| Chapitre 42 1 [Ny nangatahan'ny Jiosy an'i Jeremia haka hevitra amin'i Jehovah, ary ny anatra nataon'i Jeremia tamin'ny Jiosy kosa noho ny tsy nanekeny ny saina avy tamin'i Jehovah] Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak'i Karea, sy Jazania, zanak'i Hosaia, mbamin'ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona 2 ka niteny tamin'i Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan'ny masonao izao), 3 mba hambaran'i Jehovah Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay. 4 Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin'i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko. 5 Dia hoy izy tamin'i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan'i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay. 6 Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon'i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay. 7 Ary nony afaka hafoloana, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah. 8 Ary izy niantso an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin'ny olona rehetra, na kely na lehibe, 9 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy mba hoborahiko* eo anatrehany ny fifonanareo:[Heb. hampiankohoka] 10 Raha mbola honina amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako anareo. 11 Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tànany. 12 Ary hataoko mahita famindram-po ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin'ny taninareo. 13 Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin'ity tany ity izahay, ka tsy hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, 14 fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin'ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon'ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay, 15 dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ankehitriny ianareo izay sisa amin'ny Joda: Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha dia mikiry hankany Egypta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any, 16 dia hahatratra anareo any amin'ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin'ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo. 17 Ary ny olona rehetra izay mikiry hankany Egypta hivahiny any dia ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny loza izay hataoko mihatra aminy. 18 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin'ny mponina any Jerosalema, dia toy izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony. 19 Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin'ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo. 20 Kanjo efa nivily ianareo ka nahavoa ny ainareo tamin'ny nanirahanareo ahy ho amin'i Jehovah Andriamanitrareo hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay, ary izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika dia ambarao aminay, fa hataonay. 21 Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ny amin'izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo. 22 Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana ianareo any amin'ny tany izay tianareo hivahiniana. | | Chapitre 42 42:1 Then all the captains of the forces, and Johanan the son of Kareah, and Jezaniah the son of Hoshaiah, and all the people from the least even to the greatest, came near, 42:2 and said to Jeremiah the prophet, Please let our supplication be presented before you, and pray for us to Yahweh your God, even for all this remnant; for we are left but a few of many, as your eyes do see us: 42:3 that Yahweh your God may show us the way in which we should walk, and the thing that we should do. 42:4 Then Jeremiah the prophet said to them, I have heard you; behold, I will pray to Yahweh your God according to your words; and it shall happen that whatever thing Yahweh shall answer you, I will declare it to you; I will keep nothing back from you. 42:5 Then they said to Jeremiah, Yahweh be a true and faithful witness among us, if we don’t do according to all the word with which Yahweh your God shall send you to us. 42:6 Whether it be good, or whether it be evil, we will obey the voice of Yahweh our God, to whom we send you; that it may be well with us, when we obey the voice of Yahweh our God. 42:7 It happened after ten days, that the word of Yahweh came to Jeremiah. 42:8 Then called he Johanan the son of Kareah, and all the captains of the forces who were with him, and all the people from the least even to the greatest, 42:9 and said to them, Thus says Yahweh, the God of Israel, to whom you sent me to present your supplication before him: 42:10 If you will still live in this land, then will I build you, and not pull you down, and I will plant you, and not pluck you up; for I grieve over the distress that I have brought on you. 42:11 Don’t be afraid of the king of Babylon, of whom you are afraid; don’t be afraid of him, says Yahweh: for I am with you to save you, and to deliver you from his hand. 42:12 I will grant you mercy, that he may have mercy on you, and cause you to return to your own land. 42:13 But if you say, We will not dwell in this land; so that you don’t obey the voice of Yahweh your God, 42:14 saying, No; but we will go into the land of Egypt, where we shall see no war, nor hear the sound of the trumpet, nor have hunger of bread; and there will we dwell: 42:15 now therefore hear the