| Chapitre 7 1 [Fananarana ny olona izay niankina foana tamin'ny tempoly sy ny fombam-pivavahana] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah: 2 Mitsangana eo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin'ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah. 3 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity ianareo. 4 Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin'i Jehovah, tempolin'i Jehovah, Tempolin'i Jehovah ity. 5 Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin'olona amin'ny namany ianareo, 6 Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin'ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo, 7 Dia hamponeniko amin'ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin'ny tany nomeko ny razanareo, hatramin'ny ela ka ho mandrakizay. 8 He! ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany. 9 Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an'i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo? 10 Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin'ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto! 11 Moa ataonareo ho zohy fieren'ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah. 12 Fa mandehana ianareo any amin'ny fitoerako izay ao Silo, dia ilay nasiako ny anarako any am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian'ny Isiraely oloko. 13 Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo, 14 Koa dia ho toy ny nataoko tamin'i Silo no hataoko amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako sady itokianareo, sy amin'ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo; 15 Ary hesoriko hiala eto anatrehako ianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak'i Efraima rehetra. 16 Koa aza mivavaka ho an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy na mifona amiko; Fa tsy hihaino anao Aho. 17 Tsy hitanao va ny ataon'ireo any an-tanànan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema? 18 Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho an'ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy. 19 Moa Izaho va no ampahasosorin'ireo, hoy Jehovah, fa tsy ny tenany ihany mba ho fangaihainy? 20 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin'ity tany ity, dia amin'ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina. 21 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aoka ny fanatitra dorana ho naman'ny fanatitrareo hafa alatsa-drà, ka mihinàna hena. 22 Fa tsy ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nitenenako tamin'ny razanareo na nandidiako azy tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; 23 Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa. 24 Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa nandeha tamin'ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika. 25 Hatramin'ny andro nivoahan'ny razanareo avy tany amin'ny tany Egypta ka ambaraka androany dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa isan'andro Aho ka naniraka azy mandrakariva. 26 Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo sady tsy nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony ka nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza. 27 Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo, dia tsy hihaino anao izy; Ary na dia antsoinao aza izy, dia tsy hamaly anao. 28 Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino feon'i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, fa afaka tamin'ny vavany. 29 Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra mangadihady, satria lavin'i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy. 30 Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak'i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy. 31 Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin'ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany. 32 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren'ny tany. 33 Ary ny fatin'ity firenena ity dia ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy. 34 Dia hatsahatro any an-tanànan'ny Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina; Fa ho lao ny tany. | | Chapitre 7 7:1 The word that came to Jeremiah from Yahweh, saying, 7:2 “Stand in the gate of Yahweh’s house, and proclaim there this word, and say, ‘Hear the word of Yahweh, all you of Judah, who enter in at these gates to worship Yahweh. 7:3 Thus says Yahweh of Armies, the God of Israel, Amend your ways and your doings, and I will cause you to dwell in this place. 7:4 Don’t trust in lying words, saying, Yahweh’s temple, Yahweh’s temple, Yahweh’s temple, are these. 7:5 For if you thoroughly amend your ways and your doings; if you thoroughly execute justice between a man and his neighbor; 7:6 if you don’t oppress the foreigner, the fatherless, and the widow, and don’t shed innocent blood in this place, neither walk after other gods to your own hurt: 7:7 then will I cause you to dwell in this place, in the land that I gave to your fathers, from of old even forevermore. 