T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 32

1 [Ny nividianan'i Jeremia tany ho vavolombelon'ny finoany fa mbola hampodina ny Isiraely] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara.

2 Fa tamin'izany no nanaovan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona fahirano an'i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan'ny trano fiambenana, izay teo amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda.

3 Fa Zedekia, mpanjakan'ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ka ho afany;

4 ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan'ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy;

5 ary ho any Babylona no hitondrana an'i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na dia miady amin'ny Kaldeana aza ianareo, dia tsy hambinina.

6 Ary hoy Jeremia: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:

7 Indro Hanamela, zanak'i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy.

8 Ary Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan'ny trano fiambenana araka ny tenin'i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin'ny tanin'ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin'i Jehovah izany.

9 Ary novidiko tamin'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin'ny folo.

10 Ary nosoratako tamin'ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin'ny mizana ny vola.

11 Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin'ny taratasy mivelatra koa;

12 dia natolotro an'i Baroka, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, teo imason'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, sy teo anatrehan'ny vavolombelona izay nanao sonia tamin'ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia teo anatrehan'ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan'ny trano fiambenana.

13 Ary nandidy an'i Baroka teo anatrehan'ireo aho nanao hoe:

14 Izao no lazain'i Jenovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena amin'ny vidin-tany, dia ilay misy tombo-kase, mbamin'ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela.

15 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin'ity tany ity.

16 Ary rehefa voatolotra an'i Baroka, zanak'i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia nivavaka tamin'i Jehovah aho hoe:

17 Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.

18 Mamindra fo amin'ny arivo arivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran'ny zanany mandimby azy dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany,

19 lehibe amin'ny fisainana sy mahery amin'ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan'ny zanak'olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany,

20 dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin'ny Isiraely, na ao amin'ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao.

21 Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Hianao tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe,

22 ka dia nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao nolazainao tamin'ny razany homena azy, dia tany tondra-dronono sy tantely.

23 Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin'izay rehetra nasainao nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.

24 Indro, ny tovon-tany efa miorina akaikin'ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tànan'ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan'ny masonao izany.

25 Ary Hianao, Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana aza ny tanàna.

26 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:

27 Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?

28 Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hatolotro eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity sy eo an-tànan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ka ho afany.

29 Ary ny Kaldeana, izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin'ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an'andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy.

30 Fa izay ratsy eo imasoko ihany no nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa ny Zanak'Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin'ny asan'ny tànany, hoy Jehovah.

31 Fa ity tanàna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin'ny andro nanorenana azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako,

32 noho ny ratsy rehetra nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, dia izy sy ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy sy ny mpisorony sy ny mpaminaniny sy ny lehilahy amin'ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy.

33 Fa efa niamboho Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy, ary na dia nampianariko aza izy - eny, nifoha maraina koa Aho ka nampianatra azy, dia tsy nihaino mba hahazoany anatra izy.

34 Fa nametraka ny fahavetavetany tato amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy;

35 ary nanorina ny fitoerana avon'i Bala, izay ao amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izy mba hampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo ho an'i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, ka dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.

36 Koa noho izany dia izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy:

37 Indro izy hangoniko avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin'ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin'ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay;

38 ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.

39 Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;

40 dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin'ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.

41 Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin'ity tany ity tokoa amin'ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.

42 Fa izao no lazain'i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin'ity firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra izay nokasaiko* ho azy.[Heb. nolazaiko]

43 Ary mbola hisy fividianana saha eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana.

44 Eny, saha no hovidin'ny olona vola, ka hosoratany amin'ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda sy amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna ny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka* ary amin'ny tanàna any amin'ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin'ny fahababoany izy, hoy Jehovah.[Heb. Sefela].

 

