T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 25

1 [Ny handravan'i Babylona ny Joda sy ny firenena manodidina, ary ny loza hanelezana an'i Babylona sy ny firenena hafa rehetra] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia ny amin'ny Joda rehetra tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda dia ny taona voalohany nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona

2 dia izay nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'ny Joda rehetra sy tamin'ny mponina rehetra tany Jerosalema hoe:

3 Hatramin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakan'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, ka mandraka androany, dia mandritra ny telo amby roa-polo taona izao, no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamiko, ary nolazaiko taminareo, eny, nifoha maraina koa aho ka nilaza; nefa tsy nihaino ianareo.

4 Ary Jehovah naniraka ny mpaminany mpanompony rehetra ho any aminareo, eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka nefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino hoe:

5 Samia miala amin'ny lalan-dratsinareo avy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo, ka dia honina any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah anareo sy ny razanareo hatrizay ka ho mandrakizay.

6 Ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, ary aza mampahatezitra Ahy amin'ny asan'ny tananareo, fandrao hahatonga loza aminareo Aho.

7 Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin'ny asan'ny tananareo hahitanareo loza.

8 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Noho ny tsy nihainoanareo ny teniko,

9 dia, indro, hampanalaiko ny firenena rehetra any avaratra sy Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko, hoy Jehovah, ary ho entiko hamely ity lany ity sy ny mponina eto mbamin'ireto firenena manodidina rehetra ireto izy, ary haringako tokoa* ireo ka hataoko ho figagana sy zavatra mampisitrisitra sady ho rava mandrakizay.[Heb. hataoko herema]

10 Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro.

11 Ary ity tany rehetra ity dia ho foana sy lao, ary ireto firenena rehetra ireto hanompo ny mpanjakan'i Babylona fito-polo taona.

12 Ary rehefa tapitra ny fito-polo taona, hoy Jehovah, dia hovaliako kosa ny mpanjakan'i Babylona sy izany firenena izany noho ny helony, ary ny tanin'ny Kaldeana koa dia hataoko rava mandrakizay.

13 Ary hotoviko amin'izany tany izany ny teniko rehetra, izay efa nambarako hamelezana azy, dia izay rehetra voasoratra ato amin'ity boky ity, izay novinanin'i Jeremia hamely ny firenena rehetra.

14 Fa ireo kosa indray dia hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe, ary hovaliako araka ny ataony sy araka ny asan'ny tànany avy izy.

15 Fa izao no nolazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.

16 Ary hisotro izy ka hirepirepy sy ho very saina noho ny sabatra izay hampameleziko azy.

17 Dia noraisiko ny kapoaka teny an-tànan'i Jehovah, ka nampisotroako ny firenena rehetra izay nanirahan'i Jehovah ahy,

18 dia Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda sy ny mpanjakany ary ny mpanapaka, mba hanao azy ho tany lao sy ho figagana sy zavatra mampisitrisitra ary fanozonana tahaka ny amin'izao anio izao;

19 ary Farao, mpanjakan'i Egypta, sy ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny vahoakany rehetra,

20 ary ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny mpanjaka rehetra amin'ny tany Oza sy ny mpanjaka rehetra amin'ny tanin'ny Filistina sy Askelona sy Gaza sy Ekrona ary ny sisa any Asdoda;

21 ary Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona,

22 ary ny mpanjaka rehetra any Tyro sy ny mpanjaka rehetra any Sidona ary ny mpanjakan'ny nosy* any an-dafin'ny ranomasina;[Na: amoron-tsiraka]

23 ary Dedana sy Tema sy Boza ary izay rehetra voahety sisim-bolo,

24 ary ny mpanjaka rehetra any Arabia sy ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena maro samy hafa izay monina any an-efitra;

25 ary ny mpanjaka rehetra any Zimry sy ny mpanjaka rehetra any Elama ary ny mpanjaka rehetra any Media,

26 ary ny mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky, na iza na iza, ary ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao, izay etỳ ambonin'ny tany; ary ny mpanjakan'i Sesaka* koa dia hisotro manaraka ireo.[Sesaka = Babela]

27 Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro. Andriamanitry ny Isiraely: Misotroa ianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.

28 Ary raha tsy mety mandray ny kapoaka eny an-tananao hosotroiny izy, dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Tsy maintsy misotro ianareo.

