| Chapitre 36 1 [Ny nanoratana ny tenin'i Jeremia, sy ny namakiana azy teo an-kianjan'ny tempoly] Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah izao teny izao hoe: 2 Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin'izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin'ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin'ny andro nilazako taminao dia hatramin'ny andron'i Josia ka mandraka androany. 3 Angamba hoheverin*'ny taranak'i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.[Heb. hohenoin'] 4 Ary Jeremia niantso an'i Baroka, zanak'i Neria, ary dia nosoratan'i Baroka tamin'ny horonan-taratasy ny tenin'i Jehovah rehetra avy tamin'ny vavan'i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy. 5 Ary Jeremia nandidy an'i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon'i Jehovah; 6 fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan'ny vahoaka ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro fifadiankanina ny tenin'i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin'ny vavako, ary vakio eo anatrehan'ny Joda rehetra izay tonga avy any amin'ny tanànany koa. 7 Fa angamba ny fifonany hoborahina* eo anatrehan'i Jehovah, ka dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain'i Jehovah ny amin'ity firenena ity.[Heb. hiankohoka] 8 Ary Baroka, zanak'i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin'i Jehovah tamin'ny taratasy teo an-tranon'i Jehovah. 9 Fa tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona fahadimy manjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan'i Jehovah izy tamin'ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin'ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin'ny tanànan'ny Joda. 10 Dia novakin'i Baroka teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah ny tenin'i Jeremia tamin'ny taratasy, dia tao amin'ny efi-tranon'i Gemaria, zanak'i Safana mpanoratra, teo amin'ny kianja ambony, teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'i Jehovah. 11 Ary nony ren'i Mikaia, zanak'i Gemaria, zanak'i Safana, ny tenin'i Jehovah rehetra tamin'ny boky, 12 dia nidina nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka izy ka nankao amin'ny efi-tranon'ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak'i Semaia, sy Elnatana zanak'i Akbora, sy Gemaria, zanak'i Safana, sy Zedekia, zanak'i Hanania, mbamin'ny mpanapaka rehetra. 13 Dia nambaran'i Mikaia azy ny teny rehetra izay efa reny tamin'ny namakian'i Baroka ny taratasy teo anatrehan'ny vahoaka. 14 Dia nirahin'ny mpanapaka rehetra Jehody, zanak'i Netania, zanak'i Selemia, zanak'i Kosy, ho any amin'i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan'ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia nentin'i Baroka, zanak'i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy. 15 Ary hoy izy Ireo taminy: Mipetraha ary, ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin'i Baroka teo anatrehany. 16 Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin'i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin'ny mpanjaka izany teny rehetra izany. 17 Ary Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin'ny vavany. 18 Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin'ny ranomainty. 19 Dia hoy ny mpanapaka tamin'i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo. 20 Dia niditra tao amin'ny mpanjaka tao amin'ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan'ny mpanjaka ny teny rehetra. 21 Ary nirahin'ny mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin'i Jehody teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka izany. 22 Ary ny mpanjaka nipetraka tao an-trano ririnina tamin'ny volana fahasivy, sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany. 23 Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon'ny afo azy rehetra teo am-patana. 