T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 [Ny fitarainan'i Joba noho ny fahoriana nanjo azy] Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny

2 nanao hoe:

3 Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!

4 Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;

5 Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray*; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.[Na:handoto azy]

6 Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;

7 Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;

8 Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;

9 Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy,

10 Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko.

11 Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?

12 Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?

13 Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,

14 Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao* ireny tanàna efa rava**, [*Na: namboatra][**Na: fasana lehibe]

15 Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;

16 Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.

17 Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;

18 Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.

19 Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony.

20 Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana?

21 Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:

22 Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,

23 Dia olona izay mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina.

24 Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;

25 Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.

26 Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.

 

Chapitre 3

3:1 After this Job opened his mouth, and cursed the day of his birth. 3:2 Job answered:

3:3 “Let the day perish in which I was born,
the night which said, ‘There is a boy conceived.’
3:4 Let that day be darkness.
Don’t let God from above seek for it,
neither let the light shine on it.
3:5 Let darkness and the shadow of death claim it for their own.
Let a cloud dwell on it.
Let all that makes black the day terrify it.
3:6 As for that night, let thick darkness seize on it.
Let it not rejoice among the days of the year.
Let it not come into the number of the months.
3:7 Behold, let that night be barren.
Let no joyful voice come therein.
3:8 Let them curse it who curse the day,
who are ready to rouse up leviathan.
3:9 Let the stars of its twilight be dark.
Let it look for light, but have none,
neither let it see the eyelids of the morning,
3:10 because it didn’t shut up the doors of my mother’s womb,
nor did it hide trouble from my eyes.
3:11 “Why didn’t I die from the womb?
Why didn’t I give up the spirit when my mother bore me?
3:12 Why did the knees receive me?
Or why the breast, that I should nurse?
3:13 For now should I have lain down and been quiet.
I should have slept, then I would have been at rest,
3:14 with kings and counselors of the earth,
who built up waste places for themselves;
3:15 or with princes who had gold,
who filled their houses with silver:
3:16 or as a hidden untimely birth I had not been,
as infants who never saw light.
3:17 There the wicked cease from troubling.
There the weary are at rest.
3:18 There the prisoners are at ease together.
They don’t hear the voice of the taskmaster.
3:19 The small and the great are there.
The servant is free from his master.
3:20 “Why is light given to him who is in misery,
life to the bitter in soul,
3:21 Who long for death, but it doesn’t come;
and dig for it more than for hidden treasures,
3:22 who rejoice exceedingly,
and are glad, when they can find the grave?
3:23 Why is light given to a man whose way is hidden,
whom God has hedged in?
3:24 For my sighing comes before I eat.
My groanings are poured out like water.
3:25 For the thing which I fear comes on me,
That which I am afraid of comes to me.
3:26 I am not at ease, neither am I quiet, neither have I rest;
but trouble comes.”

 

Chapitre 3
1 Après cela, Job ouvrit la bouche et maudit le jour de sa naissance. 2 Il prit la parole et dit: 3 Périsse le jour où je suis né, Et la nuit qui dit: Un enfant mâle est conçu! 4 Ce jour! qu'il se change en ténèbres, Que Dieu n'en ait point souci dans le ciel, Et que la lumière ne rayonne plus sur lui! 5 Que l'obscurité et l'ombre de la mort s'en emparent, Que des nuées établissent leur demeure au-dessus de lui, Et que de noirs phénomènes l'épouvantent! 6 Cette nuit! que les ténèbres en fassent leur proie, Qu'elle disparaisse de l'année, Qu'elle ne soit plus comptée parmi les mois! 7 Que cette nuit devienne stérile, Que l'allégresse en soit bannie! 8 Qu'elle soit maudite par ceux qui maudissent les jours, Par ceux qui savent exciter le léviathan! 9 Que les étoiles de son crépuscule s'obscurcissent, Qu'elle attende en vain la lumière, Et qu'elle ne voie point les paupières de l'aurore! 10 Car elle n'a pas fermé le sein qui me conçut, Ni dérobé la souffrance à mes regards. 11 Pourquoi ne suis-je pas mort dans le ventre de ma mère? Pourquoi n'ai-je pas expiré au sortir de ses entrailles? 12 Pourquoi ai-je trouvé des genoux pour me recevoir, Et des mamelles pour m'allaiter? 13 Je serais couché maintenant, je serais tranquille, Je dormirais, je reposerais, 14 Avec les rois et les grands de la terre, Qui se bâtirent des mausolées, 15 Avec les princes qui avaient de l'or, Et qui remplirent d'argent leurs demeures. 16 Ou je n'existerais pas, je serais comme un avorton caché, Comme des enfants qui n'ont pas vu la lumière. 17 Là ne s'agitent plus les méchants, Et là se reposent ceux qui sont fatigués et sans force; 18 Les captifs sont tous en paix, Ils n'entendent pas la voix de l'oppresseur; 19 Le petit et le grand sont là, Et l'esclave n'est plus soumis à son maître. 20 Pourquoi donne-t-il la lumière à celui qui souffre, Et la vie à ceux qui ont l'amertume dans l'âme, 21 Qui espèrent en vain la mort, Et qui la convoitent plus qu'un trésor, 22 Qui seraient transportés de joie Et saisis d'allégresse, s'ils trouvaient le tombeau? 23 A l'homme qui ne sait où aller, Et que Dieu cerne de toutes parts? 24 Mes soupirs sont ma nourriture, Et mes cris se répandent comme l'eau. 25 Ce que je crains, c'est ce qui m'arrive; Ce que je redoute, c'est ce qui m'atteint. 26 Je n'ai ni tranquillité, ni paix, ni repos, Et le trouble s'est emparé de moi.