| Chapitre 9 1 [Ny alahelon'i Jeremia noho ny faharatsian'ny olona] Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran'ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy. 2 Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no mahahery azy etỳ ambonin'ny tany; Fa mandroso amin'ny ratsy ka hatramin'ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah. 3 Samia miaro tena amin'ny namany avy ianareo. Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza; Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy. 4 Izy rehetra samy mamitaka ny namany avy, ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa-tena amin'ny fanaovan-dratsy. 5 Ny fonenanao dia ao anatin'ny fitaka; Fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy Jehovah. 6 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; Fa ahoana no hataoko noho ny amin'ny oloko zanakavavy? 7 Zana-tsipìka mahafaty ny lelany ka miteny fitaka; Raha amin'ny vavany, dia miteny fihavanana amin'ny namany izy, kanjo ao anatiny kosa dia manao otri-po. 8 Tsy hovaliako va izy amin'izany zavatra izany? hoy Jehovah, tsy hialako fo va ny firenena toy izany? 9 Noho ny amin'ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradrako, ary noho ny amin'ny kijana any an-efitra no hanaovako hira fa halahelovana, satria may izy, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy, ary tsy misy fimàmàn'omby re intsony, ary na ny voro-manidina na ny bibi-dia samy efa nandositra ka lasa avokoa. 10 Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan'ny amboadia*; ary ny tanànan'ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina.[Na: jakala] 11 Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan'ny vavan'i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy? 12 Ary hoy Jehovah: satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary tsy nihaino ny feoko, 13 Fa nandeha araka ny ditry ny fony sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin'ny razany azy, 14 Dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity sy hampisotroiko rano mangidy; 15 Ary haeliko any amin'izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy. 16 Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga; 17 Ary asaovy haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika, mba hampijojy ny ranomasontsika sy hampivarina ny ranomaso avy amin'ny hodimasontsika. 18 Fa misy feo midradradradra re any Ziona hoe: Indrisy! rava isika; Afa-baraka indrindra isika, satria tsy maintsy mamoy ny tany, fa efa narodana ny trano nitoerantsika. 19 Nefa mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin'ny sofinareo ny tenin'ny vavany, ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy. 20 Fa ny fahafatesana efa nananika ny varavarankelintsika ka niditra tao an-dapantsika, mba handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe sy ny zatovo tsy ho eny an-kalalahana. 21 Ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin'ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan*'ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.[Heb. any aorian'] 22 [Ny amin'ny tsi-fahatokian-tena, sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, Izay mitsara marina] Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny; 23 Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah. 24 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin'ny tsy voafora koa*,[Na: izay toy ny tsy voafora] 25 Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak'i Amona ary Moaba mbamin'izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak'Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo. | | Chapitre 9 9:1 Oh that my head were waters, and my eyes a spring of tears, that I might weep day and night for the slain of the daughter of my people! 9:2 Oh that I had in the wilderness a lodging place of wayfaring men; that I might leave my people, and go from them! for they are all adulterers, an assembly of treacherous men. 9:3 They bend their tongue, as their bow, for falsehood; and they are grown strong in the land, but not for truth: for they proceed from evil to evil, and they don’t know me, says Yahweh. 9:4 Take heed everyone of his neighbor, and don’t trust in any brother; for every brother will utterly supplant, and every neighbor will go about with slanders. 9:5 They will deceive everyone his neighbor, and will not speak the truth: they have taught their tongue to speak lies; they weary themselves to commit iniquity. 9:6 Your habitation is in the midst of deceit; through deceit they refuse to know me, says Yahweh. 9:7 Therefore thus says Yahweh of Armies, Behold, I will melt them, and try them; for how should I deal with the daughter of my people? 9:8 Their tongue is a deadly arrow; it speaks deceit: one speaks peaceably to his neighbor with his mouth, but in his heart he lays wait for him. 9:9 Shall I not visit them for these things? says Yahweh; shall not my soul be avenged on such a nation as this? 9:10 For the mountains will I take up a weeping and wailing, and for the pastures of the wilderness a lamentation, because they are burned up, so that none passes through; neither can men hear the voice of the livestock; both the birds of the sky and the animals are fled, they are gone. 9:11 I will make Jerusalem heaps, a dwelling place of jackals; and I will make the cities of Judah a desolation, without inhabitant. 9:12 Who is the wise man, that may understand this? Who is he to whom the mouth of Yahweh has spoken, that he may declare it? Why is the land perished and burned up like a wilderness, so that none passes through? 9:13 Yahweh says, Because they have forsaken my law which I set before them, and have not obeyed my voice, neither walked therein, 9:14 but have walked after the stubbornness of their own heart, and after the Baals, which their fathers taught them; 9:15 therefore thus says Yahweh of Armies, the God of Israel, Behold, I will feed them, even this people, with wormwood, and give them water of gall to drink. 