T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 18

1 [Ny teny fanindroany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:

2 Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.

3 Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?

4 Ry ilay mamiravira tena amin'ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?

5 Tsy izany, fa ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;

6 Ny mazava manjary maizina ao amin'ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.

7 Etena ny herin'ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.

8 Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny harato izy;

9 Azon'ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon'ny tadivavarana

10 Miafina ao amin'ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.

11 Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.

12 Liana azy ny loza*, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;[Na: Lanin'ny mosary izy]

13 Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin'ny lahimatoan'ny fahafatesana.

14 Ongotana hiala amin'ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin'ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.

15 Izay tsy taranany no hitoetra ao amin'ny lainy; Solifara no hafafy amin'ny fonenany.

16 Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka* ny rantsany eo ambony.[Na: malazo]

17 Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin'ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.

18 Roahina hiala amin'ny mazava ho any amin'ny maizina izy ary enjehina hiala amin'izao tontolo izao.

19 Tsy manana fara mandimby eo amin'ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin'ny fonenany.

20 Ny manjo azy dia italanjonan'ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.

21 Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.

 

Chapitre 18

18:1 Then Bildad the Shuhite answered,

18:2 “How long will you hunt for words?
Consider, and afterwards we will speak.
18:3 Why are we counted as animals,
which have become unclean in your sight?
18:4 You who tear yourself in your anger,
shall the earth be forsaken for you?
Or shall the rock be removed out of its place?
18:5 “Yes, the light of the wicked shall be put out,
The spark of his fire shall not shine.
18:6 The light shall be dark in his tent.
His lamp above him shall be put out.
18:7 The steps of his strength shall be shortened.
His own counsel shall cast him down.
18:8 For he is cast into a net by his own feet,
and he wanders into its mesh.
18:9 A snare will take him by the heel.
A trap will catch him.
18:10 A noose is hidden for him in the ground,
a trap for him in the way.
18:11 Terrors shall make him afraid on every side,
and shall chase him at his heels.
18:12 His strength shall be famished.
Calamity shall be ready at his side.
18:13 The members of his body shall be devoured.
The firstborn of death shall devour his members.
18:14 He shall be rooted out of his tent where he trusts.
He shall be brought to the king of terrors.
18:15 There shall dwell in his tent that which is none of his.
Sulfur shall be scattered on his habitation.
18:16 His roots shall be dried up beneath.
Above shall his branch be cut off.
18:17 His memory shall perish from the earth.
He shall have no name in the street.
18:18 He shall be driven from light into darkness,
and chased out of the world.
18:19 He shall have neither son nor grandson among his people,
nor any remaining where he lived.
18:20 Those who come after shall be astonished at his day,
as those who went before were frightened.
18:21 Surely such are the dwellings of the unrighteous.
This is the place of him who doesn’t know God.”

Chapitre 18

1 Bildad de Schuach prit la parole et dit: 2 Quand mettrez-vous un terme à ces discours? Ayez de l'intelligence, puis nous parlerons. 3 Pourquoi sommes-nous regardés comme des bêtes? Pourquoi ne sommes-nous à vos yeux que des brutes? 4 O toi qui te déchires dans ta fureur, Faut-il, à cause de toi, que la terre devienne déserte? Faut-il que les rochers disparaissent de leur place? 5 La lumière du méchant s'éteindra, Et la flamme qui en jaillit cessera de briller. 6 La lumière s'obscurcira sous sa tente, Et sa lampe au-dessus de lui s'éteindra. 7 Ses pas assurés seront à l'étroit; Malgré ses efforts, il tombera. 8 Car il met les pieds sur un filet, Il marche dans les mailles, 9 Il est saisi au piège par le talon, Et le filet s'empare de lui; 10 Le cordeau est caché dans la terre, Et la trappe est sur son sentier. 11 Des terreurs l'assiègent, l'entourent, Le poursuivent par derrière. 12 La faim consume ses forces, La misère est à ses côtés. 13 Les parties de sa peau sont l'une après l'autre dévorées, Ses membres sont dévorés par le premier-né de la mort. 14 Il est arraché de sa tente où il se croyait en sûreté, Il se traîne vers le roi des épouvantements. 15 Nul des siens n'habite sa tente, Le soufre est répandu sur sa demeure. 16 En bas, ses racines se dessèchent; En haut, ses branches sont coupées. 17 Sa mémoire disparaît de la terre, Son nom n'est plus sur la face des champs. 18 Il est poussé de la lumière dans les ténèbres, Il est chassé du monde. 19 Il ne laisse ni descendants ni postérité parmi son peuple, Ni survivant dans les lieux qu'il habitait. 20 Les générations à venir seront étonnées de sa ruine, Et la génération présente sera saisie d'effroi. 21 Point d'autre destinée pour le méchant, Point d'autre sort pour qui ne connaît pas Dieu!