T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 29

1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:

2 Enga anie ka ho tahaka ny tamin'ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin'ny andro niarovan'Andriamanitra ahy!

3 Fony mbola nazava teo ambonin'ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny maizina;

4 Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin'ny laiko ny fisakaizan'Andriamanitra;

5 Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako*;[Na: ny ankizilahiko]

6 Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;

7 Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,

8 Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;

9 Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;

10 Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin'ny lanilaniny.

11 Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,

12 Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.

13 Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko*.[Heb. nampihobiko]

14 Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.

15 Efa maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny mandringa.

16 Efa ray ho an'ny malahelo aho, ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.

17 Namaky ny nifin'ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany

18 Dia hoy izaho: Eo amin'ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.

19 Ny fakako ho azon'ny rano, ary ny ando hitoetra amin'ny sampako mandritra ny alina.

20 Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.

21 Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin'ny fanolorako saina izy.

22 Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan'ny teniko izy.

23 Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.

24 Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan'ny tavako ireo.

25 Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.

Chapitre 29

29:1 Job again took up his parable, and said,

29:2 “Oh that I were as in the months of old,
as in the days when God watched over me;
29:3 when his lamp shone on my head,
and by his light I walked through darkness,
29:4 as I was in the ripeness of my days,
when the friendship of God was in my tent,
29:5 when the Almighty was yet with me,
and my children were around me,
29:6 when my steps were washed with butter,
and the rock poured out streams of oil for me,
29:7 when I went forth to the city gate,
when I prepared my seat in the street.
29:8 The young men saw me and hid themselves.
The aged rose up and stood.
29:9 The princes refrained from talking,
and laid their hand on their mouth.
29:10 The voice of the nobles was hushed,
and their tongue stuck to the roof of their mouth.
29:11 For when the ear heard me, then it blessed me;
and when the eye saw me, it commended me:
29:12 Because I delivered the poor who cried,
and the fatherless also, who had none to help him,
29:13 the blessing of him who was ready to perish came on me,
and I caused the widow’s heart to sing for joy.
29:14 I put on righteousness, and it clothed me.
My justice was as a robe and a diadem.
29:15 I was eyes to the blind,
and feet to the lame.
29:16 I was a father to the needy.
The cause of him who I didn’t know, I searched out.
29:17 I broke the jaws of the unrighteous,
and plucked the prey out of his teeth.
29:18 Then I said, ‘I shall die in my own house,
I shall number my days as the sand.
29:19 My root is spread out to the waters.
The dew lies all night on my branch.
29:20 My glory is fresh in me.
My bow is renewed in my hand.’
29:21 “Men listened to me, waited,
and kept silence for my counsel.
29:22 After my words they didn’t speak again.
My speech fell on them.
29:23 They waited for me as for the rain.
Their mouths drank as with the spring rain.
29:24 I smiled on them when they had no confidence.
They didn’t reject the light of my face.
29:25 I chose out their way, and sat as chief.
I lived as a king in the army,
as one who comforts the mourners.

 

Chapitre 29
1 Job prit de nouveau la parole sous forme sentencieuse et dit: 2 Oh! que ne puis-je être comme aux mois du passé, Comme aux jours où Dieu me gardait, 3 Quand sa lampe brillait sur ma tête, Et que sa lumière me guidait dans les ténèbres! 4 Que ne suis-je comme aux jours de ma vigueur, Où Dieu veillait en ami sur ma tente, 5 Quand le Tout-Puissant était encore avec moi, Et que mes enfants m'entouraient; 6 Quand mes pieds se baignaient dans la crème Et que le rocher répandait près de moi des ruisseaux d'huile! 7 Si je sortais pour aller à la porte de la ville, Et si je me faisais préparer un siège dans la place, 8 Les jeunes gens se retiraient à mon approche, Les vieillards se levaient et se tenaient debout. 9 Les princes arrêtaient leurs discours, Et mettaient la main sur leur bouche; 10 La voix des chefs se taisait, Et leur langue s'attachait à leur palais. 11 L'oreille qui m'entendait me disait heureux, L'oeil qui me voyait me rendait témoignage; 12 Car je sauvais le pauvre qui implorait du secours, Et l'orphelin qui manquait d'appui. 13 La bénédiction du malheureux venait sur moi; Je remplissais de joie le coeur de la veuve. 14 Je me revêtais de la justice et je lui servais de vêtement, J'avais ma droiture pour manteau et pour turban. 15 J'étais l'oeil de l'aveugle Et le pied du boiteux. 16 J'étais le père des misérables, J'examinais la cause de l'inconnu; 17 Je brisais la mâchoire de l'injuste, Et j'arrachais de ses dents la proie. 18 Alors je disais: Je mourrai dans mon nid, Mes jours seront abondants comme le sable; 19 L'eau pénétrera dans mes racines, La rosée passera la nuit sur mes branches; 20 Ma gloire reverdira sans cesse, Et mon arc rajeunira dans ma main. 21 On m'écoutait et l'on restait dans l'attente, On gardait le silence devant mes conseils. 22 Après mes discours, nul ne répliquait, Et ma parole était pour tous une bienfaisante rosée; 23 Ils comptaient sur moi comme sur la pluie, Ils ouvraient la bouche comme pour une pluie du printemps. 24 Je leur souriais quand ils perdaient courage, Et l'on ne pouvait chasser la sérénité de mon front. 25 J'aimais à aller vers eux, et je m'asseyais à leur tête; J'étais comme un roi au milieu d'une troupe, Comme un consolateur auprès des affligés.