T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 37

1 [Ny nangatahan'i Zedekia an'i Jeremia hivavaka ho azy, sy ny teny navalin'i Jeremia azy, ary ny nanaovana an'i Jeremia tao an-tranomaizina] Ary Zedekia mpanjaka, zanak'i Josia, dia nanjaka nandimby an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, fa nampanjakain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao amin'ny tanin'ny Joda izy;

2 nefa na izy, na ny mpanompony, na ny vahoaka, dia samy tsy nihaino ny tenin'i Jehovah, izay nampilazainy an'i Jeremia mpaminany.

3 Ary Zedekia mpanjaka naniraka an'i Jehokala, zanak'i Selemia, sy Zefania, zanak'i Mahaseia, mpisorona, ho any amin'i Jeremia mpaminany hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay.

4 Ary Jeremia mbola niditra sy nivoaka teo amin'ny olona ihany; fa tsy mbola nataony tao an-trano-maizina izy.

5 Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan'i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an'i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.

6 Dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny tenin'i Jehovah hoe:

7 Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no lazaonareo amin'ny mpanjakan'ny Joda, izay naniraka anareo hankatỳ amiko hanontany amiko: Indro, ny miaramilan'i Farao, izay efa niainga hamonjy anareo, dia hiverina ho any Egypta taniny;

8 fa ho avy indray ny Kaldeana ka hamely ity tanana ity sady hanafaka azy sy handoro azy amin'ny afo.

9 Izao no lazain'i Jehovah: Aza mamita-tena foana ianareo ka manao hoe: Hiala amintsika tokoa ny Kaldeana; fa tsy hiala izy tsy akory.

10 Fa na dia mamely ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra izay miady aminareo aza ianareo, ka izay voalefona no ho sisa velona, ireo aza dia samy hitsangana avy ao anaty lainy ka handoro ity tanàna ity amin'ny afo.

11 Ary raha niala tany Jerosalema ny miaramilan'ny Kaldeana noho ny amin'ny miaramilan'i Farao,

12 dia nivoaka Jeremia avy tao Jerosalema hankany amin'ny tanin'ny Benjamina mba handray izay anjarany eo amin'ny vahoaka.

13 Ary raha tonga teo am-bavahadin'i Benjamina izy, dia, indro, ny kapitenin'ny mpiambina, atao hoe Jiria, zanak'i Selemia, zanak'i Hanania, no teo; dia nisambotra an'i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: Miray tetika amin'ny Kaldeana ianao.

14 Fa hoy Jeremia: Lainga izany. Tsy miray tetika amin'ny Kaldeana aho. Nefa tsy nino azy ireo, ka dia nosamborin'i Jiria ihany Jeremia ary nentiny ho ao amin'ny mpanapaka.

15 Ary tezitra tamin'i Jeremia ny mpanapaka ka nikapoka azy, dia nandatsaka azy tao an-trano-maizina tao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra; fa izany no nataony trano-maizina.

16 Ary nony tafiditra tao an-trano-maizina, tao amin'ilay niefitrefitra, Jeremia, ka efa nitoetra tao andro maro,

17 dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin'i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ianao.

18 Ary hoy koa Jeremia tamin'i Zedekia mpanjaka: Inona no ratsy nataoko taminao, na tamin'ny mpanomponao, na tamin'ity firenena ity, no dia nataonareo tao an-trano-maizina aho?

19 Aiza moa ireo mpaminaninareo, izay naminany taminareo hoe: Tsy ho avy hiady aminareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan'i Babylona?

20 Koa trarantitra ianao, ry tompokolahy mpanjaka, henoy kely ange! aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonako, ka aza averina ho ao amin'ny tranon'i Jonatana mpanoratra aho, fandrao dia maty ao.

21 Dia nasain'i Zedekia mpanjaka nataony teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana Jeremia, ka nasainy nomena mofo iray isan'andro isan'andro avy any amin'ny fitoeran'ny mpanao mofo izy, ambara-pahalanin'ny mofo rehetra tao an-tanàna. Toy izany no nitoeran'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana.

 