24 Nefa ny natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany. 25 Ary na dia efa nifona tamin'ny mpanjaka aza Elnatana sy Delaia ary Gemaria, mba tsy handoro ny horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy. 26 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Jeremeia, zanak'andriana, sy Seraia, zanak'i Azriela, ary Selemia, zanak'i Abdela, hisambotra an'i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa nafenin'i Jehovah izy roa lahy. 27 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, taorian'ny nandoroan'ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan'i Baroka avy tamin'ny vavan'i Jeremia, nanao hoe: 28 Makà horonan-taratasy hafa koa indray ianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin'ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda. 29 Ary ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin'iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin'ny biby eto? 30 Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian'ny hainandro amin'ny antoandro ary ny fanala amin'ny alina. 31 Ary hampijaliko izy mbamin'ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy amin'ny mponina any Jerosalema ary amin'ny lehilahy amin'ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny. 32 Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an'i Baroka mpanoratra, zanak'i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin'ny vavan'i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin'ilay horonan-taratasy nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza. | | Chapitre 36 36:1 It happened in the fourth year of Jehoiakim the son of Josiah, king of Judah, that this word came to Jeremiah from Yahweh, saying, 36:2 Take a scroll of a book, and write therein all the words that I have spoken to you against Israel, and against Judah, and against all the nations, from the day I spoke to you, from the days of Josiah, even to this day. 36:3 It may be that the house of Judah will hear all the evil which I purpose to do to them; that they may return every man from his evil way; that I may forgive their iniquity and their sin. 36:4 Then Jeremiah called Baruch the son of Neriah; and Baruch wrote from the mouth of Jeremiah all the words of Yahweh, which he had spoken to him, on a scroll of a book. 36:5 Jeremiah commanded Baruch, saying, I am shut up; I can’t go into the house of Yahweh: 36:6 therefore you go, and read in the scroll, which you have written from my mouth, the words of Yahweh in the ears of the people in Yahweh’s house on the fast day; and also you shall read them in the ears of all Judah who come out of their cities. 36:7 It may be they will present their supplication before Yahweh, and will return everyone from his evil way; for great is the anger and the wrath that Yahweh has pronounced against this people. 36:8 Baruch the son of Neriah did according to all that Jeremiah the prophet commanded him, reading in the book the words of Yahweh in Yahweh’s house. 36:9 Now it happened in the fifth year of Jehoiakim the son of Josiah, king of Judah, in the ninth month, that all the people in Jerusalem, and all the people who came from the cities of Judah to Jerusalem, proclaimed a fast before Yahweh. 36:10 Then read Baruch in the book the words of Jeremiah in the house of Yahweh, in the room of Gemariah the son of Shaphan, the scribe, in the upper court, at the entry of the new gate of Yahweh’s house, in the ears of all the people. 36:11 When Micaiah the son of Gemariah, the son of Shaphan, had heard out of the book all the words of Yahweh, 36:12 he went down into the king’s house, into the scribe’s room: and behold, all the princes were sitting there, Elishama the scribe, and Delaiah the son of Shemaiah, and Elnathan the son of Achbor, and Gemariah the son of Shaphan, and Zedekiah the son of Hananiah, and all the princes. 36:13 Then Micaiah declared to them all the words that he had heard, when Baruch read the book in the ears of the people. 36:14 Therefore all the princes sent Jehudi the son of Nethaniah, the son of Shelemiah, the son of Cushi, to Baruch, saying, Take in your hand the scroll in which you have read in the ears of the people, and come. So Baruch the son of Neriah took the scroll in his hand, and came to them. 36:15 They said to him, Sit down now, and read it in our ears. So Baruch read it in their ears. 36:16 Now it happened, when they had heard all the words, they turned in fear one toward another, and said to Baruch, We will surely tell the king of all these words. 