T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 30
1 Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak'ireo izay nolaviko tsy ho isan'ny amboa miandry ny ondriko akory aza.

2 Eny, mampaninona ahy ny herin'ny tànan'ireo. Izay efa very fahatanjahana?

3 Manjenjena* noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.[Na: Ana, na Kaozatra, na Tsy manan-janaka]

4 Mitsongo anambodihena eo amin'ny kirihitrala izy, ary ny fakan'ny anjavidy* no fihinany.[Heb. rotema; izahao 1 Mpan. xix. 4]

5 Roahina tsy ho eo amin'ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.

6 Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.

7 Minananana eny amin'ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin'ny amiana.

8 Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin'ny tany.

9 Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.

10 Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.

11 Fa noketrahin'Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin'iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.

12 Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.

13 Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,

14 Toy ny fiditra eo amin'ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin'ny voarava no imaonany*.[Na: Raha mbola miezinezina, dia mimaona izy]

15 Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy

16 Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn'ny andro fahoriana aho.

17 Ny alina mampahalò* ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.[Heb. manindrona]

18 Noho ny haben'ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.

19 Eny, nanary ahy teo amin'ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho

20 Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.

21 Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin'ny tananao no andrafianao ahy.

22 Aingainao ho eny amin'ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin'ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.

23 Fa fantatro fa hampodinao any amin'ny fahafatesana aho, dia any amin'ny trano fivorian'ny olombelona rehetra.

24 Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran'ny rava*? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza? [Na: raha mila ho potraka izy]

25 Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?

26 Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.

27 Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.

28 Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro*; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian'ny olona.[Na: Efa mainty aho, fa tsy avy amin'ny hain'andro]

29 Rahalahin'ny amboadia* aho Ary naman'ny ostritsa.[Na: jakala]

30 Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana* ny taolako.[Heb. fahamainana]

31 Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon'ny mitomany ny sodiko.

 

Chapitre 30
30:1 “But now those who are younger than I have me in derision,
whose fathers I would have disdained to put with my sheep dogs.
30:2 Of what use is the strength of their hands to me,
men in whom ripe age has perished?
30:3 They are gaunt from lack and famine.
They gnaw the dry ground, in the gloom of waste and desolation.
30:4 They pluck salt herbs by the bushes.
The roots of the broom are their food.
30:5 They are driven out from the midst of men.
They cry after them as after a thief;
30:6 So that they dwell in frightful valleys,
and in holes of the earth and of the rocks.
30:7 Among the bushes they bray;
and under the nettles they are gathered together.
30:8 They are children of fools, yes, children of base men.
They were flogged out of the land.
30:9 “Now I have become their song.
Yes, I am a byword to them.
30:10 They abhor me, they stand aloof from me,
and don’t hesitate to spit in my face.
30:11 For he has untied his cord, and afflicted me;
and they have thrown off restraint before me.
30:12 On my right hand rise the rabble.
They thrust aside my feet,
They cast up against me their ways of destruction.
30:13 They mar my path,
They set forward my calamity,
without anyone’s help.
30:14 As through a wide breach they come,
in the midst of the ruin they roll themselves in.
30:15 Terrors have turned on me.
They chase my honor as the wind.
My welfare has passed away as a cloud.
30:16 “Now my soul is poured out within me.
Days of affliction have taken hold on me.
30:17 In the night season my bones are pierced in me,
and the pains that gnaw me take no rest.
30:18 By great force is my garment disfigured.
It binds me about as the collar of my coat.
30:19 He has cast me into the mire.
I have become like dust and ashes.
30:20 I cry to you, and you do not answer me.
I stand up, and you gaze at me.
30:21 You have turned to be cruel to me.
With the might of your hand you persecute me.
30:22 You lift me up to the wind, and drive me with it.
You dissolve me in the storm.
30:23 For I know that you will bring me to death,
To the house appointed for all living.
30:24 “However doesn’t one stretch out a hand in his fall?
Or in his calamity therefore cry for help?
30:25 Didn’t I weep for him who was in trouble?
Wasn’t my soul grieved for the needy?
30:26 When I looked for good, then evil came;
When I waited for light, there came darkness.
30:27 My heart is troubled, and doesn’t rest.
Days of affliction have come on me.
30:28 I go mourning without the sun.
I stand up in the assembly, and cry for help.
30:29 I am a brother to jackals,
and a companion to ostriches.
30:30 My skin grows black and peels from me.
My bones are burned with heat.
30:31 Therefore my harp has turned to mourning,
and my pipe into the voice of those who weep.

