T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 Fa hoy Izy*: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin'olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.[Na: hoy ny olona]

2 Andrandrao amin'ny tendrombohitra mangadihady ny masonao, ka jereo. Taiza no tsy nandrian'olona taminao? Teny an-dalambe no niandrasanao azy toy ny Arabo any an-efitra; Ary ny fijangajanganao sy ny faharatsianao no nandotoanao ny tany,

3 Ka dia voasakana ny orana mivatravatra, sady tsy tonga ny fara-orana; Ary ny handrinao dia handrin'ny vehivavy janga ka tsy manan-kenatra.

4 Moa tsy hitaraina amiko va ianao amin'izao sisa izao hoe: Ry Raiko ô, Hianao no nahazatra ahy, hatry ny fony aho mbola tanora?

5 Ho tezitra mandrakizay va Izy? Hitahiry fahatezerana hatamin'ny farany va Izy? Indro, efa niteny toy izany ianao, nefa nanao izany ratsy izany ihany ka nahatanteraka izany.

6 [Ny amin'ny nanariana ny Isiraely, sy ny mbola handraisana azy indray] Ary hoy Jehovah tamiko tamin'ny andro nanjakan'i Josia mpanjaka: Moa efa hitanao va izay nataon'Isiraely mpiodina? Niakatra ho eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ho eny ambanin'ny hazo maitso rehetra izy ka nijangajanga teny.

7 Ary nataoko fa rehefa nanao izany rehetra izany izy, dia hiverina amiko. Kanjo tsy niverina izy. Ary Joda mpivadika rahavaviny dia nahita izany.

8 Ary hitako fa na dia efa nisaorako aza Isiraely mpiodina ka nomeko taratasy fisaorana noho ny fijangajangana, dia tsy nety natahotra Joda mpivadika rahavaviny na dia izany aza, fa nandeha nijangajanga koa izy.

9 Ary tamin'ny fihorakorahan'ny fijangajangany* no nandotoany ny tany, ary nijangajanga tamin'ny vato sy ny hazo izy.[Na: Noho ny fijejojejoany sy ny fijangajangany]

10 Fa na dia izany rehetra izany aza dia tsy nety niverina tamiko tamin'ny fony rehetra Joda mpivadika rahavaviny, fa tamin'ny fihatsaram-belatsihy ihany, hoy Jehovah.

11 Ary hoy Jehovah tamiko: Isiraely mpiodina dia hita fa marimarina kokoa noho Joda mpivadika.

12 Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.

13 Kanefa kosa ekeo ny helokao, fa tamin'i Jehovah Andriamanitrao no niodinanao, ary nivezivezy nankany amin'ny hafa ianao. Teny ambanin'ny hazo maitso rehetra, fa tsy mba nihaino ny feoko ianareo, hoy Jehovah.

14 Miverena, ry zaza mpiodina, hoy Jehovah, fa Izaho ihany no vadinareo; Ary hangalako iray isan-tanàna ianareo Sy roa isam-pokony, ka ho entiko ho any Ziona ianareo;

15 Dia homeko mpitondra* araka ny sitrapoko ianareo. Izay hitondra** anareo amin'ny fahalalana sy ny fahendrena.[Heb. mpiandry ondry][**Heb. hiandry]

16 Koa rehefa mitombo sy mihamaro amin'ny tany ianareo, dia amin'izany andro izany, hoy Jehovah, no tsy hanaovany intsony hoe: Ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; Ary tsy hosaintsaininy akory izany, sady tsy hahatsiaro na ho manina izany izy, na hanao fiara intsony.

17 Amin'izany andro izany no hanononana an'i Jerosalema hoe Seza fiandrianan'i Jehovah; Ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran'i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.

18 Amin'izany andro izany ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin'ny tany avaratra izy ho any amin'ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.

19 Ary Izaho efa nanao hoe: He! fa hataoko isan-janako ianao ka homeko tany mahafinaritra, dia lova izay tena endriky ny firenena. Eny, hoy Izaho: Hianao hanao Ahy hoe Raiko, ka tsy hiala amin'ny fanarahana Ahy.

20 Kanefa toy ny vehivavy misintaka miala amin'ny lahy*, dia toy izany tokoa no nisintahanareo niala tamiko, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah.[Heb. sakaizany]

21 Injay! feo re any an-tendrombohitra mangadihady, dia fitomaniana amam-pitarainan'ny Zanak'Isiraely; Fa nivilivily tamin'ny nalehany izy ary nanadino an'i Jehovah Andriamaniny.

22 Miverena ianao, ry zaza mpiodina, fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, fa Hianao Jehovah no Andriamanitray.

