont errants et affamés?