T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 31

1 Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy*? [Heb. virijina]

2 Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin'Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin'ny Tsitoha any amin'ny avo?

3 Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?

4 Moa tsy Andriamanitra* va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? [Heb. Izy]

5 Raha tàhiny nandeha tamin'ny fitaka aho na niezaka tamin'ny fahafetsena.

6 (Enga anie ka holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);

7 Raha tàhiny nivily niala tamin'ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin'ny tanako:

8 Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.

9 Raha tahìny adala tamin'ny vadin'olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho,

10 Dia aoka kosa ny vadiko halain*'ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.[Na: hitoto ho an']

11 Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain'ny mpitsara;

12 Fa afo mandevona hatrany amin'ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.

13 Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an'ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,

14 Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?

15 Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?

16 Raha tàhiny aho nandà Izay nirin'ny malahelo ka nahapahina ny mason'ny mpitondratena,

17 Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan'ny kamboty

18 (Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);

19 Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,

20 Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany*, ary tsy nanafàna azy ny volon'ondriko;[Heb. valahany]

21 Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:

22 Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin'ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin'ny taolam-panaviko.

23 Fa mampahatahotra ahy* ny loza avy amin'Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.[Na: Fa hanjo ahy ny zava-mahatahotra, dia]

24 Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;

25 Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben'ny fananako sy noho ny nahazoan'ny tanako harena betsaka;

26 Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin'ny fangarangarany izy,

27 Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako

28 (Dia heloka hanamelohan'ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin'Andriamanitra Izay any ambony aho);

29 Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy

30 (Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);

31 Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin'ny henany*? [Na: Iza moa no tsy voky tamin'ny fianakaviany?]

32 Ny vahiny aza tsy nandry teny alatrano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;

33 Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an'i Adama* ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,[Na: tahaka ny olona]

34 Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin'ny fokon'olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana

35 Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr'ilay manana ady amiko!

36 Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.

37 Ny isan'ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon'ny zanak'andriana no hanatonako Azy.

38 Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;

39 Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny.Na nanao izay hahafaty ny ain'ny tompony:

40 Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin'i Joba.

Chapitre 31
31:1 “I made a covenant with my eyes,
how then should I look lustfully at a young woman?
31:2 For what is the portion from God above,
and the heritage from the Almighty on high?
31:3 Is it not calamity to the unrighteous,
and disaster to the workers of iniquity?
31:4 Doesn’t he see my ways,
and number all my steps?
31:5 “If I have walked with falsehood,
and my foot has hurried to deceit
31:6 (let me be weighed in an even balance,
that God may know my integrity);
31:7 if my step has turned out of the way,
if my heart walked after my eyes,
if any defilement has stuck to my hands,
31:8 then let me sow, and let another eat.
Yes, let the produce of my field be rooted out.
31:9 “If my heart has been enticed to a woman,
and I have laid wait at my neighbor’s door,
31:10 then let my wife grind for another,
and let others sleep with her.
31:11 For that would be a heinous crime.
Yes, it would be an iniquity to be punished by the judges:
31:12 For it is a fire that consumes to destruction,
and would root out all my increase.
31:13 “If I have despised the cause of my male servant
or of my female servant,
when they contended with me;
31:14 What then shall I do when God rises up?
When he visits, what shall I answer him?
31:15 Didn’t he who made me in the womb make him?
Didn’t one fashion us in the womb?
31:16 “If I have withheld the poor from their desire,
or have caused the eyes of the widow to fail,
31:17 or have eaten my morsel alone,
and the fatherless has not eaten of it
31:18 (no, from my youth he grew up with me as with a father,
her have I guided from my mother’s womb);
31:19 if I have seen any perish for want of clothing,
or that the needy had no covering;
31:20 if his heart hasn’t blessed me,
if he hasn’t been warmed with my sheep’s fleece;
31:21 if I have lifted up my hand against the fatherless,
because I saw my help in the gate,
31:22 then let my shoulder fall from the shoulder blade,
and my arm be broken from the bone.
31:23 For calamity from God is a terror to me.
Because his majesty, I can do nothing.
31:24 “If I have made gold my hope,
and have said to the fine gold, ‘You are my confidence;’
31:25 If I have rejoiced because my wealth was great,
and because my hand had gotten much;
31:26 if I have seen the sun when it shined,
or the moon moving in splendor,
31:27 and my heart has been secretly enticed,
and my hand threw a kiss from my mouth,
31:28 this also would be an iniquity to be punished by the judges;
for I should have denied the God who is above.
31:29 “If I have rejoiced at the destruction of him who hated me,
or lifted up myself when evil found him;
31:30 (yes, I have not allowed my mouth to sin
by asking his life with a curse);
31:31 if the men of my tent have not said,
‘Who can find one who has not been filled with his meat?’
31:32 (the foreigner has not lodged in the street,
but I have opened my doors to the traveler);
31:33 if like Adam I have covered my transgressions,
by hiding my iniquity in my heart,
31:34 because I feared the great multitude,
and the contempt of families terrified me,
so that I kept silence, and didn’t go out of the door—
31:35 oh that I had one to hear me!
(behold, here is my signature, let the Almighty answer me);
let the accuser write my indictment!
31:36 Surely I would carry it on my shoulder;
and I would bind it to me as a crown.
31:37 I would declare to him the number of my steps.
as a prince would I go near to him.
31:38 If my land cries out against me,
and its furrows weep together;
31:39 if I have eaten its fruits without money,
or have caused its owners to lose their life,
31:40 let briars grow instead of wheat,
and stinkweed instead of barley.”
The words of Job are ended.

