T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Ny fizahan-toetra faharoa nahazo an'i Joba, sy ny namangian'ny sakaizany telo lahy azy] Ary tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan'i Jehovah.

2 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.

3 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.

4 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan'ny olona dia homeny ho-fefin'ny ainy.

5 Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza* Izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]

6 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.

7 Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany.

8 Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.

9 Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.

10 Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.

11 Ary rehefa ren'ny sakaizan'i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin'ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.

12 Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin'ny lanitra hiraraka amin'ny lohany.

13 Ary niara-nipetraka teo aminy tamin'ny tany hafitoan'andro sy hafitoan'alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.

 

Chapitre 2

2:1 Again it happened on the day when the God’s sons came to present themselves before Yahweh, that Satan came also among them to present himself before Yahweh. 2:2 Yahweh said to Satan, “Where have you come from?”

Satan answered Yahweh, and said, “From going back and forth in the earth, and from walking up and down in it.”

2:3 Yahweh said to Satan, “Have you considered my servant Job? For there is none like him in the earth, a blameless and an upright man, one who fears God, and turns away from evil. He still maintains his integrity, although you incited me against him, to ruin him without cause.”

2:4 Satan answered Yahweh, and said, “Skin for skin. Yes, all that a man has he will give for his life. 2:5 But put forth your hand now, and touch his bone and his flesh, and he will renounce you to your face.”

2:6 Yahweh said to Satan, “Behold, he is in your hand. Only spare his life.”

2:7 So Satan went forth from the presence of Yahweh, and struck Job with painful sores from the sole of his foot to his head. 2:8 He took for himself a potsherd to scrape himself with, and he sat among the ashes. 2:9 Then his wife said to him, “Do you still maintain your integrity? Renounce God, and die.”

2:10 But he said to her, “You speak as one of the foolish women would speak. What? Shall we receive good at the hand of God, and shall we not receive evil?”

In all this Job didn’t sin with his lips. 2:11 Now when Job’s three friends heard of all this evil that had come on him, they each came from his own place: Eliphaz the Temanite, Bildad the Shuhite, and Zophar the Naamathite, and they made an appointment together to come to sympathize with him and to comfort him. 2:12 When they lifted up their eyes from a distance, and didn’t recognize him, they raised their voices, and wept; and they each tore his robe, and sprinkled dust on their heads toward the sky. 2:13 So they sat down with him on the ground seven days and seven nights, and none spoke a word to him, for they saw that his grief was very great.

 

Chapitre 2
1 Or, les fils de Dieu vinrent un jour se présenter devant l'Éternel, et Satan vint aussi au milieu d'eux se présenter devant l'Éternel. 2 L'Éternel dit à Satan: D'où viens-tu? Et Satan répondit à l'Éternel: De parcourir la terre et de m'y promener. 3 L'Éternel dit à Satan: As-tu remarqué mon serviteur Job? Il n'y a personne comme lui sur la terre; c'est un homme intègre et droit, craignant Dieu, et se détournant du mal. Il demeure ferme dans son intégrité, et tu m'excites à le perdre sans motif. 4 Et Satan répondit à l'Éternel: Peau pour peau! tout ce que possède un homme, il le donne pour sa vie. 5 Mais étends ta main, touche à ses os et à sa chair, et je suis sûr qu'il te maudit en face. 6 L'Éternel dit à Satan: Voici, je te le livre: seulement, épargne sa vie. 7 Et Satan se retira de devant la face de l'Éternel. Puis il frappa Job d'un ulcère malin, depuis la plante du pied jusqu'au sommet de la tête. 8 Et Job prit un tesson pour se gratter et s'assit sur la cendre. 9 Sa femme lui dit: Tu demeures ferme dans ton intégrité! Maudis Dieu, et meurs! 10 Mais Job lui répondit: Tu parles comme une femme insensée. Quoi! nous recevons de Dieu le bien, et nous ne recevrions pas aussi le mal! En tout cela Job ne pécha point par ses lèvres. 11 Trois amis de Job, Éliphaz de Théman, Bildad de Schuach, et Tsophar de Naama, apprirent tous les malheurs qui lui étaient arrivés. Ils se concertèrent et partirent de chez eux pour aller le plaindre et le consoler! 12 Ayant de loin porté les regards sur lui, ils ne le reconnurent pas, et ils élevèrent la voix et pleurèrent. Ils déchirèrent leurs manteaux, et ils jetèrent de la poussière en l'air au-dessus de leur tête. 13 Et ils se tinrent assis à terre auprès de lui sept jours et sept nuits, sans lui dire une parole, car ils voyaient combien sa douleur était grande.