T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 46

1 Ny tenin'i Jehovah Izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny jentilisa.

2 [Faminaniana ny amin'i Egypta] Ny amin'i Egypta.Ny amin'ny miaramilan'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta, izay teny amoron'ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda:

3 Mitaova amin'ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ka mandrosoa hiady;

4 Fehezo amin'ny kalesy ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena.

5 Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.

6 Tsy ho afa-mandositra ny haingan-tongotra, na ho afaka ny mahery; Any avaratra eo amoron'ny ony Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy.

7 Iza moa izato mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano

8 Egypta mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano, ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy.

9 Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana*, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana**, izay mitana sy manenjana tsipìka.[*Heb. Pota][**Heb. Loda]

10 Fa izao andro izao dia an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; Ary ny sabatra hihinana ka ho voky sy ho mamon'ny ran'ireo; Fa ny Tompo, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin'ny tany avaratra ao amoron'ny ony Eofrata.

11 Miakara any Gileada, ka makà balsama, ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana plasitera hapetaka amin'ny ferinao ianao,

12 Efa ren'ny firenena ny henatrao, ary ny fiantsoantsoanao nanenika ny tany; fa mifandona ny samy mahery, ka miara-davo izy roa tonta.

13 Ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny hihavian'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tany Egypta.

14 Ambaraonareo any Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny sabatra.

15 Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy.

16 Efa nahatafintohina ny maro Izy, ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangàna, ka andeha isika hiverina ho any amin'ny firenentsika sy ho any amin'ny tany nahaterahantsika ho afaka amin'ny sabatra mandoza,

17 Nitaraina tany izy hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan'i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy.

18 Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany: Tahaka an'i Tabara amin'ny tendrombohitra, sy tahaka an'i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.

19 Ry Egypta zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin'ny fahababoana; Fa ho tonga tany lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina.

20 Egypta dia tahaka ny ombivavy kely tsara tarehy dia tsara tarehy; Fa injay! tamy, eny, tamy ny fihitra avy any avaratra!

21 Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodina ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.

22 Ny feony dia toy ny fikasaotsaoky ny menarana mandeha; Fa mandeha hitondra miaramila izy ka avy hamely azy amin'ny famaky toy ny mpikapa hazo.

23 Kapainy ny alany, hoy Jehovah, satria efa nikirindro loatra; Fa maro noho ny valala izy ka tsy tambo isaina.

24 Ho afa-baraka Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan'ny olona any avaratra izy.

25 Ary hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin'ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy;

26 Ary hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny mpanompony; Ary aorian'izany, dia handry fahizay* toy ny tamin'ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.[Na: honenana indray]

27 Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.

28 Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.

 