7:8 Behold, you trust in lying words, that can’t profit. 7:9 Will you steal, murder, and commit adultery, and swear falsely, and burn incense to Baal, and walk after other gods that you have not known, 7:10 and come and stand before me in this house, which is called by my name, and say, We are delivered; that you may do all these abominations? 7:11 Is this house, which is called by my name, become a den of robbers in your eyes? Behold, I, even I, have seen it, says Yahweh. 7:12 But go now to my place which was in Shiloh, where I caused my name to dwell at the first, and see what I did to it for the wickedness of my people Israel. 7:13 Now, because you have done all these works, says Yahweh, and I spoke to you, rising up early and speaking, but you didn’t hear; and I called you, but you didn’t answer: 7:14 therefore will I do to the house which is called by my name, in which you trust, and to the place which I gave to you and to your fathers, as I did to Shiloh. 7:15 I will cast you out of my sight, as I have cast out all your brothers, even the whole seed of Ephraim. 7:16 Therefore don’t pray for this people, neither lift up a cry nor prayer for them, neither make intercession to me; for I will not hear you. 7:17 Don’t you see what they do in the cities of Judah and in the streets of Jerusalem? 7:18 The children gather wood, and the fathers kindle the fire, and the women knead the dough, to make cakes to the queen of the sky, and to pour out drink offerings to other gods, that they may provoke me to anger. 7:19 Do they provoke me to anger? says Yahweh. Don’t they provoke themselves, to the confusion of their own faces? 7:20 Therefore thus says the Lord Yahweh: Behold, my anger and my wrath shall be poured out on this place, on man, and on animal, and on the trees of the field, and on the fruit of the ground; and it shall burn, and shall not be quenched. 7:21 Thus says Yahweh of Armies, the God of Israel: Add your burnt offerings to your sacrifices, and eat meat. 7:22 For I didn’t speak to your fathers, nor command them in the day that I brought them out of the land of Egypt, concerning burnt offerings or sacrifices: 7:23 but this thing I commanded them, saying, Listen to my voice, and I will be your God, and you shall be my people; and walk in all the way that I command you, that it may be well with you. 7:24 But they didn’t listen nor turn their ear, but walked in their own counsels and in the stubbornness of their evil heart, and went backward, and not forward. 7:25 Since the day that your fathers came forth out of the land of Egypt to this day, I have sent to you all my servants the prophets, daily rising up early and sending them: 7:26 yet they didn’t listen to me, nor inclined their ear, but made their neck stiff: they did worse than their fathers. 7:27 You shall speak all these words to them; but they will not listen to you: you shall also call to them; but they will not answer you. 7:28 You shall tell them, This is the nation that has not listened to the voice of Yahweh their God, nor received instruction: truth is perished, and is cut off from their mouth. 7:29 Cut off your hair, and throw it away, and take up a lamentation on the bare heights; for Yahweh has rejected and forsaken the generation of his wrath. 7:30 For the children of Judah have done that which is evil in my sight, says Yahweh: they have set their abominations in the house which is called by my name, to defile it. 7:31 They have built the high places of Topheth, which is in the valley of the son of Hinnom, to burn their sons and their daughters in the fire; which I didn’t command, nor did it come into my mind. 7:32 Therefore behold, the days come, says Yahweh, that it shall no more be called Topheth, nor The valley of the son of Hinnom, but The valley of Slaughter: for they shall bury in Topheth, until there is no place to bury. 7:33 The dead bodies of this people shall be food for the birds of the sky, and for the animals of the earth; and none shall frighten them away. 7:34 Then will I cause to cease from the cities of Judah, and from the streets of Jerusalem, the voice of mirth and the voice of gladness, the voice of the bridegroom and the voice of the bride; for the land shall become a waste. | | Chapitre 7 1 La parole qui fut adressée à Jérémie de la part de l'Éternel, en ces mots: 2 Place-toi à la porte de la maison de l'Éternel, Et là publie cette parole, Et dis: Écoutez la parole de l'Éternel, Vous tous, hommes de Juda, qui entrez par ces portes, Pour vous prosterner devant l'Éternel! 3 Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Réformez vos voies et vos oeuvres, Et je vous laisserai demeurer dans ce lieu. 4 Ne vous livrez pas à des espérances trompeuses, en disant: C'est ici le temple de l'Éternel, le temple de l'Éternel, Le temple de l'Éternel! 