T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 44 

1 [Fananarana ny Jiosy any Egypta mba tsy hanompo sampy] Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia ho amin'ny Jiosy rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, dia izay nonina tao Migdola sy Tapanesa sy Memfisa*, ary tany amin'ny tany Patrosa, nanao hoe:[Heb. Nofa]

2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo efa nahita ny loza rehetra izay nataoko nihatra tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda rehetra; ary, indro, efa tany lao ireo ankehitriny, ka tsy misy olona monina intsony ao aminy,

3 noho ny ratsy nataony hampahatezitra Ahy tamin'ny nandehanany handoro ditin-kazo manitra sy hanompo andriamani-kafa izay tsy fantany, na iza, na ianareo, na ny razanareo.

4 Ary naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Masìna ianareo, aza manao izany fahavetavetana halako izany.

5 Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny hialany amin'ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa.

6 Ka dia naidina ny fahavinirako sy ny fahatezerako, eny, nandoro ny tanànan'ny Joda, sy ny teny amin'ny lalamben'i Jerosalema izany, ka dia rava sy lao ireny tahaka ny amin'izao anio izao.

7 Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia Andriamanitry ny Isiraely: Ahoana no anaovanareo izao ratsy lehibe singotry ny ainareo izao, haharingana ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono ao amin'ny Joda tsy hahamisy miangana anareo,

8 noho ny ampahatezeranareo Ahy amin'ny asan'ny tananareo sy amin'ny andoroana ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa any amin'ny tany Egypta izay alehanareo hivahiniana, mba haharingana anareo ka hahatonga anareo ho fanozonana sy ho fandatsa any amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany?

9 Moa hadinonareo va ny ratsy nataon'ny razanareo sy ny mpanjakan'ny Joda sy ny vadiny ary ny tenanareo sy ny vadinareo, dia izay nataony tany amin'ny tanin'ny Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema?

10 Tsy mbola torotoro fo izy na dia mandraka androany aza sady tsy natahotra na nandeha araka ny lalàko sy ny didiko, izay napetrako teo anoloanareo sy teo anoloan'ny razanareo.

11 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.

12 Ary halaiko ny sisa amin'ny Joda, izay nikiry hankany amin'ny tany Egypta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin'ny tany Egypta no hahalavoany, samy ho ringan'ny sabatra sy ny mosary, eny, na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary izy rehetra ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa.

13 Fa hovaliako izay monina any amin'ny tany Egypta, toy ny namaliako an'i Jerosalema, dia amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.

14 Ary na sisa amin'ny Joda izay lasa nivahiny tany Egypta dia tsy hisy ho afa-mandositra ho tafaverina any amin'ny tanin'ny Joda, izay niriny hiverenana mba honenany, afa-tsy izay vitsy sendra afa-mandositra ihany.

15 Ary ny lehilahy rehetra, izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, tao Patrosa, dia namaly an'i Jeremia hoe:

16 Raha ny amin'ilay teny voalazanao taminay tamin'ny anaran'i Jehovah, dia tsy hihaino anao izahay.

17 Fa hataonay tokoa ny teny rehetra izay naloaky ny vavanay, dia ny handoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy ny hanidina fanatitra aidina ho azy, toy ny efa nataonay sy ny razanay sy ny mpanjakanay ary ny mpanapaka anay tany amin'ny tanànan'ny Joda sy teny amin'ny lalamben'i Jerosalema; fa fahizany dia voky hanina izahay sady nambinina ary tsy nahita loza.

18 Fa hatrizay nitsaharanay tsy nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra na nanidina fanatitra aidina ho azy izay, dia saiky tsy nanana na inona na inona akory izahay sady ringan'ny sabatra sy ny mosary.

