T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 23

1 [Faminaniana ny amin'ny mpiandry tsara, indrindra fa ny Rantsan'i Davida] Lozan'ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah

2 Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ireo mpiandry izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian'ny ataonareo, hoe Jehovah

3 Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin'ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy

4 Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.

5 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana* marina ho an'i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany.[Na: Solofo]

6 Amin'ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian'ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.

7 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;

8 Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak'Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin'ny taniny izy.

9 [Faminaniana ny amin'ny mpaminany sandoka] Ny amin'ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin'i Jehovah sy noho ny teniny masina.

10 Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan'ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon*'ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny.[Heb. lalan']

11 Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy* avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.[Na: ratsy fanahy]

12 Koa dia ho toy ny lala-malama amin'ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin'ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.

13 Ary tamin'ny mpaminanin'i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin'i Bala izy ka nampivily ny Isiraely oloko,

14 Ary tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan'ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin'ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an'i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an'i Gomora.

15 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema no nivoahan'ny faharatsiana ho any amin'ny tany rehetra.

16 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan'i Jehovah.

17 Milaza mandrakariva amin'izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin'izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.

18 Fa iza moa no efa isan'ny mpihevitra teo amin'i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny?

19 He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy.

20 Ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.

21 Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy.

22 Fa raha isan'ny mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin'ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin'ny lalany ratsy sy tamin'ny faharatsian'ny nataony.

23 Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa?

24 Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.

25 Efa reko ny nolazain'ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin'ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.

26 Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon'ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony va?

27 Ny hampanadino ny oloko ny anarako amin'ny nofiny izay lazainy amin'ny namany avy, toy ny nanadinoan'ny razany ny anarako noho ny amin'i Bala?

28 Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin'ny vary? hoy Jehovah.

29 Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?

30 Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin'ny namany avy.

31 Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.

32 Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.

33 Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan*'i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin'ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.[Na: faminaniana ny loza]

34 Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan'i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin'ny ankohonany.

35 Samia manontany amin'ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin'i Jehovah? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?

36 Fa ny hoe: Ny entan'i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin'ny olona avy ihany no ho entan'ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin'Andriamanitra velona, dia Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitsika.

37 Izao no hanontanianareo* amin'ny mpaminany; Ahoana no navalin'i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?[Heb. hanontanianao]

38 Fa raha hoy ianareo: Entan'i Jehovah, Dia izao no lazain'i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny entan'i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe: Aza manao hoe: Ny entan'i Jehovah,

39 Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin'ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;

40 Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.

 