 

Chapitre 30
1 Et maintenant!... je suis la risée de plus jeunes que moi, De ceux dont je dédaignais de mettre les pères Parmi les chiens de mon troupeau. 2 Mais à quoi me servirait la force de leurs mains? Ils sont incapables d'atteindre la vieillesse. 3 Desséchés par la misère et la faim, Ils fuient dans les lieux arides, Depuis longtemps abandonnés et déserts; 4 Ils arrachent près des arbrisseaux les herbes sauvages, Et ils n'ont pour pain que la racine des genêts. 5 On les chasse du milieu des hommes, On crie après eux comme après des voleurs. 6 Ils habitent dans d'affreuses vallées, Dans les cavernes de la terre et dans les rochers; 7 Ils hurlent parmi les buissons, Ils se rassemblent sous les ronces. 8 Etres vils et méprisés, On les repousse du pays. 9 Et maintenant, je suis l'objet de leurs chansons, Je suis en butte à leurs propos. 10 Ils ont horreur de moi, ils se détournent, Ils me crachent au visage. 11 Ils n'ont plus de retenue et ils m'humilient, Ils rejettent tout frein devant moi. 12 Ces misérables se lèvent à ma droite et me poussent les pieds, Ils se fraient contre moi des sentiers pour ma ruine; 13 Ils détruisent mon propre sentier et travaillent à ma perte, Eux à qui personne ne viendrait en aide; 14 Ils arrivent comme par une large brèche, Ils se précipitent sous les craquements. 15 Les terreurs m'assiègent; Ma gloire est emportée comme par le vent, Mon bonheur a passé comme un nuage. 16 Et maintenant, mon âme s'épanche en mon sein, Les jours de la souffrance m'ont saisi. 17 La nuit me perce et m'arrache les os, La douleur qui me ronge ne se donne aucun repos, 18 Par la violence du mal mon vêtement perd sa forme, Il se colle à mon corps comme ma tunique. 19 Dieu m'a jeté dans la boue, Et je ressemble à la poussière et à la cendre. 20 Je crie vers toi, et tu ne me réponds pas; Je me tiens debout, et tu me lances ton regard. 21 Tu deviens cruel contre moi, Tu me combats avec la force de ta main. 22 Tu me soulèves, tu me fais voler au-dessus du vent, Et tu m'anéantis au bruit de la tempête. 23 Car, je le sais, tu me mènes à la mort, Au rendez-vous de tous les vivants. 24 Mais celui qui va périr n'étend-il pas les mains? Celui qui est dans le malheur n'implore-t-il pas du secours? 25 N'avais-je pas des larmes pour l'infortuné? Mon coeur n'avait-il pas pitié de l'indigent? 26 J'attendais le bonheur, et le malheur est arrivé; J'espérais la lumière, et les ténèbres sont venues. 27 Mes entrailles bouillonnent sans relâche, Les jours de la calamité m'ont surpris. 28 Je marche noirci, mais non par le soleil; Je me lève en pleine assemblée, et je crie. 29 Je suis devenu le frère des chacals, Le compagnon des autruches. 30 Ma peau noircit et tombe, Mes os brûlent et se dessèchent. 31 Ma harpe n'est plus qu'un instrument de deuil, Et mon chalumeau ne peut rendre que des sons plaintifs.