19 Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy, moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny* sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?[Na: ho enti-mivavaka aminy]

20 Ary hoy Jeremia tamin'ny olona rehetra, na ny lehilahy na ny vehivavy, dia ny olona rehetra izay efa namaly azy:

21 Ny nandoroanareo ditin-kazo manitra tany an-tanànan'ny Joda sy tany an-dalamben'i Jerosalema, dia ianareo sy ny razanareo sy ny mpanjakanareo sy ny mpanapaka anareo mbamin'ny vahoaka, moa tsy hotsarovan'i Jehovah va izany, ary tsy tao an-tsainy va?

22 Ka dia tsy nahalefitra intsony Jehovah noho ny faharatsian'ny nataonareo sy noho ny fahavetavetana izay nataonareo; koa izany no nanaovana ny taninareo ho lao sy ho figagana ary ho fanozonana, ka tsy misy mponina, tahaka ny amin'izao anio izao.

23 Noho ny nandoroanareo ditin-kazo manitra sy ny nanotanareo tamin'i Jehovah, fa tsy nihaino ny feon'i Jehovah, na nandeha araka ny lalàny sy ny didiny ary ny teny vavolombelony ianareo, dia izany no nahatonga izao loza izao taminareo tahaka ny amin'izao anio izao,

24 Ary hoy koa Jeremia tamin'ny olona rehetra sy tamin'ny vehivavy rehetra: Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay atỳ amin'ny tany Egypta:

25 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Hianareo sy ny vadinareo samy niteny tamin'ny vavanareo sady nanatanteraka tamin'ny tananareo ka nanao hoe: Hanefa tokoa izay efa nivoadianay izahay ka handoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidina fanatitra aidina ho azy; eny, hefainareo tokoa ny voadinareo sady hataonareo tanteraka.

26 Koa henoinareo ny tenin'i Jehovah, ry Joda rehetra, izay monina atỳ amin'ny tany Egypta: Indro Aho efa nianiana tamin'ny anarako lehibe, hoy Jehovah, fa tsy hotononin'ny vavan'ny lehilahy amin'ny Joda eran'ny tany Egypta intsony ny anarako hanao hoe: Raha velona koa Jehovah Tompo.

27 Indro, miambina anareo Aho hahatonga loza, fa tsy soa; ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda, izay atỳ amin'ny tany Egypta, dia ho ringan'ny sabatra sy ny mosary mandra-pahalany ritrany.

28 Ary izay afa-mandositra ny sabatra dia ho tafaverina avy atỳ amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tanin'ny Joda, ho vitsy foana anefa ireny; ary ny sisa amin'ny Joda rehetra izay mankany amin'ny tany Egypta hivahiny any dia hahafantatra izay ho tò teny, na ho Izaho, na ho izy.

29 Ary izao no famantarana ho anareo, hoy Jehovah, fa hovaliako eto amin'ity tany ity ianareo, mba hahafantaranareo fa tò tokoa ny teniko hahatonga loza aminareo:

30 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Farao-hofra, mpanjakan'i Egypta, hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay miady ny ainy, toy ny efa nanolorako an'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izay fahavalony nitady ny ainy.

 