word of Yahweh, O remnant of Judah: Thus says Yahweh of Armies, the God of Israel, If you indeed set your faces to enter into Egypt, and go to live there; 42:16 then it shall happen, that the sword, which you fear, shall overtake you there in the land of Egypt; and the famine, about which you are afraid, shall follow close behind you there in Egypt; and there you shall die. 42:17 So shall it be with all the men who set their faces to go into Egypt to live there: they shall die by the sword, by the famine, and by the pestilence; and none of them shall remain or escape from the evil that I will bring on them. 42:18 For thus says Yahweh of Armies, the God of Israel: As my anger and my wrath has been poured forth on the inhabitants of Jerusalem, so shall my wrath be poured forth on you, when you shall enter into Egypt; and you shall be an object of horror, and an astonishment, and a curse, and a reproach; and you shall see this place no more. 42:19 Yahweh has spoken concerning you, remnant of Judah, Don’t you go into Egypt: know certainly that I have testified to you this day. 42:20 For you have dealt deceitfully against your own souls; for you sent me to Yahweh your God, saying, Pray for us to Yahweh our God; and according to all that Yahweh our God shall say, so declare to us, and we will do it: 42:21 and I have this day declared it to you; but you have not obeyed the voice of Yahweh your God in anything for which he has sent me to you. 42:22 Now therefore know certainly that you shall die by the sword, by the famine, and by the pestilence, in the place where you desire to go to live there. | | Chapitre 42 1 Tous les chefs des troupes, Jochanan, fils de Karéach, Jezania, fils d'Hosée, et tout le peuple, depuis le plus petit jusqu'au plus grand, s'avancèrent, 2 et dirent à Jérémie, le prophète: Que nos supplications soient favorablement reçues devant toi! Intercède en notre faveur auprès de l'Éternel, ton Dieu, en faveur de tous ceux qui restent, car nous étions beaucoup, et nous restons en petit nombre, comme tes yeux le voient; 3 et que l'Éternel, ton Dieu, nous montre le chemin que nous devons suivre, et ce que nous avons à faire! 4 Jérémie, le prophète, leur dit: J'entends; voici je vais prier l'Éternel, votre Dieu, selon votre demande; et je vous ferai connaître, sans rien vous cacher, tout ce que l'Éternel vous répondra. 5 Et ils dirent à Jérémie: Que l'Éternel soit contre nous un témoin véritable et fidèle, si nous ne faisons pas tout ce que l'Éternel, ton Dieu, te chargera de nous dire! 6 Que ce soit du bien ou du mal, nous obéirons à la voix de l'Éternel, notre Dieu, vers qui nous t'envoyons, afin que nous soyons heureux, si nous obéissons à la voix de l'Éternel, notre Dieu. 7 Dix jours après, la parole de l'Éternel fut adressée à Jérémie. 8 Et Jérémie appela Jochanan, fils de Karéach, tous les chefs des troupes qui étaient avec lui, et tout le peuple, depuis le plus petit jusqu'au plus grand. 9 Il leur dit: Ainsi parle l'Éternel, le Dieu d'Israël, vers qui vous m'avez envoyé, pour que je lui présente vos supplications: 10 Si vous restez dans ce pays, je vous y établirai et je ne vous détruirai pas, je vous planterai et je ne vous arracherai pas; car je me repens du mal que je vous ai fait. 11 Ne craignez pas le roi de Babylone, dont vous avez peur; ne le craignez pas, dit l'Éternel, car je suis avec vous pour vous sauver et vous délivrer de sa main; 12 je lui inspirerai de la compassion pour vous, et il aura pitié de vous, et il vous laissera demeurer dans votre pays. 13 Mais si vous n'obéissez pas à la voix de l'Éternel, votre Dieu, (42:14) et si vous dites: Nous ne resterons pas dans ce pays, 14 non, nous irons au pays d'Égypte, où nous ne verrons point de guerre, où nous n'entendrons pas le son de la trompette, où nous ne manquerons pas de pain, et c'est là que nous habiterons, - 15 alors écoutez la parole de l'Éternel, restes de Juda! Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Si vous tournez le visage pour aller en Égypte, si vous y allez demeurer, 16 l'épée que vous redoutez vous atteindra là au pays d'Égypte, la famine que vous craignez s'attachera à vous là en Égypte, et vous y mourrez. 17 Tous ceux qui tourneront le visage pour aller en Égypte, afin d'y demeurer, mourront par l'épée, par la famine ou par la peste, et nul n'échappera, ne fuira, devant les malheurs que je ferai venir sur eux. 18 Car ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: De même que ma colère et ma fureur se sont répandues sur les habitants de Jérusalem, de même ma fureur se répandra sur vous, si vous allez en Égypte; vous serez un sujet d'exécration, d'épouvante, de malédiction et d'opprobre, et vous ne verrez plus ce lieu. 19 Restes de Juda, l'Éternel vous dit: N'allez pas en Égypte! sachez que je vous le défends aujourd'hui. 20 Vous vous trompez vous-mêmes, car vous m'avez envoyé vers l'Éternel, votre Dieu, en disant: Intercède en notre faveur auprès de l'Éternel, notre Dieu, fais-nous connaître tout ce que l'Éternel, notre Dieu, dira, et nous le ferons. 21 Je vous l'ai déclaré aujourd'hui; mais vous n'écoutez pas la voix de l'Éternel, votre Dieu, ni tout ce qu'il m'a chargé de vous dire. 22 Sachez maintenant que vous mourrez par l'épée, par la famine ou par la peste, dans le lieu où vous voulez aller pour y demeurer. | |