T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 28

1 [Ny faminanian'i Hanania mpaminany sandoka, sy ny navalin'i Jeremia azy] Ary tamin'izany taona izany ihany, dia tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahefatra, no nitenenan'i Hanania, zanak'i Azora, mpaminany avy tany Gibeona, tamiko tao an-tranon'i Jehovah, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra, nanao hoe:

2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Efa notapahiko ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona,

3 ka ao anatin'ny roa taona no hampodiako ho amin'ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah izay nalain'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, avy tamin'ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona:

4 ary Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, mbamin'ny Joda voababo rehetra, izay lasa tany Babylona, dia hampodiko ho amin'ity tanàna ity, hoy Jehovah; fa hotapahiko ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona.

5 Dia hoy Jeremia mpaminany tamin'i Hanania mpaminany teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay tao an-tranon'i Jehovah,

6 Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon'i Jehovah anie izany! hotanterahin'i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin'ny hampodiana ny fanaky ny tranon'i Jehovah mbamin'ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin'ity tanàna ity indray.

7 Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:

8 Ny mpaminany izay tany alohako sy tany alohanao hatramin'ny ela dia naminany ady sy loza ary areti-mandringana ho amin'ny tany maro sy ny fanjakana lehibe.

9 Ny amin'ny mpaminany izay maminany fiadanana raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra ho mpaminany nirahin'i Jehovah tokoa izy.

10 Dia nesorin'i Hanania mpaminany ny zioga tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ka notapahiny.

11 Ary Hanania niteny teo anatrehan'ny vahoaka rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah: tahaka izao no hanapahako ny ziogan'i Nebokadnezara, mpanjakan'ny Babylona, ho afaka amin'ny vozon'ny firenena rehetra ao anatin'ny roa taona. Ary dia lasa niala Jeremia mpaminany.

12 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, nony efa notapahin'i Hanania mpaminany ho afaka tamin'ny vozon'i Jeremia mpaminany ny zioga, nanao hoe:

13 Mandehana, ka lazao amin'i Hanania hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zioga hazo no notapahinao, fa zioga vy kosa no hataonao solony.

14 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Zioga vy no nataoko tamin'ny vozon'ireto firenena rehetra ireto mba hanompoany an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ka dia hanompo azy izy; eny, na dia ny bibi-dia aza dia nomeko azy koa.

 

15 Dia hoy Jeremia mpaminany tamin'i Hanania mpaminany: Mba henoy, ry Hanania: Tsy naniraka anao Jehovah; fa ianao dia mampitoky ity firenena ity amin'ny lainga.

16 Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hesoriko tsy ho amin'ny tany ianao; amin'ity taona ity ihany no hahafatesanao, satria fiodinana tamin'i Jehovah no notorinao

17 Ka dia maty tamin'ny volana fahafito tamin'iny taona iny ihany Hanania mpaminany.

 

28:1 It happened the same year, in the beginning of the reign of Zedekiah king of Judah, in the fourth year, in the fifth month, that Hananiah the son of Azzur, the prophet, who was of Gibeon, spoke to me in the house of Yahweh, in the presence of the priests and of all the people, saying, 28:2 Thus speaks Yahweh of Armies, the God of Israel, saying, I have broken the yoke of the king of Babylon. 28:3 Within two full years will I bring again into this place all the vessels of Yahweh’s house, that Nebuchadnezzar king of Babylon took away from this place, and carried to Babylon: 28:4 and I will bring again to this place Jeconiah the son of Jehoiakim, king of Judah, with all the captives of Judah, who went to Babylon, says Yahweh; for I will break the yoke of the king of Babylon. 28:5 Then the prophet Jeremiah said to the prophet Hananiah in the presence of the priests, and in the presence of all the people who stood in the house of Yahweh, 28:6 even the prophet Jeremiah said, Amen: Yahweh do so; Yahweh perform your words which you have prophesied, to bring again the vessels of Yahweh’s house, and all them of the captivity, from Babylon to this place. 28:7 Nevertheless hear you now this word that I speak in your ears, and in the ears of all the people: 28:8 The prophets who have been before me and before you of old prophesied against many countries, and against great kingdoms, of war, and of evil, and of pestilence. 28:9 The prophet who prophesies of peace, when the word of the prophet shall happen, then shall the prophet be known, that Yahweh has truly sent him. 28:10 Then Hananiah the prophet took the bar from off the prophet Jeremiah’s neck, and broke it. 28:11 Hananiah spoke in the presence of all the people, saying, Thus says Yahweh: Even so will I break the yoke of Nebuchadnezzar king of Babylon within two full years from off the neck of all the nations. The prophet Jeremiah went his way. 28:12 Then the word of Yahweh came to Jeremiah, after that Hananiah the prophet had broken the bar from off the neck of the prophet Jeremiah, saying, 28:13 Go, and tell Hananiah, saying, Thus says Yahweh: You have broken the bars of wood; but you have made in their place bars of iron. 28:14 For thus says Yahweh of Armies, the God of Israel: I have put a yoke of iron on the neck of all these nations, that they may serve Nebuchadnezzar king of Babylon; and they shall serve him: and I have given him the animals of the field also. 28:15 Then the prophet Jeremiah said to Hananiah the prophet, Hear now, Hananiah: Yahweh has not sent you; but you make this people to trust in a lie. 28:16 Therefore thus says Yahweh, Behold, I will send you away from off the surface of the earth: this year you shall die, because you have spoken rebellion against Yahweh. 28:17 So Hananiah the prophet died the same year in the seventh month.

