T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 38 

1 [Ny nitoeran'i Jeremia tao an-davaka sy ny fara fihaonany tamin'i Zedekia] Ary Safatia, zanak'i Matana, sy Gedalia, zanak'i Pasora, sy Jokala, zanak'i Semelia, ary Pasora, zanak'i Malkia, dia nandre ny teny izay efa nolazain'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra nanao hoe:

2 Izao no lazain'i Jehovah: Izay mitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana kosa no ho velona; fa ny ainy no ho babony, ka ho velona izy.

3 Izao no lazain'i Jehovah: Ity tanàna ity dia hatolotra eo an-tànan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa ka ho afany.

4 Dia hoy ny mpanapaka tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka hovonoina ity lehilahy ity; fa mampiraviravy tanana ny miaramila izay sisa amin'ity tanàna ity mbamin'ny olona rehetra izy noho ny nitenenany taminy araka izany teny izany; fa ity lehilahy ity tsy mba mitady izay hiadanan'ity firenena ity, fa izay hahatonga loza aminy kosa.

5 Dia hoy Zedekia mpanjaka: Indro, eo an-tananareo izy; fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakana anareo.

6 Ary naka an'i Jeremia izy ka nandatsaka azy tao amin'ny lavaka famorian-dranon'i Malkia, zanak'andriana, izay tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana; ary nampidininy tamin'ny mahazaka Jeremia. Ary tsy nisy rano tao amin'ny lavaka, fa fotaka fotsiny ihany, ka dia nilentika tamin'ny fotaka Jeremia.

7 Ary Ebeda-meleka Etiopiana, tandapa anankiray tao amin'ny tranon'ny mpanjaka, raha nandre ny nandatsahany an'i Jeremia tao amin'ny lavaka (nipetraka teo amin'ny vavahadin'ny Benjamina ny mpanjaka androtr'iny),

8 dia nivoaka avy tao an-tranon'ny mpanjaka izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe:

9 Ry tompokolahy mpanjaka, ratsy avokoa izay rehetra nataon'ity firenena ity tamin'i Jeremia mpaminany, fa nataony tao an-davaka izy ka ho faty mosary ao amin'izay itoerany, satria tsy misy mofo intsony ato an-tanàna.

10 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Ebeda-meleta Etiopiana hoe: Mitondrà telo-polo lahy hiaraka aminao hampakatra an'i Jeremia mpaminany hiala ao anaty lavaka, dieny tsy mbola maty izy.

11 Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka eo ambanin'ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin'ny mahazaka ho ao amin'ny lavaka izany ho ao amin'i Jeremia.

12 Dia hoy Ebeda-meleka Etiopiana tamin'i Jeremia: Ataovy eo ambanin'ny helikao ireto lamba rovitra sy vorodamba ireto ho efitry ny mahazaka, dia nataon'i Jeremia izany;

13 ka dia nosintoniny tamin'ny mahazaka Jeremia ka nakariny avy tao anaty lavaka, ary dia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana izy.

14 Ary Zedekia mpanjaka naniraka naka an'i Jeremia mpaminany hankao aminy tao amin'ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon'i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: Hanontany zavatra kely aminao aho, ka aza anafenana.

15 Ary hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Raha ambarako anao, dia tsy hovonoinao tokoa va re aho? Fa na dia omeko saina aza ianao, dia tsy hihaino ahy tsinona.

16 Ary Zedekia mpanjaka nianiana mangingina tamin'i Jeremia nanao hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nanao izao fanahintsika izao, dia tsy hamono anao tokoa aho, na hanolotra anao eo an-tànan'ireto olona mitady ny ainao ireto.

17 Dia hoy Jeremia tamin'i Zedekia: Izao ary no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona tokoa ianao, dia ho velona ny ainao, sady tsy hodorana amin'ny afo ity tanàna ity, fa ho velona ianao sy ny mpianakavinao;

18 fa raha tsy mivoaka hanatona ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona kosa ianao, dia hatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity, sady hodorany amin'ny afo izy, ary tsy ho afa-mandositra ny tànany ianao.