9:16 I will scatter them also among the nations, whom neither they nor their fathers have known; and I will send the sword after them, until I have consumed them. 9:17 Thus says Yahweh of Armies, Consider, and call for the mourning women, that they may come; and send for the skillful women, that they may come: 9:18 and let them make haste, and take up a wailing for us, that our eyes may run down with tears, and our eyelids gush out with waters. 9:19 For a voice of wailing is heard out of Zion, How are we ruined! we are greatly confounded, because we have forsaken the land, because they have cast down our dwellings. 9:20 Yet hear the word of Yahweh, you women, and let your ear receive the word of his mouth; and teach your daughters wailing, and everyone her neighbor lamentation. 9:21 For death has come up into our windows, it is entered into our palaces; to cut off the children from outside, and the young men from the streets. 9:22 Speak, Thus says Yahweh, The dead bodies of men shall fall as dung on the open field, and as the handful after the harvester; and none shall gather them. 9:23 Thus says Yahweh, Don’t let the wise man glory in his wisdom, neither let the mighty man glory in his might, don’t let the rich man glory in his riches; 9:24 but let him who glories glory in this, that he has understanding, and knows me, that I am Yahweh who exercises loving kindness, justice, and righteousness, in the earth: for in these things I delight, says Yahweh. 9:25 Behold, the days come, says Yahweh, that I will punish all those who are circumcised in uncircumcision: 9:26 Egypt, and Judah, and Edom, and the children of Ammon, and Moab, and all that have the corners of their hair cut off, who dwell in the wilderness; for all the nations are uncircumcised, and all the house of Israel are uncircumcised in heart. | | Chapitre 9 1 Oh! si ma tête était remplie d'eau, Si mes yeux étaient une source de larmes, Je pleurerais jour et nuit Les morts de la fille de mon peuple! 2 Oh! si j'avais au désert une cabane de voyageurs, J'abandonnerais mon peuple, je m'en éloignerais! Car ce sont tous des adultères, C'est une troupe de perfides. 3 Ils ont la langue tendue comme un arc et lancent le mensonge; Ce n'est pas par la vérité qu'ils sont puissants dans le pays; Car ils vont de méchanceté en méchanceté, Et ils ne me connaissent pas, dit l'Éternel. 4 Que chacun se tienne en garde contre son ami, Et qu'on ne se fie à aucun de ses frères; Car tout frère cherche à tromper, Et tout ami répand des calomnies. 5 Ils se jouent les uns des autres, Et ne disent point la vérité; Ils exercent leur langue à mentir, Ils s'étudient à faire le mal. 6 Ta demeure est au sein de la fausseté; C'est par fausseté qu'ils refusent de me connaître, Dit l'Éternel. 7 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel des armées: Voici je les sonderai, je les éprouverai. Car comment agir à l'égard de la fille de mon peuple? 8 Leur langue est un trait meurtrier, Ils ne disent que des mensonges; De la bouche ils parlent de paix à leur prochain, Et au fond du coeur ils lui dressent des pièges. 9 Ne les châtierais-je pas pour ces choses-là, dit l'Éternel, Ne me vengerais-je pas d'une pareille nation? 10 Sur les montagnes je veux pleurer et gémir, Sur les plaines du désert je prononce une complainte; Car elles sont brûlées, personne n'y passe, On n'y entend plus la voix des troupeaux; Les oiseaux du ciel et les bêtes ont pris la fuite, ont disparu. - 11 Je ferai de Jérusalem un monceau de ruines, un repaire de chacals, Et je réduirai les villes de Juda en un désert sans habitants. - 12 Où est l'homme sage qui comprenne ces choses? Qu'il le dise, celui à qui la bouche de l'Éternel a parlé! Pourquoi le pays est-il détruit, Brûlé comme un désert où personne ne passe? 13 L'Éternel dit: C'est parce qu'ils ont abandonné ma loi, Que j'avais mise devant eux; Parce qu'ils n'ont point écouté ma voix, Et qu'ils ne l'ont point suivie; 14 Parce qu'ils ont suivi les penchants de leur coeur, Et qu'ils sont allés après les Baals, Comme leurs pères le leur ont appris. 15 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Voici, je vais nourrir ce peuple d'absinthe, Et je lui ferai boire des eaux empoisonnées. 16 Je les disperserai parmi des nations Que n'ont connues ni eux ni leurs pères, Et j'enverrai derrière eux l'épée, Jusqu'à ce que je les aie exterminés. 17 Ainsi parle l'Éternel des armées: Cherchez, appelez les pleureuses, et qu'elles viennent! Envoyez vers les femmes habiles, et qu'elles viennent! 18 Qu'elles se hâtent de dire sur nous une complainte! Et que les larmes tombent de nos yeux, Que l'eau coule de nos paupières! 19 Car des cris lamentables se font entendre de Sion: Eh quoi! nous sommes détruits! Nous sommes couverts de honte! Il nous faut abandonner le pays! On a renversé nos demeures! - 20 Femmes, écoutez la parole de l'Éternel, Et que votre oreille saisisse ce que dit sa bouche! Apprenez à vos filles des chants lugubres, Enseignez-vous des complaintes les unes aux autres! 21 Car la mort est montée par nos fenêtres, Elle a pénétré dans nos palais; Elle extermine les enfants dans la rue, Les jeunes gens sur les places. 22 Dis: Ainsi parle l'Éternel: Les cadavres des hommes tomberont Comme du fumier sur les champs, Comme tombe derrière le moissonneur une gerbe Que personne ne ramasse. 23 Ainsi parle l'Éternel: Que le sage ne se glorifie pas de sa sagesse, Que le fort ne se glorifie pas de sa force, Que le riche ne se glorifie pas de sa richesse. 24 Mais que celui qui veut se glorifier se glorifie D'avoir de l'intelligence et de me connaître, De savoir que je suis l'Éternel, Qui exerce la bonté, le droit et la justice sur la terre; Car c'est à cela que je prends plaisir, dit l'Éternel. 25 Voici, les jours viennent, dit l'Éternel, Où je châtierai tous les circoncis qui ne le sont pas de coeur, 26 L'Égypte, Juda, Édom, les enfants d'Ammon, Moab, Tous ceux qui se rasent les coins de la barbe, Ceux qui habitent dans le désert; Car toutes les nations sont incirconcises, Et toute la maison d'Israël a le coeur incirconcis. | |