T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 20

1 [Ny teny fanindroany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:

2 Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho* ny fihetsiketsiky ny saiko.[Na: Ary izany no mahatonga]

3 Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.

4 Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany,

5 Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?44

6 Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,

7 Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny* ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?[Na: ny tain'omby atainy]

8 Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy.

9 Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.

10 Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.

11 Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana*, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.[Na: ota tsy fantatra]

12 Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,

13 Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,

14 Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.

15 Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.

16 Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.

17 Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.

18 Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.

19 Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.

20 Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy.

21 Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.

22 Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy.

23 Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.

24 Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;

25 Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.

26 Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy.

27 Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,

28 Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.

29 Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.

 

Chapitre 20
20:1 Then Zophar the Naamathite answered,

20:2 “Therefore do my thoughts give answer to me,
even by reason of my haste that is in me.
20:3 I have heard the reproof which puts me to shame.
The spirit of my understanding answers me.
20:4 Don’t you know this from old time,
since man was placed on earth,
20:5 that the triumphing of the wicked is short,
the joy of the godless but for a moment?
20:6 Though his height mount up to the heavens,
and his head reach to the clouds,
20:7 yet he shall perish forever like his own dung.
Those who have seen him shall say, ‘Where is he?’
20:8 He shall fly away as a dream, and shall not be found.
Yes, he shall be chased away like a vision of the night.
20:9 The eye which saw him shall see him no more,
neither shall his place any more see him.
20:10 His children shall seek the favor of the poor.
His hands shall give back his wealth.
20:11 His bones are full of his youth,
but youth shall lie down with him in the dust.
20:12 “Though wickedness is sweet in his mouth,
though he hide it under his tongue,
20:13 though he spare it, and will not let it go,
but keep it still within his mouth;
20:14 yet his food in his bowels is turned.
It is cobra venom within him.
20:15 He has swallowed down riches, and he shall vomit them up again.
God will cast them out of his belly.
20:16 He shall suck cobra venom.
The viper’s tongue shall kill him.
20:17 He shall not look at the rivers,
the flowing streams of honey and butter.
20:18 That for which he labored he shall restore, and shall not swallow it down.
According to the substance that he has gotten, he shall not rejoice.
20:19 For he has oppressed and forsaken the poor.
He has violently taken away a house, and he shall not build it up.
20:20 “Because he knew no quietness within him,
he shall not save anything of that in which he delights.
20:21 There was nothing left that he didn’t devour,
therefore his prosperity shall not endure.
20:22 In the fullness of his sufficiency, distress shall overtake him.
The hand of everyone who is in misery shall come on him.
20:23 When he is about to fill his belly, God will cast the fierceness of his wrath on him.
It will rain on him while he is eating.
20:24 He shall flee from the iron weapon.
The bronze arrow shall strike him through.
20:25 He draws it forth, and it comes out of his body.
Yes, the glittering point comes out of his liver.
Terrors are on him.
20:26 All darkness is laid up for his treasures.
An unfanned fire shall devour him.
It shall consume that which is left in his tent.
20:27 The heavens shall reveal his iniquity.
The earth shall rise up against him.
20:28 The increase of his house shall depart.
They shall rush away in the day of his wrath.
20:29 This is the portion of a wicked man from God,
the heritage appointed to him by God.”

 

Chapitre 20
1 Tsophar de Naama prit la parole et dit: 2 Mes pensées me forcent à répondre, Et mon agitation ne peut se contenir. 3 J'ai entendu des reproches qui m'outragent; Le souffle de mon intelligence donnera la réplique. 4 Ne sais-tu pas que, de tout temps, Depuis que l'homme a été placé sur la terre, 5 Le triomphe des méchants a été court, Et la joie de l'impie momentanée? 6 Quand il s'élèverait jusqu'aux cieux, Et que sa tête toucherait aux nues, 7 Il périra pour toujours comme son ordure, Et ceux qui le voyaient diront: Où est-il? 8 Il s'envolera comme un songe, et on ne le trouvera plus; Il disparaîtra comme une vision nocturne; 9 L'oeil qui le regardait ne le regardera plus, Le lieu qu'il habitait ne l'apercevra plus. 10 Ses fils seront assaillis par les pauvres, Et ses mains restitueront ce qu'il a pris par violence. 11 La vigueur de la jeunesse, qui remplissait ses membres, Aura sa couche avec lui dans la poussière. 12 Le mal était doux à sa bouche, Il le cachait sous sa langue, 13 Il le savourait sans l'abandonner, Il le retenait au milieu de son palais; 14 Mais sa nourriture se transformera dans ses entrailles, Elle deviendra dans son corps un venin d'aspic. 15 Il a englouti des richesses, il les vomira; Dieu les chassera de son ventre. 16 Il a sucé du venin d'aspic, La langue de la vipère le tuera. 17 Il ne reposera plus ses regards sur les ruisseaux, Sur les torrents, sur les fleuves de miel et de lait. 18 Il rendra ce qu'il a gagné, et n'en profitera plus; Il restituera tout ce qu'il a pris, et n'en jouira plus. 19 Car il a opprimé, délaissé les pauvres, Il a ruiné des maisons et ne les a pas rétablies. 20 Son avidité n'a point connu de bornes; Mais il ne sauvera pas ce qu'il avait de plus cher. 21 Rien n'échappait à sa voracité; Mais son bien-être ne durera pas. 22 Au milieu de l'abondance il sera dans la détresse; La main de tous les misérables se lèvera sur lui. 23 Et voici, pour lui remplir le ventre, Dieu enverra sur lui le feu de sa colère, Et le rassasiera par une pluie de traits. 24 S'il échappe aux armes de fer, L'arc d'airain le transpercera. 25 Il arrache de son corps le trait, Qui étincelle au sortir de ses entrailles, Et il est en proie aux terreurs de la mort. 26 Toutes les calamités sont réservées à ses trésors; Il sera consumé par un feu que n'allumera point l'homme, Et ce qui restera dans sa tente en deviendra la pâture. 27 Les cieux dévoileront son iniquité, Et la terre s'élèvera contre lui. 28 Les revenus de sa maison seront emportés, Ils disparaîtront au jour de la colère de Dieu. 29 Telle est la part que Dieu réserve au méchant, Tel est l'héritage que Dieu lui destine.