T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 21

1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.

3 Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.

4 Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?

5 Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.

6 Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:

7 Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?

8 Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.

9 Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.

10 Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.

11 Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.

12 Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina.

13 Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany any amin'ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]

14 Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.

15 Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?

16 Indro, tsy avy amin'ny tenany* ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy![Heb. tsy eo an-tànany]

*

17 Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika ireny* noho ny fahatezerany,[Na: izaran'Andriamanitra fahoriana ho an'ireny]

18 Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra.

19 Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.

20 Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha.

21 Fa mampaninona azy moa ny amin'ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan'ny androny?

22 Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra* aza? [Heb. avo]

23 Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;

24 Feno ronono ny fitoeran-drononony*, ary vonton-tsoka ny taolany.[Na: Manotraka ny kibony]

25 Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.

26 Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.

27 Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;

28 Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatoha*? Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy? [Na: Manotraka ny kibony]

29 Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga*, ambaran'Ireo hoe: [Heb. famantarana]

30 Amin'ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?

31 Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy*? [Na: Azy]

32 Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana* ao am-pasana;[Na: mbola misy miambina]

33 Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan'ny maro tany alohany.

34 Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!

 

Chapitre 21
21:1 Then Job answered,

21:2 “Listen diligently to my speech.
Let this be your consolation.
21:3 Allow me, and I also will speak;
After I have spoken, mock on.
21:4 As for me, is my complaint to man?
Why shouldn’t I be impatient?
21:5 Look at me, and be astonished.
Lay your hand on your mouth.
21:6 When I remember, I am troubled.
Horror takes hold of my flesh.
21:7 “Why do the wicked live,
become old, yes, and grow mighty in power?
21:8 Their child is established with them in their sight,
their offspring before their eyes.
21:9 Their houses are safe from fear,
neither is the rod of God upon them.
21:10 Their bulls breed without fail.
Their cows calve, and don’t miscarry.
21:11 They send forth their little ones like a flock.
Their children dance.
21:12 They sing to the tambourine and harp,
and rejoice at the sound of the pipe.
21:13 They spend their days in prosperity.
In an instant they go down to Sheol.
21:14 They tell God, ‘Depart from us,
for we don’t want to know about your ways.
21:15 What is the Almighty, that we should serve him?
What profit should we have, if we pray to him?’
21:16 Behold, their prosperity is not in their hand.
The counsel of the wicked is far from me.
21:17 “How often is it that the lamp of the wicked is put out,
that their calamity comes on them,
that God distributes sorrows in his anger?
21:18 How often is it that they are as stubble before the wind,
as chaff that the storm carries away?
21:19 You say, ‘God lays up his iniquity for his children.’
Let him recompense it to himself, that he may know it.
21:20 Let his own eyes see his destruction.
Let him drink of the wrath of the Almighty.
21:21 For what does he care for his house after him,
when the number of his months is cut off?
21:22 “Shall any teach God knowledge,
since he judges those who are high?
21:23 One dies in his full strength,
being wholly at ease and quiet.
21:24 His pails are full of milk.
The marrow of his bones is moistened.
21:25 Another dies in bitterness of soul,
and never tastes of good.
21:26 They lie down alike in the dust.
The worm covers them.
21:27 “Behold, I know your thoughts,
the devices with which you would wrong me.
21:28 For you say, ‘Where is the house of the prince?
Where is the tent in which the wicked lived?’
21:29 Haven’t you asked wayfaring men?
Don’t you know their evidences,
21:30 that the evil man is reserved to the day of calamity,
That they are led forth to the day of wrath?
21:31 Who shall declare his way to his face?
Who shall repay him what he has done?
21:32 Yet he will be borne to the grave.
Men shall keep watch over the tomb.
21:33 The clods of the valley shall be sweet to him.
All men shall draw after him,
as there were innumerable before him.
21:34 So how can you comfort me with nonsense,
because in your answers there remains only falsehood?”

 

Chapitre 21
1 Job prit la parole et dit: 2 Écoutez, écoutez mes paroles, Donnez-moi seulement cette consolation. 3 Laissez-moi parler, je vous prie; Et, quand j'aurai parlé, tu pourras te moquer. 4 Est-ce contre un homme que se dirige ma plainte? Et pourquoi mon âme ne serait-elle pas impatiente? 5 Regardez-moi, soyez étonnés, Et mettez la main sur la bouche. 6 Quand j'y pense, cela m'épouvante, Et un tremblement saisit mon corps. 7 Pourquoi les méchants vivent-ils? Pourquoi les voit-on vieillir et accroître leur force? 8 Leur postérité s'affermit avec eux et en leur présence, Leurs rejetons prospèrent sous leurs yeux. 9 Dans leurs maisons règne la paix, sans mélange de crainte; La verge de Dieu ne vient pas les frapper. 10 Leurs taureaux sont vigoureux et féconds, Leurs génisses conçoivent et n'avortent point. 11 Ils laissent courir leurs enfants comme des brebis, Et les enfants prennent leurs ébats. 12 Ils chantent au son du tambourin et de la harpe, Ils se réjouissent au son du chalumeau. 13 Ils passent leurs jours dans le bonheur, Et ils descendent en un instant au séjour des morts. 14 Ils disaient pourtant à Dieu: Retire-toi de nous; Nous ne voulons pas connaître tes voies. 15 Qu'est-ce que le Tout-Puissant, pour que nous le servions? Que gagnerons-nous à lui adresser nos prières? 16 Quoi donc! ne sont-ils pas en possession du bonheur? -Loin de moi le conseil des méchants! 17 Mais arrive-t-il souvent que leur lampe s'éteigne, Que la misère fonde sur eux, Que Dieu leur distribue leur part dans sa colère, 18 Qu'ils soient comme la paille emportée par le vent, Comme la balle enlevée par le tourbillon? 19 Est-ce pour les fils que Dieu réserve le châtiment du père? Mais c'est lui que Dieu devrait punir, pour qu'il le sente; 20 C'est lui qui devrait contempler sa propre ruine, C'est lui qui devrait boire la colère du Tout-Puissant. 21 Car, que lui importe sa maison après lui, Quand le nombre de ses mois est achevé? 22 Est-ce à Dieu qu'on donnera de la science, A lui qui gouverne les esprits célestes? 23 L'un meurt au sein du bien-être, De la paix et du bonheur, 24 Les flancs chargés de graisse Et la moelle des os remplie de sève; 25 L'autre meurt, l'amertume dans l'âme, Sans avoir joui d'aucun bien. 26 Et tous deux se couchent dans la poussière, Tous deux deviennent la pâture des vers. 27 Je sais bien quelles sont vos pensées, Quels jugements iniques vous portez sur moi. 28 Vous dites: Où est la maison de l'homme puissant? Où est la tente qu'habitaient les impies? 29 Mais quoi! n'avez-vous point interrogé les voyageurs, Et voulez-vous méconnaître ce qu'ils prouvent? 30 Au jour du malheur, le méchant est épargné; Au jour de la colère, il échappe. 31 Qui lui reproche en face sa conduite? Qui lui rend ce qu'il a fait? 32 Il est porté dans un sépulcre, Et il veille encore sur sa tombe. 33 Les mottes de la vallée lui sont légères; Et tous après lui suivront la même voie, Comme une multitude l'a déjà suivie. 34 Pourquoi donc m'offrir de vaines consolations? Ce qui reste de vos réponses n'est que perfidie.