36:17 They asked Baruch, saying, Tell us now, How did you write all these words at his mouth? 36:18 Then Baruch answered them, He pronounced all these words to me with his mouth, and I wrote them with ink in the book. 36:19 Then the princes said to Baruch, Go, hide, you and Jeremiah; and let no man know where you are. 36:20 They went in to the king into the court; but they had laid up the scroll in the room of Elishama the scribe; and they told all the words in the ears of the king. 36:21 So the king sent Jehudi to get the scroll; and he took it out of the room of Elishama the scribe. Jehudi read it in the ears of the king, and in the ears of all the princes who stood beside the king. 36:22 Now the king was sitting in the winter house in the ninth month: and there was a fire in the brazier burning before him. 36:23 It happened, when Jehudi had read three or four leaves, that the king cut it with the penknife, and cast it into the fire that was in the brazier, until all the scroll was consumed in the fire that was in the brazier. 36:24 They were not afraid, nor tore their garments, neither the king, nor any of his servants who heard all these words. 36:25 Moreover Elnathan and Delaiah and Gemariah had made intercession to the king that he would not burn the scroll; but he would not hear them. 36:26 The king commanded Jerahmeel the king’s son, and Seraiah the son of Azriel, and Shelemiah the son of Abdeel, to take Baruch the scribe and Jeremiah the prophet; but Yahweh hid them. 36:27 Then the word of Yahweh came to Jeremiah, after that the king had burned the scroll, and the words which Baruch wrote at the mouth of Jeremiah, saying, 36:28 Take again another scroll, and write in it all the former words that were in the first scroll, which Jehoiakim the king of Judah has burned. 36:29 Concerning Jehoiakim king of Judah you shall say, Thus says Yahweh: You have burned this scroll, saying, Why have you written therein, saying, The king of Babylon shall certainly come and destroy this land, and shall cause to cease from there man and animal? 36:30 Therefore thus says Yahweh concerning Jehoiakim king of Judah: He shall have none to sit on the throne of David; and his dead body shall be cast out in the day to the heat, and in the night to the frost. 36:31 I will punish him and his seed and his servants for their iniquity; and I will bring on them, and on the inhabitants of Jerusalem, and on the men of Judah, all the evil that I have pronounced against them, but they didn’t listen. 36:32 Then took Jeremiah another scroll, and gave it to Baruch the scribe, the son of Neriah, who wrote therein from the mouth of Jeremiah all the words of the book which Jehoiakim king of Judah had burned in the fire; and there were added besides to them many like words. | | Chapitre 36 1 La quatrième année de Jojakim, fils de Josias, roi de Juda, cette parole fut adressée à Jérémie de la part de l'Éternel, en ces mots: 2 Prends un livre, et tu y écriras toutes les paroles que je t'ai dites sur Israël et sur Juda, et sur toutes les nations, depuis le jour où je t'ai parlé, au temps de Josias, jusqu'à ce jour. 3 Quand la maison de Juda entendra tout le mal que je pense lui faire, peut-être reviendront-ils chacun de leur mauvaise voie; alors je pardonnerai leur iniquité et leur péché. 4 Jérémie appela Baruc, fils de Nérija; et Baruc écrivit dans un livre, sous la dictée de Jérémie, toutes les paroles que l'Éternel avait dites à Jérémie. 5 Puis Jérémie donna cet ordre à Baruc: Je suis retenu, et je ne peux pas aller à la maison de l'Éternel. 6 Tu iras toi-même, et tu liras dans le livre que tu as écrit sous ma dictée les paroles de l'Éternel, aux oreilles du peuple, dans la maison de l'Éternel, le jour du jeûne; tu les liras aussi aux oreilles de tous ceux de Juda qui seront venus de leurs villes. 7 Peut-être l'Éternel écoutera-t-il leurs supplications, et reviendront ils chacun de leur mauvaise voie; car grande est la colère, la fureur dont l'Éternel a menacé ce peuple. 8 Baruc, fils de Nérija, fit tout ce que lui avait ordonné Jérémie, le prophète, et lut dans le livre les paroles de l'Éternel, dans la maison de l'Éternel. 