29 Fa, indro, ao amin'ny tanàna izay efa niantsoana ny anarako aza no nanombohako ny fahatongavana loza, ka ho afaka va ianareo? Tsy ho afaka mihitsy ianareo, fa hiantso sabatra Aho hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

30 Koa maminania aminy ianao araka izao teny rehetra izao, ka ataovy hoe: Jehovah hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin'ny fitoerany masina, eny, hierona mafy amin'ny sahany fiandrasan-ondry Izy ka hanakora toy ny mpanosihosy voaloboka, hamelezana ny mponina rehetra amin'ny tany.

31 Mihatra amin'ny faran'ny tany ny fihorakorahana; Fa Jehovah manana ady amin'ny firenena; Mifandahatra amin'ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an'ny sabatra, hoy Jehovah.

32 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hisy loza hivoaka hitety ny firenena samy hafa, ary hisy tafio-drivotra mahery hiposaka any amin'ny faran'ny tany;

33 Ary amin'izany andro izany Ny voavonon'i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin'ny faran'ny tany anankiray ka hatramin'ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin'ny tany.

34 Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraina; Eny, mihosinkosena, ianareo zokiny amin'ny ondry! Fa tonga ny andro hamonoana anareo, ary hampieleziko ianareo ka hianjera toy ny fanaka tsara.

35 Ny mpiandry ondry tsy hanam-pandosirana, ary ny zokiny amin'ny ondry tsy hanam-pahafahana.

36 Injany! misy feo fitarainan'ny mpiandry ondry sy fidradradradran'ny zokiny aminy! Satria efa nosimban'i Jehovah ny saha fiandrasana azy,

37 Ary efa tonga lao ny kijana niadanana noho ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah.

38 Nandao ny fiereny toy ny liona tanora izy; Fa efa lao ny taniny noho ny fahasiahan'ny mpampahory sy noho ny firehetan'ny fahatezerany.

 

Chapitre 25

25:1 The word that came to Jeremiah concerning all the people of Judah, in the fourth year of Jehoiakim the son of Josiah, king of Judah (the same was the first year of Nebuchadnezzar king of Babylon), 25:2 which Jeremiah the prophet spoke to all the people of Judah, and to all the inhabitants of Jerusalem, saying: 25:3 From the thirteenth year of Josiah the son of Amon, king of Judah, even to this day, these twenty-three years, the word of Yahweh has come to me, and I have spoken to you, rising up early and speaking; but you have not listened. 25:4 Yahweh has sent to you all his servants the prophets, rising up early and sending them (but you have not listened, nor inclined your ear to hear) 25:5 saying, Return now everyone from his evil way, and from the evil of your doings, and dwell in the land that Yahweh has given to you and to your fathers, from of old and even forevermore; 25:6 and don’t go after other gods to serve them or worship them, and don’t provoke me to anger with the work of your hands; and I will do you no harm. 25:7 Yet you have not listened to me, says Yahweh; that you may provoke me to anger with the work of your hands to your own hurt. 25:8 Therefore thus says Yahweh of Armies: Because you have not heard my words, 25:9 behold, I will send and take all the families of the north, says Yahweh, and I will send to Nebuchadnezzar the king of Babylon, my servant, and will bring them against this land, and against its inhabitants, and against all these nations around; and I will utterly destroy them, and make them an astonishment, and a hissing, and perpetual desolations. 25:10 Moreover I will take from them the voice of mirth and the voice of gladness, the voice of the bridegroom and the voice of the bride, the sound of the millstones, and the light of the lamp. 25:11 This whole land shall be a desolation, and an astonishment; and these nations shall serve the king of Babylon seventy years. 25:12 It shall happen, when seventy years are accomplished, that I will punish the king of Babylon, and that nation, says Yahweh, for their iniquity, and the land of the Chaldeans; and I will make it desolate forever. 