T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 4

1 Raha hiverina ianao, ry Isiraely, hoy Jehovah, dia ho amiko no hiverenanao, ary raha hanaisotra ny fahavetavetanao tsy ho eo imasoko ianao, dia tsy hivezivezy foana,

2 Fa hianiana amin'ny hitsiny sy ny rariny ary ny fahamarinana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia Izy no holazain'ny firenena ho fahasambarany, ary Izy no ho reharehany.

3 [Ny hanjo ny Joda sy Jerosalema, raha tsy mibebaka izy] Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny Joda sy Jerosalema: Hevoy ny tombamborakareo*, fa aza mamafy amin'ny tsilo. [Na: Miasà tany vaovao ho anareo]

4 Miforà ho an'i Jehovah ianareo, eny, forao ny fonareo, ry Joda sy ry mponina any Jerosalema! Fandrao hiseho toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian'ny ataonareo ka hirehitra, sady tsy hisy hamono azy.

5 Ambaraonareo ao amin'ny Joda, ary torio ao Jerosalema, ka ataovy hoe: Tsofy ao amin'ny tany ny anjomara; Miantsoantsoa mafy, ka ataovy hoe: Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra amin'ny tanàna mimanda.

6 Manangàna faneva manandrify an'i Ziona; Mandosira faingana, aza mijanona; Fa Izaho hahatonga loza sy fandringanana be avy any avaratra.

7 Misy liona miakatra avy any anaty kirihitrala, ary ilay mpanimba ny firenena dia efa miainga, efa mivoaka avy amin'ny fitoerany hahafoana ny taninao, ary hahalao ny tanànanao, ka tsy hisy mponina.

8 Ary noho izany dia misikìna lamba fisaonana* ianareo, ka mitomania sy midradradradrà; Fa ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah tsy afaka amintsika.[Heb; lamba malailay]

9 Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho very hevitra ny mpanjaka sy ny lehibe, ary ho kepoka ny mpisorona, sy ho gaga ny mpaminany.

10 Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin'ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; Kanjo mihatra amin'ny aina ny sabatra.

11 Amin'izany andro izany dia holazaina amin'ity firenena ity sy Jerosalema hoe: Hisy rivo-mahamay avy any an-tendrombohitra mangadihady any an-efitra hankamin'ny oloko zanakavavy*, kanefa tsy hikororohana na hanadiovana.[Na: Ny lalàn'ny oloko zanakavavy dia rivotra mahamay, etc]

12 Dia ho tonga avy amiko izay rivotra mahery noho ireny*; Ary ankehitriny Izaho kosa hifandahatra aminy.[Na: Dia ho tonga etỳ amiko ny rivotra mahery izay avy amin'ireny]

13 Indro, avy toy ny rahona izy, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, faingana noho ny voromahery ny soavaliny; Lozantsika! fa lany ringana isika.

14 Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin'ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no hitoeran'ny hevi-dratsinao ao am-ponao?

15 Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin'ny tany havoan'i Efraima,

16 Lazaonareo amin'ny firenena, torio amin'i Jerosalema hoe: Misy mpanao fahirano avy any an-tany lavitra ka manakora hamely ny tanànan'ny Joda.

17 Manodidina azy ireo toy ny fanaon'ny mpiandry saha, fa efa niodina tamiko izy, hoy Jehovah.

18 Ny alehanao sy ny asanao no nahatonga izany taminao; Izany no faharatsianao, eny, mangidy izany sady mihatra amin'ny ainao.

19 Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko*! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangina aho; Fa ny feon'anjomara sy ny akoran'ady dia renao, ry fanahiko.[Heb. Endrey ny rindrin'ny foko!]

20 Fandravana mifanontona no ambara, rava ny tany rehetra; Rava tampoka ny laiko, eny, rava indray mipi-maso monja ny ambain-daiko.