Chapitre 28
1 Dans la même année, au commencement du règne de Sédécias, roi de Juda, le cinquième mois de la quatrième année, Hanania, fils d'Azzur, prophète, de Gabaon, me dit dans la maison de l'Éternel, en présence des sacrificateurs et de tout le peuple: 2 Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Je brise le joug du roi de Babylone! 3 Encore deux années, et je fais revenir dans ce lieu tous les ustensiles de la maison de l'Éternel, que Nebucadnetsar, roi de Babylone, a enlevés de ce lieu, et qu'il a emportés à Babylone. 4 Et je ferai revenir dans ce lieu, dit l'Éternel, Jeconia, fils de Jojakim, roi de Juda, et tous les captifs de Juda, qui sont allés à Babylone; car je briserai le joug du roi de Babylone. 5 Jérémie, le prophète, répondit à Hanania, le prophète, en présence des sacrificateurs et de tout le peuple qui se tenaient dans la maison de l'Éternel. 6 Jérémie, le prophète, dit: Amen! que l'Éternel fasse ainsi! que l'Éternel accomplisse les paroles que tu as prophétisées, et qu'il fasse revenir de Babylone en ce lieu les ustensiles de la maison de l'Éternel et tous les captifs! 7 Seulement écoute cette parole que je prononce à tes oreilles et aux oreilles de tout le peuple: 8 Les prophètes qui ont paru avant moi et avant toi, dès les temps anciens, ont prophétisé contre des pays puissants et de grands royaumes la guerre, le malheur et la peste; 9 mais si un prophète prophétise la paix, c'est par l'accomplissement de ce qu'il prophétise qu'il sera reconnu comme véritablement envoyé par l'Éternel. 10 Alors Hanania, le prophète, enleva le joug de dessus le cou de Jérémie, le prophète, et il le brisa. 11 Et Hanania dit en présence de tout le peuple: Ainsi parle l'Éternel: C'est ainsi que, dans deux années, je briserai de dessus le cou de toutes les nations le joug de Nebucadnetsar, roi de Babylone. Et Jérémie, le prophète, s'en alla. 12 Après que Hanania, le prophète, eut brisé le joug de dessus le cou de Jérémie, le prophète, la parole de l'Éternel fut adressée à Jérémie, en ces mots: 13 Va, et dis à Hanania: Ainsi parle l'Éternel: Tu as brisé un joug de bois, et tu auras à sa place un joug de fer. 14 Car ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Je mets un joug de fer sur le cou de toutes ces nations, pour qu'elles soient asservies à Nebucadnetsar, roi de Babylone, et elles lui seront asservies; je lui donne aussi les animaux des champs. 15 Et Jérémie, le prophète, dit à Hanania, le prophète: Écoute, Hanania! L'Éternel ne t'a point envoyé, et tu inspires à ce peuple une fausse confiance. 16 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel: Voici, je te chasse de la terre; tu mourras cette année; car tes paroles sont une révolte contre l'Éternel. 17 Et Hanania, le prophète, mourut cette année-là, dans le septième mois.