Chapitre 46

46:1 The word of Yahweh which came to Jeremiah the prophet concerning the nations. 46:2 Of Egypt: concerning the army of Pharaoh Necoh king of Egypt, which was by the river Euphrates in Carchemish, which Nebuchadnezzar king of Babylon struck in the fourth year of Jehoiakim the son of Josiah, king of Judah. 46:3 Prepare the buckler and shield, and draw near to battle! 46:4 Harness the horses, and get up, you horsemen, and stand forth with your helmets; furbish the spears, put on the coats of mail. 46:5 Why have I seen it? they are dismayed and are turned backward; and their mighty ones are beaten down, and have fled apace, and don’t look back: terror is on every side, says Yahweh. 46:6 Don’t let the swift flee away, nor the mighty man escape; in the north by the river Euphrates have they stumbled and fallen. 46:7 Who is this who rises up like the Nile, whose waters toss themselves like the rivers? 46:8 Egypt rises up like the Nile, and his waters toss themselves like the rivers: and he says, I will rise up, I will cover the earth; I will destroy cities and its inhabitants. 46:9 Go up, you horses; and rage, you chariots; and let the mighty men go forth: Cush and Put, who handle the shield; and the Ludim, who handle and bend the bow. 46:10 For that day is of the Lord, Yahweh of Armies, a day of vengeance, that he may avenge him of his adversaries: and the sword shall devour and be satiate, and shall drink its fill of their blood; for the Lord, Yahweh of Armies, has a sacrifice in the north country by the river Euphrates. 46:11 Go up into Gilead, and take balm, virgin daughter of Egypt: in vain do you use many medicines; there is no healing for you. 46:12 The nations have heard of your shame, and the earth is full of your cry; for the mighty man has stumbled against the mighty, they are fallen both of them together. 46:13 The word that Yahweh spoke to Jeremiah the prophet, how that Nebuchadnezzar king of Babylon should come and strike the land of Egypt. 46:14 Declare in Egypt, and publish in Migdol, and publish in Memphis and in Tahpanhes: say, Stand forth, and prepare; for the sword has devoured around you. 46:15 Why are your strong ones swept away? they didn’t stand, because Yahweh pushed them. 46:16 He made many to stumble, yes, they fell one on another: and they said, Arise, and let us go again to our own people, and to the land of our birth, from the oppressing sword. 46:17 They cried there, Pharaoh king of Egypt is but a noise; he has let the appointed time pass by. 46:18 As I live, says the King, whose name is Yahweh of Armies, surely like Tabor among the mountains, and like Carmel by the sea, so shall he come. 46:19 You daughter who dwells in Egypt, furnish yourself to go into captivity; for Memphis shall become a desolation, and shall be burnt up, without inhabitant. 46:20 Egypt is a very beautiful heifer; but destruction out of the north has come, it has come. 46:21 Also her hired men in the midst of her are like calves of the stall; for they also are turned back, they are fled away together, they didn’t stand: for the day of their calamity has come on them, the time of their visitation. 46:22 The sound of it shall go like the serpent; for they shall march with an army, and come against her with axes, as wood cutters. 46:23 They shall cut down her forest, says Yahweh, though it can’t be searched; because they are more than the locusts, and are innumerable. 46:24 The daughter of Egypt shall be disappointed; she shall be delivered into the hand of the people of the north. 46:25 Yahweh of Armies, the God of Israel, says: Behold, I will punish Amon of No, and Pharaoh, and Egypt, with her gods, and her kings; even Pharaoh, and those who trust in him: 46:26 and I will deliver them into the hand of those who seek their lives, and into the hand of Nebuchadnezzar king of Babylon, and into the hand of his servants; and afterwards it shall be inhabited, as in the days of old, says Yahweh. 46:27 But don’t you be afraid, Jacob my servant, neither be dismayed, Israel: for, behold, I will save you from afar, and your seed from the land of their captivity; and Jacob shall return, and shall be quiet and at ease, and none shall make him afraid. 46:28 Don’t you be afraid, O Jacob my servant, says Yahweh; for I am with you: for I will make a full end of all the nations where I have driven you; but I will not make a full end of you, but I will correct you in measure, and will in no way leave you unpunished.

 