21 Mandra-pahoviana re no mbola hijereko ny faneva sy handrenesako ny feon'anjomara?

22 Fa adala ny oloko, Izaho tsy mba fantany; Zaza tsy misy saina izy sady tsy manam-pahalalana; Raha ny hanao ratsy, dia hendry izy; Fa ny hanao soa kosa tsy fantany.

23 Nojereko ny tany, ka, indro, tsy nisy endrika izy sady foana, ary ny lanitra koa, ka, indro, tsy nanam-pahazavana izy;

24 Nojereko ny tendrombohitra, ka, indro, nihorohoro izy, ary ny havoana rehetra nihozongozona;

25 Nojereko, ka, indro, tsy nisy olona, ary ny voro-manidina rehetra efa nandositra;

26 Nojereko, ka, indro, ny saha mahavokatra* aza efa tonga efitra, ary ny tanànany rehetra dia rava teo anatrehan'i Jehovah, dia teo anoloan'ny firehetan'ny fahatezerany.[Na: karmela]

27 Fa izao no lazain'i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.

28 Noho izany dia hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.

29 Noho ny fihorakoraky ny mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka dia efa mandositra avokoa ny tanàna rehetra; Mitsofoka any anatin'ny kirihitrala* sy mananika ny vatolampy izy; Lao avokoa ny tanàna rehetra, ka tsy misy mponina intsony ao.[Heb. rahona]

30 Ary hanao ahoana ianao, ry ilay rava? Na dia miakanjo jaky aza ianao, na dia miravaka volamena aza ianao, na dia hosoranao loko mainty aza ny masonao, foana ny itadiavanao hahatsara tarehy anao; Hanifika anao ireo lehilahy tia anao, ka ny ainao aza no hotadiaviny.

31 Fa efa nandre feo Aho tahaka ny vehivavy raha miteraka sy fidridridridriana tahaka ny vehivavy izay vao miteraka ny matoany, dia ny feon'i Ziona zanakavavy, izay misefosefo sady mamelatra ny tànany ka manao hoe: Lozako! Fa reraka ny aiko azon'ireo mpamono olona.

Chapitre 4

4:1 “If you will return, Israel,” says Yahweh, “if you will return to me, and if you will put away your abominations out of my sight; then you shall not be removed; 4:2 and you shall swear, ‘As Yahweh lives,’ in truth, in justice, and in righteousness. The nations shall bless themselves in him, and in him shall they glory.”

4:3 For thus says Yahweh to the men of Judah and to Jerusalem, “Break up your fallow ground, and don’t sow among thorns. 4:4 Circumcise yourselves to Yahweh, and take away the foreskins of your heart, you men of Judah and inhabitants of Jerusalem; lest my wrath go forth like fire, and burn so that none can quench it, because of the evil of your doings. 4:5 Declare in Judah, and publish in Jerusalem; and say, ‘Blow the trumpet in the land!’ Cry aloud and say, ‘Assemble yourselves! Let us go into the fortified cities!’ 4:6 Set up a standard toward Zion. Flee for safety! Don’t wait; for I will bring evil from the north, and a great destruction.”

4:7 A lion is gone up from his thicket, and a destroyer of nations; he is on his way, he is gone forth from his place, to make your land desolate, that your cities be laid waste, without inhabitant. 4:8 For this clothe yourself with sackcloth, lament and wail; for the fierce anger of Yahweh hasn’t turned back from us. 4:9 “It shall happen at that day,” says Yahweh, “that the heart of the king shall perish, and the heart of the princes; and the priests shall be astonished, and the prophets shall wonder.”

4:10 Then I said, “Ah, Lord Yahweh! Surely you have greatly deceived this people and Jerusalem, saying, ‘You shall have peace;’ whereas the sword reaches to the heart.”

4:11 At that time shall it be said to this people and to Jerusalem, “A hot wind from the bare heights in the wilderness toward the daughter of my people, not to winnow, nor to cleanse; 4:12 a full wind from these shall come for me. Now I will also utter judgments against them.”