Chapitre 44

44:1 The word that came to Jeremiah concerning all the Jews who lived in the land of Egypt, who lived at Migdol, and at Tahpanhes, and at Memphis, and in the country of Pathros, saying, 44:2 Thus says Yahweh of Armies, the God of Israel: You have seen all the evil that I have brought on Jerusalem, and on all the cities of Judah; and behold, this day they are a desolation, and no man dwells therein, 44:3 because of their wickedness which they have committed to provoke me to anger, in that they went to burn incense, to serve other gods, that they didn’t know, neither they, nor you, nor your fathers. 44:4 However I sent to you all my servants the prophets, rising up early and sending them, saying, Oh, don’t do this abominable thing that I hate. 44:5 But they didn’t listen, nor inclined their ear to turn from their wickedness, to burn no incense to other gods. 44:6 Therefore my wrath and my anger was poured forth, and was kindled in the cities of Judah and in the streets of Jerusalem; and they are wasted and desolate, as it is this day. 44:7 Therefore now thus says Yahweh, the God of Armies, the God of Israel: Why do you commit great evil against your own souls, to cut off from yourselves man and woman, infant and nursing child out of the midst of Judah, to leave yourselves none remaining; 44:8 in that you provoke me to anger with the works of your hands, burning incense to other gods in the land of Egypt, where you have gone to live; that you may be cut off, and that you may be a curse and a reproach among all the nations of the earth? 44:9 Have you forgotten the wickedness of your fathers, and the wickedness of the kings of Judah, and the wickedness of their wives, and your own wickedness, and the wickedness of your wives which they committed in the land of Judah, and in the streets of Jerusalem? 44:10 They are not humbled even to this day, neither have they feared, nor walked in my law, nor in my statutes, that I set before you and before your fathers. 44:11 Therefore thus says Yahweh of Armies, the God of Israel: Behold, I will set my face against you for evil, even to cut off all Judah. 44:12 I will take the remnant of Judah, that have set their faces to go into the land of Egypt to live there, and they shall all be consumed; in the land of Egypt shall they fall; they shall be consumed by the sword and by the famine; they shall die, from the least even to the greatest, by the sword and by the famine; and they shall be an object of horror, an astonishment, and a curse, and a reproach. 44:13 For I will punish those who dwell in the land of Egypt, as I have punished Jerusalem, by the sword, by the famine, and by the pestilence; 44:14 so that none of the remnant of Judah, who have gone into the land of Egypt to live there, shall escape or be left, to return into the land of Judah, to which they have a desire to return to dwell there: for none shall return save such as shall escape. 44:15 Then all the men who knew that their wives burned incense to other gods, and all the women who stood by, a great assembly, even all the people who lived in the land of Egypt, in Pathros, answered Jeremiah, saying, 44:16 As for the word that you have spoken to us in the name of Yahweh, we will not listen to you. 44:17 But we will certainly perform every word that is gone forth out of our mouth, to burn incense to the queen of the sky, and to pour out drink offerings to her, as we have done, we and our fathers, our kings and our princes, in the cities of Judah, and in the streets of Jerusalem; for then had we plenty of food, and were well, and saw no evil. 44:18 But since we left off burning incense to the queen of the sky, and pouring out drink offerings to her, we have wanted all things, and have been consumed by the sword and by the famine. 44:19 When we burned incense to the queen of the sky, and poured out drink offerings to her, did we make her cakes to worship her, and pour out drink offerings to her, without our husbands? 44:20 Then Jeremiah said to all the people, to the men, and to the women, even to all the people who had given him an answer, saying, 44:21 The incense that you burned in the cities of Judah, and in the streets of Jerusalem, you and your fathers, your kings and your princes, and the people of the land, didn’t Yahweh remember them, and didn’t it come into his mind? 44:22 so that Yahweh could no longer bear, because of the evil of your doings, and because of the abominations which you have committed; therefore your land has become a desolation, and an astonishment, and a curse, without inhabitant, as it is this day. 44:23 Because you have burned incense, and because you have sinned against Yahweh, and have not obeyed the voice of Yahweh, nor walked in his law, nor in his statutes, nor in his testimonies; therefore this evil has happened to you, as it is this day. 44:24 Moreover Jeremiah said to all the people, and to all the women, Hear the word of Yahweh, all Judah who are in the land of Egypt: 44:25 Thus says Yahweh of Armies, the God of Israel, saying, You and your wives have both spoken with your mouths, and with your hands have fulfilled it, saying, We will surely perform our vows that we have vowed, to burn incense to the queen of the sky, and to pour out drink offerings to her: establish then your vows, and perform your vows. 44:26 Therefore hear the word of Yahweh, all Judah who dwell in the land of Egypt: Behold, I have sworn by my great name, says Yahweh, that my name shall no more be named in the mouth of any man of Judah in all the land of Egypt, saying, As the Lord Yahweh lives. 44:27 Behold, I watch over them for evil, and not for good; and all the men of Judah who are in the land of Egypt shall be consumed by the sword and by the famine, until they are all gone. 44:28 Those who escape the sword shall return out of the land of Egypt into the land of Judah, few in number; and all the remnant of Judah, who have gone into the land of Egypt to live there, shall know whose word shall stand, mine, or theirs. 44:29 This shall be the sign to you, says Yahweh, that I will punish you in this place, that you may know that my words shall surely stand against you for evil: 44:30 Thus says Yahweh, Behold, I will give Pharaoh Hophra king of Egypt into the hand of his enemies, and into the hand of those who seek his life; as I gave Zedekiah king of Judah into the hand of Nebuchadnezzar king of Babylon, who was his enemy, and sought his life.

