T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 15

1 [Ny teny fanindroany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:

2 Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any atsinanana va,

3 Ary hamaly amin'ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?

4 Eny, foananao ny fahatahorana an'Andriamanitra, ary tampenanao* ny fivavahana eo anatrehany;[Na: hamavoinao]

5 Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan'ny fetsy ianao*.[Na: Tsy maneho ny helokao va ny vavanao, Na dia mianatra ny lelan'ny fetsy aza ianao?]

6 Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.

7 Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan'ny tendrombohitra va ianao?

8 Isan'ny mpihevitra teo amin'Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?

9 Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?

10 Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.

11 Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin'ny fahalemem-panahy?

12 Nahoana no dia entin'ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,

13 Ka miefonefona amin'Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?

14 Inona ny zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?

15 Indro, ireo anjeliny* aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;[Heb. masina]

16 Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!

17 Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,

18 Dia zavatra notorin'ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin'ny razany;

19 Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.

20 Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe.

21 Feo mampitahotra no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.

22 Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.

23 Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.

24 Fahoriana sy fahaporitana* no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady,[Na: Alahelo sy ahiahy]

25 Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.

26 Mimaona amin'ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin'ny foitran'ampingany matevina,

27 Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;

28 Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran'olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.

29 Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra* ambonin'ny tany ny fananany.[Heb. hilonjehitra amin'ny tany toy ny vary efa vokatra]

30 Tsy ho afaka amin'ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon'ny lelafo; ho levon'ny fofonain'Andriamanitra izy.

31 Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.

32 Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.

33 Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.

34 Fa tsy ho vanona ny ankohonan'ny mpihatsaravelatsihy*, ary ho lanin'ny afo ny tranon'ny mpitoroka.[Na: ratsy fanahy]

35 Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.

 

Chapitre 15

15:1 Then Eliphaz the Temanite answered,

15:2 “Should a wise man answer with vain knowledge,
and fill himself with the east wind?
15:3 Should he reason with unprofitable talk,
or with speeches with which he can do no good?
15:4 Yes, you do away with fear,
and hinder devotion before God.
15:5 For your iniquity teaches your mouth,
and you choose the language of the crafty.
15:6 Your own mouth condemns you, and not I.
Yes, your own lips testify against you.
15:7 “Are you the first man who was born?
Or were you brought forth before the hills?
15:8 Have you heard the secret counsel of God?
Do you limit wisdom to yourself?
15:9 What do you know, that we don’t know?
What do you understand, which is not in us?
15:10 With us are both the gray-headed and the very aged men,
much elder than your father.
15:11 Are the consolations of God too small for you,
even the word that is gentle toward you?
15:12 Why does your heart carry you away?
Why do your eyes flash,
15:13 That you turn your spirit against God,
and let such words go out of your mouth?
15:14 What is man, that he should be clean?
What is he who is born of a woman, that he should be righteous?
15:15 Behold, he puts no trust in his holy ones.
Yes, the heavens are not clean in his sight;
15:16 how much less one who is abominable and corrupt,
a man who drinks iniquity like water!
15:17 “I will show you, listen to me;
that which I have seen I will declare:
15:18 (Which wise men have told by their fathers,
and have not hidden it;
15:19 to whom alone the land was given,
and no stranger passed among them):
15:20 the wicked man writhes in pain all his days,
even the number of years that are laid up for the oppressor.
15:21 A sound of terrors is in his ears.
In prosperity the destroyer shall come on him.
15:22 He doesn’t believe that he shall return out of darkness.
He is waited for by the sword.
15:23 He wanders abroad for bread, saying, ‘Where is it?’
He knows that the day of darkness is ready at his hand.
15:24 Distress and anguish make him afraid.
They prevail against him, as a king ready to the battle.
15:25 Because he has stretched out his hand against God,
and behaves himself proudly against the Almighty;
15:26 he runs at him with a stiff neck,
with the thick shields of his bucklers;
15:27 because he has covered his face with his fatness,
and gathered fat on his thighs.
15:28 He has lived in desolate cities,
in houses which no one inhabited,
which were ready to become heaps.
15:29 He shall not be rich, neither shall his substance continue,
neither shall their possessions be extended on the earth.
15:30 He shall not depart out of darkness.
The flame shall dry up his branches.
By the breath of God’s mouth shall he go away.
15:31 Let him not trust in emptiness, deceiving himself;
for emptiness shall be his reward.
15:32 It shall be accomplished before his time.
His branch shall not be green.
15:33 He shall shake off his unripe grape as the vine,
and shall cast off his flower as the olive tree.
15:34 For the company of the godless shall be barren,
and fire shall consume the tents of bribery.
15:35 They conceive mischief, and bring forth iniquity.
Their heart prepares deceit.”

