T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 27

1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:

2 Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.

3 Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra.

4 Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.

5 Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan'ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.

6 Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza.

7 Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.

8 Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,44 raha maito ny ainy, ka* tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny? [Na: Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc]

9 Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?

10 Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an'Andriamanitra mandrakariva va izy?

11 Hampianatra anareo ny amin'ny tànan'Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin'ny hevitry ny Tsitoha.

12 Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?

13 Izao no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lovan'ny lozabe raisiny avy amin'ny Tsitoha:

14 Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an'ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;

15 Ny ankohonany sisa dia hasitrik'Ifahafatesana*, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;[Na: halevina noho ny areti-mandringana]

16 Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,

17 Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;

18 Manao ny tranony tahaka ny an'ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon'ny mpiandry voly;

19 Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.

20 Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin'ny tafio-drivotra izy;

21 Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin'ny fitoerany;

22 Asian*'Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin'ny tànany izy;[Heb. Torahan', na Tifirin']

23 Tehafin'ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin'ny fonenany*.[Na: Ary ny miray monina aminy aza misitrisitra azy]

 

Chapitre 27
27:1 Job again took up his parable, and said,

27:2 “As God lives, who has taken away my right,
the Almighty, who has made my soul bitter.
27:3 (For the length of my life is still in me,
and the spirit of God is in my nostrils);
27:4 surely my lips shall not speak unrighteousness,
neither shall my tongue utter deceit.
27:5 Far be it from me that I should justify you.
Until I die I will not put away my integrity from me.
27:6 I hold fast to my righteousness, and will not let it go.
My heart shall not reproach me so long as I live.
27:7 “Let my enemy be as the wicked.
Let him who rises up against me be as the unrighteous.
27:8 For what is the hope of the godless, when he is cut off, when God takes away his life?
27:9 Will God hear his cry when trouble comes on him?
27:10 Will he delight himself in the Almighty,
and call on God at all times?
27:11 I will teach you about the hand of God.
That which is with the Almighty will I not conceal.
27:12 Behold, all of you have seen it yourselves;
why then have you become altogether vain?
27:13 “This is the portion of a wicked man with God,
the heritage of oppressors, which they receive from the Almighty.
27:14 If his children are multiplied, it is for the sword.
His offspring shall not be satisfied with bread.
27:15 Those who remain of him shall be buried in death.
His widows shall make no lamentation.
27:16 Though he heap up silver as the dust,
and prepare clothing as the clay;
27:17 he may prepare it, but the just shall put it on,
and the innocent shall divide the silver.
27:18 He builds his house as the moth,
as a booth which the watchman makes.
27:19 He lies down rich, but he shall not do so again.
He opens his eyes, and he is not.
27:20 Terrors overtake him like waters.
A storm steals him away in the night.
27:21 The east wind carries him away, and he departs.
It sweeps him out of his place.
27:22 For it hurls at him, and does not spare,
as he flees away from his hand.
27:23 Men shall clap their hands at him,
and shall hiss him out of his place.

 

Chapitre 27
1 Job prit de nouveau la parole sous forme sentencieuse et dit: 2 Dieu qui me refuse justice est vivant! Le Tout-Puissant qui remplit mon âme d'amertume est vivant! 3 Aussi longtemps que j'aurai ma respiration, Et que le souffle de Dieu sera dans mes narines, 4 Mes lèvres ne prononceront rien d'injuste, Ma langue ne dira rien de faux. 5 Loin de moi la pensée de vous donner raison! Jusqu'à mon dernier soupir je défendrai mon innocence; 6 Je tiens à me justifier, et je ne faiblirai pas; Mon coeur ne me fait de reproche sur aucun de mes jours. 7 Que mon ennemi soit comme le méchant, Et mon adversaire comme l'impie! 8 Quelle espérance reste-t-il à l'impie, Quand Dieu coupe le fil de sa vie, Quand il lui retire son âme? 9 Est-ce que Dieu écoute ses cris, Quand l'angoisse vient l'assaillir? 10 Fait-il du Tout-Puissant ses délices? Adresse-t-il en tout temps ses prières à Dieu? 11 Je vous enseignerai les voies de Dieu, Je ne vous cacherai pas les desseins du Tout-Puissant. 12 Mais vous les connaissez, et vous êtes d'accord; Pourquoi donc vous laisser aller à de vaines pensées? 13 Voici la part que Dieu réserve au méchant, L'héritage que le Tout-Puissant destine à l'impie. 14 S'il a des fils en grand nombre, c'est pour le glaive, Et ses rejetons manquent de pain; 15 Ceux qui échappent sont enterrés par la peste, Et leurs veuves ne les pleurent pas. 16 S'il amasse l'argent comme la poussière, S'il entasse les vêtements comme la boue, 17 C'est lui qui entasse, mais c'est le juste qui se revêt, C'est l'homme intègre qui a l'argent en partage. 18 Sa maison est comme celle que bâtit la teigne, Comme la cabane que fait un gardien. 19 Il se couche riche, et il meurt dépouillé; Il ouvre les yeux, et tout a disparu. 20 Les terreurs le surprennent comme des eaux; Un tourbillon l'enlève au milieu de la nuit. 21 Le vent d'orient l'emporte, et il s'en va; Il l'arrache violemment de sa demeure. 22 Dieu lance sans pitié des traits contre lui, Et le méchant voudrait fuir pour les éviter. 23 On bat des mains à sa chute, Et on le siffle à son départ.