| Chapitre 29 1 [Taratasy nampitondrain'i Jeremia ho any amin'ny babo tany Babylona] Ary izao no fitenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Jeremia mpaminany avy tany Jerosalema ho any amin'ny sisa amin'ny loholona voababo sy ho amin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nobaboin'i Nebokadnezara ka nentiny avy tany Jerosalema ho any Babylona 2 (rehefa lasa niala tany Jerosalema Jekonia mpanjaka sy ny reniny sy ny tandapa sy ny mpanapaka ny Joda sy Jerosalema mbamin'ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy), 3 dia ilay teny nampitondrainy an'i Elasa, zanak'i Safana, sy Gemaria, zanak'i Hilkia, izay nirahin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ho any Babylona, ho any amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanao hoe: 4 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny babo rehetra izay natolotro ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona: 5 Manaova trano ianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy. 6 Manambadia, ka miteraha zazalahy sy zazavavy; analao vady ny zanakalahinareo, ary ampanambadio ny zanakavavinareo, mba hiterahany zazalahy sy zazavavy, ka hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy. 7 Ary katsaho izay hiadanan'ny tanàna izay nampandehanako anareo ho babo, ary mivavaha amin'i Jehovah ho azy; fa raha miadana izy, dia mba hiadana koa ianareo. 8 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aza mety hofitahin'ny mpaminaninareo sy ny mpanao fankatovanareo, izay ao aminareo, ary aza mino ny nofinareo izay nofisinareo*.[Na: izay nampanonofisinareo] 9 Fa lainga no vinaniny aminareo amin'ny anarako; tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah. 10 Fa izao no lazain'i Jehovah: Rehefa tapitra ny fito-polo taona ny amin'i Babylona, dia hamangy anareo Aho, fa hotanterahiko aminareo ny teniko tsara, ka hampodiko ho amin'ity tany ity ianareo. 11 Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany*.[Heb. farany sy fanantenana] 12 Ary hiantso Ahy ianareo ka handeha sy hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho. 13 Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra. 14 Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah; ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka hangoniko avy any amin'ny firenena rehetra sy avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako anareo, hoy Jehovah, ka hampodiko ho any amin'ilay tany efa nanolorako anareo hobaboina. 15 Fa hoy ianareo: Jehovah nanangana mpaminany ho anay eto Babylona. 16 Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny amin'ny vahoaka rehetra izay monina amin'ity tanàna ity, dia ny rahalahinareo izay tsy mba lasan-ko babo niaraka taminareo. 17 izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana, ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy. 18 Ary henjehiko amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ka hatolotro ho mpanjenjena* any amin'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany, ho fanozonana sy figagana sy zavatra mampisitrisitra sy fandatsa ho an'ny firenena izay nandroahako, azy[Na: ho fampangovitana] 19 noho ny tsy nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, teny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy Jehovah. 20 Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo babo rehetra izay nesoriko tany Jerosalema ho atỳ Babylona. 21 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'i Ahaba, zanak'i Kolaia, sy ny amin'i Zedekia, zanak'i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin'ny anarako: Indro, hatolotro eo an-tanan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, izy, ka dia hovonoiny eo imasonareo. 22 Ary izy roa lahy dia hataon'ny babo rehetra amin'ny Joda izay any Babylona ho fanozonana hoe: Hataon'i Jehovah tahaka an'i Zedekia sy Ahaba, izay nodoran'ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny afo, anie ianao, 23 noho ny nanaovany izay fady indrindra* tao amin'ny Isiraely sy ny nijangajangany tamin'ny vadin'ny namany ary ny nitenenany lainga tamin'ny anarako, izay tsy nandidiako azy; Izaho no mahalala, ka ho vavolombelona Aho, hoy Jehovah.