T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 23

1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2 Mbola atao ho fikomianao* ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako.[Na: mangidy]

3 Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza!

4 Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;

5 Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.

6 Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy

7 Fa amin'izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy.

8 Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;

9 Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.

10 Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.

*

11 Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.

12 Ny didin'ny molony tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako*.[Na: anjara-haniko]

13 Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony.

14 Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;

15 Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.

16 Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;

17 Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako*.[Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy]

Chapitre 23
23:1 Then Job answered,

23:2 “Even today my complaint is rebellious.
His hand is heavy in spite of my groaning.
23:3 Oh that I knew where I might find him!
That I might come even to his seat!
23:4 I would set my cause in order before him,
and fill my mouth with arguments.
23:5 I would know the words which he would answer me,
and understand what he would tell me.
23:6 Would he contend with me in the greatness of his power?
No, but he would listen to me.
23:7 There the upright might reason with him,
so I should be delivered forever from my judge.
23:8 “If I go east, he is not there;
if west, I can’t find him;
23:9 He works to the north, but I can’t see him.
He turns south, but I can’t catch a glimpse of him.
23:10 But he knows the way that I take.
When he has tried me, I shall come forth like gold.
23:11 My foot has held fast to his steps.
I have kept his way, and not turned aside.
23:12 I haven’t gone back from the commandment of his lips.
I have treasured up the words of his mouth more than my necessary food.
23:13 But he stands alone, and who can oppose him?
What his soul desires, even that he does.
23:14 For he performs that which is appointed for me.
Many such things are with him.
23:15 Therefore I am terrified at his presence.
When I consider, I am afraid of him.
23:16 For God has made my heart faint.
The Almighty has terrified me.
23:17 Because I was not cut off before the darkness,
neither did he cover the thick darkness from my face.

 

Chapitre 23
1 Job prit la parole et dit: 2 Maintenant encore ma plainte est une révolte, Mais la souffrance étouffe mes soupirs. 3 Oh! si je savais où le trouver, Si je pouvais arriver jusqu'à son trône, 4 Je plaiderais ma cause devant lui, Je remplirais ma bouche d'arguments, 5 Je connaîtrais ce qu'il peut avoir à répondre, Je verrais ce qu'il peut avoir à me dire. 6 Emploierait-il toute sa force à me combattre? Ne daignerait-il pas au moins m'écouter? 7 Ce serait un homme droit qui plaiderait avec lui, Et je serais pour toujours absous par mon juge. 8 Mais, si je vais à l'orient, il n'y est pas; Si je vais à l'occident, je ne le trouve pas; 9 Est-il occupé au nord, je ne puis le voir; Se cache-t-il au midi, je ne puis le découvrir. 10 Il sait néanmoins quelle voie j'ai suivie; Et, s'il m'éprouvait, je sortirais pur comme l'or. 11 Mon pied s'est attaché à ses pas; J'ai gardé sa voie, et je ne m'en suis point détourné. 12 Je n'ai pas abandonné les commandements de ses lèvres; J'ai fait plier ma volonté aux paroles de sa bouche. 13 Mais sa résolution est arrêtée; qui s'y opposera? Ce que son âme désire, il l'exécute. 14 Il accomplira donc ses desseins à mon égard, Et il en concevra bien d'autres encore. 15 Voilà pourquoi sa présence m'épouvante; Quand j'y pense, j'ai peur de lui. 16 Dieu a brisé mon courage, Le Tout-Puissant m'a rempli d'effroi. 17 Car ce ne sont pas les ténèbres qui m'anéantissent, Ce n'est pas l'obscurité dont je suis couvert.