| Chapitre 27 1 [Ny amin'ny zioga hataon'ny mpanjakan'i Babylona amin'ny vozon'ny firenena izay resiny, sy ny namporisihan'i Jeremia azy hitondra izany] Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah hoe: 2 Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Manaova famatorana* sy zioga ianao, ka ataovy eo am-bozonao,[Na: kofehy] 3 ary ampanatero any amin'ny mpanjakan'i Edoma sy any amin'ny mpanjakan'i Moaba sy any amin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona sy any amin'ny mpanjakan'i Tyro ary any amin'ny mpanjakan'i Sidona izany ho entin'ny iraka izay mankaty Jerosalema ho atỳ amin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda; 4 ary asaovy lazainy amin'ny tompony avy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo: 5 Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin'ny heriko lehibe sy tamin'ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an'izay sitraky ny foko ny tany. 6 Ary ankehitriny Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza dia efa nomeko hanompo azy koa. 7 Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan'ny fotoana hamaliana ny tanin'izy io kosa, ka hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy. 8 Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona, dia hovaliako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin'ny tànany. 9 Ary aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo. 10 Fa lainga no vinanin'ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana. 11 Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin'ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy. 12 Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda. koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo. 13 Nahoana no ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin'ny vahoakanao, araka ny nolazain'i Jehovah ny amin'ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan'i Babylona? 14 Koa aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo; fa lainga no vinanin'ireo aminareo. 15 Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin'ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo. 16 Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo. izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon'i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo. 17 Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho rava ity tanàna ity? 18 Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin'i Jehovah, dia aoka hifona amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema 19 Fa izao ny lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ny andry sy ny tavin-drano lehibe* sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin'ny fanaka hafa izay mbola sisa amin'ity tanàna ity,[Heb. ranomasina] 20 dia izay tsy nalain'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, fony izy nitondra an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin'ny manan-kaja rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema, 21 eny, izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ny fanaka izay sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema: 22 Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan'ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin'ity tanàna ity. | | Chapitre 27 27:1 In the beginning of the reign of Jehoiakim the son of Josiah, king of Judah, came this word to Jeremiah from Yahweh, saying, 27:2 Thus says Yahweh to me: Make bonds and bars, and put them on your neck; 27:3 and send them to the king of Edom, and to the king of Moab, and to the king of the children of Ammon, and to the king of Tyre, and to the king of Sidon, by the hand of the messengers who come to Jerusalem to Zedekiah king of Judah; 27:4 and give them a command to their masters, saying, Thus says Yahweh of Armies, the God of Israel, You shall tell your masters: 27:5 I have made the earth, the men and the animals that are on the surface of the earth, by my great power and by my outstretched arm; and I give it to whom it seems right to me. 27:6 Now have I given all these lands into the hand of Nebuchadnezzar the king of Babylon, my servant; and the animals of the field also have I given him to serve him. 27:7 All the nations shall serve him, and his son, and his son’s son, until the time of his own land come: and then many nations and great kings shall make him their bondservant. 27:8 It shall happen, that the nation and the kingdom which will not serve the same Nebuchadnezzar king of Babylon, and that will not put their neck under the yoke of the king of Babylon, that nation will I punish, says Yahweh, with the sword, and with the famine, and with the pestilence, until I have consumed them by his hand. 27:9 But as for you, don’t you listen to your prophets, nor to your diviners, nor to your dreams, nor to your soothsayers, nor to your sorcerers, who speak to you, saying, You shall not serve the king of Babylon: 27:10 for they prophesy a lie to you, to remove you far from your land, and that I should drive you out, and you should perish. 27:11 But the nation that shall bring their neck under the yoke of the king of Babylon, and serve him, that nation will I let remain in their own land, says Yahweh; and they shall till it, and dwell therein. 27:12 I spoke to Zedekiah king of Judah according to all these words, saying, Bring your necks under the yoke of the king of Babylon, and serve him and his people, and live. 27:13 Why will you die, you and your people, by the sword, by the famine, and by the pestilence, as Yahweh has spoken concerning the nation that will not serve the king of Babylon? 