25:13 I will bring on that land all my words which I have pronounced against it, even all that is written in this book, which Jeremiah has prophesied against all the nations. 25:14 For many nations and great kings shall make bondservants of them, even of them; and I will recompense them according to their deeds, and according to the work of their hands. 25:15 For thus says Yahweh, the God of Israel, to me: take this cup of the wine of wrath at my hand, and cause all the nations, to whom I send you, to drink it. 25:16 They shall drink, and reel back and forth, and be mad, because of the sword that I will send among them. 25:17 Then took I the cup at Yahweh’s hand, and made all the nations to drink, to whom Yahweh had sent me: 25:18 Jerusalem, and the cities of Judah, and its kings, and its princes, to make them a desolation, an astonishment, a hissing, and a curse, as it is this day; 25:19 Pharaoh king of Egypt, and his servants, and his princes, and all his people; 25:20 and all the mixed people, and all the kings of the land of the Uz, and all the kings of the Philistines, and Ashkelon, and Gaza, and Ekron, and the remnant of Ashdod; 25:21 Edom, and Moab, and the children of Ammon; 25:22 and all the kings of Tyre, and all the kings of Sidon, and the kings of the isle which is beyond the sea; 25:23 Dedan, and Tema, and Buz, and all who have the corners of their beard cut off; 25:24 and all the kings of Arabia, and all the kings of the mixed people who dwell in the wilderness; 25:25 and all the kings of Zimri, and all the kings of Elam, and all the kings of the Medes; 25:26 and all the kings of the north, far and near, one with another; and all the kingdoms of the world, which are on the surface of the earth: and the king of Sheshach shall drink after them. 25:27 You shall tell them, Thus says Yahweh of Armies, the God of Israel: Drink, and be drunk, vomit, fall, and rise no more, because of the sword which I will send among you. 25:28 It shall be, if they refuse to take the cup at your hand to drink, then you shall tell them, Thus says Yahweh of Armies: You shall surely drink. 25:29 For, behold, I begin to work evil at the city which is called by my name; and should you be utterly unpunished? You shall not be unpunished; for I will call for a sword on all the inhabitants of the earth, says Yahweh of Armies. 25:30 Therefore prophesy you against them all these words, and tell them, Yahweh will roar from on high, and utter his voice from his holy habitation; he will mightily roar against his fold; he will give a shout, as those who tread grapes, against all the inhabitants of the earth. 25:31 A noise shall come even to the end of the earth; for Yahweh has a controversy with the nations; he will enter into judgment with all flesh: as for the wicked, he will give them to the sword, says Yahweh. 25:32 Thus says Yahweh of Armies, Behold, evil shall go forth from nation to nation, and a great storm shall be raised up from the uttermost parts of the earth. 25:33 The slain of Yahweh shall be at that day from one end of the earth even to the other end of the earth: they shall not be lamented, neither gathered, nor buried; they shall be dung on the surface of the ground. 25:34 Wail, you shepherds, and cry; and wallow in dust, you principal of the flock; for the days of your slaughter and of your dispersions are fully come, and you shall fall like a goodly vessel. 25:35 The shepherds shall have no way to flee, nor the principal of the flock to escape. 25:36 A voice of the cry of the shepherds, and the wailing of the principal of the flock! for Yahweh lays waste their pasture. 25:37 The peaceable folds are brought to silence because of the fierce anger of Yahweh. 25:38 He has left his covert, as the lion; for their land has become an astonishment because of the fierceness of the oppression, and because of his fierce anger.