9 La cinquième année de Jojakim, fils de Josias, roi de Juda, le neuvième mois, on publia un jeûne devant l'Éternel pour tout le peuple de Jérusalem et pour tout le peuple venu des villes de Juda à Jérusalem. 10 Et Baruc lut dans le livre les paroles de Jérémie, aux oreilles de tout le peuple, dans la maison de l'Éternel, dans la chambre de Guemaria, fils de Schaphan, le secrétaire, dans le parvis supérieur, à l'entrée de la porte neuve de la maison de l'Éternel. 11 Michée, fils de Guemaria, fils de Schaphan, ayant entendu toutes les paroles de l'Éternel contenues dans le livre, 12 descendit à la maison du roi, dans la chambre du secrétaire, où étaient assis tous les chefs, Élischama, le secrétaire, Delaja, fils de Schemaeja, Elnathan, fils d'Acbor, Guemaria, fils de Schaphan, Sédécias, fils de Hanania, et tous les autres chefs. 13 Et Michée leur rapporta toutes les paroles qu'il avait entendues, lorsque Baruc lisait dans le livre, aux oreilles du peuple. 14 Alors tous les chefs envoyèrent vers Baruc Jehudi, fils de Nethania, fils de Schélémia, fils de Cuschi, pour lui dire: Prends en main le livre dans lequel tu as lu, aux oreilles du peuple, et viens! Baruc, fils de Nérija, prit en main le livre, et se rendit auprès d'eux. 15 Ils lui dirent: Assieds-toi, et lis-le à nos oreilles. Et Baruc lut à leurs oreilles. 16 Lorsqu'ils eurent entendu toutes les paroles, ils se regardèrent avec effroi les uns les autres, et ils dirent à Baruc: Nous rapporterons au roi toutes ces paroles. 17 Ils posèrent encore à Baruc cette question: Dis-nous comment tu as écrit toutes ces paroles sous sa dictée. 18 Baruc leur répondit: Il m'a dicté de sa bouche toutes ces paroles, et je les ai écrites dans ce livre avec de l'encre. 19 Les chefs dirent à Baruc: Va, cache-toi, ainsi que Jérémie, et que personne ne sache où vous êtes. 20 Ils allèrent ensuite vers le roi dans la cour, laissant le livre dans la chambre d'Élischama, le secrétaire, et ils en rapportèrent toutes les paroles aux oreilles du roi. 21 Le roi envoya Jehudi pour prendre le livre, Jehudi le prit dans la chambre d'Élischama, le secrétaire, et il le lut aux oreilles du roi et aux oreilles de tous les chefs qui étaient auprès du roi. 22 Le roi était assis dans la maison d'hiver, -c'était au neuvième mois, -et un brasier était allumé devant lui. 23 Lorsque Jehudi eut lu trois ou quatre feuilles, le roi coupa le livre avec le canif du secrétaire, et le jeta dans le feu du brasier, où il fut entièrement consumé. 24 Le roi et tous ses serviteurs, qui entendirent toutes ces paroles, ne furent point effrayés et ne déchirèrent point leurs vêtements. 25 Elnathan, Delaja et Guemaria, avaient fait des instances auprès du roi pour qu'il ne brûlât pas le livre; mais il ne les écouta pas. 26 Le roi ordonna à Jerachmeel, fils du roi, à Seraja, fils d'Azriel, et à Schélémia, fils d'Abdeel, de saisir Baruc, le secrétaire, et Jérémie, le prophète. Mais l'Éternel les cacha. 27 La parole de l'Éternel fut adressée à Jérémie, en ces mots, après que le roi eut brûlé le livre contenant les paroles que Baruc avait écrites sous la dictée de Jérémie: 28 Prends de nouveau un autre livre, et tu y écriras toutes les paroles qui étaient dans le premier livre qu'a brûlé Jojakim, roi de Juda. 29 Et sur Jojakim, roi de Juda, tu diras: Ainsi parle l'Éternel: Tu as brûlé ce livre, en disant: Pourquoi y as-tu écrit ces paroles: Le roi de Babylone viendra, il détruira ce pays, et il en fera disparaître les hommes et les bêtes? 30 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel sur Jojakim, roi de Juda: Aucun des siens ne sera assis sur le trône de David, et son cadavre sera exposé à la chaleur pendant le jour et au froid pendant la nuit. 31 Je le châtierai, lui, sa postérité, et ses serviteurs, à cause de leur iniquité, et je ferai venir sur eux, sur les habitants de Jérusalem et sur les hommes de Juda tous les malheurs dont je les ai menacés, sans qu'ils aient voulu m'écouter. 32 Jérémie prit un autre livre, et le donna à Baruc, fils de Nérija, le secrétaire. Baruc y écrivit, sous la dictée de Jérémie, toutes les paroles du livre qu'avait brûlé au feu Jojakim, roi de Juda. Beaucoup d'autres paroles semblables y furent encore ajoutées. | |