| 1 Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe:2 Mankanesa any amin'ny taranak'i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon'i Jehovah, ao amin'ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny.3 Dia nalaiko Jazania, zanak'i Jeremia, zanak'i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany rehetra mbamin'ny taranak'i Rekaba rehetra,4 ka nampidiriko ho ao amin'ny tranon'i Jehovah izy, dia tao amin'ny efi-tranon'ny taranak'i Hanana, zanak'i Jigdalia, lehilahin'Andriamanitra, izay ao anilan'ny efi-tranon'ny mpanapaka, ao ambonin'ny efi-tranon'i Mahaseia, zanak'i Saloma, mpiandry varavarana.5 Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan'ny taranak'i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay hianareo.6 Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay, efa nanafatra anay hoe: Aza mba misotro divay hianareo na ny taranakareo mandrakizay;7 ary aza manao trano hianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory; fa lay no itoeronareo amin'ny andronareo rehetra, mba ho ela velona hianareo amin'ny tany izay ivahinianareo.8 Dia nankatoavinay izany tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay izany, tamin'izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin'ny andronay rehetra, na izahay, na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy;9 ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay;10 fa efa nitoetra an-day izahay araka izay rehetra nanafaran'i Jonadaba razanay anay.11 Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana, ka izany no itoeranay eto Jerosalema.12 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:13 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va hianareo? hoy Jehovah.14 To ny tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, fa tsy misotro tokoa izy mandraka andro-any, fa mahatana ny hafa-drazany; ary Izaho efa niteny taminareo, -- eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny, nefa tsy nihaino hianareo.15 Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, -- eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin'ny làlanareo ratsy hianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin'ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo hianareo nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy hianareo.16 Eny, nankatoavin'ny zanak'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, ny hafa-drazany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy.17 Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin'ny Joda sy amin'ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho, fa tsy namaly izy.18 Ary ny taranak'i Rekaba dia nilazan'i Jeremia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr'i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo,19 dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay. | | 35:1 The word which came to Jeremiah from Yahweh in the days of Jehoiakim the son of Josiah, king of Judah, saying, 35:2 Go to the house of the Rechabites, and speak to them, and bring them into the house of Yahweh, into one of the rooms, and give them wine to drink. 35:3 Then I took Jaazaniah the son of Jeremiah, the son of Habazziniah, and his brothers, and all his sons, and the whole house of the Rechabites; 35:4 and I brought them into the house of Yahweh, into the room of the sons of Hanan the son of Igdaliah, the man of God, which was by the room of the princes, which was above the room of Maaseiah the son of Shallum, the keeper of the threshold. 35:5 I set before the sons of the house of the Rechabites bowls full of wine, and cups; and I said to them, Drink wine! 35:6 But they said, We will drink no wine; for Jonadab the son of Rechab, our father, commanded us, saying, You shall drink no wine, neither you, nor your sons, forever: 35:7 neither shall you build house, nor sow seed, nor plant vineyard, nor have any; but all your days you shall dwell in tents; that you may live many days in the land in which you live. 35:8 We have obeyed the voice of Jonadab the son of Rechab, our father, in all that he commanded us, to drink no wine all our days, we, our wives, our sons, or our daughters; 35:9 nor to build houses for us to dwell in; neither have we vineyard, nor field, nor seed: 35:10 but we have lived in tents, and have obeyed, and done according to all that Jonadab our father commanded us. 35:11 But it happened, when Nebuchadnezzar king of Babylon came up into the land, that we said, Come, and let us go to Jerusalem for fear of the army of the Chaldeans, and for fear of the army of the Syrians; so we dwell at Jerusalem. 35:12 Then came the word of Yahweh to Jeremiah, saying, 35:13 Thus says Yahweh of Armies, the God of Israel: Go, and tell the men of Judah and the inhabitants of Jerusalem, Will you not receive instruction to listen to my words? says Yahweh. 