T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 22

1 [Ny teny fanintelony nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:

2 Mahasoa an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.

3 Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?

4 Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin'ny fitsarana?

5 Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?

6 Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon'ny mahantra*.[Heb. mitanjaka]

7 Tsy nanome rano hosotroin'ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an'ny noana.

8 Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.

9 Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin'ny kamboty.

10 Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;

11 Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?

12 Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony!

13 Nefa hoy ianao: Ataon'Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?

14 Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy.

15 Moa hizotra amin'ny lalana izay nalehan'ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy fanahy.

16 Izay nesorina alohan'ny androny, ka nindaosin'ny riaka ny fanorenany,

17 Dia ireo izay manao tamin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho anay*? [Heb. azy]

18 Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!

19 Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:

20 Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo.

21 Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao.

22 Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.

23 Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.

24 Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;

25 Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra* ho anao.[Na tsara, na azo amin'ny fisasarana]

26 Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra.

27 Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.

28 Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava.

29 Raha misy mietry*, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.[Na: Raha mietry izy]

30 Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.

Chapitre 22
22:1 Then Eliphaz the Temanite answered,

22:2 “Can a man be profitable to God?
Surely he who is wise is profitable to himself.
22:3 Is it any pleasure to the Almighty, that you are righteous?
Or does it benefit him, that you make your ways perfect?
22:4 Is it for your piety that he reproves you,
that he enters with you into judgment?
22:5 Isn’t your wickedness great?
Neither is there any end to your iniquities.
22:6 For you have taken pledges from your brother for nothing,
and stripped the naked of their clothing.
22:7 You haven’t given water to the weary to drink,
and you have withheld bread from the hungry.
22:8 But as for the mighty man, he had the earth.
The honorable man, he lived in it.
22:9 You have sent widows away empty,
and the arms of the fatherless have been broken.
22:10 Therefore snares are around you.
Sudden fear troubles you,
22:11 or darkness, so that you can not see,
and floods of waters cover you.
22:12 “Isn’t God in the heights of heaven?
See the height of the stars, how high they are!
22:13 You say, ‘What does God know?
Can he judge through the thick darkness?
22:14 Thick clouds are a covering to him, so that he doesn’t see.
He walks on the vault of the sky.’
22:15 Will you keep the old way,
which wicked men have trodden,
22:16 who were snatched away before their time,
whose foundation was poured out as a stream,
22:17 who said to God, ‘Depart from us;’
and, ‘What can the Almighty do for us?’
22:18 Yet he filled their houses with good things,
but the counsel of the wicked is far from me.
22:19 The righteous see it, and are glad.
The innocent ridicule them,
22:20 saying, ‘Surely those who rose up against us are cut off.
The fire has consumed their remnant.’
22:21 “Acquaint yourself with him, now, and be at peace.
Thereby good shall come to you.
22:22 Please receive instruction from his mouth,
and lay up his words in your heart.
22:23 If you return to the Almighty, you shall be built up,
if you put away unrighteousness far from your tents.
22:24 Lay your treasure in the dust,
the gold of Ophir among the stones of the brooks.
22:25 The Almighty will be your treasure,
and precious silver to you.
22:26 For then you will delight yourself in the Almighty,
and shall lift up your face to God.
22:27 You shall make your prayer to him, and he will hear you.
You shall pay your vows.
22:28 You shall also decree a thing, and it shall be established to you.
Light shall shine on your ways.
22:29 When they cast down, you shall say, ‘be lifted up.’
He will save the humble person.
22:30 He will even deliver him who is not innocent.
Yes, he shall be delivered through the cleanness of your hands.”

 

Chapitre 22
1 Éliphaz de Théman prit la parole et dit: 2 Un homme peut-il être utile à Dieu? Non; le sage n'est utile qu'à lui-même. 3 Si tu es juste, est-ce à l'avantage du Tout-Puissant? Si tu es intègre dans tes voies, qu'y gagne-t-il? 4 Est-ce par crainte de toi qu'il te châtie, Qu'il entre en jugement avec toi? 5 Ta méchanceté n'est-elle pas grande? Tes iniquités ne sont-elles pas infinies? 6 Tu enlevais sans motif des gages à tes frères, Tu privais de leurs vêtements ceux qui étaient nus; 7 Tu ne donnais point d'eau à l'homme altéré, Tu refusais du pain à l'homme affamé. 8 Le pays était au plus fort, Et le puissant s'y établissait. 9 Tu renvoyais les veuves à vide; Les bras des orphelins étaient brisés. 10 C'est pour cela que tu es entouré de pièges, Et que la terreur t'a saisi tout à coup. 11 Ne vois-tu donc pas ces ténèbres, Ces eaux débordées qui t'envahissent? 12 Dieu n'est-il pas en haut dans les cieux? Regarde le sommet des étoiles, comme il est élevé! 13 Et tu dis: Qu'est-ce que Dieu sait? Peut-il juger à travers l'obscurité? 14 Les nuées l'enveloppent, et il ne voit rien; Il ne parcourt que la voûte des cieux. 15 Eh quoi! tu voudrais prendre l'ancienne route Qu'ont suivie les hommes d'iniquité? 16 Ils ont été emportés avant le temps, Ils ont eu la durée d'un torrent qui s'écoule. 17 Ils disaient à Dieu: Retire-toi de nous; Que peut faire pour nous le Tout-Puissant? 18 Dieu cependant avait rempli de biens leurs maisons. -Loin de moi le conseil des méchants! 19 Les justes, témoins de leur chute, se réjouiront, Et l'innocent se moquera d'eux: 20 Voilà nos adversaires anéantis! Voilà leurs richesses dévorées par le feu! 21 Attache-toi donc à Dieu, et tu auras la paix; Tu jouiras ainsi du bonheur. 22 Reçois de sa bouche l'instruction, Et mets dans ton coeur ses paroles. 23 Tu seras rétabli, si tu reviens au Tout-Puissant, Si tu éloignes l'iniquité de ta tente. 24 Jette l'or dans la poussière, L'or d'Ophir parmi les cailloux des torrents; 25 Et le Tout-Puissant sera ton or, Ton argent, ta richesse. 26 Alors tu feras du Tout-Puissant tes délices, Tu élèveras vers Dieu ta face; 27 Tu le prieras, et il t'exaucera, Et tu accompliras tes voeux. 28 A tes résolutions répondra le succès; Sur tes sentiers brillera la lumière. 29 Vienne l'humiliation, tu prieras pour ton relèvement: Dieu secourt celui dont le regard est abattu. 30 Il délivrera même le coupable, Qui devra son salut à la pureté de tes mains.