 

Chapitre 44
1 La parole fut adressée à Jérémie sur tous les Juifs demeurant au pays d'Égypte, demeurant à Migdol, à Tachpanès, à Noph et au pays de Pathros, en ces mots: 2 Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Vous avez vu tous les malheurs que j'ai fait venir sur Jérusalem et sur toutes les villes de Juda; voici, elles ne sont plus aujourd'hui que des ruines, et il n'y a plus d'habitants, 3 à cause de la méchanceté avec laquelle ils ont agi pour m'irriter, en allant encenser et servir d'autres dieux, inconnus à eux, à vous et à vos pères. 4 Je vous ai envoyé tous mes serviteurs, les prophètes, je les ai envoyés dès le matin, pour vous dire: Ne faites pas ces abominations, que je hais. 5 Mais ils n'ont pas écouté, ils n'ont pas prêté l'oreille, ils ne sont pas revenus de leur méchanceté, et ils n'ont pas cessé d'offrir de l'encens à d'autres dieux. 6 Ma colère et ma fureur se sont répandues, et ont embrasé les villes de Juda et les rues de Jérusalem, qui ne sont plus que des ruines et un désert, comme on le voit aujourd'hui. 7 Maintenant ainsi parle l'Éternel, le Dieu des armées, le Dieu d'Israël: Pourquoi vous faites-vous à vous-mêmes un si grand mal, que de faire exterminer du milieu de Juda hommes, femmes, enfants et nourrissons, en sorte qu'il n'y ait plus de vous aucun reste? 8 Pourquoi m'irritez-vous par les oeuvres de vos mains, en offrant de l'encens aux autres dieux du pays d'Égypte, où vous êtes venus pour y demeurer, afin de vous faire exterminer et d'être un objet de malédiction et d'opprobre parmi toutes les nations de la terre? 9 Avez-vous oublié les crimes de vos pères, les crimes des rois de Juda, les crimes de leurs femmes, vos crimes et les crimes de vos femmes, commis dans le pays de Juda et dans les rues de Jérusalem? 10 Ils ne se sont point humiliés jusqu'à ce jour, ils n'ont point eu de crainte, ils n'ont point suivi ma loi et mes commandements, que j'ai mis devant vous et devant vos pères. 11 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Voici, je tourne ma face contre vous pour faire du mal, et pour exterminer tout Juda. 12 Je prendrai les restes de Juda qui ont tourné le visage pour aller au pays d'Égypte, afin d'y demeurer; ils seront tous consumés, ils tomberont dans le pays d'Égypte; ils seront consumés par l'épée, par la famine, depuis le plus petit jusqu'au plus grand; ils périront par l'épée et par la famine; et ils seront un sujet d'exécration, d'épouvante, de malédiction et d'opprobre. 13 Je châtierai ceux qui demeurent au pays d'Égypte, comme j'ai châtié Jérusalem, par l'épée, par la famine et par la peste. 14 Nul n'échappera, ne fuira, parmi les restes de Juda qui sont venus pour demeurer au pays d'Égypte, avec l'intention de retourner dans le pays de Juda, où ils ont le désir de retourner s'établir; car ils n'y retourneront pas, sinon quelques réchappés. 15 Tous les hommes qui savaient que leurs femmes offraient de l'encens à d'autres dieux, toutes les femmes qui se trouvaient là en grand nombre, et tout le peuple qui demeurait au pays d'Égypte, à Pathros, répondirent ainsi à Jérémie: 16 Nous ne t'obéirons en rien de ce que tu nous as dit au nom de l'Éternel. 