 

Chapitre 15

1 Éliphaz de Théman prit la parole et dit: 2 Le sage répond-il par un vain savoir? Se gonfle-t-il la poitrine du vent d'orient? 3 Est-ce par d'inutiles propos qu'il se défend? Est-ce par des discours qui ne servent à rien? 4 Toi, tu détruis même la crainte de Dieu, Tu anéantis tout mouvement de piété devant Dieu. 5 Ton iniquité dirige ta bouche, Et tu prends le langage des hommes rusés. 6 Ce n'est pas moi, c'est ta bouche qui te condamne. Ce sont tes lèvres qui déposent contre toi. 7 Es-tu né le premier des hommes? As-tu été enfanté avant les collines? 8 As-tu reçu les confidences de Dieu? As-tu dérobé la sagesse à ton profit? 9 Que sais-tu que nous ne sachions pas? Quelle connaissance as-tu que nous n'ayons pas? 10 Il y a parmi nous des cheveux blancs, des vieillards, Plus riches de jours que ton père. 11 Tiens-tu pour peu de chose les consolations de Dieu, Et les paroles qui doucement se font entendre à toi?... 12 Où ton coeur t'entraîne-t-il, Et que signifie ce roulement de tes yeux? 13 Quoi! c'est contre Dieu que tu tournes ta colère Et que ta bouche exhale de pareils discours! 14 Qu'est-ce que l'homme, pour qu'il soit pur? Celui qui est né de la femme peut-il être juste? 15 Si Dieu n'a pas confiance en ses saints, Si les cieux ne sont pas purs devant lui, 16 Combien moins l'être abominable et pervers, L'homme qui boit l'iniquité comme l'eau! 17 Je vais te parler, écoute-moi! Je raconterai ce que j'ai vu, 18 Ce que les sages ont fait connaître, Ce qu'ils ont révélé, l'ayant appris de leurs pères. 19 A eux seuls appartenait le pays, Et parmi eux nul étranger n'était encore venu. 20 Le méchant passe dans l'angoisse tous les jours de sa vie, Toutes les années qui sont le partage de l'impie. 21 La voix de la terreur retentit à ses oreilles; Au sein de la paix, le dévastateur va fondre sur lui; 22 Il n'espère pas échapper aux ténèbres, Il voit l'épée qui le menace; 23 Il court çà et là pour chercher du pain, Il sait que le jour des ténèbres l'attend. 24 La détresse et l'angoisse l'épouvantent, Elles l'assaillent comme un roi prêt à combattre; 25 Car il a levé la main contre Dieu, Il a bravé le Tout-Puissant, 26 Il a eu l'audace de courir à lui Sous le dos épais de ses boucliers. 27 Il avait le visage couvert de graisse, Les flancs chargés d'embonpoint; 28 Et il habite des villes détruites, Des maisons abandonnées, Sur le point de tomber en ruines. 29 Il ne s'enrichira plus, sa fortune ne se relèvera pas, Sa prospérité ne s'étendra plus sur la terre. 30 Il ne pourra se dérober aux ténèbres, La flamme consumera ses rejetons, Et Dieu le fera périr par le souffle de sa bouche. 31 S'il a confiance dans le mal, il se trompe, Car le mal sera sa récompense. 32 Elle arrivera avant le terme de ses jours, Et son rameau ne verdira plus. 33 Il sera comme une vigne dépouillée de ses fruits encore verts, Comme un olivier dont on a fait tomber les fleurs. 34 La maison de l'impie deviendra stérile, Et le feu dévorera la tente de l'homme corrompu. 35 Il conçoit le mal et il enfante le mal, Il mûrit dans son sein des fruits qui le trompent.