T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 32

1 [Ny teny nataon'i Eliho] Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.

2 Ary nirehitra kosa ny fahatezeran'i Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, avy amin'ny fokon'i Rama; eny, tamin'i Joba no nirehetan'ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.

3 Ary tamin'ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan'ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an'i Joba*.[Na: teny havaliny an'i Joba hanamelohany azy]

4 Ary Eliho mbola niandry an-dr'i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.

5 Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;

6 ka dia niteny Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.

 

7 Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan'ny taona no hampianatra fahendrena.

8 Kanefa ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy* ny fofonoin'ny Tsitoha no mahahendry azy.[Na: Dia]

9 Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;

10 Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.

11 Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;

12 Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;

13 Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony*: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.[Heb. fahendrena]

14 Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.

*

15 Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.

16 Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?

17 Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;

18 Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.

19 Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.

20 Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.

21 Aoka tsy hizaha tavan'olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.

22 Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain'ny Mpanao ahy faingana aho.

 

Chapitre 32
32:1 So these three men ceased to answer Job, because he was righteous in his own eyes. 32:2 Then the wrath of Elihu the son of Barachel, the Buzite, of the family of Ram, was kindled against Job. His wrath was kindled because he justified himself rather than God. 32:3 Also his wrath was kindled against his three friends, because they had found no answer, and yet had condemned Job. 32:4 Now Elihu had waited to speak to Job, because they were elder than he. 32:5 When Elihu saw that there was no answer in the mouth of these three men, his wrath was kindled.
32:6 Elihu the son of Barachel the Buzite answered,

“I am young, and you are very old;
Therefore I held back, and didn’t dare show you my opinion.
32:7 I said, ‘Days should speak,
and multitude of years should teach wisdom.’
32:8 But there is a spirit in man,
and the breath of the Almighty gives them understanding.
32:9 It is not the great who are wise,
nor the aged who understand justice.
32:10 Therefore I said, ‘Listen to me;
I also will show my opinion.’
32:11 “Behold, I waited for your words,
and I listened for your reasoning,
while you searched out what to say.
32:12 Yes, I gave you my full attention,
but there was no one who convinced Job,
or who answered his words, among you.
32:13 Beware lest you say, ‘We have found wisdom,
God may refute him, not man;’
32:14 for he has not directed his words against me;
neither will I answer him with your speeches.
32:15 “They are amazed. They answer no more.
They don’t have a word to say.
32:16 Shall I wait, because they don’t speak,
because they stand still, and answer no more?
32:17 I also will answer my part,
and I also will show my opinion.
32:18 For I am full of words.
The spirit within me constrains me.
32:19 Behold, my breast is as wine which has no vent;
like new wineskins it is ready to burst.
32:20 I will speak, that I may be refreshed.
I will open my lips and answer.
32:21 Please don’t let me respect any man’s person,
neither will I give flattering titles to any man.
32:22 For I don’t know how to give flattering titles;
or else my Maker would soon take me away.

 

Chapitre 32
1 Ces trois hommes cessèrent de répondre à Job, parce qu'il se regardait comme juste. 2 Alors s'enflamma de colère Élihu, fils de Barakeel de Buz, de la famille de Ram. Sa colère s'enflamma contre Job, parce qu'il se disait juste devant Dieu. 3 Et sa colère s'enflamma contre ses trois amis, parce qu'ils ne trouvaient rien à répondre et que néanmoins ils condamnaient Job. 4 Comme ils étaient plus âgés que lui, Élihu avait attendu jusqu'à ce moment pour parler à Job. 5 Mais, voyant qu'il n'y avait plus de réponse dans la bouche de ces trois hommes, Élihu s'enflamma de colère. 6 Et Élihu, fils de Barakeel de Buz, prit la parole et dit: Je suis jeune, et vous êtes des vieillards; C'est pourquoi j'ai craint, j'ai redouté De vous faire connaître mon sentiment. 7 Je disais en moi-même: Les jours parleront, Le grand nombre des années enseignera la sagesse. 8 Mais en réalité, dans l'homme, c'est l'esprit, Le souffle du Tout-Puissant, qui donne l'intelligence; 9 Ce n'est pas l'âge qui procure la sagesse, Ce n'est pas la vieillesse qui rend capable de juger. 10 Voilà pourquoi je dis: Écoute! Moi aussi, j'exposerai ma pensée. 11 J'ai attendu la fin de vos discours, J'ai suivi vos raisonnements, Votre examen des paroles de Job. 12 Je vous ai donné toute mon attention; Et voici, aucun de vous ne l'a convaincu, Aucun n'a réfuté ses paroles. 13 Ne dites pas cependant: En lui nous avons trouvé la sagesse; C'est Dieu qui peut le confondre, ce n'est pas un homme! 14 Il ne s'est pas adressé directement à moi: Aussi lui répondrai-je tout autrement que vous. 15 Ils ont peur, ils ne répondent plus! Ils ont la parole coupée! 16 J'ai attendu qu'ils eussent fini leurs discours, Qu'ils s'arrêtassent et ne sussent que répliquer. 17 A mon tour, je veux répondre aussi, Je veux dire aussi ce que je pense. 18 Car je suis plein de paroles, L'esprit me presse au dedans de moi; 19 Mon intérieur est comme un vin qui n'a pas d'issue, Comme des outres neuves qui vont éclater. 20 Je parlerai pour respirer à l'aise, J'ouvrirai mes lèvres et je répondrai. 21 Je n'aurai point égard à l'apparence, Et je ne flatterai personne; 22 Car je ne sais pas flatter: Mon créateur m'enlèverait bien vite.