T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 26

1 [Ny niampangana an'i Jeremia, sy ny nahafahany tamin'izany] Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao avy tamin'i Jehovah nanao hoe:

2 Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, ka lazao amin'ny tanànan'ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon'i Jehovah, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray akory aza.

3 Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin'ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian'ny ataony.

4 Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anoloanareo,

5 ary tsy mihaino ny tenin'ny mpaminany mpanompoko, izay irahiko aminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo

6 dia hataoko tahaka an'i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany ity tanàna ity.

7 Ary ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka rehetra dia nandre an'i Jeremia nanambara ireo teny rehetra ireo tao an-tranon'i Jehovah.

8 Koa nony efa tapitra voalazan'i Jeremia izay rehetra nasain'i Jehovah nolazaina tamin'ny vahoaka rehetra, dia nosamborin'ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao.

9 Nahoana ianao no naminany tamin'ny anaran'i Jehovah hoe: Ho tahaka an'i Silo ity tanàna ity, ary ho lao ity tanàna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin'i Jeremia tao an-tranon'i Jehovah.

10 Fa nony ren'ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin'ny tranon'ny mpanjaka nankany amin'ny tranon'i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan'ny vavahady vaovaon'i Jehovah.

11 Ary ny mpisorona sy ny mpaminany nilaza tamin'ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin'ity tanàna ity izy araka izay efa ren'ny sofinareo.

12 Dia nilaza tamin'ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin'ity trano sy ity tanàna ity.

13 Koa ankehitriny ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo.

14 Fa ny amiko, dia, indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.

15 Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin'ity tanàna ity ary amin'ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.

16 Dia hoy ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra tamin'ny mpisorona sy ny mpaminany: Tsy misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity, satria tamin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.

17 Dia nisy nitsangana ny loholona ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra vory teo hoe:

18 Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka nanao tamin'ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: "Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala." (Mik. 3. 12).

19 Moa namono azy va Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an'i Jehovah va izy ka nifona tamin'i Jehovah, ka dia nanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe amin'ny tenantsika.

20 Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin'ny anaran'i Jehovah, dia Oria, zanak'i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin'ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon'i Jeremia izany koa.

21 Ary nony ren'i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta;

22 ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak'i Akbora, mbamin'ny olona sasany nanaraka ny hankany Egypta.

23 Ary Oria dia nalain'ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin'i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin'ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin'ny fasam-bahoaka.

24 Nefa ny tànan'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nomba an'i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan'ny vahoaka hovonoiny.

 

26:1 In the beginning of the reign of Jehoiakim the son of Josiah, king of Judah, came this word from Yahweh, saying, 26:2 Thus says Yahweh: Stand in the court of Yahweh’s house, and speak to all the cities of Judah, which come to worship in Yahweh’s house, all the words that I command you to speak to them; don’t diminish a word. 26:3 It may be they will listen, and turn every man from his evil way; that I may repent me of the evil which I purpose to do to them because of the evil of their doings. 26:4 You shall tell them, Thus says Yahweh: If you will not listen to me, to walk in my law, which I have set before you, 26:5 to listen to the words of my servants the prophets, whom I send to you, even rising up early and sending them, but you have not listened; 26:6 then will I make this house like Shiloh, and will make this city a curse to all the nations of the earth. 26:7 The priests and the prophets and all the people heard Jeremiah speaking these words in the house of Yahweh. 26:8 It happened, when Jeremiah had made an end of speaking all that Yahweh had commanded him to speak to all the people, that the priests and the prophets and all the people laid hold on him, saying, You shall surely die. 26:9 Why have you prophesied in the name of Yahweh, saying, This house shall be like Shiloh, and this city shall be desolate, without inhabitant? All the people were gathered to Jeremiah in the house of Yahweh. 26:10 When the princes of Judah heard these things, they came up from the king’s house to the house of Yahweh; and they sat in the entry of the new gate of Yahweh’s house. 26:11 Then spoke the priests and the prophets to the princes and to all the people, saying, This man is worthy of death; for he has prophesied against this city, as you have heard with your ears. 26:12 Then spoke Jeremiah to all the princes and to all the people, saying, Yahweh sent me to prophesy against this house and against this city all the words that you have heard. 26:13 Now therefore amend your ways and your doings, and obey the voice of Yahweh your God; and Yahweh will repent him of the evil that he has pronounced against you. 26:14 But as for me, behold, I am in your hand: do with me as is good and right in your eyes. 26:15 Only know for certain that, if you put me to death, you will bring innocent blood on yourselves, and on this city, and on its inhabitants; for of a truth Yahweh has sent me to you to speak all these words in your ears. 26:16 Then the princes and all the people said to the priests and to the prophets: This man is not worthy of death; for he has spoken to us in the name of Yahweh our God. 26:17 Then rose up certain of the elders of the land, and spoke to all the assembly of the people, saying, 26:18 Micah the Morashtite prophesied in the days of Hezekiah king of Judah; and he spoke to all the people of Judah, saying, Thus says Yahweh of Armies: Zion shall be plowed as a field, and Jerusalem shall become heaps, and the mountain of the house as the high places of a forest. 26:19 Did Hezekiah king of Judah and all Judah put him to death? Didn’t he fear Yahweh, and entreat the favor of Yahweh, and Yahweh relented of the disaster which he had pronounced against them? Thus should we commit great evil against our own souls. 26:20 There was also a man who prophesied in the name of Yahweh, Uriah the son of Shemaiah of Kiriath Jearim; and he prophesied against this city and against this land according to all the words of Jeremiah: 26:21 and when Jehoiakim the king, with all his mighty men, and all the princes, heard his words, the king sought to put him to death; but when Uriah heard it, he was afraid, and fled, and went into Egypt: 26:22 and Jehoiakim the king sent men into Egypt, Elnathan the son of Achbor, and certain men with him, into Egypt; 26:23 and they fetched forth Uriah out of Egypt, and brought him to Jehoiakim the king, who killed him with the sword, and cast his dead body into the graves of the common people. 26:24 But the hand of Ahikam the son of Shaphan was with Jeremiah, that they should not give him into the hand of the people to put him to death.

