T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 16

1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2 Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.

3 Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?

4 Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;

5 Mahazo mampahery anareo amin'ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon'ny molotro.

6 Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.

7 Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.

8 Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao*, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.[Na: nosamborinao aho]

9 Amin'ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;

10 Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.

11 Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan'ny mpanota.

12 Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.

13 Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.

14 Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.

15 Lamba fisaonana* no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.[Heb. lamba malailay]

16 Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;

17 Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.

18 Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!

19 Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.

20 Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho,

21 Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako*.[Heb. sakaizany]

22 Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.

 

Chapitre 16

16:1 Then Job answered,

16:2 “I have heard many such things.
You are all miserable comforters!
16:3 Shall vain words have an end?
Or what provokes you that you answer?
16:4 I also could speak as you do.
If your soul were in my soul’s place,
I could join words together against you,
and shake my head at you,
16:5 but I would strengthen you with my mouth.
The solace of my lips would relieve you.
16:6 “Though I speak, my grief is not subsided.
Though I forbear, what am I eased?
16:7 But now, God, you have surely worn me out.
You have made desolate all my company.
16:8 You have shriveled me up. This is a witness against me.
My leanness rises up against me.
It testifies to my face.
16:9 He has torn me in his wrath, and persecuted me.
He has gnashed on me with his teeth.
My adversary sharpens his eyes on me.
16:10 They have gaped on me with their mouth.
They have struck me on the cheek reproachfully.
They gather themselves together against me.
16:11 God delivers me to the ungodly,
and casts me into the hands of the wicked.
16:12 I was at ease, and he broke me apart.
Yes, he has taken me by the neck, and dashed me to pieces.
He has also set me up for his target.
16:13 His archers surround me.
He splits my kidneys apart, and does not spare.
He pours out my gall on the ground.
16:14 He breaks me with breach on breach.
He runs on me like a giant.
16:15 I have sewed sackcloth on my skin,
and have thrust my horn in the dust.
16:16 My face is red with weeping.
Deep darkness is on my eyelids.
16:17 Although there is no violence in my hands,
and my prayer is pure.
16:18 “Earth, don’t cover my blood.
Let my cry have no place to rest.
16:19 Even now, behold, my witness is in heaven.
He who vouches for me is on high.
16:20 My friends scoff at me.
My eyes pour out tears to God,
16:21 that he would maintain the right of a man with God,
of a son of man with his neighbor!
16:22 For when a few years have come,
I shall go the way of no return.

 

Chapitre 16
1 Job prit la parole et dit: 2 J'ai souvent entendu pareilles choses; Vous êtes tous des consolateurs fâcheux. 3 Quand finiront ces discours en l'air? Pourquoi cette irritation dans tes réponses? 4 Moi aussi, je pourrais parler comme vous, Si vous étiez à ma place: Je vous accablerais de paroles, Je secouerais sur vous la tête, 5 Je vous fortifierais de la bouche, Je remuerais les lèvres pour vous soulager. 6 Si je parle, mes souffrances ne seront point calmées, Si je me tais, en quoi seront-elles moindres? 7 Maintenant, hélas! il m'a épuisé... Tu as ravagé toute ma maison; 8 Tu m'as saisi, pour témoigner contre moi; Ma maigreur se lève, et m'accuse en face. 9 Il me déchire et me poursuit dans sa fureur, Il grince des dents contre moi, Il m'attaque et me perce de son regard. 10 Ils ouvrent la bouche pour me dévorer, Ils m'insultent et me frappent les joues, Ils s'acharnent tous après moi. 11 Dieu me livre à la merci des impies, Il me précipite entre les mains des méchants. 12 J'étais tranquille, et il m'a secoué, Il m'a saisi par la nuque et m'a brisé, Il a tiré sur moi comme à un but. 13 Ses traits m'environnent de toutes parts; Il me perce les reins sans pitié, Il répand ma bile sur la terre. 14 Il me fait brèche sur brèche, Il fond sur moi comme un guerrier. 15 J'ai cousu un sac sur ma peau; J'ai roulé ma tête dans la poussière. 16 Les pleurs ont altéré mon visage; L'ombre de la mort est sur mes paupières. 17 Je n'ai pourtant commis aucune violence, Et ma prière fut toujours pure. 18 O terre, ne couvre point mon sang, Et que mes cris prennent librement leur essor! 19 Déjà maintenant, mon témoin est dans le ciel, Mon témoin est dans les lieux élevés. 20 Mes amis se jouent de moi; C'est Dieu que j'implore avec larmes. 21 Puisse-t-il donner à l'homme raison contre Dieu, Et au fils de l'homme contre ses amis! 22 Car le nombre de mes années touche à son terme, Et je m'en irai par un sentier d'où je ne reviendrai pas.