 

Chapitre 31
1 J'avais fait un pacte avec mes yeux, Et je n'aurais pas arrêté mes regards sur une vierge. 2 Quelle part Dieu m'eût-il réservée d'en haut? Quel héritage le Tout-Puissant m'eût-il envoyé des cieux? 3 La ruine n'est-elle pas pour le méchant, Et le malheur pour ceux qui commettent l'iniquité? 4 Dieu n'a-t-il pas connu mes voies? N'a-t-il pas compté tous mes pas? 5 Si j'ai marché dans le mensonge, Si mon pied a couru vers la fraude, 6 Que Dieu me pèse dans des balances justes, Et il reconnaîtra mon intégrité! 7 Si mon pas s'est détourné du droit chemin, Si mon coeur a suivi mes yeux, Si quelque souillure s'est attachée à mes mains, 8 Que je sème et qu'un autre moissonne, Et que mes rejetons soient déracinés! 9 Si mon coeur a été séduit par une femme, Si j'ai fait le guet à la porte de mon prochain, 10 Que ma femme tourne la meule pour un autre, Et que d'autres la déshonorent! 11 Car c'est un crime, Un forfait que punissent les juges; 12 C'est un feu qui dévore jusqu'à la ruine, Et qui aurait détruit toute ma richesse. 13 Si j'ai méprisé le droit de mon serviteur ou de ma servante Lorsqu'ils étaient en contestation avec moi, 14 Qu'ai-je à faire, quand Dieu se lève? Qu'ai-je à répondre, quand il châtie? 15 Celui qui m'a créé dans le ventre de ma mère ne l'a-t-il pas créé? Le même Dieu ne nous a-t-il pas formés dans le sein maternel? 16 Si j'ai refusé aux pauvres ce qu'ils demandaient, Si j'ai fait languir les yeux de la veuve, 17 Si j'ai mangé seul mon pain, Sans que l'orphelin en ait eu sa part, 18 Moi qui l'ai dès ma jeunesse élevé comme un père, Moi qui dès ma naissance ai soutenu la veuve; 19 Si j'ai vu le malheureux manquer de vêtements, L'indigent n'avoir point de couverture, 20 Sans que ses reins m'aient béni, Sans qu'il ait été réchauffé par la toison de mes agneaux; 21 Si j'ai levé la main contre l'orphelin, Parce que je me sentais un appui dans les juges; 22 Que mon épaule se détache de sa jointure, Que mon bras tombe et qu'il se brise! 23 Car les châtiments de Dieu m'épouvantent, Et je ne puis rien devant sa majesté. 24 Si j'ai mis dans l'or ma confiance, Si j'ai dit à l'or: Tu es mon espoir; 25 Si je me suis réjoui de la grandeur de mes biens, De la quantité des richesses que j'avais acquises; 26 Si j'ai regardé le soleil quand il brillait, La lune quand elle s'avançait majestueuse, 27 Et si mon coeur s'est laissé séduire en secret, Si ma main s'est portée sur ma bouche; 28 C'est encore un crime que doivent punir les juges, Et j'aurais renié le Dieu d'en haut! 29 Si j'ai été joyeux du malheur de mon ennemi, Si j'ai sauté d'allégresse quand les revers l'ont atteint, 30 Moi qui n'ai pas permis à ma langue de pécher, De demander sa mort avec imprécation; 31 Si les gens de ma tente ne disaient pas: Où est celui qui n'a pas été rassasié de sa viande? 32 Si l'étranger passait la nuit dehors, Si je n'ouvrais pas ma porte au voyageur; 33 Si, comme les hommes, j'ai caché mes transgressions, Et renfermé mes iniquités dans mon sein, 34 Parce que j'avais peur de la multitude, Parce que je craignais le mépris des familles, Me tenant à l'écart et n'osant franchir ma porte... 35 Oh! qui me fera trouver quelqu'un qui m'écoute? Voilà ma défense toute signée: Que le Tout-Puissant me réponde! Qui me donnera la plainte écrite par mon adversaire? 36 Je porterai son écrit sur mon épaule, Je l'attacherai sur mon front comme une couronne; 37 Je lui rendrai compte de tous mes pas, Je m'approcherai de lui comme un prince. 38 Si ma terre crie contre moi, Et que ses sillons versent des larmes; 39 Si j'en ai mangé le produit sans l'avoir payée, Et que j'aie attristé l'âme de ses anciens maîtres; 40 Qu'il y croisse des épines au lieu de froment, Et de l'ivraie au lieu d'orge! Fin des paroles de Job.