32:1 The word that came to Jeremiah from Yahweh in the tenth year of Zedekiah king of Judah, which was the eighteenth year of Nebuchadnezzar. 32:2 Now at that time the king of Babylon’s army was besieging Jerusalem; and Jeremiah the prophet was shut up in the court of the guard, which was in the king of Judah’s house. 32:3 For Zedekiah king of Judah had shut him up, saying, Why do you prophesy, and say, Thus says Yahweh, Behold, I will give this city into the hand of the king of Babylon, and he shall take it; 32:4 and Zedekiah king of Judah shall not escape out of the hand of the Chaldeans, but shall surely be delivered into the hand of the king of Babylon, and shall speak with him mouth to mouth, and his eyes shall see his eyes; 32:5 and he shall bring Zedekiah to Babylon, and he shall be there until I visit him, says Yahweh: though you fight with the Chaldeans, you shall not prosper? 32:6 Jeremiah said, The word of Yahweh came to me, saying, 32:7 Behold, Hanamel the son of Shallum your uncle shall come to you, saying, Buy my field that is in Anathoth; for the right of redemption is yours to buy it. 32:8 So Hanamel my uncle’s son came to me in the court of the guard according to the word of Yahweh, and said to me, Please buy my field that is in Anathoth, which is in the land of Benjamin; for the right of inheritance is yours, and the redemption is yours; buy it for yourself. Then I knew that this was the word of Yahweh. 32:9 I bought the field that was in Anathoth of Hanamel my uncle’s son, and weighed him the money, even seventeen shekels of silver. 32:10 I subscribed the deed, and sealed it, and called witnesses, and weighed him the money in the balances. 32:11 So I took the deed of the purchase, both that which was sealed, containing the terms and conditions, and that which was open; 32:12 and I delivered the deed of the purchase to Baruch the son of Neriah, the son of Mahseiah, in the presence of Hanamel my uncle’s son, and in the presence of the witnesses who subscribed the deed of the purchase, before all the Jews who sat in the court of the guard. 32:13 I commanded Baruch before them, saying, 32:14 Thus says Yahweh of Armies, the God of Israel: Take these deeds, this deed of the purchase which is sealed, and this deed which is open, and put them in an earthen vessel; that they may continue many days. 32:15 For thus says Yahweh of Armies, the God of Israel: Houses and fields and vineyards shall yet again be bought in this land. 32:16 Now after I had delivered the deed of the purchase to Baruch the son of Neriah, I prayed to Yahweh, saying, 32:17 Ah Lord Yahweh! Behold, you have made the heavens and the earth by your great power and by your outstretched arm; there is nothing too hard for you, 32:18 who show loving kindness to thousands, and recompense the iniquity of the fathers into the bosom of their children after them; the great, the mighty God, Yahweh of Armies is his name; 32:19 great in counsel, and mighty in work; whose eyes are open on all the ways of the sons of men, to give everyone according to his ways, and according to the fruit of his doings: 32:20 who performed signs and wonders in the land of Egypt, even to this day, both in Israel and among other men; and made yourself a name, as in this day; 32:21 and brought forth your people Israel out of the land of Egypt with signs, and with wonders, and with a strong hand, and with an outstretched arm, and with great terror; 32:22 and gave them this land, which you swore to their fathers to give them, a land flowing with milk and honey; 32:23 and they came in, and possessed it, but they didn’t obey your voice, neither walked in your law; they have done nothing of all that you commanded them to do: therefore you have caused all this evil to come on them. 32:24 Behold, the mounds, they have come to the city to take it; and the city is given into the hand of the Chaldeans who fight against it, because of the sword, and of the famine, and of the pestilence; and what you have spoken has happened; and behold, you see it. 32:25 You have said to me, Lord Yahweh, Buy the field for money, and call witnesses; whereas the city is given into the hand of the Chaldeans. 32:26 Then came the word of Yahweh to Jeremiah, saying, 32:27 Behold, I am Yahweh, the God of all flesh: is there anything too hard for me? 32:28 Therefore thus says Yahweh: Behold, I will give this city into the hand of the Chaldeans, and into the hand of Nebuchadnezzar king of Babylon, and he shall take it: 32:29 and the Chaldeans, who fight against this city, shall come and set this city on fire, and burn it, with the houses, on whose roofs they have offered incense to Baal, and poured out drink offerings to other gods, to provoke me to anger. 32:30 For the children of Israel and the children of Judah have done only that which was evil in my sight from their youth; for the children of Israel have only provoked me to anger with the work of their hands, says Yahweh. 32:31 For this city has been to me a provocation of my anger and of my wrath from the day that they built it even to this day; that I should remove it from before my face, 32:32 because of all the evil of the children of Israel and of the children of Judah, which they have done to provoke me to anger, they, their kings, their princes, their priests, and their prophets, and the men of Judah, and the inhabitants of Jerusalem. 32:33 They have turned to me the back, and not the face: and though I taught them, rising up early and teaching them, yet they have not listened to receive instruction. 32:34 But they set their abominations in the house which is called by my name, to defile it. 32:35 They built the high places of Baal, which are in the valley of the son of Hinnom, to cause their sons and their daughters to pass through fire to Molech; which I didn’t command them, neither did it come into my mind, that they should do this abomination, to cause Judah to sin. 32:36 Now therefore thus says Yahweh, the God of Israel, concerning this city, about which you say, It is given into the hand of the king of Babylon by the sword, and by the famine, and by the pestilence: 32:37 Behold, I will gather them out of all the countries, where I have driven them in my anger, and in my wrath, and in great indignation; and I will bring them again to this place, and I will cause them to dwell safely: 32:38 and they shall be my people, and I will be their God: 32:39 and I will give them one heart and one way, that they may fear me forever, for their good, and of their children after them: 32:40 and I will make an everlasting covenant with them, that I will not turn away from following them, to do them good; and I will put my fear in their hearts, that they may not depart from me. 32:41 Yes, I will rejoice over them to do them good, and I will plant them in this land assuredly with my whole heart and with my whole soul. 32:42 For thus says Yahweh: Like as I have brought all this great evil on this people, so will I bring on them all the good that I have promised them. 32:43 Fields shall be bought in this land, about which you say, It is desolate, without man or animal; it is given into the hand of the Chaldeans. 32:44 Men shall buy fields for money, and subscribe the deeds, and seal them, and call witnesses, in the land of Benjamin, and in the places about Jerusalem, and in the cities of Judah, and in the cities of the hill country, and in the cities of the lowland, and in the cities of the South: for I will cause their captivity to return, says Yahweh.