Chapitre 23

23:1 Woe to the shepherds who destroy and scatter the sheep of my pasture! says Yahweh. 23:2 Therefore thus says Yahweh, the God of Israel, against the shepherds who feed my people: You have scattered my flock, and driven them away, and have not visited them; behold, I will visit on you the evil of your doings, says Yahweh. 23:3 I will gather the remnant of my flock out of all the countries where I have driven them, and will bring them again to their folds; and they shall be fruitful and multiply. 23:4 I will set up shepherds over them, who shall feed them; and they shall fear no more, nor be dismayed, neither shall any be lacking, says Yahweh. 23:5 Behold, the days come, says Yahweh, that I will raise to David a righteous Branch, and he shall reign as king and deal wisely, and shall execute justice and righteousness in the land. 23:6 In his days Judah shall be saved, and Israel shall dwell safely; and this is his name by which he shall be called: Yahweh our righteousness. 23:7 Therefore behold, the days come, says Yahweh, that they shall no more say, As Yahweh lives, who brought up the children of Israel out of the land of Egypt; 23:8 but, As Yahweh lives, who brought up and who led the seed of the house of Israel out of the north country, and from all the countries where I had driven them. They shall dwell in their own land. 23:9 Concerning the prophets. My heart within me is broken, all my bones shake; I am like a drunken man, and like a man whom wine has overcome, because of Yahweh, and because of his holy words. 23:10 For the land is full of adulterers; for because of swearing the land mourns; the pastures of the wilderness are dried up. Their course is evil, and their might is not right; 23:11 for both prophet and priest are profane; yes, in my house have I found their wickedness, says Yahweh. 23:12 Therefore their way shall be to them as slippery places in the darkness: they shall be driven on, and fall therein; for I will bring evil on them, even the year of their visitation, says Yahweh. 23:13 I have seen folly in the prophets of Samaria; they prophesied by Baal, and caused my people Israel to err. 23:14 In the prophets of Jerusalem also I have seen a horrible thing: they commit adultery, and walk in lies; and they strengthen the hands of evildoers, so that none does return from his wickedness: they are all of them become to me as Sodom, and its inhabitants as Gomorrah. 23:15 Therefore thus says Yahweh of Armies concerning the prophets: Behold, I will feed them with wormwood, and make them drink the water of gall; for from the prophets of Jerusalem is ungodliness gone forth into all the land. 23:16 Thus says Yahweh of Armies, Don’t listen to the words of the prophets who prophesy to you: they teach you vanity; they speak a vision of their own heart, and not out of the mouth of Yahweh. 23:17 They say continually to those who despise me, Yahweh has said, You shall have peace; and to everyone who walks in the stubbornness of his own heart they say, No evil shall come on you. 23:18 For who has stood in the council of Yahweh, that he should perceive and hear his word? who has marked my word, and heard it? 23:19 Behold, the storm of Yahweh, his wrath, has gone forth. Yes, a whirling storm. It shall burst on the head of the wicked. 23:20 The anger of Yahweh shall not return, until he has executed, and until he have performed the intents of his heart: in the latter days you shall understand it perfectly. 23:21 I sent not these prophets, yet they ran: I didn’t speak to them, yet they prophesied. 23:22 But if they had stood in my council, then had they caused my people to hear my words, and had turned them from their evil way, and from the evil of their doings. 23:23 Am I a God at hand, says Yahweh, and not a God afar off? 23:24 Can any hide himself in secret places so that I shall not see him? says Yahweh. Don’t I fill heaven and earth? says Yahweh. 23:25 I have heard what the prophets have said, who prophesy lies in my name, saying, I have dreamed, I have dreamed. 23:26 How long shall this be in the heart of the prophets who prophesy lies, even the prophets of the deceit of their own heart? 23:27 who think to cause my people to forget my name by their dreams which they tell every man to his neighbor, as their fathers forgot my name for Baal. 23:28 The prophet who has a dream, let him tell a dream; and he who has my word, let him speak my word faithfully. What is the straw to the wheat? says Yahweh. 23:29 Isn’t my word like fire? says Yahweh; and like a hammer that breaks the rock in pieces? 23:30 Therefore behold, I am against the prophets, says Yahweh, who steal my words everyone from his neighbor. 23:31 Behold, I am against the prophets, says Yahweh, who use their tongues, and say, He says. 23:32 Behold, I am against those who prophesy lying dreams, says Yahweh, and do tell them, and cause my people to err by their lies, and by their vain boasting: yet I didn’t send them, nor commanded them; neither do they profit this people at all, says Yahweh. 23:33 When this people, or the prophet, or a priest, shall ask you, saying, What is the burden of Yahweh? Then you shall tell them, What burden! I will cast you off, says Yahweh. 23:34 As for the prophet, and the priest, and the people, who shall say, The burden of Yahweh, I will even punish that man and his house. 23:35 You shall say everyone to his neighbor, and everyone to his brother, What has Yahweh answered? and, What has Yahweh spoken? 23:36 You shall mention the burden of Yahweh no more: for every man’s own word shall be his burden; for you have perverted the words of the living God, of Yahweh of Armies our God. 23:37 You shall say to the prophet, What has Yahweh answered you? and, What has Yahweh spoken? 23:38 But if you say, The burden of Yahweh; therefore thus says Yahweh: Because you say this word, The burden of Yahweh, and I have sent to you, saying, You shall not say, The burden of Yahweh; 23:39 therefore, behold, I will utterly forget you, and I will cast you off, and the city that I gave to you and to your fathers, away from my presence: 23:40 and I will bring an everlasting reproach on you, and a perpetual shame, which shall not be forgotten.