5 Si vous réformez vos voies et vos oeuvres, Si vous pratiquez la justice envers les uns et les autres, 6 Si vous n'opprimez pas l'étranger, l'orphelin et la veuve, Si vous ne répandez pas en ce lieu le sang innocent, Et si vous n'allez pas après d'autres dieux, pour votre malheur, 7 Alors je vous laisserai demeurer dans ce lieu, Dans le pays que j'ai donné à vos pères, D'éternité en éternité. 8 Mais voici, vous vous livrez à des espérances trompeuses, Qui ne servent à rien. 9 Quoi! dérober, tuer, commettre des adultères, Jurer faussement, offrir de l'encens à Baal, Aller après d'autres dieux que vous ne connaissez pas!... 10 Puis vous venez vous présenter devant moi, Dans cette maison sur laquelle mon nom est invoqué, Et vous dites: Nous sommes délivrés!... Et c'est afin de commettre toutes ces abominations! 11 Est-elle à vos yeux une caverne de voleurs, Cette maison sur laquelle mon nom est invoqué? Je le vois moi-même, dit l'Éternel. 12 Allez donc au lieu qui m'était consacré à Silo, Où j'avais fait autrefois résider mon nom. Et voyez comment je l'ai traité, A cause de la méchanceté de mon peuple d'Israël. 13 Et maintenant, puisque vous avez commis toutes ces actions, Dit l'Éternel, Puisque je vous ai parlé dès le matin et que vous n'avez pas écouté, Puisque je vous ai appelés et que vous n'avez pas répondu, 14 Je traiterai la maison sur laquelle mon nom est invoqué, Sur laquelle vous faites reposer votre confiance, Et le lieu que j'ai donné à vous et à vos pères, De la même manière que j'ai traité Silo; 15 Et je vous rejetterai loin de ma face, Comme j'ai rejeté tous vos frères, Toute la postérité d'Éphraïm. 16 Et toi, n'intercède pas en faveur de ce peuple, N'élève pour eux ni supplications ni prières, Ne fais pas des instances auprès de moi; Car je ne t'écouterai pas. 17 Ne vois-tu pas ce qu'ils font dans les villes de Juda Et dans les rues de Jérusalem? 18 Les enfants ramassent du bois, Les pères allument le feu, Et les femmes pétrissent la pâte, Pour préparer des gâteaux à la reine du ciel, Et pour faire des libations à d'autres dieux, Afin de m'irriter. 19 Est-ce moi qu'ils irritent? dit l'Éternel; N'est-ce pas eux-mêmes, A leur propre confusion? 20 C'est pourquoi ainsi parle le Seigneur, l'Éternel: Voici, ma colère et ma fureur se répandent sur ce lieu, Sur les hommes et sur les bêtes, Sur les arbres des champs et sur les fruits de la terre; Elle brûlera, et ne s'éteindra point. 21 Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Ajoutez vos holocaustes à vos sacrifices, Et mangez-en la chair! 22 Car je n'ai point parlé avec vos pères et je ne leur ai donné aucun ordre, Le jour où je les ai fait sortir du pays d'Égypte, Au sujet des holocaustes et des sacrifices. 23 Mais voici l'ordre que je leur ai donné: Écoutez ma voix, Et je serai votre Dieu, Et vous serez mon peuple; Marchez dans toutes les voies que je vous prescris, Afin que vous soyez heureux. 24 Et ils n'ont point écouté, ils n'ont point prêté l'oreille; Ils ont suivi les conseils, les penchants de leur mauvais coeur, Ils ont été en arrière et non en avant. 25 Depuis le jour où vos pères sont sortis du pays d'Égypte, Jusqu'à ce jour, Je vous ai envoyé tous mes serviteurs, les prophètes, Je les ai envoyés chaque jour, dès le matin. 26 Mais ils ne m'ont point écouté, ils n'ont point prêté l'oreille; Ils ont raidi leur cou, Ils ont fait le mal plus que leurs pères. 27 Si tu leur dis toutes ces choses, ils ne t'écouteront pas; Si tu cries vers eux, ils ne te répondront pas. 28 Alors dis-leur: C'est ici la nation qui n'écoute pas la voix de l'Éternel, son Dieu, Et qui ne veut pas recevoir instruction; La vérité a disparu, elle s'est retirée de leur bouche. 29 Coupe ta chevelure, et jette-la au loin; Monte sur les hauteurs, et prononce une complainte! Car l'Éternel rejette Et repousse la génération qui a provoqué sa fureur. 30 Car les enfants de Juda ont fait ce qui est mal à mes yeux, Dit l'Éternel; Ils ont placé leurs abominations Dans la maison sur laquelle mon nom est invoqué, Afin de la souiller. 31 Ils ont bâti des hauts lieux à Topheth dans la vallée de Ben-Hinnom, Pour brûler au feu leurs fils et leurs filles: Ce que je n'avais point ordonné, Ce qui ne m'était point venu à la pensée. 32 C'est pourquoi voici, les jours viennent, dit l'Éternel, Où l'on ne dira plus Topheth et la vallée de Ben-Hinnom, Mais où l'on dira la vallée du carnage; Et l'on enterrera les morts à Topheth par défaut de place. 33 Les cadavres de ce peuple seront la pâture Des oiseaux du ciel et des bêtes de la terre; Et il n'y aura personne pour les troubler. 34 Je ferai cesser dans les villes de Juda et dans les rues de Jérusalem Les cris de réjouissance et les cris d'allégresse, Les chants du fiancé et les chants de la fiancée; Car le pays sera un désert. | |