T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 13

1 Indro, izany rehetra izany efa hitan'ny masoko, ary efa ren'ny sofiko ka fantany.

2 Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.

3 Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.

4 Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,

5 Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!

6 Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.

7 Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?

8 Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo

9 Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak'olombelona va Izy?

10 Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.

11 Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?

12 Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.

13 Mangina, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.

14 Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho*.[Na: Ka manao ny aiko eo an-tanako]

15 Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho*; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.[Na: Indro, hamono ahy Izy, tsy manam-panantenana aho]

16 Ary izao no ho famonjena ahy: Ny* mpihatsaravelatsihy** tsy sahy mankeo anatrehany.[*Na: Ary ho famonjena ahy Izy, fa ny][**Na: ratsy fanahy]

17 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.

18 Indro, fa efa voatoriko* ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.[Na: voalamiko]

19 Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.

20 Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;

21 Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.

22 Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.

23 Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.

24 Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?

25 Moa izay ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?

26 Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;

27 Dia mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin'ny tongotro dia feranao.

28 Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao.

 

Chapitre 13
13:1 “Behold, my eye has seen all this.
My ear has heard and understood it.
13:2 What you know, I know also.
I am not inferior to you.
13:3 “Surely I would speak to the Almighty.
I desire to reason with God.
13:4 But you are forgers of lies.
You are all physicians of no value.
13:5 Oh that you would be completely silent!
Then you would be wise.
13:6 Hear now my reasoning.
Listen to the pleadings of my lips.
13:7 Will you speak unrighteously for God,
and talk deceitfully for him?
13:8 Will you show partiality to him?
Will you contend for God?
13:9 Is it good that he should search you out?
Or as one deceives a man, will you deceive him?
13:10 He will surely reprove you
if you secretly show partiality.
13:11 Shall not his majesty make you afraid,
And his dread fall on you?
13:12 Your memorable sayings are proverbs of ashes,
Your defenses are defenses of clay.
13:13 “Be silent, leave me alone, that I may speak.
Let come on me what will.
13:14 Why should I take my flesh in my teeth,
and put my life in my hand?
13:15 Behold, he will kill me.
I have no hope.
Nevertheless, I will maintain my ways before him.
13:16 This also shall be my salvation,
that a godless man shall not come before him.
13:17 Hear diligently my speech.
Let my declaration be in your ears.
13:18 See now, I have set my cause in order.
I know that I am righteous.
13:19 Who is he who will contend with me?
For then would I hold my peace and give up the spirit.
13:20 “Only don’t do two things to me;
then I will not hide myself from your face:
13:21 withdraw your hand far from me;
and don’t let your terror make me afraid.
13:22 Then call, and I will answer;
or let me speak, and you answer me.
13:23 How many are my iniquities and sins?
Make me know my disobedience and my sin.
13:24 Why hide you your face,
and hold me for your enemy?
13:25 Will you harass a driven leaf?
Will you pursue the dry stubble?
13:26 For you write bitter things against me,
and make me inherit the iniquities of my youth:
13:27 You also put my feet in the stocks,
and mark all my paths.
You set a bound to the soles of my feet,
13:28 though I am decaying like a rotten thing,
like a garment that is moth-eaten.

 

Chapitre 13
1 Voici, mon oeil a vu tout cela, Mon oreille l'a entendu et y a pris garde. 2 Ce que vous savez, je le sais aussi, Je ne vous suis point inférieur. 3 Mais je veux parler au Tout-Puissant, Je veux plaider ma cause devant Dieu; 4 Car vous, vous n'imaginez que des faussetés, Vous êtes tous des médecins de néant. 5 Que n'avez-vous gardé le silence? Vous auriez passé pour avoir de la sagesse. 6 Écoutez, je vous prie, ma défense, Et soyez attentifs à la réplique de mes lèvres. 7 Direz-vous en faveur de Dieu ce qui est injuste, Et pour le soutenir alléguerez-vous des faussetés? 8 Voulez-vous avoir égard à sa personne? Voulez-vous plaider pour Dieu? 9 S'il vous sonde, vous approuvera-t-il? Ou le tromperez-vous comme on trompe un homme? 10 Certainement il vous condamnera, Si vous n'agissez en secret que par égard pour sa personne. 11 Sa majesté ne vous épouvantera-t-elle pas? Sa terreur ne tombera-t-elle pas sur vous? 12 Vos sentences sont des sentences de cendre, Vos retranchements sont des retranchements de boue. 13 Taisez-vous, laissez-moi, je veux parler! Il m'en arrivera ce qu'il pourra. 14 Pourquoi saisirais-je ma chair entre les dents? J'exposerai plutôt ma vie. 15 Voici, il me tuera; je n'ai rien à espérer; Mais devant lui je défendrai ma conduite. 16 Cela même peut servir à mon salut, Car un impie n'ose paraître en sa présence. 17 Écoutez, écoutez mes paroles, Prêtez l'oreille à ce que je vais dire. 18 Me voici prêt à plaider ma cause; Je sais que j'ai raison. 19 Quelqu'un disputera-t-il contre moi? Alors je me tais, et je veux mourir. 20 Seulement, accorde-moi deux choses Et je ne me cacherai pas loin de ta face: 21 Retire ta main de dessus moi, Et que tes terreurs ne me troublent plus. 22 Puis appelle, et je répondrai, Ou si je parle, réponds-moi! 23 Quel est le nombre de mes iniquités et de mes péchés? Fais-moi connaître mes transgressions et mes péchés. 24 Pourquoi caches-tu ton visage, Et me prends-tu pour ton ennemi? 25 Veux-tu frapper une feuille agitée? Veux-tu poursuivre une paille desséchée? 26 Pourquoi m'infliger d'amères souffrances, Me punir pour des fautes de jeunesse? 27 Pourquoi mettre mes pieds dans les ceps, Surveiller tous mes mouvements, Tracer une limite à mes pas, 28 Quand mon corps tombe en pourriture, Comme un vêtement que dévore la teigne?