T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 12

1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2 Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!

3 Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?

4 Tonga fihomehezan'ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an'Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.

5 Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin'izay ela mangozohozo ny latsa*.[Na: Fanilo milopilony ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, ka tandrifiny ho an'izay efa ho tafintohina ihany]

6 Mandry fahizay ny lain'ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an'Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin'ny tànany ho andriamaniny

7 Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;

8 Ary makà saina* amin'ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.[Na: amin'ny hazo madinika]

9 Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny*, fa ny nanao izany dia ny tanan'i Jehovah,[Na: Iza amin'ireny rehetra ireny no tsy mahalala]

10 Izay mitana ny ain'ny zava-manan'aina rehetra sy ny fofonain'ny olombelona rehetra?

11 Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?

12 Ao amin'ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.

13 Ao amin'Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.

14 Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.

15 Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.

16 Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.

17 Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan'ny mpitsara.

18 Vahany ny fifehezan'ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.

19 Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.

20 Koroiny ny laha-tenin'ny mahay, ary ny fahazavan-tsain'ny anti-panahy dia esoriny.

21 Mandatsaka fanamavoana amin'ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon'ny matanjaka.

22 Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin'ny mazava.

23 Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.

24 Mahavery saina ny loholona amin'ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;

25 Mitsapatsapa amin'ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.

 

Chapitre 12
12:1 Then Job answered,

12:2 “No doubt, but you are the people,
and wisdom shall die with you.
12:3 But I have understanding as well as you;
I am not inferior to you.
Yes, who doesn’t know such things as these?
12:4 I am like one who is a joke to his neighbor,
I, who called on God, and he answered.
The just, the blameless man is a joke.
12:5 In the thought of him who is at ease there is contempt for misfortune.
It is ready for them whose foot slips.
12:6 The tents of robbers prosper.
Those who provoke God are secure,
who carry their God in their hands.
12:7 “But ask the animals, now, and they shall teach you;
the birds of the sky, and they shall tell you.
12:8 Or speak to the earth, and it shall teach you.
The fish of the sea shall declare to you.
12:9 Who doesn’t know that in all these,
the hand of Yahweh has done this,
12:10 in whose hand is the life of every living thing,
and the breath of all mankind?
12:11 Doesn’t the ear try words,
even as the palate tastes its food?
12:12 With aged men is wisdom,
in length of days understanding.
12:13 “With God is wisdom and might.
He has counsel and understanding.
12:14 Behold, he breaks down, and it can’t be built again.
He imprisons a man, and there can be no release.
12:15 Behold, he withholds the waters, and they dry up.
Again, he sends them out, and they overturn the earth.
12:16 With him is strength and wisdom.
The deceived and the deceiver are his.
12:17 He leads counselors away stripped.
He makes judges fools.
12:18 He loosens the bond of kings.
He binds their waist with a belt.
12:19 He leads priests away stripped,
and overthrows the mighty.
12:20 He removes the speech of those who are trusted,
and takes away the understanding of the elders.
12:21 He pours contempt on princes,
and loosens the belt of the strong.
12:22 He uncovers deep things out of darkness,
and brings out to light the shadow of death.
12:23 He increases the nations, and he destroys them.
He enlarges the nations, and he leads them captive.
12:24 He takes away understanding from the chiefs of the people of the earth,
and causes them to wander in a wilderness where there is no way.
12:25 They grope in the dark without light.
He makes them stagger like a drunken man.

 

Chapitre 12
1 Job prit la parole et dit: 2 On dirait, en vérité, que le genre humain c'est vous, Et qu'avec vous doit mourir la sagesse. 3 J'ai tout aussi bien que vous de l'intelligence, moi, Je ne vous suis point inférieur; Et qui ne sait les choses que vous dites? 4 Je suis pour mes amis un objet de raillerie, Quand j'implore le secours de Dieu; Le juste, l'innocent, un objet de raillerie! 5 Au malheur le mépris! c'est la devise des heureux; A celui dont le pied chancelle est réservé le mépris. 6 Il y a paix sous la tente des pillards, Sécurité pour ceux qui offensent Dieu, Pour quiconque se fait un dieu de sa force. 7 Interroge les bêtes, elles t'instruiront, Les oiseaux du ciel, ils te l'apprendront; 8 Parle à la terre, elle t'instruira; Et les poissons de la mer te le raconteront. 9 Qui ne reconnaît chez eux la preuve Que la main de l'Éternel a fait toutes choses? 10 Il tient dans sa main l'âme de tout ce qui vit, Le souffle de toute chair d'homme. 11 L'oreille ne discerne-t-elle pas les paroles, Comme le palais savoure les aliments? 12 Dans les vieillards se trouve la sagesse, Et dans une longue vie l'intelligence. 13 En Dieu résident la sagesse et la puissance. Le conseil et l'intelligence lui appartiennent. 14 Ce qu'il renverse ne sera point rebâti, Celui qu'il enferme ne sera point délivré. 15 Il retient les eaux et tout se dessèche; Il les lâche, et la terre en est dévastée. 16 Il possède la force et la prudence; Il maîtrise celui qui s'égare ou fait égarer les autres. 17 Il emmène captifs les conseillers; Il trouble la raison des juges. 18 Il délie la ceinture des rois, Il met une corde autour de leurs reins. 19 Il emmène captifs les sacrificateurs; Il fait tomber les puissants. 20 Il ôte la parole à ceux qui ont de l'assurance; Il prive de jugement les vieillards. 21 Il verse le mépris sur les grands; Il relâche la ceinture des forts. 22 Il met à découvert ce qui est caché dans les ténèbres, Il produit à la lumière l'ombre de la mort. 23 Il donne de l'accroissement aux nations, et il les anéantit; Il les étend au loin, et il les ramène dans leurs limites. 24 Il enlève l'intelligence aux chefs des peuples, Il les fait errer dans les déserts sans chemin; 25 Ils tâtonnent dans les ténèbres, et ne voient pas clair; Il les fait errer comme des gens ivres.