 

Chapitre 25
1 La parole fut adressée à Jérémie sur tout le peuple de Juda, la quatrième année de Jojakim, fils de Josias, roi de Juda, -c'était la première année de Nebucadnetsar, roi de Babylone, - 2 parole que Jérémie prononça devant tout le peuple de Juda et devant tous les habitants de Jérusalem, en disant: 3 Depuis la treizième année de Josias, fils d'Amon, roi de Juda, il y a vingt-trois ans que la parole de l'Éternel m'a été adressée; je vous ai parlé, je vous ai parlé dès le matin, et vous n'avez pas écouté. 4 L'Éternel vous a envoyé tous ses serviteurs, les prophètes, il les a envoyés dès le matin; et vous n'avez pas écouté, vous n'avez pas prêté l'oreille pour écouter. 5 Ils ont dit: Revenez chacun de votre mauvaise voie et de la méchanceté de vos actions, et vous resterez dans le pays que j'ai donné à vous et à vos pères, d'éternité en éternité; 6 n'allez pas après d'autres dieux, pour les servir et pour vous prosterner devant eux, ne m'irritez pas par l'ouvrage de vos mains, et je ne vous ferai aucun mal. 7 Mais vous ne m'avez pas écouté, dit l'Éternel, afin de m'irriter par l'ouvrage de vos mains, pour votre malheur. 8 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel des armées: Parce que vous n'avez point écouté mes paroles, 9 j'enverrai chercher tous les peuples du septentrion, dit l'Éternel, et j'enverrai auprès de Nebucadnetsar, roi de Babylone, mon serviteur; je le ferai venir contre ce pays et contre ses habitants, et contre toutes ces nations à l'entour, afin de les dévouer par interdit, et d'en faire un objet de désolation et de moquerie, des ruines éternelles. 10 Je ferai cesser parmi eux les cris de réjouissance et les cris d'allégresse, les chants du fiancé et les chants de la fiancée, le bruit de la meule et la lumière de la lampe. 11 Tout ce pays deviendra une ruine, un désert, et ces nations seront asservies au roi de Babylone pendant soixante-dix ans. 12 Mais lorsque ces soixante-dix ans seront accomplis, je châtierai le roi de Babylone et cette nation, dit l'Éternel, à cause de leurs iniquités; je punirai le pays des Chaldéens, et j'en ferai des ruines éternelles. 13 Je ferai venir sur ce pays toutes les choses que j'ai annoncées sur lui, tout ce qui est écrit dans ce livre, ce que Jérémie a prophétisé sur toutes les nations. 14 Car des nations puissantes et de grands rois les asserviront, eux aussi, et je leur rendrai selon leurs oeuvres et selon l'ouvrage de leurs mains. 15 Car ainsi m'a parlé l'Éternel, le Dieu d'Israël: Prends de ma main cette coupe remplie du vin de ma colère, Et fais-la boire à toutes les nations Vers lesquelles je t'enverrai. 16 Ils boiront, et ils chancelleront et seront comme fous, A la vue du glaive que j'enverrai au milieu d'eux. 17 Et je pris la coupe de la main de l'Éternel, Et je la fis boire à toutes les nations Vers lesquelles l'Éternel m'envoyait: 18 A Jérusalem et aux villes de Juda, A ses rois et à ses chefs, Pour en faire une ruine, Un objet de désolation, de moquerie et de malédiction, Comme cela se voit aujourd'hui; 19 A Pharaon, roi d'Égypte, A ses serviteurs, à ses chefs, et à tout son peuple; 20 A toute l'Arabie, à tous les rois du pays d'Uts, A tous les rois du pays des Philistins, A Askalon, à Gaza, à Ékron, et à ce qui reste d'Asdod; 21 A Édom, A Moab, et aux enfants d'Ammon; 22 A tous les rois de Tyr, à tous les rois de Sidon, Et aux rois des îles qui sont au delà de la mer; 23 A Dedan, à Théma, à Buz, Et à tous ceux qui se rasent les coins de la barbe; 24 A tous les rois d'Arabie, Et à tous les rois des Arabes qui habitent dans le désert; 25 A tous les rois de Zimri, A tous les rois d'Élam, Et à tous les rois de Médie; 26 A tous les rois du septentrion, Proches ou éloignés, Aux uns et aux autres, Et à tous les royaumes du monde Qui sont sur la face de la terre. Et le roi de Schéschac boira après eux. 27 Tu leur diras: Ainsi parle l'Éternel des armées, le Dieu d'Israël: Buvez, enivrez-vous, et vomissez, Et tombez sans vous relever, A la vue du glaive que j'enverrai au milieu de vous! 28 Et s'ils refusent de prendre de ta main la coupe pour boire, Dis-leur: Ainsi parle l'Éternel des armées: Vous boirez! 29 Car voici, dans la ville sur laquelle mon nom est invoqué Je commence à faire du mal; Et vous, vous resteriez impunis! Vous ne resterez pas impunis; Car j'appellerai le glaive sur tous les habitants de la terre, Dit l'Éternel des armées. 30 Et toi, tu leur prophétiseras toutes ces choses, Et tu leur diras: L'Éternel rugira d'en haut; De sa demeure sainte il fera retentir sa voix; Il rugira contre le lieu de sa résidence; Il poussera des cris, comme ceux qui foulent au pressoir, Contre tous les habitants de la terre. 31 Le bruit parvient jusqu'à l'extrémité de la terre; Car l'Éternel est en dispute avec les nations, Il entre en jugement contre toute chair; Il livre les méchants au glaive, dit l'Éternel. 32 Ainsi parle l'Éternel des armées: Voici, la calamité va de nation en nation, Et une grande tempête s'élève des extrémités de la terre. 33 Ceux que tuera l'Éternel en ce jour seront étendus D'un bout à l'autre de la terre; Ils ne seront ni pleurés, ni recueillis, ni enterrés, Ils seront comme du fumier sur la terre. 34 Gémissez, pasteurs, et criez! Roulez-vous dans la cendre, conducteurs de troupeaux! Car les jours sont venus où vous allez être égorgés. Je vous briserai, et vous tomberez comme un vase de prix. 35 Plus de refuge pour les pasteurs! Plus de salut pour les conducteurs de troupeaux! 36 On entend les cris des pasteurs, Les gémissements des conducteurs de troupeaux; Car l'Éternel ravage leur pâturage. 37 Les habitations paisibles sont détruites Par la colère ardente de l'Éternel. 38 Il a abandonné sa demeure comme un lionceau sa tanière; Car leur pays est réduit en désert Par la fureur du destructeur Et par son ardente colère.