Chapitre 32
1 La parole qui fut adressée à Jérémie de la part de l'Éternel, la dixième année de Sédécias, roi de Juda. -C'était la dix-huitième année de Nebucadnetsar. 2 L'armée du roi de Babylone assiégeait alors Jérusalem; et Jérémie, le prophète, était enfermé dans la cour de la prison qui était dans la maison du roi de Juda. 3 Sédécias, roi de Juda, l'avait fait enfermer, et lui avait dit: Pourquoi prophétises-tu, en disant: Ainsi parle l'Éternel: Voici, je livre cette ville entre les mains du roi de Babylone, et il la prendra; 4 Sédécias, roi de Juda, n'échappera pas aux Chaldéens, mais il sera livré entre les mains du roi de Babylone, il lui parlera bouche à bouche, et ses yeux verront ses yeux; 5 le roi de Babylone emmènera Sédécias à Babylone, où il restera jusqu'à ce que je me souvienne de lui, dit l'Éternel; si vous vous battez contre les Chaldéens, vous n'aurez point de succès. 6 Jérémie dit: La parole de l'Éternel m'a été adressée, en ces mots: 7 Voici, Hanameel, fils de ton oncle Schallum, va venir auprès de toi pour te dire: Achète mon champ qui est à Anathoth, car tu as le droit de rachat pour l'acquérir. 8 Et Hanameel, fils de mon oncle, vint auprès de moi, selon la parole de l'Éternel, dans la cour de la prison, et il me dit: Achète mon champ, qui est à Anathoth, dans le pays de Benjamin, car tu as le droit d'héritage et de rachat, achète-le! Je reconnus que c'était la parole de l'Éternel. 9 J'achetai de Hanameel, fils de mon oncle, le champ qui est à Anathoth, et je lui pesai l'argent, dix-sept sicles d'argent. 10 J'écrivis un contrat, que je cachetai, je pris des témoins, et je pesai l'argent dans une balance. 11 Je pris ensuite le contrat d'acquisition, celui qui était cacheté, conformément à la loi et aux usages, et celui qui était ouvert; 12 et je remis le contrat d'acquisition à Baruc, fils de Nérija, fils de Machséja, en présence de Hanameel, fils de mon oncle, en présence des témoins qui avaient signé le contrat d'acquisition, et en présence de tous les juifs qui se trouvaient dans la cour de la prison. 13 Et je donnai devant eux cet ordre à Baruc: 14 Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Prends ces écrits, ce contrat d'acquisition, celui qui est cacheté et celui qui est ouvert, et mets-les dans un vase de terre, afin qu'ils se conservent longtemps. 15 Car ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: On achètera encore des maisons, des champs et des vignes, dans ce pays. 16 Après que j'eus remis le contrat d'acquisition à Baruc, fils de Nérija, j'adressai cette prière à l'Éternel: 17 Ah! Seigneur Éternel, Voici, tu as fait les cieux et la terre Par ta grande puissance et par ton bras étendu: Rien n'est étonnant de ta part. 18 Tu fais miséricorde jusqu'à la millième génération, Et tu punis l'iniquité des pères dans le sein de leurs enfants après eux. Tu es le Dieu grand, le puissant, Dont le nom est l'Éternel des armées. 19 Tu es grand en conseil et puissant en action; Tu as les yeux ouverts sur toutes les voies des enfants des hommes, Pour rendre à chacun selon ses voies, Selon le fruit de ses oeuvres. 20 Tu as fait des miracles et des prodiges dans le pays d'Égypte jusqu'à ce jour, Et en Israël et parmi les hommes, Et tu t'es fait un nom comme il l'est aujourd'hui. 21 Tu as fait sortir du pays d'Égypte ton peuple d'Israël, Avec des miracles et des prodiges, à main forte et à bras étendu, Et avec une grande terreur. 22 Tu leur as donné ce pays, Que tu avais juré à leurs pères de leur donner, Pays où coulent le lait et le miel. 23 Ils sont venus, et ils en ont pris possession. Mais ils n'ont point obéi à ta voix, Ils n'ont point observé ta loi, Ils n'ont pas fait tout ce que tu leur avais ordonné de faire. Et c'est alors que tu as fait fondre sur eux tous ces malheurs! 