Chapitre 37

37:1 Zedekiah the son of Josiah reigned as king, instead of Coniah the son of Jehoiakim, whom Nebuchadnezzar king of Babylon made king in the land of Judah. 37:2 But neither he, nor his servants, nor the people of the land, listened to the words of Yahweh, which he spoke by the prophet Jeremiah. 37:3 Zedekiah the king sent Jehucal the son of Shelemiah, and Zephaniah the son of Maaseiah, the priest, to the prophet Jeremiah, saying, Pray now to Yahweh our God for us. 37:4 Now Jeremiah came in and went out among the people; for they had not put him into prison. 37:5 Pharaoh’s army had come forth out of Egypt; and when the Chaldeans who were besieging Jerusalem heard news of them, they broke up from Jerusalem. 37:6 Then came the word of Yahweh to the prophet Jeremiah, saying, 37:7 Thus says Yahweh, the God of Israel, You shall tell the king of Judah, who sent you to me to inquire of me: Behold, Pharaoh’s army, which has come forth to help you, shall return to Egypt into their own land. 37:8 The Chaldeans shall come again, and fight against this city; and they shall take it, and burn it with fire. 37:9 Thus says Yahweh, Don’t deceive yourselves, saying, The Chaldeans shall surely depart from us; for they shall not depart. 37:10 For though you had struck the whole army of the Chaldeans who fight against you, and there remained but wounded men among them, yes would they rise up every man in his tent, and burn this city with fire. 37:11 It happened that, when the army of the Chaldeans was broken up from Jerusalem for fear of Pharaoh’s army, 37:12 then Jeremiah went forth out of Jerusalem to go into the land of Benjamin, to receive his portion there, in the midst of the people. 37:13 When he was in the gate of Benjamin, a captain of the guard was there, whose name was Irijah, the son of Shelemiah, the son of Hananiah; and he laid hold on Jeremiah the prophet, saying, You are falling away to the Chaldeans. 37:14 Then Jeremiah said, It is false; I am not falling away to the Chaldeans. But he didn’t listen to him; so Irijah laid hold on Jeremiah, and brought him to the princes. 37:15 The princes were angry with Jeremiah, and struck him, and put him in prison in the house of Jonathan the scribe; for they had made that the prison. 37:16 When Jeremiah had come into the dungeon house, and into the cells, and Jeremiah had remained there many days; 37:17 Then Zedekiah the king sent, and fetched him: and the king asked him secretly in his house, and said, Is there any word from Yahweh? Jeremiah said, There is. He said also, You shall be delivered into the hand of the king of Babylon. 37:18 Moreover Jeremiah said to king Zedekiah, Wherein have I sinned against you, or against your servants, or against this people, that you have put me in prison? 37:19 Where now are your prophets who prophesied to you, saying, The king of Babylon shall not come against you, nor against this land? 37:20 Now please hear, my lord the king: please let my supplication be presented before you, that you not cause me to return to the house of Jonathan the scribe, lest I die there. 37:21 Then Zedekiah the king commanded, and they committed Jeremiah into the court of the guard; and they gave him daily a loaf of bread out of the bakers’ street, until all the bread in the city was spent. Thus Jeremiah remained in the court of the guard.

 

Chapitre 37
1 Sédécias, fils de Josias, régna à la place de Jeconia, fils de Jojakim, et fut établi roi dans le pays de Juda par Nebucadnetsar, roi de Babylone. 2 Ni lui, ni ses serviteurs, ni le peuple du pays, n'écoutèrent les paroles que l'Éternel prononça par Jérémie, le prophète. 3 Le roi Sédécias envoya Jucal, fils de Schélémia, et Sophonie, fils de Maaséja, le sacrificateur, vers Jérémie, le prophète, pour lui dire: Intercède en notre faveur auprès de l'Éternel, notre Dieu. 4 Or Jérémie allait et venait parmi le peuple; on ne l'avait pas encore mis en prison. 5 L'armée de Pharaon était sortie d'Égypte; et les Chaldéens, qui assiégeaient Jérusalem, ayant appris cette nouvelle, s'étaient retirés de Jérusalem. 6 Alors la parole de l'Éternel fut adressée à Jérémie, le prophète, en ces mots: 7 Ainsi parle l'Éternel, le Dieu d'Israël: Vous direz au roi de Juda, qui vous a envoyés vers moi pour me consulter: Voici, l'armée de Pharaon, qui était en marche pour vous secourir, retourne dans son pays, en Égypte; 8 et les Chaldéens reviendront, ils attaqueront cette ville, ils la prendront, et la brûleront par le feu. 9 Ainsi parle l'Éternel: Ne vous faites pas d'illusion, en disant: Les Chaldéens s'en iront loin de nous! Car ils ne s'en iront pas. 10 Et même quand vous battriez toute l'armée des Chaldéens qui vous font la guerre, quand il ne resterait d'eux que des hommes blessés, ils se relèveraient chacun dans sa tente, et brûleraient cette ville par le feu. 11 Pendant que l'armée des Chaldéens s'était éloignée de Jérusalem, à cause de l'armée de Pharaon, 12 Jérémie voulut sortir de Jérusalem, pour aller dans le pays de Benjamin et s'échapper du milieu du peuple. 13 Lorsqu'il fut à la porte de Benjamin, le commandant de la garde, nommé Jireija, fils de Schélémia, fils de Hanania, se trouvait là, et il saisit Jérémie, le prophète, en disant: Tu passes aux Chaldéens! 14 Jérémie répondit: C'est faux! je ne passe pas aux Chaldéens. Mais Jireija ne l'écouta point; il arrêta Jérémie, et le conduisit devant les chefs. 15 Les chefs, irrités contre Jérémie, le frappèrent, et le mirent en prison dans la maison de Jonathan, le secrétaire; car ils en avaient fait une prison. 16 Ce fut ainsi que Jérémie entra dans la prison et dans les cachots, où il resta longtemps. 17 Le roi Sédécias l'envoya chercher, et l'interrogea secrètement dans sa maison. Il dit: Y a-t-il une parole de la part de l'Éternel? Jérémie répondit: Oui. Et il ajouta: Tu seras livré entre les mains du roi de Babylone. 18 Jérémie dit encore au roi Sédécias: En quoi ai-je péché contre toi, contre tes serviteurs, et contre ce peuple, pour que vous m'ayez mis en prison? 19 Et où sont vos prophètes qui vous prophétisaient, en disant: Le roi de Babylone ne viendra pas contre vous, ni contre ce pays? 20 Maintenant, écoute, je te prie, ô roi, mon seigneur, et que mes supplications soient favorablement reçues devant toi! Ne me renvoie pas dans la maison de Jonathan, le secrétaire, de peur que je n'y meure! 21 Le roi Sédécias ordonna qu'on gardât Jérémie dans la cour de la prison, et qu'on lui donnât chaque jour un pain de la rue des boulangers, jusqu'à ce que tout le pain de la ville fût consommé. Ainsi Jérémie demeura dans la cour de la prison.