[Heb; fahadalana] 24 Ary Semaia Nehelamita dia hilazanao hoe: 25 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nampitondranao taratasy tamin'ny anaranao ho amin'ny vahoaka rehetra izay any Jerosalema sy amin'i Zefania mpisorona, zanak'i Mahaseia, ary amin'ny mpisorona rehetra hafa koa nanao hoe: 26 Jehovah efa nanao anao ho mpisorona ho solon'i Joiada mpisorona, mba hanendry izay ho mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, hisakana izay rehetra very saina sy manao azy ho mpaminany, ka dia hasianao boloky hazo ny vozony sy ny tongony; 27 koa nahoana ianao no tsy nananatra mafy an'i Jeremia avy any Anatota, izay manao azy ho mpaminany aminareo? 28 Fa naniraka ho aminay any Babylona izy nanao hoe: Mbola haharitra ela izao, koa manaova trano ianareo, dia mitoera aminy, ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra aminy. 29 Ary Zefania mpisorona namaky izany taratasy izany teo anatrehan'i Jeremia mpaminany. 30 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe: 31 Maniraha ho any amin'ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian'i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin'ny lainga 32 dia izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hamaly an'i Semaia Nehelamita sy ny taranany Aho: tsy hanana zanakalahy honina amin'ity firenena ity izy sady tsy hanam-pifaliana amin'ny hahitana ny soa izay hataoko amin'ny oloko, hoy Jehovah, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notoriny. | | 29:1 Now these are the words of the letter that Jeremiah the prophet sent from Jerusalem to the residue of the elders of the captivity, and to the priests, to the prophets, and to all the people, whom Nebuchadnezzar had carried away captive from Jerusalem to Babylon, 29:2 (after that Jeconiah the king, the queen mother, the eunuchs, the princes of Judah and Jerusalem, the craftsmen, and the smiths, had departed from Jerusalem), 29:3 by the hand of Elasah the son of Shaphan, and Gemariah the son of Hilkiah, (whom Zedekiah king of Judah sent to Babylon to Nebuchadnezzar king of Babylon), saying, 29:4 Thus says Yahweh of Armies, the God of Israel, to all the captivity, whom I have caused to be carried away captive from Jerusalem to Babylon: 29:5 Build houses, and dwell in them; and plant gardens, and eat their fruit. 29:6 Take wives, and father sons and daughters; and take wives for your sons, and give your daughters to husbands, that they may bear sons and daughters; and multiply there, and don’t be diminished. 29:7 Seek the peace of the city where I have caused you to be carried away captive, and pray to Yahweh for it; for in its peace you shall have peace. 29:8 For thus says Yahweh of Armies, the God of Israel: Don’t let your prophets who are in the midst of you, and your diviners, deceive you; neither listen to your dreams which you cause to be dreamed. 29:9 For they prophesy falsely to you in my name: I have not sent them, says Yahweh. 29:10 For thus says Yahweh, After seventy years are accomplished for Babylon, I will visit you, and perform my good word toward you, in causing you to return to this place. 29:11 For I know the thoughts that I think toward you, says Yahweh, thoughts of peace, and not of evil, to give you hope and a future. 29:12 You shall call on me, and you shall go and pray to me, and I will listen to you. 29:13 You shall seek me, and find me, when you shall search for me with all your heart. 29:14 I will be found by you, says Yahweh, and I will turn again your captivity, and I will gather you from all the nations, and from all the places where I have driven you, says Yahweh; and I will bring you again to the place from where I caused you to be carried away captive. 