24 Voici, les terrasses s'élèvent contre la ville et la menacent; La ville sera livrée entre les mains des Chaldéens qui l'attaquent, Vaincue par l'épée, par la famine et par la peste. Ce que tu as dit est arrivé, et tu le vois. 25 Néanmoins, Seigneur Éternel, tu m'as dit: Achète un champ pour de l'argent, prends des témoins... Et la ville est livrée entre les mains des Chaldéens! 26 La parole de l'Éternel fut adressée à Jérémie, en ces mots: 27 Voici, je suis l'Éternel, le Dieu de toute chair. Y a-t-il rien qui soit étonnant de ma part? 28 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel: Voici, je livre cette ville entre les mains des Chaldéens, Et entre les mains de Nebucadnetsar, roi de Babylone, Et il la prendra. 29 Les Chaldéens qui attaquent cette ville vont entrer, Ils y mettront le feu, et ils la brûleront, Avec les maisons sur les toits desquelles on a offert de l'encens à Baal Et fait des libations à d'autres dieux, Afin de m'irriter. 30 Car les enfants d'Israël et les enfants de Juda N'ont fait, dès leur jeunesse, que ce qui est mal à mes yeux; Les enfants d'Israël n'ont fait que m'irriter Par l'oeuvre de leurs mains, dit l'Éternel. 31 Car cette ville excite ma colère et ma fureur, Depuis le jour où on l'a bâtie jusqu'à ce jour; Aussi je veux l'ôter de devant ma face, 32 A cause de tout le mal que les enfants d'Israël et les enfants de Juda Ont fait pour m'irriter, Eux, leurs rois, leurs chefs, leurs sacrificateurs et leurs prophètes, Les hommes de Juda et les habitants de Jérusalem. 33 Ils m'ont tourné le dos, ils ne m'ont pas regardé; On les a enseignés, on les a enseignés dès le matin; Mais ils n'ont pas écouté pour recevoir instruction. 34 Ils ont placé leurs abominations Dans la maison sur laquelle mon nom est invoqué, Afin de la souiller. 35 Ils ont bâti des hauts lieux à Baal dans la vallée de Ben-Hinnom, Pour faire passer à Moloc leurs fils et leurs filles: Ce que je ne leur avais point ordonné; Et il ne m'était point venu à la pensée Qu'ils commettraient de telles horreurs Pour faire pécher Juda. 36 Et maintenant, ainsi parle l'Éternel, le Dieu d'Israël, Sur cette ville dont vous dites: Elle sera livrée entre les mains du roi de Babylone, Vaincue par l'épée, par la famine et par la peste: 37 Voici, je les rassemblerai de tous les pays où je les ai chassés, Dans ma colère, dans ma fureur, et dans ma grande irritation; Je les ramènerai dans ce lieu, Et je les y ferai habiter en sûreté. 38 Ils seront mon peuple, Et je serai leur Dieu. 39 Je leur donnerai un même coeur et une même voie, Afin qu'ils me craignent toujours, Pour leur bonheur et celui de leurs enfants après eux. 40 Je traiterai avec eux une alliance éternelle, Je ne me détournerai plus d'eux, Je leur ferai du bien, Et je mettrai ma crainte dans leur coeur, Afin qu'ils ne s'éloignent pas de moi. 41 Je prendrai plaisir à leur faire du bien, Et je les planterai véritablement dans ce pays, De tout mon coeur et de toute mon âme. 42 Car ainsi parle l'Éternel: De même que j'ai fait venir sur ce peuple tous ces grands malheurs, De même je ferai venir sur eux tout le bien que je leur promets. 43 On achètera des champs dans ce pays Dont vous dites: C'est un désert, sans hommes ni bêtes, Il est livré entre les mains des Chaldéens. 44 On achètera des champs pour de l'argent, On écrira des contrats, on les cachètera, on prendra des témoins, Dans le pays de Benjamin et aux environs de Jérusalem, Dans les villes de Juda, dans les villes de la montagne, Dans les villes de la plaine et dans les villes du midi; Car je ramènerai leurs captifs, dit l'Éternel.