4:13 Behold, he shall come up as clouds, and his chariots shall be as the whirlwind: his horses are swifter than eagles. Woe to us! For we are ruined. 4:14 Jerusalem, wash your heart from wickedness, that you may be saved. How long shall your evil thoughts lodge within you? 4:15 For a voice declares from Dan, and publishes evil from the hills of Ephraim: 4:16 “Tell the nations; behold, publish against Jerusalem, ‘Watchers come from a far country, and raise their voice against the cities of Judah. 4:17 As keepers of a field, they are against her all around, because she has been rebellious against me,’” says Yahweh. 4:18 “Your way and your doings have brought these things to you. This is your wickedness; for it is bitter, for it reaches to your heart.”

4:19 My anguish, my anguish! I am pained at my very heart; my heart is disquieted in me; I can’t hold my peace; because you have heard, O my soul, the sound of the trumpet, the alarm of war. 4:20 Destruction on destruction is cried; for the whole land is laid waste: suddenly are my tents destroyed, and my curtains in a moment. 4:21 How long shall I see the standard, and hear the sound of the trumpet?

4:22 “For my people are foolish, they don’t know me. They are foolish children, and they have no understanding. They are skillful in doing evil, but to do good they have no knowledge.” 4:23 I saw the earth, and, behold, it was waste and void; and the heavens, and they had no light. 4:24 I saw the mountains, and behold, they trembled, and all the hills moved back and forth. 4:25 I saw, and behold, there was no man, and all the birds of the sky had fled. 4:26 I saw, and behold, the fruitful field was a wilderness, and all its cities were broken down at the presence of Yahweh, before his fierce anger. 4:27 For thus says Yahweh, “The whole land shall be a desolation; yet will I not make a full end. 4:28 For this the earth will mourn, and the heavens above be black; because I have spoken it, I have purposed it, and I have not repented, neither will I turn back from it.”

4:29 Every city flees for the noise of the horsemen and archers; they go into the thickets, and climb up on the rocks: every city is forsaken, and not a man dwells therein. 4:30 You, when you are made desolate, what will you do? Though you clothe yourself with scarlet, though you deck you with ornaments of gold, though you enlarge your eyes with paint, in vain do you make yourself beautiful; your lovers despise you, they seek your life. 4:31 For I have heard a voice as of a woman in travail, the anguish as of her who brings forth her first child, the voice of the daughter of Zion, who gasps for breath, who spreads her hands, saying, “Woe is me now! For my soul faints before the murderers.”

