T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 14

1 Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.

2 Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana*, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.[Na: malazo]

3 kanefa amin'izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana*![Na: fitsaranao]

4 Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.

5 Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,

6 Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin*'ny androny toy ny mpikarama.[Na: hotaperany]

7 Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;

8 Na dia efa tonga antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony,

9 Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.

10 Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?

11 Ny rano miala eo amin'ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,

12 Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony.

*

13 Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy [Heb. Sheola]

14 Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan'ny fahafahako*.[Na: fiovako]

15 Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao.

16 Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?

17 Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.

18 Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin'ny fitoerany;

19 Lanin'ny rano ny vato; ary indaosin'ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan'ny zanak'olombelona.

20 Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.

21 Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.

22 Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.

Chapitre 14
14:1 “Man, who is born of a woman,
is of few days, and full of trouble.
14:2 He comes forth like a flower, and is cut down.
He also flees like a shadow, and doesn’t continue.
14:3 Do you open your eyes on such a one,
and bring me into judgment with you?
14:4 Who can bring a clean thing out of an unclean?
Not one.
14:5 Seeing his days are determined,
the number of his months is with you,
and you have appointed his bounds that he can’t pass;
14:6 Look away from him, that he may rest,
until he shall accomplish, as a hireling, his day.
14:7 “For there is hope for a tree,
If it is cut down, that it will sprout again,
that the tender branch of it will not cease.
14:8 Though its root grows old in the earth,
and its stock dies in the ground,
14:9 yet through the scent of water it will bud,
and put forth boughs like a plant.
14:10 But man dies, and is laid low.
Yes, man gives up the spirit, and where is he?
14:11 As the waters fail from the sea,
and the river wastes and dries up,
14:12 so man lies down and doesn’t rise.
Until the heavens are no more, they shall not awake,
nor be roused out of their sleep.
14:13 “Oh that you would hide me in Sheol,
that you would keep me secret, until your wrath is past,
that you would appoint me a set time, and remember me!
14:14 If a man dies, shall he live again?
All the days of my warfare would I wait,
until my release should come.
14:15 You would call, and I would answer you.
You would have a desire to the work of your hands.
14:16 But now you number my steps.
Don’t you watch over my sin?
14:17 My disobedience is sealed up in a bag.
You fasten up my iniquity.
14:18 “But the mountain falling comes to nothing.
The rock is removed out of its place;
14:19 The waters wear the stones.
The torrents of it wash away the dust of the earth.
So you destroy the hope of man.
14:20 You forever prevail against him, and he departs.
You change his face, and send him away.
14:21 His sons come to honor, and he doesn’t know it.
They are brought low, but he doesn’t perceive it of them.
14:22 But his flesh on him has pain,
and his soul within him mourns.”

 

Chapitre 14
1 L'homme né de la femme! Sa vie est courte, sans cesse agitée. 2 Il naît, il est coupé comme une fleur; Il fuit et disparaît comme une ombre. 3 Et c'est sur lui que tu as l'oeil ouvert! Et tu me fais aller en justice avec toi! 4 Comment d'un être souillé sortira-t-il un homme pur? Il n'en peut sortir aucun. 5 Si ses jours sont fixés, si tu as compté ses mois, Si tu en as marqué le terme qu'il ne saurait franchir, 6 Détourne de lui les regards, et donne-lui du relâche, Pour qu'il ait au moins la joie du mercenaire à la fin de sa journée. 7 Un arbre a de l'espérance: Quand on le coupe, il repousse, Il produit encore des rejetons; 8 Quand sa racine a vieilli dans la terre, Quand son tronc meurt dans la poussière, 9 Il reverdit à l'approche de l'eau, Il pousse des branches comme une jeune plante. 10 Mais l'homme meurt, et il perd sa force; L'homme expire, et où est-il? 11 Les eaux des lacs s'évanouissent, Les fleuves tarissent et se dessèchent; 12 Ainsi l'homme se couche et ne se relèvera plus, Il ne se réveillera pas tant que les cieux subsisteront, Il ne sortira pas de son sommeil. 13 Oh! si tu voulais me cacher dans le séjour des morts, M'y tenir à couvert jusqu'à ce que ta colère fût passée, Et me fixer un terme auquel tu te souviendras de moi! 14 Si l'homme une fois mort pouvait revivre, J'aurais de l'espoir tout le temps de mes souffrances, Jusqu'à ce que mon état vînt à changer. 15 Tu appellerais alors, et je te répondrais, Tu languirais après l'ouvrage de tes mains. 16 Mais aujourd'hui tu comptes mes pas, Tu as l'oeil sur mes péchés; 17 Mes transgressions sont scellées en un faisceau, Et tu imagines des iniquités à ma charge. 18 La montagne s'écroule et périt, Le rocher disparaît de sa place, 19 La pierre est broyée par les eaux, Et la terre emportée par leur courant; Ainsi tu détruis l'espérance de l'homme. 20 Tu es sans cesse à l'assaillir, et il s'en va; Tu le défigures, puis tu le renvoies. 21 Que ses fils soient honorés, il n'en sait rien; Qu'ils soient dans l'abaissement, il l'ignore. 22 C'est pour lui seul qu'il éprouve de la douleur en son corps, C'est pour lui seul qu'il ressent de la tristesse en son âme.