 

Chapitre 23
1 Malheur aux pasteurs qui détruisent et dispersent Le troupeau de mon pâturage! dit l'Éternel. 2 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel, le Dieu d'Israël, Sur les pasteurs qui paissent mon peuple: Vous avez dispersé mes brebis, vous les avez chassées, Vous n'en avez pas pris soin; Voici, je vous châtierai à cause de la méchanceté de vos actions, Dit l'Éternel. 3 Et je rassemblerai le reste de mes brebis De tous les pays où je les ai chassées; Je les ramènerai dans leur pâturage; Elles seront fécondes et multiplieront. 4 J'établirai sur elles des pasteurs qui les paîtront; Elles n'auront plus de crainte, plus de terreur, Et il n'en manquera aucune, dit l'Éternel. 5 Voici, les jours viennent, dit l'Éternel, Où je susciterai à David un germe juste; Il régnera en roi et prospérera, Il pratiquera la justice et l'équité dans le pays. 6 En son temps, Juda sera sauvé, Israël aura la sécurité dans sa demeure; Et voici le nom dont on l'appellera: L'Éternel notre justice. 7 C'est pourquoi voici, les jours viennent, dit l'Éternel, Où l'on ne dira plus: L'Éternel est vivant, Lui qui a fait monter du pays d'Égypte les enfants d'Israël! 8 Mais on dira: L'Éternel est vivant, Lui qui a fait monter et qui a ramené La postérité de la maison d'Israël du pays du septentrion Et de tous les pays où je les avais chassés! Et ils habiteront dans leur pays. 9 Sur les prophètes. Mon coeur est brisé au dedans de moi, Tous mes os tremblent; Je suis comme un homme ivre, Comme un homme pris de vin, A cause de l'Éternel et à cause de ses paroles saintes. 10 Car le pays est rempli d'adultères; Le pays est en deuil à cause de la malédiction; Les plaines du désert sont desséchées. Ils courent au mal, Ils n'ont de la force que pour l'iniquité. 11 Prophètes et sacrificateurs sont corrompus; Même dans ma maison j'ai trouvé leur méchanceté, Dit l'Éternel. 12 C'est pourquoi leur chemin sera glissant et ténébreux, Ils seront poussés et ils tomberont; Car je ferai venir sur eux le malheur, L'année où je les châtierai, dit l'Éternel. 13 Dans les prophètes de Samarie j'ai vu de l'extravagance; Ils ont prophétisé par Baal, Ils ont égaré mon peuple d'Israël. 14 Mais dans les prophètes de Jérusalem j'ai vu des choses horribles; Ils sont adultères, ils marchent dans le mensonge; Ils fortifient les mains des méchants, Afin qu'aucun ne revienne de sa méchanceté; Ils sont tous à mes yeux comme Sodome, Et les habitants de Jérusalem comme Gomorrhe. 15 C'est pourquoi ainsi parle l'Éternel des armées sur les prophètes: Voici, je vais les nourrir d'absinthe, Et je leur ferai boire des eaux empoisonnées; Car c'est par les prophètes de Jérusalem Que l'impiété s'est répandue dans tout le pays. 16 Ainsi parle l'Éternel des armées: N'écoutez pas les paroles des prophètes qui vous prophétisent! Ils vous entraînent à des choses de néant; Ils disent les visions de leur coeur, Et non ce qui vient de la bouche de l'Éternel. 17 Ils disent à ceux qui me méprisent: L'Éternel a dit: Vous aurez la paix; Et ils disent à tous ceux qui suivent les penchants de leur coeur: Il ne vous arrivera aucun mal. 18 Qui donc a assisté au conseil de l'Éternel Pour voir, pour écouter sa parole? Qui a prêté l'oreille à sa parole, qui l'a entendue? 