17 Mais nous voulons agir comme l'a déclaré notre bouche, offrir de l'encens à la reine du ciel, et lui faire des libations, comme nous l'avons fait, nous et nos pères, nos rois et nos chefs, dans les villes de Juda et dans les rues de Jérusalem. Alors nous avions du pain pour nous rassasier, nous étions heureux, et nous n'éprouvions point de malheur. 18 Et depuis que nous avons cessé d'offrir de l'encens à la reine du ciel et de lui faire des libations, nous avons manqué de tout, et nous avons été consumés par l'épée et par la famine... 19 D'ailleurs, lorsque nous offrons de l'encens à la reine du ciel et que nous lui faisons des libations, est-ce sans la volonté de nos maris que nous lui préparons des gâteaux pour l'honorer et que nous lui faisons des libations? 20 Jérémie dit alors à tout le peuple, aux hommes, aux femmes, à tous ceux qui lui avaient fait cette réponse: 21 L'Éternel ne s'est-il pas rappelé, n'a-t-il pas eu à la pensée l'encens que vous avez brûlé dans les villes de Juda et dans les rues de Jérusalem, vous et vos pères, vos rois et vos chefs, et le peuple du pays? 22 L'Éternel n'a pas pu le supporter davantage, à cause de la méchanceté de vos actions, à cause des abominations que vous avez commises; et votre pays est devenu une ruine, un désert, un objet de malédiction, comme on le voit aujourd'hui. 23 C'est parce que vous avez brûlé de l'encens et péché contre l'Éternel, parce que vous n'avez pas écouté la voix de l'Éternel, et que vous n'avez pas observé sa loi, ses ordonnances, et ses préceptes, c'est pour cela que ces malheurs vous sont arrivés, comme on le voit aujourd'hui. 24 Jérémie dit encore à tout le peuple et à toutes les femmes: Écoutez la parole de l'Éternel, vous tous de Juda, qui êtes au pays d'Égypte! 25 Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Vous et vos femmes, vous avez déclaré de vos bouches et exécuté de vos mains ce que vous dites: Nous voulons accomplir les voeux que nous avons faits, offrir de l'encens à la reine du ciel, et lui faire des libations. Maintenant que vous avez accompli vos voeux, exécuté vos promesses, 26 écoutez la parole de l'Éternel, vous tous de Juda, qui demeurez au pays d'Égypte! Voici, je le jure par mon grand nom, dit l'Éternel, mon nom ne sera plus invoqué par la bouche d'aucun homme de Juda, et dans tout le pays d'Égypte aucun ne dira: Le Seigneur, l'Éternel est vivant! 27 Voici, je veillerai sur eux pour faire du mal et non du bien; et tous les hommes de Juda qui sont dans le pays d'Égypte seront consumés par l'épée et par la famine, jusqu'à ce qu'ils soient anéantis. 28 Ceux, en petit nombre, qui échapperont à l'épée, retourneront du pays d'Égypte au pays de Juda. Mais tout le reste de Juda, tous ceux qui sont venus au pays d'Égypte pour y demeurer, sauront si ce sera ma parole ou la leur qui s'accomplira. 29 Et voici, dit l'Éternel, un signe auquel vous connaîtrez que je vous châtierai dans ce lieu, afin que vous sachiez que mes paroles s'accompliront sur vous pour votre malheur. 30 Ainsi parle l'Éternel: Voici, je livrerai Pharaon Hophra, roi d'Égypte, entre les mains de ses ennemis, entre les mains de ceux qui en veulent à sa vie, comme j'ai livré Sédécias, roi de Juda, entre les mains de Nebucadnetsar, roi de Babylone, son ennemi, qui en voulait à sa vie.