 

Chapitre 26
1 Au commencement du règne de Jojakim, fils de Josias, roi de Juda, cette parole fut prononcée de la part de l'Éternel, en ces mots: 2 Ainsi parle l'Éternel: Tiens-toi dans le parvis de la maison de l'Éternel, et dis à ceux qui de toutes les villes de Juda viennent se prosterner dans la maison de l'Éternel toutes les paroles que je t'ordonne de leur dire; n'en retranche pas un mot. 3 Peut-être écouteront-ils, et reviendront-ils chacun de leur mauvaise voie; alors je me repentirai du mal que j'avais pensé leur faire à cause de la méchanceté de leurs actions. 4 Tu leur diras: Ainsi parle l'Éternel: Si vous ne m'écoutez pas quand je vous ordonne de suivre ma loi que j'ai mise devant vous, 5 d'écouter les paroles de mes serviteurs, les prophètes, que je vous envoie, que je vous ai envoyés dès le matin, et que vous n'avez pas écoutés, 6 alors je traiterai cette maison comme Silo, et je ferai de cette ville un objet de malédiction pour toutes les nations de la terre. 7 Les sacrificateurs, les prophètes, et tout le peuple, entendirent Jérémie prononcer ces paroles dans la maison de l'Éternel. 8 Et comme Jérémie achevait de dire tout ce que l'Éternel lui avait ordonné de dire à tout le peuple, les sacrificateurs, les prophètes, et tout le peuple, se saisirent de lui, en disant: Tu mourras! 9 Pourquoi prophétises-tu au nom de l'Éternel, en disant: Cette maison sera comme Silo, et cette ville sera dévastée, privée d'habitants? Tout le peuple s'attroupa autour de Jérémie dans la maison de l'Éternel. 10 Lorsque les chefs de Juda eurent appris ces choses, ils montèrent de la maison du roi à la maison de l'Éternel, et s'assirent à l'entrée de la porte neuve de la maison de l'Éternel. 11 Alors les sacrificateurs et les prophètes parlèrent ainsi aux chefs et à tout le peuple: Cet homme mérite la mort; car il a prophétisé contre cette ville, comme vous l'avez entendu de vos oreilles. 12 Jérémie dit à tous les chefs et à tout le peuple: L'Éternel m'a envoyé pour prophétiser contre cette maison et contre cette ville, toutes les choses que vous avez entendues. 13 Maintenant réformez vos voies et vos oeuvres, écoutez la voix de l'Éternel, votre Dieu, et l'Éternel se repentira du mal qu'il a prononcé contre vous. 14 Pour moi, me voici entre vos mains; traitez-moi comme il vous semblera bon et juste. 15 Seulement sachez que, si vous me faites mourir, vous vous chargez du sang innocent, vous, cette ville et ses habitants; car l'Éternel m'a véritablement envoyé vers vous pour prononcer à vos oreilles toutes ces paroles. 16 Les chefs et tout le peuple dirent aux sacrificateurs et aux prophètes: Cet homme ne mérite point la mort; car c'est au nom de l'Éternel, notre Dieu, qu'il nous a parlé. 17 Et quelques-uns des anciens du pays se levèrent, et dirent à toute l'assemblée du peuple: 18 Michée, de Moréscheth, prophétisait du temps d'Ézéchias, roi de Juda, et il disait à tout le peuple de Juda: Ainsi parle l'Éternel des armées: Sion sera labourée comme un champ, Jérusalem deviendra un monceau de pierres, Et la montagne de la maison une haute forêt. 19 Ézéchias, roi de Juda, et tout Juda l'ont-ils fait mourir? Ézéchias ne craignit-il pas l'Éternel? N'implora-t-il pas l'Éternel? Alors l'Éternel se repentit du mal qu'il avait prononcé contre eux. Et nous, nous chargerions notre âme d'un si grand crime! 20 Il y eut aussi un homme qui prophétisait au nom de l'Éternel, Urie, fils de Schemaeja, de Kirjath-Jearim. Il prophétisa contre cette ville et contre ce pays entièrement les mêmes choses que Jérémie. 21 Le roi Jojakim, tous ses vaillants hommes, et tous ses chefs, entendirent ses paroles, et le roi chercha à le faire mourir. Urie, qui en fut informé, eut peur, prit la fuite, et alla en Égypte. 22 Le roi Jojakim envoya des gens en Égypte, Elnathan, fils d'Acbor, et des gens avec lui en Égypte. 23 Ils firent sortir d'Égypte Urie et l'amenèrent au roi Jojakim, qui le fit mourir par l'épée et jeta son cadavre sur les sépulcres des enfants du peuple. 24 Cependant la main d'Achikam, fils de Schaphan, fut avec Jérémie, et empêcha qu'il ne fût livré au peuple pour être mis à mort.