23 Foana tokoa ny horakoraka any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana*; Marina fa ao amin'i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely.[Na: Foana tokoa ny fihorakorahana any amin'ny havoana]

24 Fa lanin'ilay mampahamenatra hatramin'ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran'ny razanay, dia ny ondry aman'osiny sy ny ombiny, ny zananilahy sy ny zananivavy.

25 Aoka handry ao amin'ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin'i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny razanay, hatramin'ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.

Chapitre 3

3:1 “They say, ‘If a man puts away his wife, and she goes from him, and become another man’s, will he return to her again?’ Wouldn’t that land be greatly polluted? But you have played the prostitute with many lovers; yet return again to me,” says Yahweh.

3:2 “Lift up your eyes to the bare heights, and see! Where have you not been lain with? You have sat for them by the ways, as an Arabian in the wilderness. You have polluted the land with your prostitution and with your wickedness. 3:3 Therefore the showers have been withheld, and there has been no latter rain; yet you have a prostitute’s forehead, you refused to be ashamed. 3:4 Will you not from this time cry to me, ‘My Father, you are the guide of my youth?’

3:5 “‘Will he retain his anger forever? Will he keep it to the end?’ Behold, you have spoken and have done evil things, and have had your way.”

3:6 Moreover, Yahweh said to me in the days of Josiah the king, “Have you seen that which backsliding Israel has done? She has gone up on every high mountain and under every green tree, and there has played the prostitute. 3:7 I said after she had done all these things, ‘She will return to me;’ but she didn’t return; and her treacherous sister Judah saw it. 3:8 I saw, when, for this very cause that backsliding Israel had committed adultery, I had put her away and given her a bill of divorce, yet treacherous Judah, her sister, didn’t fear; but she also went and played the prostitute. 3:9 It happened through the lightness of her prostitution, that the land was polluted, and she committed adultery with stones and with stocks. 3:10 Yet for all this her treacherous sister, Judah, has not returned to me with her whole heart, but only in pretense,” says Yahweh.

3:11 Yahweh said to me, “Backsliding Israel has shown herself more righteous than treacherous Judah. 3:12 Go, and proclaim these words toward the north, and say, ‘Return, you backsliding Israel,’ says Yahweh; ‘I will not look in anger on you; for I am merciful,’ says Yahweh. ‘I will not keep anger forever. 3:13 Only acknowledge your iniquity, that you have transgressed against Yahweh your God, and have scattered your ways to the strangers under every green tree, and you have not obeyed my voice,’ says Yahweh.” 3:14 “Return, backsliding children,” says Yahweh; “for I am a husband to you. I will take you one of a city, and two of a family, and I will bring you to Zion. 3:15 I will give you shepherds according to my heart, who shall feed you with knowledge and understanding. 3:16 It shall come to pass, when you are multiplied and increased in the land, in those days,” says Yahweh, “they shall say no more, ‘The ark of the covenant of Yahweh!’ neither shall it come to mind; neither shall they remember it; neither shall they miss it; neither shall it be made any more. 3:17 At that time they shall call Jerusalem ‘The throne of Yahweh;’ and all the nations shall be gathered to it, to the name of Yahweh, to Jerusalem. Neither shall they walk any more after the stubbornness of their evil heart. 3:18 In those days the house of Judah shall walk with the house of Israel, and they shall come together out of the land of the north to the land that I gave for an inheritance to your fathers.

3:19 “But I said, ‘How I would put you among the children, and give you a pleasant land, a goodly heritage of the armies of the nations!’ and I said, ‘You shall call me “My Father,” and shall not turn away from following me.’

3:20 “Surely as a wife treacherously departs from her husband, so you have dealt treacherously with me, house of Israel,” says Yahweh. 3:21 A voice is heard on the bare heights, the weeping and the petitions of the children of Israel; because they have perverted their way, they have forgotten Yahweh their God. 3:22 Return, you backsliding children, I will heal your backsliding.

“Behold, we have come to you; for you are Yahweh our God. 3:23 Truly in vain is help from the hills, the tumult on the mountains. Truly the salvation of Israel is in Yahweh our God. 3:24 But the shameful thing has devoured the labor of our fathers from our youth, their flocks and their herds, their sons and their daughters. 3:25 Let us lie down in our shame, and let our confusion cover us; for we have sinned against Yahweh our God, we and our fathers, from our youth even to this day. We have not obeyed the voice of Yahweh our God.”

