T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 19

1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2 Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin'ny fiteny?

3 Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.

4 Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian'ny fa hadisoako.

5 Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,

6 Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin'ny fandrika haratony.

7 Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.

8 Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana alehako.

9 Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.

10 Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.

11 Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.

12 Miara-mandroso ny antokon'ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.

13 Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.

14 Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.

15 Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.

16 Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin'ny vavako aho.

17 Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak'ineny aho.

18 Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.

19 Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.

20 Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.

21 Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan'Andriamanitra efa mikasika ahy.

22 Nahoana no manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin'ny nofoko?

23 Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny!

24 Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho mandrakizay izy!

25 Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra* ahy, ka hitsangana any am-parany** eo ambonin'ny vovoka Izy.[*Heb. Goela][**Na: ho farany]

26 Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra*;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho]

27 Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko* ato anatiko.[Heb. voako]

28 Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny* ny fototry ny mahameloka azy**.[*Heb. anatiko][**Heb. ahy]

29 Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.

 

Chapitre 19
19:1 Then Job answered,

19:2 “How long will you torment me,
and crush me with words?
19:3 You have reproached me ten times.
You aren’t ashamed that you attack me.
19:4 If it is true that I have erred,
my error remains with myself.
19:5 If indeed you will magnify yourselves against me,
and plead against me my reproach;
19:6 know now that God has subverted me,
and has surrounded me with his net.
19:7 “Behold, I cry out of wrong, but I am not heard.
I cry for help, but there is no justice.
19:8 He has walled up my way so that I can’t pass,
and has set darkness in my paths.
19:9 He has stripped me of my glory,
and taken the crown from my head.
19:10 He has broken me down on every side, and I am gone.
My hope he has plucked up like a tree.
19:11 He has also kindled his wrath against me.
He counts me among his adversaries.
19:12 His troops come on together,
build a siege ramp against me,
and encamp around my tent.
19:13 “He has put my brothers far from me.
My acquaintances are wholly estranged from me.
19:14 My relatives have gone away.
My familiar friends have forgotten me.
19:15 Those who dwell in my house, and my maids, count me for a stranger.
I am an alien in their sight.
19:16 I call to my servant, and he gives me no answer.
I beg him with my mouth.
19:17 My breath is offensive to my wife.
I am loathsome to the children of my own mother.
19:18 Even young children despise me.
If I arise, they speak against me.
19:19 All my familiar friends abhor me.
They whom I loved have turned against me.
19:20 My bones stick to my skin and to my flesh.
I have escaped by the skin of my teeth.
19:21 “Have pity on me, have pity on me, you my friends;
for the hand of God has touched me.
19:22 Why do you persecute me as God,
and are not satisfied with my flesh?
19:23 “Oh that my words were now written!
Oh that they were inscribed in a book!
19:24 That with an iron pen and lead
they were engraved in the rock forever!
19:25 But as for me, I know that my Redeemer lives.
In the end, he will stand upon the earth.
19:26 After my skin is destroyed,
then in my flesh shall I see God,
19:27 Whom I, even I, shall see on my side.
My eyes shall see, and not as a stranger.
“My heart is consumed within me.
19:28 If you say, ‘How we will persecute him!’
because the root of the matter is found in me,
19:29 be afraid of the sword,
for wrath brings the punishments of the sword,
that you may know there is a judgment.”

 

Chapitre 19
1 Job prit la parole et dit: 2 Jusques à quand affligerez-vous mon âme, Et m'écraserez-vous de vos discours? 3 Voilà dix fois que vous m'outragez; N'avez-vous pas honte de m'étourdir ainsi? 4 Si réellement j'ai péché, Seul j'en suis responsable. 5 Pensez-vous me traiter avec hauteur? Pensez-vous démontrer que je suis coupable? 6 Sachez alors que c'est Dieu qui me poursuit, Et qui m'enveloppe de son filet. 7 Voici, je crie à la violence, et nul ne répond; J'implore justice, et point de justice! 8 Il m'a fermé toute issue, et je ne puis passer; Il a répandu des ténèbres sur mes sentiers. 9 Il m'a dépouillé de ma gloire, Il a enlevé la couronne de ma tête. 10 Il m'a brisé de toutes parts, et je m'en vais; Il a arraché mon espérance comme un arbre. 11 Il s'est enflammé de colère contre moi, Il m'a traité comme l'un de ses ennemis. 12 Ses troupes se sont de concert mises en marche, Elles se sont frayé leur chemin jusqu'à moi, Elles ont campées autour de ma tente. 13 Il a éloigné de moi mes frères, Et mes amis se sont détournés de moi; 14 Je suis abandonné de mes proches, Je suis oublié de mes intimes. 15 Je suis un étranger pour mes serviteurs et mes servantes, Je ne suis plus à leurs yeux qu'un inconnu. 16 J'appelle mon serviteur, et il ne répond pas; Je le supplie de ma bouche, et c'est en vain. 17 Mon humeur est à charge à ma femme, Et ma plainte aux fils de mes entrailles. 18 Je suis méprisé même par des enfants; Si je me lève, je reçois leurs insultes. 19 Ceux que j'avais pour confidents m'ont en horreur, Ceux que j'aimais se sont tournés contre moi. 20 Mes os sont attachés à ma peau et à ma chair; Il ne me reste que la peau des dents. 21 Ayez pitié, ayez pitié de moi, vous, mes amis! Car la main de Dieu m'a frappé. 22 Pourquoi me poursuivre comme Dieu me poursuit? Pourquoi vous montrer insatiables de ma chair? 23 Oh! je voudrais que mes paroles fussent écrites, Qu'elles fussent écrites dans un livre; 24 Je voudrais qu'avec un burin de fer et avec du plomb Elles fussent pour toujours gravées dans le roc... 25 Mais je sais que mon rédempteur est vivant, Et qu'il se lèvera le dernier sur la terre. 26 Quand ma peau sera détruite, il se lèvera; Quand je n'aurai plus de chair, je verrai Dieu. 27 Je le verrai, et il me sera favorable; Mes yeux le verront, et non ceux d'un autre; Mon âme languit d'attente au dedans de moi. 28 Vous direz alors: Pourquoi le poursuivions-nous? Car la justice de ma cause sera reconnue. 29 Craignez pour vous le glaive: Les châtiments par le glaive sont terribles! Et sachez qu'il y a un jugement.