19 Ary hoy Zedekia mpanjaka tamin'i Jeremia: Matahotra ny Jiosy izay efa nanatona ny Kaldeana aho, fandrao hatolony eo an-tànany aho ka hataony fihomehezana.

20 Fa hoy Jeremia: Tsy hanolotra anao izy tsy akory. Trarantitra ianao, ankatoavy ny tenin'i Jehovah, izay lazaiko aminao, mba hahita soa ianao, ka ho velona ny ainao.

21 Fa raha tsy mety mivoaka kosa ianao, dia izao no teny efa nasehon'i Jehovah ahy:

22 Indreo, ny vehivavy rehetra izay sisa ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho entina mivoaka ho any amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo vehivavy ireo dia hanao hoe: Ireo sakaizanao no nitaona anao sady naharesy anao; Ary latsaka tao amin'ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nihemotra ianao.

23 Ny vadinao rehetra sy ny zanakao dia ho entina mivoaka ho any amin'ny Kaldeana; ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho azon'ny tanan'ny mpanjakan'i Babylona; ary noho ianao no handoroana ity tanàna ity amin'ny afo.

24 Dia hoy Zedekia tamin'i Jeremia: Aoka tsy ho ren'olona ary izany teny izany, mba tsy ho faty ianao.

25 Fa raha ren'ny mpanapaka fa niresaka taminao aho, ary tonga aminao izy ka manao aminao hoe: Ambarao aminay ankehitriny izay nolazainao tamin'ny mpanjaka, aza afenina anay, fa tsy hamono anao izahay; ary ambarao koa izay nolazain'ny mpanjaka taminao;

26 dia ataovy aminy hoe: Noborahina teo anatrehan'ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin'ny tranon'i Jonatana.

27 Ary nankany amin'i Jeremia ny mpanapaka rehetra ka nanontany azy; dia nolazainy taminy araka izay teny rehetra nandidian'ny mpanjaka azy. Ary tsy niresaka taminy intsony ireo, ka dia tsy re ny raharaha.

28 Ary Jeremia nitoetra teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana mandra-pahatongan'ny andro nanafahana an'i Jerosalema.

 