Chapitre 46

1 La parole de l'Éternel qui fut adressée à Jérémie, le prophète, sur les nations. 2 Sur l'Égypte. Sur l'armée de Pharaon Neco, roi d'Égypte, qui était près du fleuve de l'Euphrate, à Carkemisch, et qui fut battue par Nebucadnetsar, roi de Babylone, la quatrième année de Jojakim, fils de Josias, roi de Juda. 3 Préparez le petit et le grand bouclier, Et marchez au combat! 4 Attelez les chevaux, Montez, cavaliers! Paraissez avec vos casques, Polissez vos lances, Revêtez la cuirasse!... 5 Que vois-je? Ils ont peur, ils reculent; Leurs vaillants hommes sont battus; Ils fuient sans se retourner... L'épouvante est de toutes parts, dit l'Éternel. 6 Que le plus léger ne trouve aucun salut dans la fuite, Que le plus vaillant n'échappe pas! Au septentrion, sur les rives de l'Euphrate, Ils chancellent, ils tombent. 7 Qui est celui qui s'avance comme le Nil, Et dont les eaux sont agitées comme les torrents? 8 C'est l'Égypte. Elle s'avance comme le Nil, Et ses eaux sont agitées comme les torrents. Elle dit: Je monterai, je couvrirai la terre, Je détruirai les villes et leurs habitants. 9 Montez, chevaux! précipitez-vous, chars! Qu'ils se montrent, les vaillants hommes, Ceux d'Éthiopie et de Puth qui portent le bouclier, Et ceux de Lud qui manient et tendent l'arc! 10 Ce jour est au Seigneur, à l'Éternel des armées; C'est un jour de vengeance, où il se venge de ses ennemis. L'épée dévore, elle se rassasie, Elle s'enivre de leur sang. Car il y a des victimes du Seigneur, de l'Éternel des armées, Au pays du septentrion, sur les rives de l'Euphrate. 11 Monte en Galaad, prends du baume, Vierge, fille de l'Égypte! En vain tu multiplies les remèdes, Il n'y a point de guérison pour toi. 12 Les nations apprennent ta honte, Et tes cris remplissent la terre, Car les guerriers chancellent l'un sur l'autre, Ils tombent tous ensemble. 13 La parole qui fut adressée par l'Éternel à Jérémie, le prophète, sur l'arrivée de Nebucadnetsar, roi de Babylone, qui voulait frapper le pays d'Égypte. 14 Annoncez-le en Égypte, Publiez-le à Migdol, Publiez-le à Noph et à Tachpanès! Dites: Lève-toi, prépare-toi, Car l'épée dévore autour de toi! 15 Pourquoi tes vaillants hommes sont-ils emportés? Ils ne tiennent pas ferme, car l'Éternel les renverse. 16 Il en fait chanceler un grand nombre; Ils tombent l'un sur l'autre, et ils disent: Allons, retournons vers notre peuple, Dans notre pays natal, Loin du glaive destructeur! 17 Là, on s'écrie: Pharaon, roi d'Égypte, Ce n'est qu'un bruit; il a laissé passer le moment. 18 Je suis vivant! dit le roi, Dont l'Éternel des armées est le nom, Comme le Thabor parmi les montagnes, Comme le Carmel qui s'avance dans la mer, il viendra. 19 Fais ton bagage pour la captivité, Habitante, fille de L'Égypte! Car Noph deviendra un désert, Elle sera ravagée, elle n'aura plus d'habitants. 20 L'Égypte est une très belle génisse... Le destructeur vient du septentrion, il arrive... 21 Ses mercenaires aussi sont au milieu d'elle comme des veaux engraissés. Et eux aussi, ils tournent le dos, ils fuient tous sans résister. Car le jour de leur malheur fond sur eux, Le temps de leur châtiment. 22 Sa voix se fait entendre comme celle du serpent; Car ils s'avancent avec une armée, Ils marchent contre elle avec des haches, Pareils à des bûcherons. 23 Ils abattent sa forêt, dit l'Éternel, Bien qu'elle soit impénétrable; Car ils sont plus nombreux que les sauterelles, On ne pourrait les compter. 24 La fille de l'Égypte est confuse, Elle est livrée entre les mains du peuple du septentrion. 25 L'Éternel des armées, le Dieu d'Israël, dit: Voici, je vais châtier Amon de No, Pharaon, l'Égypte, ses dieux et ses rois, Pharaon et ceux qui se confient en lui. 26 Je les livrerai entre les mains de ceux qui en veulent à leur vie, Entre les mains de Nebucadnetsar, roi de Babylone, Et entre les mains de ses serviteurs; Et après cela, l'Égypte sera habitée comme aux jours d'autrefois, Dit l'Éternel. 27 Et toi, mon serviteur Jacob, ne crains pas; Ne t'effraie pas, Israël! Car je te délivrerai de la terre lointaine, Je délivrerai ta postérité du pays où elle est captive; Jacob reviendra, il jouira du repos et de la tranquillité, Et il n'y aura personne pour le troubler. 28 Toi, mon serviteur Jacob, ne crains pas! dit l'Éternel; Car je suis avec toi. J'anéantirai toutes les nations parmi lesquelles je t'ai dispersé, Mais toi, je ne t'anéantirai pas; Je te châtierai avec équité, Je ne puis pas te laisser impuni.