T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 37

1 Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin'ny fitoerany.

2 Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin'ny vavany.

3 Mandefa izany ho eny ambanin'ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra* hatramin'ny faran'ny tany.[Heb. fahazavany]

4 Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.

5 Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.

6 Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.

7 Mampiohona* ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;[Heb. manisy tombo-kase]

8 Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.

9 Avy any atsimo* ny tadio, ary entin'ny rivotra avy any avaratra** ny hatsiaka.[*Heb. efi-trano][**Heb. avy amin'ireo mpanahakahaka]

10 Ny fofonain'Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.

11 Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon'ny helatra* dia ampieleziny;[Heb. fahazavany]

12 Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao tontolo izao*,[Na: Eny ambonin'izao tontolo izao ho amin'ny tany]

13 Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an'ny taniny izany na ho famindram-po kosa*.[Na: alatsany ho famaizana, na hahasoa ny taniny, na ho famindram-po]

14 Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra.

15 Fantatrao va ny fanamboaran'Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry* ny rahony? [Heb. fahazavany]

16 Fantatrao va ny fihevahevan'ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny fahalalana?

17 Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra avy any atsimo,

18 Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?

19 Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,

20 Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona* tokoa va?[Heb. miteny ta-hatelina]

21 Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.

22 Avy any avaratra no ihavian'ny mazava mitarehim-bolamena*; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.[Heb. ihavian'ny volamena]

23 Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory*.[Na: mamaly]

24 Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry* Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]

Chapitre 37
37:1 “Yes, at this my heart trembles,
and is moved out of its place.
37:2 Hear, oh, hear the noise of his voice,
the sound that goes out of his mouth.
37:3 He sends it forth under the whole sky,
and his lightning to the ends of the earth.
37:4 After it a voice roars.
He thunders with the voice of his majesty.
He doesn’t hold back anything when his voice is heard.
37:5 God thunders marvelously with his voice.
He does great things, which we can’t comprehend.
37:6 For he says to the snow, ‘Fall on the earth;’
likewise to the shower of rain,
and to the showers of his mighty rain.
37:7 He seals up the hand of every man,
that all men whom he has made may know it.
37:8 Then the animals take cover,
and remain in their dens.
37:9 Out of its room comes the storm,
and cold out of the north.
37:10 By the breath of God, ice is given,
and the breadth of the waters is frozen.
37:11 Yes, he loads the thick cloud with moisture.
He spreads abroad the cloud of his lightning.
37:12 It is turned around by his guidance,
that they may do whatever he commands them
on the surface of the habitable world,
37:13 Whether it is for correction, or for his land,
or for loving kindness, that he causes it to come.
37:14 “Listen to this, Job.
Stand still, and consider the wondrous works of God.
37:15 Do you know how God controls them,
and causes the lightning of his cloud to shine?
37:16 Do you know the workings of the clouds,
the wondrous works of him who is perfect in knowledge?
37:17 You whose clothing is warm,
when the earth is still by reason of the south wind?
37:18 Can you, with him, spread out the sky,
which is strong as a cast metal mirror?
37:19 Teach us what we shall tell him,
for we can’t make our case by reason of darkness.
37:20 Shall it be told him that I would speak?
Or should a man wish that he were swallowed up?
37:21 Now men don’t see the light which is bright in the skies,
but the wind passes, and clears them.
37:22 Out of the north comes golden splendor.
With God is awesome majesty.
37:23 We can’t reach the Almighty.
He is exalted in power.
In justice and great righteousness, he will not oppress.
37:24 Therefore men revere him.
He doesn’t regard any who are wise of heart.”

 

Chapitre 37
1 Mon coeur est tout tremblant, Il bondit hors de sa place. 2 Écoutez, écoutez le frémissement de sa voix, Le grondement qui sort de sa bouche! 3 Il le fait rouler dans toute l'étendue des cieux, Et son éclair brille jusqu'aux extrémités de la terre. 4 Puis éclate un rugissement: il tonne de sa voix majestueuse; Il ne retient plus l'éclair, dès que sa voix retentit. 5 Dieu tonne avec sa voix d'une manière merveilleuse; Il fait de grandes choses que nous ne comprenons pas. 6 Il dit à la neige: Tombe sur la terre! Il le dit à la pluie, même aux plus fortes pluies. 7 Il met un sceau sur la main de tous les hommes, Afin que tous se reconnaissent comme ses créatures. 8 L'animal sauvage se retire dans une caverne, Et se couche dans sa tanière. 9 L'ouragan vient du midi, Et le froid, des vents du nord. 10 Par son souffle Dieu produit la glace, Il réduit l'espace où se répandaient les eaux. 11 Il charge de vapeurs les nuages, Il les disperse étincelants; 12 Leurs évolutions varient selon ses desseins, Pour l'accomplissement de tout ce qu'il leur ordonne, Sur la face de la terre habitée; 13 C'est comme une verge dont il frappe sa terre, Ou comme un signe de son amour, qu'il les fait apparaître. 14 Job, sois attentif à ces choses! Considère encore les merveilles de Dieu! 15 Sais-tu comment Dieu les dirige, Et fait briller son nuage étincelant? 16 Comprends-tu le balancement des nuées, Les merveilles de celui dont la science est parfaite? 17 Sais-tu pourquoi tes vêtements sont chauds Quand la terre se repose par le vent du midi? 18 Peux-tu comme lui étendre les cieux, Aussi solides qu'un miroir de fonte? 19 Fais-nous connaître ce que nous devons lui dire; Nous sommes trop ignorants pour nous adresser à lui. 20 Lui annoncera-t-on que je parlerai? Mais quel est l'homme qui désire sa perte? 21 On ne peut fixer le soleil qui resplendit dans les cieux, Lorsqu'un vent passe et en ramène la pureté; 22 Le septentrion le rend éclatant comme l'or. Oh! que la majesté de Dieu est redoutable! 23 Nous ne saurions parvenir jusqu'au Tout-Puissant, Grand par la force, Par la justice, par le droit souverain: Il ne répond pas! 24 C'est pourquoi les hommes doivent le craindre; Il ne porte les regards sur aucun sage.