T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 28

1 Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.

2 Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato.

3 Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;

4 Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.

5 Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.

6 Fitoeran'ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy

7 Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery,

8 Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka.

9 Maninjitra ny tànany amin'ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony;

10 Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa.

11 Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava.

12 Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?

13 Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izy.

14 Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.

15 Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;

16 Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.

17 Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.

18 Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.

19 Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara

20 Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?

21 Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany ary takona amin'ny voro-manidina.

22 Hoy Abadona* sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.[Abadona = Fandringanana]

23 Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;

24 Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao,

25 Ka manendry ny lanjan'ny rivotra ary mamatra ny rano amin'ny famarana.

26 Raha nanao lalana ho an'ny ranonorana Izy sy lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana,

27 Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;

28 Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana.

 

Chapitre 28
28:1 “Surely there is a mine for silver,
and a place for gold which they refine.
28:2 Iron is taken out of the earth,
and copper is smelted out of the ore.
28:3 Man sets an end to darkness,
and searches out, to the furthest bound,
the stones of obscurity and of thick darkness.
28:4 He breaks open a shaft away from where people live.
They are forgotten by the foot.
They hang far from men, they swing back and forth.
28:5 As for the earth, out of it comes bread;
Underneath it is turned up as it were by fire.
28:6 Sapphires come from its rocks.
It has dust of gold.
28:7 That path no bird of prey knows,
neither has the falcon’s eye seen it.
28:8 The proud animals have not trodden it,
nor has the fierce lion passed by there.
28:9 He puts forth his hand on the flinty rock,
and he overturns the mountains by the roots.
28:10 He cuts out channels among the rocks.
His eye sees every precious thing.
28:11 He binds the streams that they don’t trickle.
The thing that is hidden he brings forth to light.
28:12 “But where shall wisdom be found?
Where is the place of understanding?
28:13 Man doesn’t know its price;
Neither is it found in the land of the living.
28:14 The deep says, ‘It isn’t in me.’
The sea says, ‘It isn’t with me.’
28:15 It can’t be gotten for gold,
neither shall silver be weighed for its price.
28:16 It can’t be valued with the gold of Ophir,
with the precious onyx, or the sapphire.
28:17 Gold and glass can’t equal it,
neither shall it be exchanged for jewels of fine gold.
28:18 No mention shall be made of coral or of crystal.
Yes, the price of wisdom is above rubies.
28:19 The topaz of Ethiopia shall not equal it,
Neither shall it be valued with pure gold.
28:20 Where then does wisdom come from?
Where is the place of understanding?
28:21 Seeing it is hidden from the eyes of all living,
and kept close from the birds of the sky.
28:22 Destruction and Death say,
‘We have heard a rumor of it with our ears.’
28:23 “God understands its way,
and he knows its place.
28:24 For he looks to the ends of the earth,
and sees under the whole sky.
28:25 He establishes the force of the wind.
Yes, he measures out the waters by measure.
28:26 When he made a decree for the rain,
and a way for the lightning of the thunder;
28:27 then he saw it, and declared it.
He established it, yes, and searched it out.
28:28 To man he said,
‘Behold, the fear of the Lord, that is wisdom.
To depart from evil is understanding.’”

 

Chapitre 28
1 Il y a pour l'argent une mine d'où on le fait sortir, Et pour l'or un lieu d'où on l'extrait pour l'affiner; 2 Le fer se tire de la poussière, Et la pierre se fond pour produire l'airain. 3 L'homme fait cesser les ténèbres; Il explore, jusque dans les endroits les plus profonds, Les pierres cachées dans l'obscurité et dans l'ombre de la mort. 4 Il creuse un puits loin des lieux habités; Ses pieds ne lui sont plus en aide, Et il est suspendu, balancé, loin des humains. 5 La terre, d'où sort le pain, Est bouleversée dans ses entrailles comme par le feu. 6 Ses pierres contiennent du saphir, Et l'on y trouve de la poudre d'or. 7 L'oiseau de proie n'en connaît pas le sentier, L'oeil du vautour ne l'a point aperçu; 8 Les plus fiers animaux ne l'ont point foulé, Le lion n'y a jamais passé. 9 L'homme porte sa main sur le roc, Il renverse les montagnes depuis la racine; 10 Il ouvre des tranchées dans les rochers, Et son oeil contemple tout ce qu'il y a de précieux; 11 Il arrête l'écoulement des eaux, Et il produit à la lumière ce qui est caché. 12 Mais la sagesse, où se trouve-t-elle? Où est la demeure de l'intelligence? 13 L'homme n'en connaît point le prix; Elle ne se trouve pas dans la terre des vivants. 14 L'abîme dit: Elle n'est point en moi; Et la mer dit: Elle n'est point avec moi. 15 Elle ne se donne pas contre de l'or pur, Elle ne s'achète pas au poids de l'argent; 16 Elle ne se pèse pas contre l'or d'Ophir, Ni contre le précieux onyx, ni contre le saphir; 17 Elle ne peut se comparer à l'or ni au verre, Elle ne peut s'échanger pour un vase d'or fin. 18 Le corail et le cristal ne sont rien auprès d'elle: La sagesse vaut plus que les perles. 19 La topaze d'Éthiopie n'est point son égale, Et l'or pur n'entre pas en balance avec elle. 20 D'où vient donc la sagesse? Où est la demeure de l'intelligence? 21 Elle est cachée aux yeux de tout vivant, Elle est cachée aux oiseaux du ciel. 22 Le gouffre et la mort disent: Nous en avons entendu parler. 23 C'est Dieu qui en sait le chemin, C'est lui qui en connaît la demeure; 24 Car il voit jusqu'aux extrémités de la terre, Il aperçoit tout sous les cieux. 25 Quand il régla le poids du vent, Et qu'il fixa la mesure des eaux, 26 Quand il donna des lois à la pluie, Et qu'il traça la route de l'éclair et du tonnerre, 27 Alors il vit la sagesse et la manifesta, Il en posa les fondements et la mit à l'épreuve. 28 Puis il dit à l'homme: Voici, la crainte du Seigneur, c'est la sagesse; S'éloigner du mal, c'est l'intelligence.