29:15 Because you have said, Yahweh has raised us up prophets in Babylon; 29:16 thus says Yahweh concerning the king who sits on the throne of David, and concerning all the people who dwell in this city, your brothers who haven’t gone forth with you into captivity; 29:17 thus says Yahweh of Armies; Behold, I will send on them the sword, the famine, and the pestilence, and will make them like vile figs, that can’t be eaten, they are so bad. 29:18 I will pursue after them with the sword, with the famine, and with the pestilence, and will deliver them to be tossed back and forth among all the kingdoms of the earth, to be an object of horror, and an astonishment, and a hissing, and a reproach, among all the nations where I have driven them; 29:19 because they have not listened to my words, says Yahweh, with which I sent to them my servants the prophets, rising up early and sending them; but you would not hear, says Yahweh. 29:20 Hear therefore the word of Yahweh, all you of the captivity, whom I have sent away from Jerusalem to Babylon. 29:21 Thus says Yahweh of Armies, the God of Israel, concerning Ahab the son of Kolaiah, and concerning Zedekiah the son of Maaseiah, who prophesy a lie to you in my name: Behold, I will deliver them into the hand of Nebuchadnezzar king of Babylon; and he shall kill them before your eyes; 29:22 and of them shall be taken up a curse by all the captives of Judah who are in Babylon, saying, Yahweh make you like Zedekiah and like Ahab, whom the king of Babylon roasted in the fire; 29:23 because they have worked folly in Israel, and have committed adultery with their neighbors’ wives, and have spoken words in my name falsely, which I didn’t command them; and I am he who knows, and am witness, says Yahweh. 29:24 Concerning Shemaiah the Nehelamite you shall speak, saying, 29:25 Thus speaks Yahweh of Armies, the God of Israel, saying, Because you have sent letters in your own name to all the people who are at Jerusalem, and to Zephaniah the son of Maaseiah, the priest, and to all the priests, saying, 29:26 Yahweh has made you priest in the place of Jehoiada the priest, that there may be officers in the house of Yahweh, for every man who is mad, and makes himself a prophet, that you should put him in the stocks and in shackles. 29:27 Now therefore, why have you not rebuked Jeremiah of Anathoth, who makes himself a prophet to you, 29:28 because he has sent to us in Babylon, saying, The captivity is long: build houses, and dwell in them; and plant gardens, and eat their fruit? 29:29 Zephaniah the priest read this letter in the ears of Jeremiah the prophet. 29:30 Then came the word of Yahweh to Jeremiah, saying, 29:31 Send to all them of the captivity, saying, Thus says Yahweh concerning Shemaiah the Nehelamite: Because Shemaiah has prophesied to you, and I didn’t send him, and he has caused you to trust in a lie; 29:32 therefore thus says Yahweh, Behold, I will punish Shemaiah the Nehelamite, and his seed; he shall not have a man to dwell among this people, neither shall he see the good that I will do to my people, says Yahweh, because he has spoken rebellion against Yahweh. | | Chapitre 29 1 Voici le contenu de la lettre que Jérémie, le prophète, envoya de Jérusalem au reste des anciens en captivité, aux sacrificateurs, aux prophètes, et à tout le peuple, que Nebucadnetsar avait emmenés captifs de Jérusalem à Babylone, 2 après que le roi Jeconia, la reine, les eunuques, les chefs de Juda et de Jérusalem, les charpentiers et les serruriers, furent sortis de Jérusalem. 3 Il la remit à Éleasa, fils de Schaphan, et à Guemaria, fils de Hilkija, envoyés à Babylone par Sédécias, roi de Juda, auprès de Nebucadnetsar, roi de Babylone. Elle était ainsi conçue: 4 Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël, à tous les captifs que j'ai emmenés de Jérusalem à Babylone: 5 Bâtissez des maisons, et habitez-les; plantez des jardins, et mangez-en les fruits. 6 Prenez des femmes, et engendrez des fils et des filles; prenez des femmes pour vos fils, et donnez des maris à vos filles, afin qu'elles enfantent des fils et des filles; multipliez là où vous êtes, et ne diminuez pas. 7 Recherchez le bien de la ville où je vous ai menés en captivité, et priez l'Éternel en sa faveur, parce que votre bonheur dépend du sien. 8 Car ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Ne vous laissez pas tromper par vos prophètes qui sont au milieu de vous, et par vos devins, n'écoutez pas vos songeurs dont vous provoquez les songes! 