19 Voici, la tempête de l'Éternel, la fureur éclate, L'orage se précipite, Il fond sur la tête des méchants. 20 La colère de l'Éternel ne se calmera pas, Jusqu'à ce qu'il ait accompli, exécuté les desseins de son coeur. Vous le comprendrez dans la suite des temps. 21 Je n'ai point envoyé ces prophètes, et ils ont couru; Je ne leur ai point parlé, et ils ont prophétisé. 22 S'ils avaient assisté à mon conseil, Ils auraient dû faire entendre mes paroles à mon peuple, Et les faire revenir de leur mauvaise voie, De la méchanceté de leurs actions. 23 Ne suis-je un Dieu que de près, dit l'Éternel, Et ne suis-je pas aussi un Dieu de loin? 24 Quelqu'un se tiendra-t-il dans un lieu caché, Sans que je le voie? dit l'Éternel. Ne remplis-je pas, moi, les cieux et la terre? dit l'Éternel. 25 J'ai entendu ce que disent les prophètes Qui prophétisent en mon nom le mensonge, disant: J'ai eu un songe! j'ai eu un songe! 26 Jusques à quand ces prophètes veulent-ils prophétiser le mensonge, Prophétiser la tromperie de leur coeur? 27 Ils pensent faire oublier mon nom à mon peuple Par les songes que chacun d'eux raconte à son prochain, Comme leurs pères ont oublié mon nom pour Baal. 28 Que le prophète qui a eu un songe raconte ce songe, Et que celui qui a entendu ma parole rapporte fidèlement ma parole. Pourquoi mêler la paille au froment? dit l'Éternel. 29 Ma parole n'est-elle pas comme un feu, dit l'Éternel, Et comme un marteau qui brise le roc? 30 C'est pourquoi voici, dit l'Éternel, j'en veux aux prophètes Qui se dérobent mes paroles l'un à l'autre. 31 Voici, dit l'Éternel, j'en veux aux prophètes Qui prennent leur propre parole et la donnent pour ma parole. 32 Voici, dit l'Éternel, j'en veux à ceux qui prophétisent des songes faux, Qui les racontent, et qui égarent mon peuple Par leurs mensonges et par leur témérité; Je ne les ai point envoyés, je ne leur ai point donné d'ordre, Et ils ne sont d'aucune utilité à ce peuple, dit l'Éternel. 33 Si ce peuple, ou un prophète, ou un sacrificateur te demande: Quelle est la menace de l'Éternel? Tu leur diras quelle est cette menace: Je vous rejetterai, dit l'Éternel. 34 Et le prophète, le sacrificateur, ou celui du peuple Qui dira: Menace de l'Éternel, Je le châtierai, lui et sa maison. 35 Vous direz, chacun à son prochain, chacun à son frère: Qu'a répondu l'Éternel? Qu'a dit l'Éternel? 36 Mais vous ne direz plus: Menace de l'Éternel! Car la parole de chacun sera pour lui une menace; Vous tordez les paroles du Dieu vivant, De l'Éternel des armées, notre Dieu. 37 Tu diras au prophète: Que t'a répondu l'Éternel? Qu'a dit l'Éternel? 38 Et si vous dites encore: Menace de l'Éternel! Alors ainsi parle l'Éternel: Parce que vous dites ce mot: Menace de l'Éternel! Quoique j'aie envoyé vers vous pour dire: Vous ne direz pas: Menace de l'Éternel! 39 A cause de cela voici, je vous oublierai, Et je vous rejetterai, vous et la ville Que j'avais donnée à vous et à vos pères, Je vous rejetterai loin de ma face; 40 Je mettrai sur vous un opprobre éternel Et une honte éternelle, Qui ne s'oublieront pas.