Chapitre 38

38:1 Shephatiah the son of Mattan, and Gedaliah the son of Pashhur, and Jucal the son of Shelemiah, and Pashhur the son of Malchijah, heard the words that Jeremiah spoke to all the people, saying, 38:2 Thus says Yahweh, He who remains in this city shall die by the sword, by the famine, and by the pestilence; but he who goes forth to the Chaldeans shall live, and his life shall be to him for a prey, and he shall live. 38:3 Thus says Yahweh, This city shall surely be given into the hand of the army of the king of Babylon, and he shall take it. 38:4 Then the princes said to the king, “Please let this man be put to death; because he weakens the hands of the men of war who remain in this city, and the hands of all the people, in speaking such words to them: for this man doesn’t seek the welfare of this people, but the hurt.” 38:5 Zedekiah the king said, Behold, he is in your hand; for the king is not he who can do anything against you. 38:6 Then took they Jeremiah, and cast him into the dungeon of Malchijah the king’s son, that was in the court of the guard: and they let down Jeremiah with cords. In the dungeon there was no water, but mire; and Jeremiah sank in the mire. 38:7 Now when Ebedmelech the Ethiopian, a eunuch, who was in the king’s house, heard that they had put Jeremiah in the dungeon (the king then sitting in the gate of Benjamin), 38:8 Ebedmelech went forth out of the king’s house, and spoke to the king, saying, 38:9 My lord the king, these men have done evil in all that they have done to Jeremiah the prophet, whom they have cast into the dungeon; and he is likely to die in the place where he is, because of the famine; for there is no more bread in the city. 38:10 Then the king commanded Ebedmelech the Ethiopian, saying, Take from here thirty men with you, and take up Jeremiah the prophet out of the dungeon, before he dies. 38:11 So Ebedmelech took the men with him, and went into the house of the king under the treasury, and took there rags and worn-out garments, and let them down by cords into the dungeon to Jeremiah. 38:12 Ebedmelech the Ethiopian said to Jeremiah, Put now these rags and worn-out garments under your armpits under the cords. Jeremiah did so. 38:13 So they drew up Jeremiah with the cords, and took him up out of the dungeon: and Jeremiah remained in the court of the guard. 38:14 Then Zedekiah the king sent, and took Jeremiah the prophet to him into the third entry that is in the house of Yahweh: and the king said to Jeremiah, I will ask you something. Hide nothing from me. 38:15 Then Jeremiah said to Zedekiah, If I declare it to you, will you not surely put me to death? and if I give you counsel, you will not listen to me. 38:16 So Zedekiah the king swore secretly to Jeremiah, saying, As Yahweh lives, who made us this soul, I will not put you to death, neither will I give you into the hand of these men who seek your life. 38:17 Then Jeremiah said to Zedekiah, Thus says Yahweh, the God of Armies, the God of Israel: If you will go forth to the king of Babylon’s princes, then your soul shall live, and this city shall not be burned with fire; and you shall live, and your house. 38:18 But if you will not go forth to the king of Babylon’s princes, then shall this city be given into the hand of the Chaldeans, and they shall burn it with fire, and you shall not escape out of their hand. 38:19 Zedekiah the king said to Jeremiah, I am afraid of the Jews who are fallen away to the Chaldeans, lest they deliver me into their hand, and they mock me. 38:20 But Jeremiah said, They shall not deliver you. Obey, I beg you, the voice of Yahweh, in that which I speak to you: so it shall be well with you, and your soul shall live. 38:21 But if you refuse to go forth, this is the word that Yahweh has shown me: 38:22 behold, all the women who are left in the king of Judah’s house shall be brought forth to the king of Babylon’s princes, and those women shall say, Your familiar friends have set you on, and have prevailed over you. Your feet are sunk in the mire, they have turned away back. 38:23 They shall bring out all your wives and your children to the Chaldeans; and you shall not escape out of their hand, but shall be taken by the hand of the king of Babylon: and you shall cause this city to be burned with fire. 38:24 Then Zedekiah said to Jeremiah, Let no man know of these words, and you shall not die. 38:25 But if the princes hear that I have talked with you, and they come to you, and tell you, Declare to us now what you have said to the king; don’t hide it from us, and we will not put you to death; also what the king said to you: 38:26 then you shall tell them, I presented my supplication before the king, that he would not cause me to return to Jonathan’s house, to die there. 38:27 Then came all the princes to Jeremiah, and asked him; and he told them according to all these words that the king had commanded. So they left off speaking with him; for the matter was not perceived. 38:28 So Jeremiah stayed in the court of the guard until the day that Jerusalem was taken.

 