35:14 The words of Jonadab the son of Rechab, that he commanded his sons, not to drink wine, are performed; and to this day they drink none, for they obey their father’s commandment: but I have spoken to you, rising up early and speaking; and you have not listened to me. 35:15 I have sent also to you all my servants the prophets, rising up early and sending them, saying, Return now every man from his evil way, and amend your doings, and don’t go after other gods to serve them, and you shall dwell in the land which I have given to you and to your fathers: but you have not inclined your ear, nor listened to me. 35:16 Because the sons of Jonadab the son of Rechab have performed the commandment of their father which he commanded them, but this people has not listened to me; 35:17 therefore thus says Yahweh, the God of Armies, the God of Israel: Behold, I will bring on Judah and on all the inhabitants of Jerusalem all the evil that I have pronounced against them; because I have spoken to them, but they have not heard; and I have called to them, but they have not answered. 35:18 Jeremiah said to the house of the Rechabites, Thus says Yahweh of Armies, the God of Israel: Because you have obeyed the commandment of Jonadab your father, and kept all his precepts, and done according to all that he commanded you; 35:19 therefore thus says Yahweh of Armies, the God of Israel: Jonadab the son of Rechab shall not want a man to stand before me forever. | | Chapitre 35 1 La parole fut adressée à Jérémie de la part de l'Éternel, au temps de Jojakim, fils de Josias, roi de Juda, en ces mots: 2 Va à la maison des Récabites, et parle-leur; tu les conduiras à la maison de l'Éternel, dans une des chambres, et tu leur offriras du vin à boire. 3 Je pris Jaazania, fils de Jérémie, fils de Habazinia, ses frères, tous ses fils, et toute la maison des Récabites, 4 et je les conduisis à la maison de l'Éternel, dans la chambre des fils de Hanan, fils de Jigdalia, homme de Dieu, près de la chambre des chefs, au-dessus de la chambre de Maaséja, fils de Schallum, garde du seuil. 5 Je mis devant les fils de la maison des Récabites des coupes pleines de vin, et des calices, et je leur dis: Buvez du vin! 6 Mais ils répondirent: Nous ne buvons pas de vin; car Jonadab, fils de Récab, notre père, nous a donné cet ordre: Vous ne boirez jamais de vin, ni vous, ni vos fils; 7 et vous ne bâtirez point de maisons, vous ne sèmerez aucune semence, vous ne planterez point de vignes et vous n'en posséderez point; mais vous habiterez sous des tentes toute votre vie, afin que vous viviez longtemps dans le pays où vous êtes étrangers. 8 Nous obéissons à tout ce que nous a prescrit Jonadab, fils de Récab, notre père: nous ne buvons pas de vin pendant toute notre vie, nous, nos femmes, nos fils et nos filles; 9 nous ne bâtissons point de maisons pour nos demeures, et nous ne possédons ni vignes, ni champs, ni terres ensemencées; 10 nous habitons sous des tentes, et nous suivons et pratiquons tout ce que nous a prescrit Jonadab, notre père. 11 Lorsque Nebucadnetsar, roi de Babylone, est monté contre ce pays, nous avons dit: Allons, retirons-nous à Jérusalem, loin de l'armée des Chaldéens et de l'armée de Syrie. C'est ainsi que nous habitons à Jérusalem. 12 Alors la parole de l'Éternel fut adressée à Jérémie, en ces mots: 13 Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Va, et dis aux hommes de Juda et aux habitants de Jérusalem: Ne recevrez-vous pas instruction, pour obéir à mes paroles? dit l'Éternel. 14 On a observé les paroles de Jonadab, fils de Récab, qui a ordonné à ses fils de ne pas boire du vin, et ils n'en ont point bu jusqu'à ce jour, parce qu'ils ont obéi à l'ordre de leur père. Et moi, je vous ai parlé, je vous ai parlé dès le matin, et vous ne m'avez pas écouté. 15 Je vous ai envoyé tous mes serviteurs, les prophètes, je les ai envoyés dès le matin, pour vous dire: Revenez chacun de votre mauvaise voie, amendez vos actions, n'allez pas après d'autres dieux pour les servir, et vous resterez dans le pays que j'ai donné à vous et à vos pères. Mais vous n'avez pas prêté l'oreille, vous ne m'avez pas écouté. 16 Oui, les fils de Jonadab, fils de Récab, observent l'ordre que leur a donné leur père, et ce peuple ne m'écoute pas! 17 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel, le Dieu des armées, le Dieu d'Israël: Voici, je vais faire venir sur Juda et sur tous les habitants de Jérusalem tous les malheurs que j'ai annoncés sur eux, parce que je leur ai parlé et qu'ils n'ont pas écouté, parce que je les ai appelés et qu'ils n'ont pas répondu. 18 Et Jérémie dit à la maison des Récabites: Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Parce que vous avez obéi aux ordres de Jonadab, votre père, parce que vous avez observé tous ses commandements et fait tout ce qu'il vous a prescrit; 19 à cause de cela, ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Jonadab, fils de Récab, ne manquera jamais de descendants qui se tiennent en ma présence. | |