9 Car c'est le mensonge qu'ils vous prophétisent en mon nom. Je ne les ai point envoyés, dit l'Éternel. 10 Mais voici ce que dit l'Éternel: Dès que soixante-dix ans seront écoulés pour Babylone, je me souviendrai de vous, et j'accomplirai à votre égard ma bonne parole, en vous ramenant dans ce lieu. 11 Car je connais les projets que j'ai formés sur vous, dit l'Éternel, projets de paix et non de malheur, afin de vous donner un avenir et de l'espérance. 12 Vous m'invoquerez, et vous partirez; vous me prierez, et je vous exaucerai. 13 Vous me chercherez, et vous me trouverez, si vous me cherchez de tout votre coeur. 14 Je me laisserai trouver par vous, dit l'Éternel, et je ramènerai vos captifs; je vous rassemblerai de toutes les nations et de tous les lieux où je vous ai chassés, dit l'Éternel, et je vous ramènerai dans le lieu d'où je vous ai fait aller en captivité. 15 Cependant vous dites: Dieu nous a suscité des prophètes à Babylone! 16 Ainsi parle l'Éternel sur le roi qui occupe le trône de David, sur tout le peuple qui habite cette ville, sur vos frères qui ne sont point allés avec vous en captivité; 17 ainsi parle l'Éternel des armées: Voici, j'enverrai parmi eux l'épée, la famine et la peste, et je les rendrai semblables à des figues affreuses qui ne peuvent être mangées à cause de leur mauvaise qualité. 18 Je les poursuivrai par l'épée, par la famine et par la peste, je les rendrai un objet d'effroi pour tous les royaumes de la terre, un sujet de malédiction, de désolation, de moquerie et d'opprobre, parmi toutes les nations où je les chasserai, 19 parce qu'ils n'ont pas écouté mes paroles, dit l'Éternel, eux à qui j'ai envoyé mes serviteurs, les prophètes, à qui je les ai envoyés dès le matin; et ils n'ont pas écouté, dit l'Éternel. 20 Mais vous, écoutez la parole de l'Éternel, vous tous, captifs, que j'ai envoyés de Jérusalem à Babylone! 21 Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël, sur Achab, fils de Kolaja, et sur Sédécias, fils de Maaséja, qui vous prophétisent le mensonge en mon nom: Voici, je les livre entre les mains de Nebucadnetsar, roi de Babylone; et il les fera mourir sous vos yeux. 22 On se servira d'eux comme d'un sujet de malédiction, parmi tous les captifs de Juda qui sont à Babylone; on dira: Que l'Éternel te traite comme Sédécias et comme Achab, que le roi de Babylone a fait rôtir au feu! 23 Et cela arrivera parce qu'ils ont commis une infamie en Israël, se livrant à l'adultère avec les femmes de leur prochain, et parce qu'ils ont dit des mensonges en mon nom, quand je ne leur avais point donné d'ordre. Je le sais, et j'en suis témoin, dit l'Éternel. 24 Tu diras à Schemaeja, Néchélamite: 25 Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Tu as envoyé en ton nom à tout le peuple de Jérusalem, à Sophonie, fils de Maaséja, le sacrificateur, et à tous les sacrificateurs, une lettre ainsi conçue: 26 L'Éternel t'a établi sacrificateur à la place de Jehojada, le sacrificateur, afin qu'il y ait dans la maison de l'Éternel des inspecteurs pour surveiller tout homme qui est fou et se donne pour prophète, et afin que tu le mettes en prison et dans les fers. 27 Maintenant, pourquoi ne réprimes-tu pas Jérémie d'Anathoth, qui prophétise parmi vous, 28 qui nous a même envoyé dire à Babylone: Elle sera longue, la captivité; bâtissez des maisons, et habitez-les; plantez des jardins, et mangez-en les fruits! - 29 Sophonie, le sacrificateur, lut cette lettre en présence de Jérémie, le prophète. - 30 Et la parole de l'Éternel fut adressée à Jérémie, en ces mots: 31 Fais dire à tous les captifs: Ainsi parle l'Éternel sur Schemaeja, Néchélamite: Parce que Schemaeja vous prophétise, sans que je l'aie envoyé, et qu'il vous inspire une fausse confiance, 32 voici ce que dit l'Éternel: Je châtierai Schemaeja, Néchélamite, et sa postérité; nul des siens n'habitera au milieu de ce peuple, et il ne verra pas le bien que je ferai à mon peuple, dit l'Éternel; car ses paroles sont une révolte contre l'Éternel. | |