Chapitre 3
1 Il dit: Lorsqu'un homme répudie sa femme, Qu'elle le quitte et devient la femme d'un autre, Cet homme retourne-t-il encore vers elle? Le pays même ne serait-il pas souillé? Et toi, tu t'es prostituée à de nombreux amants, Et tu reviendrais à moi! dit l'Éternel. 2 Lève tes yeux vers les hauteurs, et regarde! Où ne t'es-tu pas prostituée! Tu te tenais sur les chemins, comme l'Arabe dans le désert, Et tu as souillé le pays par tes prostitutions et par ta méchanceté. 3 Aussi les pluies ont-elles été retenues, Et la pluie du printemps a-t-elle manqué; Mais tu as eu le front d'une femme prostituée, Tu n'as pas voulu avoir honte. 4 Maintenant, n'est-ce pas? tu cries vers moi: Mon père! Tu as été l'ami de ma jeunesse! 5 Gardera-t-il à toujours sa colère? La conservera-t-il à jamais? Et voici, tu as dit, tu as fait des choses criminelles, tu les as consommées. 6 L'Éternel me dit, au temps du roi Josias: As-tu vu ce qu'a fait l'infidèle Israël? Elle est allée sur toute montagne élevée et sous tout arbre vert, et là elle s'est prostituée. 7 Je disais: Après avoir fait toutes ces choses, elle reviendra à moi. Mais elle n'est pas revenue. Et sa soeur, la perfide Juda, en a été témoin. 8 Quoique j'eusse répudié l'infidèle Israël à cause de tous ses adultères, et que je lui eusse donné sa lettre de divorce, j'ai vu que la perfide Juda, sa soeur, n'a point eu de crainte, et qu'elle est allée se prostituer pareillement. 9 Par sa criante impudicité Israël a souillé le pays, elle a commis un adultère avec la pierre et le bois. 10 Malgré tout cela, la perfide Juda, sa soeur, n'est pas revenue à moi de tout son coeur; c'est avec fausseté qu'elle l'a fait, dit l'Éternel. 11 L'Éternel me dit: L'infidèle Israël paraît innocente En comparaison de la perfide Juda. 12 Va, crie ces paroles vers le septentrion, et dis: Reviens, infidèle Israël! dit l'Éternel. Je ne jetterai pas sur vous un regard sévère; Car je suis miséricordieux, dit l'Éternel, Je ne garde pas ma colère à toujours. 13 Reconnais seulement ton iniquité, Reconnais que tu as été infidèle à l'Éternel, ton Dieu, Que tu as dirigé çà et là tes pas vers les dieux étrangers, Sous tout arbre vert, Et que tu n'as pas écouté ma voix, dit l'Éternel. 14 Revenez, enfants rebelles, dit l'Éternel; Car je suis votre maître. Je vous prendrai, un d'une ville, deux d'une famille, Et je vous ramènerai dans Sion. 15 Je vous donnerai des bergers selon mon coeur, Et ils vous paîtront avec intelligence et avec sagesse. 16 Lorsque vous aurez multiplié et fructifié dans le pays, En ces jours-là, dit l'Éternel, On ne parlera plus de l'arche de l'alliance de l'Éternel; Elle ne viendra plus à la pensée; On ne se la rappellera plus, on ne s'apercevra plus de son absence, Et l'on n'en fera point une autre. 17 En ce temps-là, on appellera Jérusalem le trône de l'Éternel; Toutes les nations s'assembleront à Jérusalem, au nom de l'Éternel, Et elles ne suivront plus les penchants de leur mauvais coeur. 18 En ces jours, La maison de Juda marchera avec la maison d'Israël; Elles viendront ensemble du pays du septentrion Au pays dont j'ai donné la possession à vos pères. 19 Je disais: Comment te mettrai-je parmi mes enfants, Et te donnerai-je un pays de délices, Un héritage, le plus bel ornement des nations? Je disais: Tu m'appelleras: Mon père! Et tu ne te détourneras pas de moi. 20 Mais, comme une femme est infidèle à son amant, Ainsi vous m'avez été infidèles, maison d'Israël, Dit l'Éternel. 21 Une voix se fait entendre sur les lieux élevés; Ce sont les pleurs, les supplications des enfants d'Israël; Car ils ont perverti leur voie, Ils ont oublié l'Éternel, leur Dieu. 22 Revenez, enfants rebelles, Je pardonnerai vos infidélités. -Nous voici, nous allons à toi, Car tu es l'Éternel, notre Dieu. 23 Oui, le bruit qui vient des collines et des montagnes n'est que mensonge; Oui, c'est en l'Éternel, notre Dieu, qu'est le salut d'Israël. 24 Les idoles ont dévoré le produit du travail de nos pères, Dès notre jeunesse, Leurs brebis et leurs boeufs, leurs fils et leurs filles. 25 Nous avons notre honte pour couche, Et notre ignominie pour couverture; Car nous avons péché contre l'Éternel, notre Dieu, Nous et nos pères, dès notre jeunesse jusqu'à ce jour, Et nous n'avons pas écouté la voix de l'Éternel, notre Dieu. -