Chapitre 4
1 Israël, si tu reviens, si tu reviens à moi, dit l'Éternel, Si tu ôtes tes abominations de devant moi, Tu ne seras plus errant. 2 Si tu jures: L'Éternel est vivant! Avec vérité, avec droiture et avec justice, Alors les nations seront bénies en lui, Et se glorifieront en lui. 3 Car ainsi parle l'Éternel aux hommes de Juda et de Jérusalem: Défrichez-vous un champ nouveau, Et ne semez pas parmi les épines. 4 Circoncisez-vous pour l'Éternel, circoncisez vos coeurs, Hommes de Juda et habitants de Jérusalem, De peur que ma colère n'éclate comme un feu, Et ne s'enflamme, sans qu'on puisse l'éteindre, A cause de la méchanceté de vos actions. 5 Annoncez en Juda, publiez à Jérusalem, Et dites: Sonnez de la trompette dans le pays! Criez à pleine voix, et dites: Rassemblez-vous, et allons dans les villes fortes! 6 Élevez une bannière vers Sion, Fuyez, ne vous arrêtez pas! Car je fais venir du septentrion le malheur Et un grand désastre. 7 Le lion s'élance de son taillis, Le destructeur des nations est en marche, il a quitté son lieu, Pour ravager ton pays; Tes villes seront ruinées, il n'y aura plus d'habitants. 8 C'est pourquoi couvrez-vous de sacs, pleurez et gémissez; Car la colère ardente de l'Éternel ne se détourne pas de nous. 9 En ce jour-là, dit l'Éternel, Le roi et les chefs perdront courage, Les sacrificateurs seront étonnés, Et les prophètes stupéfaits. 10 Je dis: Ah! Seigneur Éternel! Tu as donc trompé ce peuple et Jérusalem, en disant: Vous aurez la paix! Et cependant l'épée menace leur vie. 11 En ce temps-là, il sera dit à ce peuple et à Jérusalem: Un vent brûlant souffle des lieux élevés du désert Sur le chemin de la fille de mon peuple, Non pour vanner ni pour nettoyer le grain. 12 C'est un vent impétueux qui vient de là jusqu'à moi. Maintenant, je prononcerai leur sentence. 13 Voici, le destructeur s'avance comme les nuées; Ses chars sont comme un tourbillon, Ses chevaux sont plus légers que les aigles. -Malheur à nous, car nous sommes détruits! - 14 Purifie ton coeur du mal, Jérusalem, Afin que tu sois sauvée! Jusques à quand garderas-tu dans ton coeur tes pensées iniques? 15 Car une voix qui part de Dan annonce la calamité, Elle la publie depuis la montagne d'Éphraïm. 16 Dites-le aux nations, faites-le connaître à Jérusalem: Des assiégeants viennent d'une terre lointaine; Ils poussent des cris contre les villes de Juda. 17 Comme ceux qui gardent un champ, ils entourent Jérusalem, Car elle s'est révoltée contre moi, dit l'Éternel. 18 C'est là le produit de tes voies et de tes actions, C'est là le produit de ta méchanceté; Certes cela est amer, cela pénètre jusqu'à ton coeur. 19 Mes entrailles! mes entrailles: je souffre au dedans de mon coeur, Le coeur me bat, je ne puis me taire; Car tu entends, mon âme, le son de la trompette, Le cri de guerre. 20 On annonce ruine sur ruine, Car tout le pays est ravagé; Mes tentes sont ravagées tout à coup, Mes pavillons en un instant. 21 Jusques à quand verrai-je la bannière, Et entendrai-je le son de la trompette? - 22 Certainement mon peuple est fou, il ne me connaît pas; Ce sont des enfants insensés, dépourvus d'intelligence; Ils sont habiles pour faire le mal, Mais ils ne savent pas faire le bien. - 23 Je regarde la terre, et voici, elle est informe et vide; Les cieux, et leur lumière a disparu. 24 Je regarde les montagnes, et voici, elles sont ébranlées; Et toutes les collines chancellent. 25 Je regarde, et voici, il n'y a point d'homme; Et tous les oiseaux des cieux ont pris la fuite. 26 Je regarde, et voici, le Carmel est un désert; Et toutes ses villes sont détruites, devant l'Éternel, Devant son ardente colère. 27 Car ainsi parle l'Éternel: Tout le pays sera dévasté; Mais je ne ferai pas une entière destruction. 28 A cause de cela, le pays est en deuil, Et les cieux en haut sont obscurcis; Car je l'ai dit, je l'ai résolu, Et je ne m'en repens pas, je ne me rétracterai pas. 29 Au bruit des cavaliers et des archers, toutes les villes sont en fuite; On entre dans les bois, on monte sur les rochers; Toutes les villes sont abandonnées, il n'y a plus d'habitants. 30 Et toi, dévastée, que vas-tu faire? Tu te revêtiras de cramoisi, tu te pareras d'ornements d'or, Tu mettras du fard à tes yeux; Mais c'est en vain que tu t'embelliras; Tes amants te méprisent, Ils en veulent à ta vie. 31 Car j'entends des cris comme ceux d'une femme en travail, Des cris d'angoisse comme dans un premier enfantement. C'est la voix de la fille de Sion; elle soupire, elle étend les mains: Malheureuse que je suis! je succombe sous les meurtriers!