27:14 Don’t listen to the words of the prophets who speak to you, saying, You shall not serve the king of Babylon; for they prophesy a lie to you. 27:15 For I have not sent them, says Yahweh, but they prophesy falsely in my name; that I may drive you out, and that you may perish, you, and the prophets who prophesy to you. 27:16 Also I spoke to the priests and to all this people, saying, Thus says Yahweh: Don’t listen to the words of your prophets who prophesy to you, saying, Behold, the vessels of Yahweh’s house shall now shortly be brought again from Babylon; for they prophesy a lie to you. 27:17 Don’t listen to them; serve the king of Babylon, and live: why should this city become a desolation? 27:18 But if they be prophets, and if the word of Yahweh be with them, let them now make intercession to Yahweh of Armies, that the vessels which are left in the house of Yahweh, and in the house of the king of Judah, and at Jerusalem, don’t go to Babylon. 27:19 For thus says Yahweh of Armies concerning the pillars, and concerning the sea, and concerning the bases, and concerning the residue of the vessels that are left in this city, 27:20 which Nebuchadnezzar king of Babylon didn’t take, when he carried away captive Jeconiah the son of Jehoiakim, king of Judah, from Jerusalem to Babylon, and all the nobles of Judah and Jerusalem; 27:21 yes, thus says Yahweh of Armies, the God of Israel, concerning the vessels that are left in the house of Yahweh, and in the house of the king of Judah, and at Jerusalem: 27:22 They shall be carried to Babylon, and there shall they be, until the day that I visit them, says Yahweh; then will I bring them up, and restore them to this place. | | Chapitre 27 1 Au commencement du règne de Jojakim, fils de Josias, roi de Juda, cette parole fut adressée à Jérémie de la part de l'Éternel, en ces mots: 2 Ainsi m'a parlé l'Éternel: Fais-toi des liens et des jougs, et mets-les sur ton cou. 3 Envoie-les au roi d'Édom, au roi de Moab, au roi des enfants d'Ammon, au roi de Tyr et au roi de Sidon, par les envoyés qui sont venus à Jérusalem auprès de Sédécias, roi de Juda, 4 et à qui tu donneras mes ordres pour leurs maîtres, en disant: Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Voici ce que vous direz à vos maîtres: 5 C'est moi qui ai fait la terre, les hommes et les animaux qui sont sur la terre, par ma grande puissance et par mon bras étendu, et je donne la terre à qui cela me plaît. 6 Maintenant je livre tous ces pays entre les mains de Nebucadnetsar, roi de Babylone, mon serviteur; je lui donne aussi les animaux des champs, pour qu'ils lui soient assujettis. 7 Toutes les nations lui seront soumises, à lui, à son fils, et au fils de son fils, jusqu'à ce que le temps de son pays arrive, et que des nations puissantes et de grands rois l'asservissent. 8 Si une nation, si un royaume ne se soumet pas à lui, à Nebucadnetsar, roi de Babylone, et ne livre pas son cou au joug du roi de Babylone, je châtierai cette nation par l'épée, par la famine et par la peste, dit l'Éternel, jusqu'à ce que je l'aie anéantie par sa main. 9 Et vous, n'écoutez pas vos prophètes, vos devins, vos songeurs, vos astrologues, vos magiciens, qui vous disent: Vous ne serez point asservis au roi de Babylone! 10 Car c'est le mensonge qu'ils vous prophétisent, afin que vous soyez éloignés de votre pays, afin que je vous chasse et que vous périssiez. 11 Mais la nation qui pliera son cou sous le joug du roi de Babylone, et qui lui sera soumise, je la laisserai dans son pays, dit l'Éternel, pour qu'elle le cultive et qu'elle y demeure. 12 J'ai dit entièrement les mêmes choses à Sédécias, roi de Juda: Pliez votre cou sous le joug du roi de Babylone, soumettez-vous à lui et à son peuple, et vous vivrez. 13 Pourquoi mourriez-vous, toi et ton peuple, par l'épée, par la famine et par la peste, comme l'Éternel l'a prononcé sur la nation qui ne se soumettra pas au roi de Babylone? 14 N'écoutez pas les paroles des prophètes qui vous disent: Vous ne serez point asservis au roi de Babylone! Car c'est le mensonge qu'ils vous prophétisent. 15 Je ne les ai point envoyés, dit l'Éternel, et ils prophétisent le mensonge en mon nom, afin que je vous chasse et que vous périssiez, vous et les prophètes qui vous prophétisent. 16 J'ai dit aux sacrificateurs et à tout ce peuple: Ainsi parle l'Éternel: N'écoutez pas les paroles de vos prophètes qui vous prophétisent, disant: Voici, les ustensiles de la maison de l'Éternel seront bientôt rapportés de Babylone! Car c'est le mensonge qu'ils vous prophétisent. 17 Ne les écoutez pas, soumettez-vous au roi de Babylone, et vous vivrez. Pourquoi cette ville deviendrait-elle une ruine? 18 S'ils sont prophètes et si la parole de l'Éternel est avec eux, qu'ils intercèdent auprès de l'Éternel des armées pour que les ustensiles qui restent dans la maison de l'Éternel, dans la maison du roi de Juda, et dans Jérusalem, ne s'en aillent point à Babylone. 19 Car ainsi parle l'Éternel des armées au sujet des colonnes, de la mer, des bases, et des autres ustensiles qui sont restés dans cette ville, 20 qui n'ont pas été enlevés par Nebucadnetsar, roi de Babylone, lorsqu'il emmena captifs de Jérusalem à Babylone Jeconia, fils de Jojakim, roi de Juda, et tous les grands de Juda et de Jérusalem, 21 ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël, au sujet des ustensiles qui restent dans la maison de l'Éternel, dans la maison du roi de Juda, et dans Jérusalem: 22 Ils seront emportés à Babylone, et ils y resteront jusqu'au jour où je les chercherai, dit l'Éternel, où je les ferai remonter et revenir dans ce lieu. | |