Chapitre 38
1 Schephathia, fils de Matthan, Guedalia, fils de Paschhur, Jucal, fils de Schélémia, et Paschhur, fils de Malkija, entendirent les paroles que Jérémie adressait à tout le peuple, en disant: 2 Ainsi parle l'Éternel: Celui qui restera dans cette ville mourra par l'épée, par la famine ou par la peste; mais celui qui sortira pour se rendre aux Chaldéens, aura la vie sauve, sa vie sera son butin, et il vivra. 3 Ainsi parle l'Éternel: Cette ville sera livrée à l'armée du roi de Babylone, qui la prendra. 4 Et les chefs dirent au roi: Que cet homme soit mis à mort! car il décourage les hommes de guerre qui restent dans cette ville, et tout le peuple, en leur tenant de pareils discours; cet homme ne cherche pas le bien de ce peuple, il ne veut que son malheur. 5 Le roi Sédécias répondit: Voici, il est entre vos mains; car le roi ne peut rien contre vous. 6 Alors ils prirent Jérémie, et le jetèrent dans la citerne de Malkija, fils du roi, laquelle se trouvait dans la cour de la prison; ils descendirent Jérémie avec des cordes. Il n'y avait point d'eau dans la citerne, mais il y avait de la boue; et Jérémie enfonça dans la boue. 7 Ébed-Mélec, l'Éthiopien, eunuque qui était dans la maison du roi, apprit qu'on avait mis Jérémie dans la citerne. Le roi était assis à la porte de Benjamin. 8 Ébed-Mélec sortit de la maison du roi, et parla ainsi au roi: 9 O roi, mon seigneur, ces hommes ont mal agi en traitant de la sorte Jérémie, le prophète, en le jetant dans la citerne; il mourra de faim là où il est, car il n'y a plus de pain dans la ville. 10 Le roi donna cet ordre à Ébed-Mélec, l'Éthiopien: Prends ici trente hommes avec toi, et tu retireras de la citerne Jérémie, le prophète, avant qu'il ne meure. 11 Ébed-Mélec prit avec lui les hommes, et se rendit à la maison du roi, dans un lieu au-dessous du trésor; il en sortit des lambeaux usés et de vieux haillons, et les descendit à Jérémie dans la citerne, avec des cordes. 12 Ébed-Mélec, l'Éthiopien, dit à Jérémie: Mets ces lambeaux usés et ces haillons sous tes aisselles, sous les cordes. Et Jérémie fit ainsi. 13 Ils tirèrent Jérémie avec les cordes, et le firent monter hors de la citerne. Jérémie resta dans la cour de la prison. 14 Le roi Sédécias envoya chercher Jérémie, le prophète, et le fit venir auprès de lui dans la troisième entrée de la maison de l'Éternel. Et le roi dit à Jérémie: J'ai une chose à te demander; ne me cache rien. 15 Jérémie répondit à Sédécias: Si je te la dis, ne me feras-tu pas mourir? Et si je te donne un conseil, tu ne m'écouteras pas. 16 Le roi Sédécias jura secrètement à Jérémie, en disant: L'Éternel est vivant, lui qui nous a donné la vie! je ne te ferai pas mourir, et je ne te livrerai pas entre les mains de ces hommes qui en veulent à ta vie. 17 Jérémie dit alors à Sédécias: Ainsi parle l'Éternel, le Dieu des armées, le Dieu d'Israël: Si tu vas te rendre aux chefs du roi de Babylone, tu auras la vie sauve, et cette ville ne sera pas brûlée par le feu; tu vivras, toi et ta maison. 18 Mais si tu ne te rends pas aux chefs du roi de Babylone, cette ville sera livrée entre les mains des Chaldéens, qui la brûleront par le feu; et toi, tu n'échapperas pas à leurs mains. 19 Le roi Sédécias dit à Jérémie: Je crains les Juifs qui ont passé aux Chaldéens; je crains qu'on ne me livre entre leurs mains, et qu'ils ne m'outragent. 20 Jérémie répondit: On ne te livrera pas. Écoute la voix de l'Éternel dans ce que je te dis; tu t'en trouveras bien, et tu auras la vie sauve. 21 Mais si tu refuses de sortir, voici ce que l'Éternel m'a révélé: 22 Toutes les femmes qui restent dans la maison du roi de Juda seront menées aux chefs du roi de Babylone, et elles diront: Tu as été trompé, dominé, par ceux qui t'annonçaient la paix; et quand tes pieds sont enfoncés dans la boue, ils se retirent. 23 Toutes tes femmes et tes enfants seront menés aux Chaldéens; et toi, tu n'échapperas pas à leurs mains, tu seras saisi par la main du roi de Babylone, et cette ville sera brûlée par le feu. 24 Sédécias dit à Jérémie: Que personne ne sache rien de ces discours, et tu ne mourras pas. 25 Si les chefs apprennent que je t'ai parlé, et s'ils viennent te dire: Rapporte-nous ce que tu as dit au roi, et ce que le roi t'a dit, ne nous cache rien, et nous ne te ferons pas mourir, - 26 tu leur répondras: J'ai supplié le roi de ne pas me renvoyer dans la maison de Jonathan, de peur que je n'y meure. 27 Tous les chefs vinrent auprès de Jérémie et le questionnèrent. Il leur répondit entièrement comme le roi l'avait ordonné. Ils gardèrent alors le silence et se retirèrent, car la chose ne s'était pas répandue. 28 Jérémie resta dans la cour de la prison jusqu'au jour de la prise de Jérusalem. (39:1) Lorsque Jérusalem fut prise,